Rehefa tandindomin-doza ny fiadanan’ny mpivady
“Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (...); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy.” — 1 KORINTIANA 7:10, 11.
1. Inona moa no fikasan’Andriamanitra fony izy nanorina ny fanambadiana?
NAKAMBAN’I Jehovah Andriamanitra tamin’ny fatoram-panambadiana ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany. Tiany hahatonga azy ireo ho nofo iray ihany izany fanambadiana izany ary tiany haharitra. Ho voatahy ny fanambadian’izy ireo, hahatonga azy ho sambatra ary hamela azy hanana taranaka marina, izany rehetra izany dia ho voninahitr’Andriamanitra. — Genesisy 1:27, 28; 2:24.
2. Inona moa no anankiray amin’ireo anton-javatra miteraka fahatapahan’ny fatoram-panambadiana?
2 Io modelim-panambadiana io dia tapaka noho ny fitiavana fahaleovan-tena sy ny fahotana (Genesisy 3:1-19; Romana 5:12). Mbola anton-javatra miteraka fahatapahan’ny fatoram-panambadiana ihany ny fitiavana fahaleovan-tena amin’izao androntsika izao. Araka izany, tamin’ny 1985, tany Etazonia, dia fisaraham-panambadiana 5 no nomarihina — isaky ny fanambadiana 10,2 — ho an’ny olona 1 000. Tamin’ny 1986, ny tatitra avy any Moscou dia nilaza fa 37% monja tamin’ny fanambadiana natao tany amin’ny Firaisana sovietika no naharitra telo taona, ary 70% no naharitra latsaka ny folo taona.
3. a) Inona no mety hiteraka fahasahiranana eo amin’ny mpivady? b) Iza moa no lehiben’ny mpanakorontana ny fiadanam-panambadiana?
3 Mety hiteraka tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady ny fitiavana fahaleovan-tena. Manakantsakana ny fandrosoana ara-panahy koa izany, satria “ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana”. (Jakoba 3:18.) Fa iza moa no lehiben’ny mpanakorontana fihavanana? Satana. Mampalahelo tokoa ny mahita mpanompon’Andriamanitra tsy mahita fiadanana ao an-tokantranon’izy ireo satria ‘manome fitoerana ho an’ny devoly’! — Efesiana 4:26, 27.
4. Rehefa misy kristiana manambady tojo fahasahiranana ara-panambadiana lehibe, inona no tokony ho takany sy hataony?
4 Rehefa misy mpivady kristiana mihevitra ny fisarahana ho ny hany fanafodin’ny fahasahiranany ara-panambadiana, dia mety ho resin’ny fitak’i Satana izy, ary voa mafy ny fahasalamany ara-panahy (2 Korintiana 2:11). Ny mahatonga izany dia satria ny anankiray aminy na izy roa mihitsy dia tsy mampihatra amin’ny fomba feno ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra (Ohabolana 3:1-6). Tsy tokony hangataka andro àry izy ireo fa hanao fiezahana sy hivavaka mba handaminana ny tsy fifanarahany. Raha tsy vitany izany, dia azony atao ny mangataka torohevitra amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona (Matio 18:15-17). Na dia tsy mahazo lalana hilaza amin’ireo namany kristiana izay tena tokony hataony mba handaminana ny fahasahiranany ara-panambadiana aza ireny lehilahy ireny, dia azony atao ny mampitodika ny sainy amin’izay lazain’ny Soratra masina. — Galatiana 6:5.
5. Araka ny Soratra masina, inona no manome lalana kristiana iray hisara-panambadiana sady hanana fahafahana hanambady olon-kafa fa tsy ny vadiny taloha?
5 Raha ratsy aoka izany ny tarehin-javatra hitan’ny mpivady kristiana, hany ka mikasa ny hisaraka izy ireo, dia azon’ireo loholona atao ny mampahatsiahy azy fa araka ny Soratra masina dia tsy azo atao ny fisaraham-panambadiana sy ny fanambadiana fanindroany raha tsy rehefa “mijangajanga” ny anankiray. Io teny io dia manisy fitenenana ny amin’ny fanitsakitsaham-bady mbamin’ny karazam-piraisan’ny lahy sy ny vavy maloto sy ratsy rehetra (Matio 19:9; Romana 7:2, 3; jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 septambra 1983, pejy faha-27). Fa ahoana raha tsy nisy “fijangajangana”, nefa tandindomin-doza mafy ny fiadanan’ny mpivady? Inona no lazain’ny Soratra masina momba ny fisarahana ara-dalàna na fisarahan-toerana?
