Ry tanora, ahoana no hampiasanareo ny fiainanareo?
“Mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” — II KORINTIANA 5:15.
1. Teny ahoana moa no nanehoan’ny olona sasany ny fankasitrahany, ary nahoana?
‘MISAOTRA! Ianao no namonjy ahy tsy ho faty!’ Izany no nolazain’ny olona tamin’ireo izay nanavotra azy tamin’ny hain-trano na ny fahafatesana an-drano. Tamin’ireo teny ireo koa no nanehoan’ny tanora kristiana ny fankasitrahany an’ireo ray aman-dreniny. Tsy misaotra azy ireny noho ny fiainana ara-batana azony avy aminy fotsiny izy ireo, fa koa, ary indrindra, noho ny fitandremana sy ny fanabeazana voamariky ny fitiavana, izay nametraka azy ireo teo amin’ny lalana mitondra ho amin’ny “teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay”. — I Jaona 2:25.
2. Amin’ny fahazavan’ny toe-javatra inona moa no tokony hameran’ny tanora izay hampiasany ny fiainany?
2 Noho ny fitiavany, Jehovah Andriamanitra dia nanao izay hahatratraran’ny tsirairay avy amintsika ny fiainana mandrakizay, “ny tena fiainana”. ‘Tiany isika ka nirahiny ny zanany ho avotra noho ny fahotantsika.’ (I Timoty 6:19; I Jaona 4:10). Aoka hoheverintsika koa ny fitiavana nasehon’i Jesosy Zanany tamin’ny fanekena ho faty tao anatin’ny fijaliana mafy mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay (Jaona 15:13)! Noho ireo antony ireo, dia mipetraka ny fanontaniana hoe: Ahoana no hampiasanao ny fiainanao?
3. Inona moa matetika no manapaka izay ampiasan’ny olona ny fiainany?
3 Io fanontaniana io, lazaina amin’ny fomba iray na hafa, dia fametraky ny mpanolo-tsaina ny amin’ny asa fidina hatao na olon-kafa miahy ny amin’ny ho aviny, amin’ireo tanora. Inona no hanapaka izay ho valinteninao? Ny fitiavanao manokana fotsiny ve? Ny hevitr’ireo olona maniry hahita anao ho tonga eo amin’ny toerana iray eo amin’izao tontolo izao ve? Sa hanapa-kevitra hampiasa ny fiainanao kosa ianao amin’ny fiheverana anton-javatra ambony kokoa? Aoka hoheverintsika izao fampahatsiahivana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izao: “Ary maty hamonjy ny olona rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (II Korintiana 5:15). Eny, tsara aoka izany ny manana fiainana izay manome taratry ny fankasitrahantsika izay nataon’i Jesosy Kristy sy ny Rainy any an-danitra ho antsika!
Ireo izay alain’izao tontolo izao ho ohatra
4. Karazan’olona manao ahoana matetika no raisin’ny tanora indrindra ho ohatra amin’izao andro izao?
4 Fa iza moa ireo olona izay mahita fahombiazana indrindra ankehitriny, ireo izay alain’ny tanora betsaka tahaka? Ny olona manan-karena sy malaza, na manao ahoana na manao ahoana toetrany ara-pitondrantena, sa tsy izany? Ary rehefa miditra ao an’efitranon’ny tanora maro ianao, karazan-tsary lehibe inona moa no hita eny amin’ny rindrina? Matetika izany dia ny an’ireo mpahay zava-maneno, na ireo mpilalao ao amin’ny sarimihetsika sy mpanao fanatanjahan-tena. Ny ankamaroan’ny tanora tokoa dia manonofy hahita fahombiazana mitovy amin’ny an’ireny olona ireny indray andro any, na hanambady olona iray, izay manana bika soa sahala amin’izy ireny. Ary ianao? Inona no andrasanao avy amin’ny fiainana?
5, 6. a) Nahoana no azo lazaina fa ny fahombiazana atolotr’izao tontolo izao ankehitriny dia tsy mitondra fahafaham-po marina? b) Inona no loharanon’ny fahafaham-po marina?