Ny torohevitra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nomen’i Paoly
6. a) Inona moa no hevitra azo raisina avy amin’ny torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:10, 11? b) Ahoana no azon’ny kristiana manambady andaminana ireo fahasahiranany ara-panambadiana?
6 Rehefa tandindomin-doza ny fanambadian’ny mpivady kristiana, dia afaka manampy azy ireny ireo loholona amin’ny fanintonana ny sainy ho amin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy (nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin’ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin’ny vavy.” (1 Korintiana 7:10, 11). Ho afaka handamina ny fahasahiranany ny kristiana manambady raha tsy mijery ny tsy fahatanterahan’ny vadiny. Tsy tokony hieritreritra izy ireny hoe ratsy aoka izany ny fahasahiranany ka tsy azony alamina amin’ny fivavahana amim-pahatsorana, amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy amin’ny fanehoana fitiavana, anankiray amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Galatiana 5:22; 1 Korintiana 13:4-8.
7. a) Raha misy mpivady kristiana misara-toerana, manao ahoana moa ny toeran’izy ireo raha araka ny Soratra masina? b) Inona moa no mety ho vokatry ny fisarahan’ny kristiana toerana eo amin’ny tombontsoam-panompoany?
7 Ary raha mbola misaraka ihany ny mpivady kristiana na dia ao aza izany rehetra izany? Ny tokony hataon’izy ireo dia, na ‘tsy hanambady fanindroany, na hifampody’. Raha tsy noho ny “fijangajangana” no nahazoana fisaraham-panambadiana, dia samy tsy mahazo manambady olon-kafa izy roroa araka ny Soratra masina. Noho izany toe-javatra izany sy noho “ny fahabetsahan’ny fijangajangana”, dia ho tsaratsara kokoa ho azy ireo ny ‘mihavana’ haingana (1 Korintiana 7:1, 2, MN). Na dia tsy anjaran’ireo loholona aza ny mitaky ny hifampodian’ny mpivady, dia mety hihevitra izy ireo fa tsy mahafeno ireo fepetra takina mba handraisana tombontsoam-panompoana sasany izy ireo noho ny fahasahiranany ara-panambadiana. Araka izany, ny lehilahy iray “tsy mahay mitondra ny ankohonany” dia tsy isalasalana fa tsy afaka ‘mitandrina ny fiangonan’Andriamanitra’ amin’ny maha-mpiandraikitra. — 1 Timoty 3:1-5, 12.
8. Inona moa no hevitra azo raisina avy amin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:12-16?
8 Na dia ny anankiray amin’ny mpivady ihany aza no mpino, dia anoroana hevitra mafy ny fiarovana ny fanambadiana. Izao no nosoratan’i Paoly: “Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy. Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy. Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ny fihavanana. Fa ahoana no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?” (1 Korintiana 7:12-16). Raha tapa-kevitra ny hisaraka ilay tsy mpino, dia tsy hisakana azy ilay kristiana. Kanefa noho ny fanantenany hahataona azy hanaraka ny kristianisma, dia tsy ho tiany ny ho fototry ny fisarahana. Toa niara-nonina tamin’ny vadiny tsy mpino Eonika renin’i Timoty, ka izany dia tsy nahasakana azy tsy hanome fampianarana ara-panahy ho an’ny zanany lahy. — 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.
Ny antony ahafahana misara-toerana
9, 10. a) Araka ny 1 Timoty 5:8, inona moa no antony ahafahana misara-toerana? b) Inona moa no tokony hataon’ireo loholona raha toa ny kristiana iray ka ampangaina ho tsy mety mamelona ny vady aman-janany?
9 Mampirisika ny mpivady tsy hisara-toerana ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-16. Kanefa, rehefa avy niezaka tamim-pahatsorana ny sasany mba hiaro ny fanambadiany, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra tamim-pieritreretana tsara fa tsy misy fanafodiny afa-tsy ny fisarahan-toerana amin’ny vadiny. Inona no afaka manamarina fanapahan-kevitra toy izany?
10 Ny fandavana tsy hamelona ny ankohonana dia antony ahafahana misara-toerana. Rehefa mampaka-bady ny lehilahy iray, dia manaiky hamelona ny vadiny sy izay mety ho zanaka hateraka ao anatin’ny fanambadian’izy ireo. Izay rehetra tsy mamelona ny ankohonany dia “efa nandà ny finoana (...) ka ratsy noho ny tsy mino aza”. (1 Timoty 5:8.) Azo heverina àry ny fisarahan-toerana raha tsy mety manome izay ilain’ny ankohonany ny lehilahy. Mazava ho azy fa raha kristiana no ampangaina ho manao toy izany, dia handinika amim-pitandremana ilay raharaha ireo loholona. Mety hitarika ho amin’ny fandroahana ny fikirizana tsy hamelona ny ankohonan’ny tena.
11. Inona moa no antony hafa iray koa ahafahana misara-panambadiana, nefa ahoana indraindray no azo anaovana izay hahatonga ny tarehin-javatra ho azo zakaina?
11 Ny herisetra ara-batana mafy dia mahaforona antony iray hafa koa ahafahana misara-toerana. Aoka hataontsika hoe matetika ny lehilahy tsy mpino iray no mimamo, misafoaka sy misetrasetra amin’ny vadiny mpino (Ohabolana 23:29-35). Amin’ny fivavahana sy amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahin’i Jehovah, dia angamba ilay vady mpino ho afaka hisakana izany fipoahan’ny fahatezerana izany ka hanao izay hahatonga ny tarehin-javatra ho azo zakaina. Nefa kosa raha mafy aoka izany ny herisetra ampiharina aminy, hany ka tena tandindomin-doza ny fahasalamany sy ny fiainany, dia manome lalana azy hisara-toerana amin’ny vadiny ny Soratra masina. Eo indray koa, dia hodinihin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ireo fiampangana ho mampihatra herisetra rehefa kristiana roa no manana fanambadiana tandindomin-doza, ary angamba izy ireo tsy maintsy manao fandaharam-pandroahana. — Jereo Galatiana 5:19-21; Titosy 1:7.
12. a) Inona no fifandraisana mety hisy eo amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny vady mpino sy ny fisarahan-toerana? b) Inona moa no tokony hatao raha ratsy indrindra ny toe-piainana ara-panahin’ny tokantrano kristiana iray?
12 Fandrahonana lehibe ny fahasalamana ara-panahy, io no antony hafa iray koa ahafahana misara-toerana. Ny mpino iray miaina ao anatin’ny tokantrano voazarazara eo amin’ny lafiny ara-panahy dia tokony hanao izay rehetra azony atao mba handraisan-tsoa amin’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra mba hahasoa azy amin’ny ara-panahy. Nefa raha toa ny fanoherana asehon’ny vadiny tsy mpino (izay mampiasa hery angamba) tena misakana azy tsy hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina ka tena mahatandindomin-doza ny fahasalamany ara-panahy, dia mety hanapa-kevitra ny hisara-toerana izy. Ahoana rehefa ratsy indrindra ny toe-piainana ara-panahy ao amin’ny tokantranon’ny mpivady samy mpino? Tokony hitondra ny fanampiany ireo loholona, nefa alohan’ny zavatra rehetra dia anjaran’ilay lehilahy vita batisa ny mitady fanafodin’ny tarehin-javatra haingana. Mazava ho azy fa raha mivadi-pinoana ny kristiana manambady amin’ny fanandramana mitarika ny vadiny tsy hanompo an’i Jehovah intsony, dia handamina ny tarehin-javatra mifanaraka amin’ny Soratra masina ireo loholona. Rehefa voaroaka ny olona iray satria mahatandindomin-doza mafy ny fahasalamana ara-panahin’ny vadiny, tsy mety mamelona azy, na mampihatra herisetra ara-batana mafy aminy, ilay kristiana mahatoky izay mitady hahazo fisarahan-toerana ara-dalàna dia tsy manohitra ny torohevitr’i Paoly mananatra ny kristiana mba tsy hitory kristiana hafa any amin’ny fitsarana. — 1 Korintiana 6:1-8.
13. Ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana moa no azo hamarinina ny fisarahan-toerana?
13 Mety ho azo hamarinina àry ny fisarahan-toerana ao anatin’ny tarehin-javatra mihoa-pampana. Hita avy hatrany anefa fa tsy mety ny milaza antony tsy dia manao ahoana mba hahazoana fisarahan-toerana. Ny kristiana misara-toerana dia tompon’andraikitra manokana amin’izany ary tokony hahatakatra fa samy tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’i Jehovah daholo isika. — Hebreo 4:13.
Fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena ve?
14. a) Tena mety hiteraka inona moa ireo fahasahiranana entin’ny fisarahan-toerana? b) Inona no mety ho vokatry ny fisarahan-toerana eo amin’ny zanaka?
14 Ilaina ny mieritreritra ao amin’ny vavaka ireo fahasahiranana tena mety hiteraka fisarahan-toerana. Ohatra, mahalana ny fianakaviana iray tsy ahitana afa-tsy ray na reny no manome fifandanjana sy fifehezana ilain’ny zanaka tahaka ny fianakaviana ara-dalàna. Afa-tsy izany koa, ny fisarahan-toerana dia mety hisy vokany tahaka ny fisaraham-panambadiana, eo amin’ireo zanaka. Izao no azo novakina tao amin’ny gazety iray (India Today): “Zazavavy kely enin-taona baribary maso i Sheena. Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny roa taona lasa izay taorian’ny ady ara-pitsarana nafana. Fotoana fohy taorian’izay, dia nampakatra vehivavy hafa ny rainy. Nandritra ny herintaona, dia nijaly noho ny fihetsehan’ny sohika (asthme) mafy io zaza io ary tsy nitsahatra nitsetsitra ny ankibeny. Ny reniny izay niara-niaina taminy tany atsimon’i Delhi, dia nilaza toy izao: ‘Nifindra tamin’i Sheena ny alaheloko. (...) Nila an-drainy izy. (...) Matotra kokoa noho ny ankamaroan’ny ankizy mitovy taona aminy izy, kanefa mitomany tsy azo fehezina indraindray, toy ny hoe misy zavatra tiany hongotana ao aminy. Mahita fahasahiranana izy any an-tsekoly. Masiaka tokoa ny ankizy indraindray. Miaro tena ao anatin’ny tontolo an-eritreritra fotsiny izy: mamorona tantara izy mba hampinoana an’ireo namany fa niara-nivoaka izahay mianaka.’ ”
15. Inona no mety ho vokatry ny fisarahan-toerana eo amin’ny vehivavy na ny kristiana iray?
15 Matetika no tsy mahazaka ny fisarahan-toerana ny vehivavy na ny lehilahy kristiana iray. Tsy ela dia mampijaly azy ny banga navelan’ny vadiny na ireo zanany. Tsy tokony hanakimpy ny masony eo anoloan’ireo fahasahiranana ateraky ny fisarahan-toerana izy ireo. Ho afaka hahazo izay ilainy ve izy ireo, anisan’izany ny amin’ny lafiny ara-bola? Ary raha mitarika azy ireo hanana fitondrantena maloto ny alahelo vokatry ny fisarahan-toerana? Hoy Jesosy: “Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.”(Matio 11:19). Miharihary ho hadalana tanteraka indraindray ny fisarahan-toerana, indrindra fa rehefa samy kristiana ny mpivady.
Manaova fiezahana mba handaminana ireo fahasahirananao
16. Inona no tokony hataon’ny mpivady kristiana izay tandindomin-doza ny fiadanany?
16 Ireo mpivady kristiana izay tandindomin-doza mafy ny fiadanany dia tokony hiara-hidinika ny amin’ny tsy fifanarahany amin’ny fomba mendrika ny mpanompon’Andriamanitra. Tokony samy ho vonona ny tsy hifampijery tsy fahatanterahana izy ireo (Filipiana 2:1-4). Fa inona koa no azon’izy ireo atao?
17. Amin’ny ahoana moa no ampitomboana ny fiadanan’ny mpivady rehefa maneho fahendrena eo amin’ny lafiny ara-nofo?
17 Hitondra fiadanana ny tsirairay avy amin’ny mpivady raha maneho fahendrena eo amin’ny lafiny ara-nofo. Ohatra, aoka hatao hoe rehefa avy nihaino ny hevitry ny vadiny mifanohitra amin’ny azy ny lehilahy iray dia mihevitra ihany fa fahendrena ny hifindram-ponenana miaraka amin’ny fianakaviany. Hita ho fahendrena angamba izany fanapahan-kevitra izany noho ny antony ara-bola, nefa koa mba hahafahan’ny ankohonany manohana ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’ny fankanesana any amin’ny toerana iray ilàna mpitory kokoa (Matio 6:33). Mety tsy haniry hifindra monina ny vadiny kristiana satria hampanalavitra azy amin’ny ray aman-dreniny izany na hanery azy hanova fari-piainana. Haneho fahendrena anefa izy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fomba feno amin’ny vadiny izay loham-pianakaviana ka manana andraikitra hifidy ny toerana honenan’ny fianakaviany. Etsy an-daniny koa, ny fanekeny sy ny fiarahany miasa voamariky ny fitiavana dia hitondra fiadanana ao an-tokantrano. — Efesiana 5:21-24.