5 Raha toa ianao mahita fahombiazana sahala amin’ireo olo-malaza eo amin’izao tontolo izao, moa ve izany hitondra ho anao ny fahasambarana sy ny fahafaham-po marina? Indray andro ny anankiray amin’ireo vehivavy mpilalao ao amin’ny sarimihetsika fanta-daza indrindra tao Hollywood dia nanambara izao: “Ampoky ny harena sy ny fananana ara-nofo isan-karazany aho. Nefa tsy misy vidiny akory izany. Betsaka toy ireo toerana filomanosana misy ao amin’ny faritany ny fisian’ny mpitsabo areti-tsaina, tsy resahina intsony ny amin’ny fisaraham-panambadiana sy ireo zanaka mankahala ny ray aman-dreniny.” — Mpitoriteny 5:10; I Timoty 6:10.
6 Ny zazavavy mpanao fanatanjahan-tena malaza iray, mbola mpianatra, izay nandresy tamin’ny fihazakazahana malaza teo amin’ny halavirana 10 kilaometatra natao tao New York tamin’ny 1981 ho an’ny vehivavy, dia tonga hatramin’ny fahadisoam-panantenana aoka izany ka nanandrana namono tena. “Nianatra zavatra maro momba ny fiainana aho nandritra ireo volana faramparany, hoy ny nosoratany tatỳ aoriana. Nianarako, ohatra, fa tsy ahazoana fahafaham-po ireo fomba ampiasain’ny maro mba hahatratrarana ny fahatsarana tonga lafatra sy ny fahombiazana. Raha ny amiko, ny maha-mpianatra mahay ahy, na ny maha-tompon-daka amin’ny hazakazaka an-tongotra na ny maha-tovovavy mahasodoka, dia tsy nitondra ho ahy ny fahafaham-po.” Ny olombelona dia tokony hahatakatra fa tsy azo atao ny mahita ny tena fahafaham-po raha tsy amin’ny fitanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra, ilay hany afaka manome ny fiadanana sy ny fahasambarana marina. — Salamo 23:1, 6; 16:11.
7. Zava-dehibe ve ny fanaovana fianarana ambony sy ny hahombiazana mba hahatsapana ny tena fahafaham-po?
7 Miharihary àry fa tsy tokony hitady hanahaka ireo izay mikokotra mba hahazoana laza sy harena fotsiny ianao. Nisy aza mpanoratra ivelan’ny fivavahana manamarika fa ny fahombiazana ara-tsosialy dia tsy mitondra ny tena fahafaham-po. Nanoratra toy izao Bill Reel, mpanao gazety: “Nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite ianao ary manonofinofy ny amin’ny ho avinao. Mampalahelo anefa fa tsy ho tanteraka ny ankamaroan’ny fanirianao. Tsy ta-hanakivy anao aho, nefa tokony ho fantatrao ny marina: Rehefa ho azonao ireo fananana tsiriritinao, raha toa ka ho azonao ireny, ary rehefa ho tratranao ny zava-kendrena noferanao, raha toa ka ho tratranao izany indray andro any, dia tsy ho afa-po ianao. Raha ny marina, amin’ny fotoana hiheveranao indrindra fa nahomby ianao, dia hahatsiaro banga ianao fa tsy fahafenoana, fahaketrahana fa tsy fifaliana, fanahiana fa tsy filaminana.” — New York Daily News, 26 may 1983.
8. Antony lehibe inona no tsy hitadiavantsika hanana toerana eo amin’izao tontolo izao?
8 Isika kosa izay mahafantatra ny hevitr’ireo fisehoan-javatra maneran-tany amin’ny fahazavan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia manana antony mbola lehibe lavitra isika tsy hitadiavana toerana eo amin’ity izao tontolo izao ity (Matio 24:3-14). Ho azontsika atao ny hanohatra ny tenantsika amin’olona izay mahita soratra mipetaka amin’ny trano lehibe iray manao hoe: “Orinasa eo am-pikatonana.” Hitady hahazo toerana ao ve izy? Mazava ho azy fa tsia! Ary izay miasa ao amin’io orinasa io dia hihevitra amim-pahendrena hitady asa any an-kafa. Ny fikambanana rehetra eo amin’ity izao tontolo izao ity anefa dia toy ny manisy petadrindrina ahitana izao hafatra izao: “Eo am-pikatonana — Hifarana tsy ho ela!” Eny, manome antoka ho antsika ny Baiboly fa “mandalo izao fiainana izao”. (I Jaona 2:17.) Mampiseho fahendrena àry isika amin’ny tsy fakana ho ohatra, olona izay mifikitra lalina aminy.
Torohevitra mendrika arahina
9. Torohevitra inona mifanaraka amin’ny lalan’izao tontolo izao moa indraindray no omen’ny olona toa mitady izay hahasoa ny zatovo?
9 Ny fiainanao dia tsy voavolavolan’ny olona hajainao ihany, fa ny ray aman-dreny sy ny sakaiza koa izay araka ny filazany angamba, dia ‘mitady izay hahasoa anao’. ‘Tsy maintsy mamelon-tena’, hoy ny sasany amin’ireo manoro hevitra ny zatovo mba hanohizany fianarana ambony ka hahazoany amin’izany asa iray be karama. ‘Mpitsabo Lioka mpanoratra ao amin’ny Baiboly, hoy ny fanamarihana ataony, ary ny apostoly Paoly dia nampianarin’i Gamaliela, mpampiana-dalàna.’ (Kolosiana 4:14; Asan’ny apostoly 5:34; 22:3). Nefa aoka hofakafakaintsika amim-pitandremana ireny torohevitra ireny.
10. Ohatra inona moa no navelan’i Lioka sy Paoly, ary inona no azo lazaina ny amin’ny raharaha nataony talohan’ny naha-kristiana azy?
10 Lioka mpitsabo dia tsy namporisika ny kristiana velively handray fiofanana ara-draharaha sahala amin’ny azy. Nanao ny fitantarana ny fiainan’i Jesosy sy ny apostoliny kosa izy, mba hanolotra azy ireo ho ohatra. Azo inoana fa efa mpitsabo izy talohan’ny nandrenesany firesahana ny amin’i Kristy. Nefa taty aoriana, dia nanome ho an’ny fanompoana kristiana ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany izy. Ny tarehin-javatra nisy an’i Paoly koa dia sahala amin’izany. Tsy namporisika ny hafa hanahaka azy izy, toy ny nanahafany an’i Gamaliela, fa nanoratra kosa izy hoe: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” Paoly dia nanome vidiny lehibe aoka izany ho an’ny fahalalana momba an’i Kristy, hany ka araka ny teniny ihany, dia nihevitra ireo zava-nokendreny taloha ho toy ny “taimboraka” izy raha noharina tamin’izany. — I Korintiana 11:1; Filipiana 3:8.
11. a) Inona no nolazain’i Petera tamin’i Jesosy, ary nahoana? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy?
11 Aza hadinoina fa, noho ny fihetseham-po diso toerana, dia mety hanome anao torohevitra tsy misy vidiny na dia ny olona tia anao aza. Araka izany, rehefa nampahafantatra izay hanjo azy ao Jerosalema teo am-piafaran’ny fanompoany Jesosy, ny apostoly Petera dia nanambara taminy hoe: “Sanatria aminao izany, Tompoko; tsy ho aminao tokoa izany.” Tia an’i Jesosy i Petera ka tsy tiany ny hijaliany. Nanitsy azy anefa i Jesosy, satria fantany fa mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy hijaly sy hovonoin’ny fahavalony izy. — Matio 16:21-23.
12. Torohevitra inona moa no omen’ny olona tsara fikasa ho an’ny zatovo indraindray, ary nahoana?
12 Tahaka izany koa, fa mety hanakivy anao tsy hifidy fiainana misy fandavan-tena ny havana na ny sakaiza. Atosiky ny fihetseham-po tsy mampiseho fahendrena izy ireny ka mety hisalasala ny hamporisika anao hanomboka ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpitory maharitra, na misionera, na koa mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny sampan’ny Fikambanana iray. Angamba hoy izy ireny hoe: ‘Nahoana moa ianao raha manambady ka mipetraka etỳ akaikinay kosa?’ na: ‘Mafy be ange ny asa ao amin’ny Betela e! Tsy isalasalana fa ho tsaratsara kokoa raha mijanona miaraka aminay ianao.’ Lazainy amin’ny teny hafa indray ny fanambaran’i Petera hoe: “Sanatria aminao izany [manàna hatsaram-po amin’ny tenanao, MN ].”