18. Inona avy no fahafahana atolotra ireo mpivady kristiana mba hiaraha-manao asa sasany?
18 Mahita fiadanana lalina ny fianakaviana iray ary mora mahalamina kokoa ireo fahasahiranany rehefa miara-manao asa sasany ny mpivady. Ny kristiana manambady, ohatra, dia manana fahafahana tsara dia tsara hanao toy izany amin’ny fiaraha-mandray anjara amin’ny fitoriana. Raha manao izany tsy tapaka izy ireo, miaraka amin’ny zanany, dia handray soa avy amin’izany ny fianakaviana manontolo. Manana fahafahana samihafa hanamafy ny fatoram-panambadiany koa izy ireo amin’ny fiaraha-mandray anjara amin’ny asa mahasoa hafa tian’ny anankiray na ny hafa indrindra.
19. Amin’ny fomba ahoana moa no tokony hampiharana ny fahefana mba hampitomboana ny fiadanam-pianakaviana?
19 Rehefa ampiharina tsara ny fahefana, dia mihamafy ny fatoram-panambadiana. Ny lehilahy kristiana matotra iray dia miharihary fa tsy hanao fitondrana tsy refesi-mandidy, fa ‘ho tia hatrany ny vadiny ary tsy ho sosotra aminy’. Antenain’i Jehovah ny hampiharany fahefana voamariky ny fitiavana (Kolosiana 3:18, 19). Ny fahefana toy izany dia manamora ny fisian’ny fiadanana eo anivon’ny fianakaviana.
Ao amin’ireo tokantrano voazarazara
20, 21. Amin’ny lafiny inona avy moa no tsara ny hisehoana hahay handanjalanja rehefa tandindomin-doza ny fiadanana ao anatin’ny tokantrano iray voazarazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana?
20 Amin’ny fisehoana ho mahay mandefitra, dia mora kokoa amin’ny kristiana manambady ny mandresy ny fahasahiranany eo amin’ny fanambadiana (Filipiana 4:5). Zava-dehibe koa anefa ny hanaovana toy izany rehefa tandindomin-doza ny fiadanana ao anatin’ny tokantrano iray voazarazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Raha toa ny lehilahy tsy mpino iray ka manandrana misakana ny vadiny tsy hanompo an’i Jehovah, dia tokony hiezaka hifanazava aminy izy amin’ny fanaovana izay hanamarihany amim-pahaiza-mandanjalanja fa avelany hanaraka malalaka ny fivavahana nofidiny izy, ka araka ny fandrindran-kevitra raha mba tokony hanao toy izany koa ralehilahy aminy (Matio 7:12). Na dia tokony haneho fanekena voafetra ho an’ny vadiny tsy mpino aza ilay vehivavy, dia Andriamanitra no hankatoaviny raha mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra ny zavatra takin’ny lahy (1 Korintiana 11:3; Asa. 5:29). Azo antoka fa tsy tafahoatra mihitsy ny hoe manatrika ireo fivoriana kristiana intelo isan-kerinandro. Hihevitra anefa angamba ny vehivavy kristiana manambady iray fa fahendrena ny hijanonana ao an-tranony amin’ireo takariva hafa ka handray anjara amin’ny fitoriana indrindra mandritra ny fotoana iasan’ny lahy sy rehefa any an-tsekoly ireo zanany. Raha mahay mandefitra izy ka manao fandaharana tsara, dia ‘tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa’. — Galatiana 6:9.
21 Mety ny hisehoana ho mahay mandanjalanja amin’ny lafiny hafa koa. Na dia marina aza, ohatra, fa manana zo hanaraka fivavahana iray ny tsirairay avy, ny vehivavy kristiana iray izay manohitra mafy ny fahamarinana ny lahy, dia hampiseho fahaiza-mandanjalanja sy fahendrena amin’ny tsy fametrahana ny Baiboliny sy ny bokiny fianarana Baiboly eo amin’ny toerana tsy irin’ny vadiny hahitana izany. Hisoroka ny fipoahan’ny fifandirana izy raha mandamina ireo boky ireo any amin’ny entany manokana ka mianatra izany irery. Mazava ho azy fa tsy handika ireo fotopoto-pitsipika marina izy. — Matio 10:16.
22. Inona moa no azo atao raha mihodinkodina indrindra eo amin’ny fampianarana ny zanaka amin’ny lafiny ara-pivavahana ny tsy fifanarahana?
22 Ao amin’ny tokantrano iray izay ahitana tsy fifanarahana indrindra raha ny amin’ny fampianarana ny zanaka ara-pivavahana, dia azon’ny vehivavy kristiana atao amim-pahaiza-mandanjalanja izay hiarahan’ireo aminy any amin’ny fivoriana sy ny fitoriana. Nefa raha manohitra izany ilay vady sady ray tsy mpino, dia hampianatra ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ny zanany izy mba hahafahan’izy ireo hanohy hanaraka ny fanompoam-pivavahana marina rehefa lehibe izy ka handao ny tokantrano. Raha ny lehilahy no mpino, dia loham-pianakaviana izy, ka noho izany dia manana adidy hitaiza ireo zanany ao anatin’ny kristianisma. Tokony hiara-hianatra ny Baiboly amin’izy ireo àry izy, hitondra azy any amin’ireo fivoriana sy hampiofana azy ho amin’ny fitoriana. (Efesiana 6:4). Mazava ho azy fa hiseho hahay hamalifaly, feno fitiavana sy handefitra amin’ny vadiny tsy mpino izy.
Arovy ny fiadanana sy ny firaisan-tsain’ny fianakavianao
23. Rehefa tandindomin-doza ny fiadanan’ny tokantrano iray, inona no mety hiharihary fa ilaina?
23 Koa satria “nofo iray ihany” ny mpivady, dia tokony hiara-hiaina ao anatin’ny fiadanana izy amin’ny fanajana ireo fandaharana nataon’Andriamanitra ho an’ny olona manambady, indrindra fa raha samy kristiana izy ireo (Matio 19:5; 1 Korintiana 7:3-5). Raha tandindomin-doza anefa ny fiadanan’ny tokantranonao, dia diniho ao amin’ny vavaka ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly omena ato amin’ity lahatsoratra ity. Angamba ho hitanao fa hahasoa koa ny hahatsiarovana ny fotoana nifaneraseranareo. Azo antoka fa tamin’izay ianao sy ilay ho vadinao dia niezaka mba hanao izay marina sy hametraka fototra ho amin’ny fanambadiana sambatra. Vonona ny hanao fiezahana toy izany ve ianareo amin’izao andro izao mba hiarovana ny fanambadianareo?
24. Ahoana moa no tokony hiheveran’ny kristiana ny fanambadiana?
24 Ry mpivady kristiana, nomen’Andriamanitra fanomezana mahatalanjona ianareo, dia: ny fanambadianareo. Raha miaina mifanaraka amin’ny voady nataonareo tamin’ny fampakaram-badinareo ianareo ka tsy mivadika hatrany eo anatrehan’i Jehovah, dia manana fahatsinjovana ny hiaina ao amin’izao tontolo izao vaovao sy marina tsy handrotidrotehan’ny fisarahan-toerana sy ny fisaraham-panambadiana ireo fianakaviana intsony. Asehoy àry ny fankasitrahanao noho ny fanambadiana izay mahaforona “mahazaka telo olana”, itanan’i Jehovah toerana tena lehibe (Mpitoriteny 4:12). Ary enga anie ny mpianakavinao rehetra hahita fahasambarana entin’ny tokantrano tafaray, dia fialofana ahitana fiadanana!
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no hevitra azo raisina avy amin’ny torohevitra omen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:10-16?
◻ Inona avy moa no antony azo ekena mba hisarahan-toerana?
◻ Ahoana moa no azon’ny mpivady kristiana andaminana ireo fahasahiranany raha tandindomin-doza ny fiadanan’ny tokantranony?
◻ Ao amin’ireo tokantrano voazarazara eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, amin’ny ahoana moa ny fahaiza-mandanjalanja no mitondra fiadanana?
[Sary, pejy 23]
Ny mpivady kristiana izay tandindomin-doza ny fiadanany dia tokony hiara-handinika ny fahasahiranan’izy ireo amin’ny fomba mendrika ny mpanompon’i Jehovah.