13. a) Fomba fijery zavatra marina kokoa inona moa no nambaran’i Petera? b) Inona no tafiditra amin’ny hoe maha-kristiana marina?
13 Na dia amin’ireo mpanompon’i Jehovah aza, dia misy mihitsy mila manitsy ny fomba fisainany. Izany no nitranga tamin’i Petera izay, noho ny fomba fijery zavatra marina kokoa, dia nanoratra izao: “Fa ho amin’izany no niantsoana anareo, fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.” (I Petera 2:21). Mba hananana fiainana tena kristiana, dia ilaina ny hanehoana fandavan-tena, eny, ary na dia hijaly mihitsy aza. Tsy lalana mora izany, nefa izany no niantsoana antsika kristiana. Ny fanekena izany dia midika fa ‘tsy velona ho an’ny tenantsika intsony isika, fa ho an’izay efa maty hamonjy antsika’. (II Korintiana 5:15.) Raha manaraka ohatra tsara foana isika, dia ho mora kokoa ny hampiasa ny fiainantsika amim-pahafoizan-tena toy izany.
Ohatra tokony hobanjinina
14. Ohatra inona no navelan’i Jesosy?
14 Ny ohatra tokony hobanjinina indrindra dia ny an’i Jesosy. Noho izy tanteraka, dia azony natao ny ho tonga mpanao fanatanjahan-tena na mpahay zavamaneno na koa mpitsabo na mpitsara lehibe indrindra izay azon’ny tany nomena. Nefa na dia tamin’ny fahazazany aza, dia niezaka hahafaly ny Rainy tany an-danitra izy (Lioka 2:42-49). Izao no nambarany tatỳ aoriana: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, satria izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43). Tamin’ny fahavaratra lasa teo, ny taratasy iray navoaka tao amin’ny revio ara-pivavahana Ministry dia nanambara izao: “Ny Mpamonjy antsika dia tia ny nihataka tamin’ny vahoaka, avy eo dia nandeha isan-trano Izy — nikaroka olona [fanahy]. Ny fahafinaretany dia ny niresaka tamin’olona [fanahy] iray isaky ny nandeha. Tamin’izay izy dia afaka nandrotsaka taminy ny fahamarinana — ny fitiavan’Andriamanitra.” — Lioka 10:1-16.
15. a) Nahoana ny fitoriana isan-trano no tsy raharaha mora? b) Inona no manondro fa ny fanompoana isan-trano tanterahin’ny zatovo dia mandaitra?
15 Marina fa tsy raharaha mora ny fitoriana isan-trano. Ilaina ny mianatra amim-pahazotoana ny Baiboly mba hahatakarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ary misahirana manomana fampisehoana mandaitra. Ankoatr’izany, io fanompoana io dia mitaky herim-po, satria ny ankamaroan’ny olona dia tsy miraika, ary ny sasany aza dia manohitra mihitsy. Kanefa, ry tanora, ny fanompoana tanterahinareo isan-trano dia manome vokatra tsara dia tsara araka ny fanamarihana nataon’ny La Voce, revio paroasialy mivoaka any Italia, tao amin’ny lahatsoratra iray, izay nanoratan’ny mpanao azy toy izao: “Ny tenako manokana dia mankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah, izay tonga mitsidika ny olona any an-tokantranony”, hoy ny fampahatsiahivany. Dia mbola nanampy izy hoe: “Ireo izay fantatro dia sady tena mahalala fomba no manaja olona; manana fisehoana ivelany mahafinaritra izy ireo ary tanora amin’ny ankamaroany. Ny hatsarana sy ny hatanorana dia tena mampiaiky rehefa asongadina toy izany.”
16. a) Noho ny fandraisany anjara amin’ny asa inona moa no maha-mendri-piderana ny tanora kristiana? b) Fampitahana manao ahoana moa no azo atao eo amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo fivavahana raha ny amin’ny fanatanterahana ny asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany?
16 Ianareo tanora izay maka an’i Kristy ho ohatra, dia mendri-piderana tokoa ianareo! Tanora miisa ho 12 000 mahery ary latsaka ny 26 taona no mpitory maharitra any Etazonia, ary an’aliny maro hafa koa no toy izany any amin’ny toeran-kafa (Salamo 110:3). Aoka hiaiky ianao fa manatanteraka ny asa lehibe indrindra! Na dia ilay mpanoratra tao amin’ilay revio ara-pivavahana voalaza tetsy ambony aza, dia nilaza hoe: “Amin’Andriamanitra, ny asa lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao, dia ny fitsidihana ny olona isan-trano — hitadiavana fanahy.” Nanohy izy hoe: “Ahoana no hevitrao? Hatraiza no andraisantsika anjara amin’izany asa izany, izaho sy ianao? Mahalana aho no nandre firesahana ny amin’io karazan’asa io tao amin’ny revio MINISTRY.” Tsy tokony ho sambatra ve isika miara-miasa amin’ny fandaminana iray, izay manantitrantitra ny amin’ny ilàna anahafana ny ohatr’i Kristy, amin’ny fandehanana mitory?
17. Inona moa no nataon’i Timoty raha mbola azo inoana fa zatovo izy, ary inona no mampiseho fa tena mbola tanora izy tamin’izany fotoana izany?
17 Koa satria ny olona derainao dia manan-kery lehibe eo amin’ny fomba hampiasanao ny fiainanao, dia saintsaino koa ny amin’ny ohatra miavaka navelan’i Timoty tanora. Teraka fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy izy, ary mbola zatovo rehefa nandao ny fianakaviany mba hiaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny diany misionera faharoa. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia noteren’ny vahoaka nanohitra handositra an’i Tesalonika Paoly sy Silasy, nefa efa nanao mpianatra vitsivitsy tao izy ireo (Asan’ny apostoly 16:1-3; 17:1-10, 13-15). Tsy ela tatỳ aoriana i Paoly dia naniraka an’i Timoty tany amin’io faritany nampidi-doza io mba hampahery ireny mpianatra ireny tamin’ny fisedrana nahazo azy (I Tesaloniana 3:1-3). Angamba tsy mbola roapolo taona akory Timoty tamin’izany fotoana izany, satria 12 ka hatramin’ny 14 taona tatỳ aoriana, dia mbola hiresaka ny amin’ny ‘hatanorany’, i Paoly. (I Timoty 4:12.) Moa ve ianao tsy midera zatovolahy be herim-po sy tia fandavan-tena toy izany?
18. Nahoana i Paoly no mieritreritra ny handefa an’i Timoty ho any amin’ny Korintiana?
18 Dimy taona taorian’ny nangatahany an’i Timoty hankany Tesalonika mba hanatanjaka ny rahalahy, Paoly, izay tany Efesosy, dia nanoratra ho an’ny Korintiana hoe: “Manahafa ahy hianareo. Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty (...), ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.” (I Korintiana 4:16, 17). Koa satria efa niara-niasa dimy taona tamin’i Paoly i Timoty tanora, dia nahafantatra tsara ny fomba fampianarany. Fantany ny fomba nanoloran’i Paoly ny hafatra tamin’ireo Efesiana, anisan’izany ny fomba nampianarany azy ireo “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano”. (Asan’ny apostoly 20:20, 21.) Koa satria nifankazatra tsara tamin’ireny fomba fitoriana ireny Timoty, dia afaka nitondra tokoa, fanampiana niavaka ho an’ireo kongregasiona.
19. Inona no nambaran’i Paoly ny amin’i Timoty, folo taona mahery taorian’ny nanombohany niara-nanompo?
19 Dimy na enin-taona izay no lasa, ary notanana tany Roma i Paoly. Ny tenan’i Timoty izay vao avy nafahana tao an-tranomaizina, dia niaraka taminy (Hebreo 13:23). Alao sary an-tsaina izay niseho: angamba nampiasa an’i Timoty ho mpitantsoratra i Paoly ka nanonona ny taratasiny ho an’ny Filipiana. Tamin’ny fandanjalanjana tsara ny teniny, dia izao no nambarany ankoatra ny zavatra hafa: “Nefa manantena ao amin’i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’i Timoty faingana ho atỳ aminareo (...). Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko [aminy, MN ] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. (...) Izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.” — Filipiana 1:1; 2:19-22.
20. Inona moa no nahatonga an’i Timoty ho ohatra mendrika hoderaina ho an’ny tanora kristiana?
20 Tsy azo lavina fa namela ohatra maha-te-hidera Timoty tanora! Namana nahatoky ho an’i Paoly izy, tamin’ny fifikirany taminy namakivaky ny fisedrana rehetra, tamin’ny fanohanana azy tao amin’ny fitoriana, sy tamin’ny fahavononana hanompo na aiza na aiza. Nafoiny ny hanana fiainana lazaina fa ara-dalàna tany aminy, nefa fahafaham-po toy inona moa no azony tamin’ny nanokanany ny fiainany tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra! ‘Tsy velona ho an’ny tenany intsony’ tokoa Timoty, ‘fa ho an’i Kristy efa maty hamonjy azy’. (II Korintiana 5:15.) Manana faniriana hanahaka ny ohatra navelany ve ianao?
Aoka ianao ho velona ho an’izao tontolo izao vaovao ampanantenain’Andriamanitra
21. Nahoana no azo lazaina fa tanora araka ny fanahy i Timoty?
21 Niaina marina tokoa ho an’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra i Timoty. Tsy nihevitra velively ny anio ihany izy, fa nampiasa ny fiainany kosa mba hahazoana soa mandrakizay (Matio 6:19-21). Ny rainy, Grika iray izay toa tsy mpino, dia angamba namporisika azy hanao fianarana ambony sy hikatsaka anton’asa hahazoan-daza. Nefa noho ny fanabeazana nisy fitiavam-pivavahana azony avy tamin’ny reniny sy ny renibeny, Timoty dia nampifantoka ny fiainany tamin’ny asa kristiana. Nikatsaka zava-kendrena ara-panahy izy, angamba nitoetra ho mpitovo izy fara faharatsiny nandritra ny fotoana sasany, ka nanao fandrosoana hatramin’ny fahafahana nanompo teo anilan’ny apostoly Paoly. — II Timoty 1:5.
22. Ahoana moa no ilazalazan’ilay bokikely hoe Ny sekoly ny fiainan’ireo zatovo izay manahaka ny ohatr’i Timoty?
22 Ary ianao? Moa ve hampiasa ny fahatanoranao sahala amin’ny an’i Timoty ianao? Ny amin’izany fiainana izany no asian’ilay bokikely hoe Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah fitenenana, rehefa manambara toy izao ny amin’ny Vavolombelona tanora izy: “Ny zava-kendreny lehibe indrindra dia ny ho tonga minisitr’Andriamanitra tsara, ary ankasitrahany ny fanampiana azon’ny sekoly entina ho azy ireo amin’izany lafiny izany. Mazàna àry izy ireny no mifidy fianarana izay hanampy azy hamelon-tena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Noho izany dia maro be aminy no mety hifidy fianarana mampianatra asa iray na mankany amin’ny sekoly mampianatra asa iray. Rehefa mandao ny sekoly izy ireny dia maniry ny hahazo asa iray izay hamela azy hifantoka amin’ilay asany lehibe indrindra, dia ny fanompoana kristiana.”
23. Nahoana no tsy tokony ho sarotra ho an’ny tanora kristiana ny hamaly ny fanontaniana hoe: Inona no hampiasako ny fiainako?
23 Raha mankasitraka tokoa izay nataon’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ho anao ianao, dia tokony tsy ho sarotra aminao ny hamaly ny fanontaniana hoe: Inona no hampiasako ny fiainako? Toy izay ho velona ho an’ny tenanao, na ny fahafinaretanao manokana, dia ho velona mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ianao. Toa an’i Timoty, dia hanana fiainana mendrika ny olona araka ny fanahy ianao.
Famerenana
◻ Nahoana ny kristiana marina no tsy tokony hanao ny raharaha ivelan’ny fivavahana ho ny zava-kendrena eo amin’ny fiainany?
◻ Torohevitra ratsy inona no omen’ny sasany ho an’ny zatovo kristiana, nefa inona no ampahafantarin’ny valinteny nomen’i Jesosy an’i Petera?
◻ Amin’ny lafiny inona avy Jesosy sy Timoty no ohatra tsara ho an’ny tanora kristiana?
◻ Inona no hevitry ny hoe olona araka ny fanahy?
[Sary, pejy 12]
Na dia mpitsabo aza Lioka, dia nanome ho an’ny fanompoana kristiana ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany.