Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ara-dalàna ve Raha Mbola Virjiny Aho?
Nanontany an’i Jane ilay dokotera tsara fanahy hoe: ‘Inona no mahazo anao?’
Somary niahotra i Jane namaly hoe: ‘Be dia be, dokotera, ny ankizivavy mpiara-mianatra amiko no milaza fa mihinana fanafody fanabeazana aizana izy, ary avy eo manao firaisana. Misy zavatra tsy mety ve amiko satria izaho tsy mba manao firaisana?’—Inona no Holazaintsika Amin’ny Ankizy? (anglisy), nosoratan’i Dr. Bennett Olshaker.
VIRJINY. Nanana voninahitra, taloha, ny olona toy izany. Tanora maro anefa ankehitriny no mihevitra fa mahamenatra izany hoe virjiny izany, sady toe-batana tsy ara-dalàna no aretina tsy maintsy “sitranina” haingana.
Tsy mahagaga raha lasa be dia be mihitsy ny tanora tsy virjiny intsony. Hita tamin’ny fanadihadiana tanora alemà, tamin’ny 1983, fa ny 9 isan-jaton’ny ankizivavy 15 taona, sy 4 isan-jaton’ny ankizilahy 15 taona monja, no efa nanao firaisana. Niakatra ho 25 sy 20 isan-jato anefa io isa io tamin’ny 1989, ary vao mainka mitombo! Hita maneran-tany koa izany fiovana izany.
Nahoana no ratsy toy izany ny fahitan’ny tanora ny hoe virjiny? Mafy ny faniriana hanao firaisana eo amin’ny tanora rehetra, ao anatin’ny fe-potoana maha maoty. Zara raha manana, na tsy manana tari-dalana ara-pitondran-tena mihitsy, anefa ny manodidina ny tanora ankehitriny. Izao no nolazain’ny anti-panahy kristianina vitsivitsy avy any amin’ny tany eoropeanina iray: “Milaza ho mpivavaka ity firenena ity, nefa tena tsy manana fitsipi-pitondran-tena. Lazaina fotsiny hoe ‘fahalemen’olombelona’ ny fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana. Ny rainy na ny reniny irery no mitaiza ny ankizy sasany. Be dia be mihitsy eto ny dokam-barotra ampifandraisina amin’ny firaisana, raha oharina amin’ny an’ny firenena tandrefana hafa.”
Mampirisika ny ankizy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana mba hanao firaisana koa ny kolontsaina sy ny olana ara-toe-karena. Ilazana ny tanora any amin’ny tany afrikanina iray fa ‘ho lasa farofy ny tovolahy iray raha tsy manao firaisana izy.’ Betsaka koa ny mino fa ‘mbola tsy mahalala fiainana ny ankizivavy iray raha mbola tsy nanao firaisana.’
Maro koa ny tsy an’asa sy mahantra, ka mety tsy ho sahy handa ny ankizivavy iray rehefa mangataka hanao firaisana aminy ny olona vonona hampiasa azy. Mety hangataka ny mpianany hanao firaisana aminy koa ny mpampianatra, ho takalon’ny fisondrotana kilasy. Misy mihitsy aza ankizivavy mahantra manaiky hanao firaisana mba hahazoana izay zavatra tena ilainy, na dia baran-tsavony iray monja aza! Hoy ny mpandinika any amin’ny tany iray an-dalam-pandrosoana: ‘Heverina ho mandeha ho azy toy ny misotro zava-pisotro na misakafo ny fanaovana firaisana.’
Fitaoman’ny namana
Ny fitaoman’ny namana anefa no tena mitarika ny tanora hanao firaisana. Mety hisy hananihany foana na hisy haneso ny tanora mbola virjiny, indrindra fa raha Vavolombelon’i Jehovah izy. Mety hiteny aminao ny namanao fa tsy tena lehilahy na vehivavy ianao raha mbola tsy nanao firaisana. Mety hilaza izy ireo fa tsara raha efa “za-draharaha” ianao vao manambady. Mety hotantarainy aminao koa ny fahafinaretana azony rehefa manao firaisana ivelan’ny fanambadiana izy.
Hoy ny tovovavy iray: “Nitantara foana i Sally hoe nahafinaritra be ny nanao firaisana tamin’ilay ankizilahy niarahany. Nataony koa izay hahatsapako fa voa mafy aho satria tsy mba manandrana ny iray amin’ireo zavatra tena mahafinaritra eo amin’ny fiainana.” Tanora maro no voasarik’ireny fitantarana ireny, satria tsy nahatakatra hoe “manitatra sy mandainga matetika ny tanora rehefa mitantara ny firaisana nataony.” (Fandresena ny Fahaketrahan’ny Tanora, anglisy, nosoratan’i Kathleen McCoy) Mahatsiaro toy izao ny tovovavy iray atao hoe Maria, izay tsy virjiny intsony: “Voataonan’ny ankizy aho sady naniry ho tian’izy ireo koa. Fantatro fa ratsy ny manao firaisana ivelan’ny fanambadiana, nefa te hanao izany aho, amin’izay mba mitovy amin’ny ankizy rehetra.”
Tanora an-tapitrisa koa no manaiky hotaomin’ity tontolo ity, ka lasa mihevitra fa tsy ara-dalàna izy raha mbola virjiny, sady fialam-boly tsy dia mampidi-doza loatra ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Tsy fahita firy intsony àry ny tanora virjiny.
Ny fahitan’Andriamanitra ny olona virjiny
Misy zavatra momba ny firaisana alohan’ny fanambadiana anefa mety tsy hotantarain’ny namanao aminao. Hoy Maria: “Nahatsiaro ho sanganehana sy menatra aho rehefa vita ilay izy. Nankahala ny tenako sy ilay ankizilahy niarahako aho.” Izany no tena mpitranga, fa tsy ny zavatra tantarain’ny ankamaroan’ny tanora. Aza miraharaha izay zavatra mety hotantarain’ny namanao aminao, satria manitatra sy manao resa-be fotsiny ry zareo. Raha ny marina dia mahamenatra sady mankarary fo, matetika, ny firaisana alohan’ny fanambadiana sady misy vokany tena ratsy!
Tsy tokony hahagaga anao izany. Ratsy eo imason’Andriamanitra ny firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia mety hoheverin’ity tontolo ity fa mahasoa sy ara-dalàna aza. Mampahatsiahy antsika i Jesosy Kristy fa “izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.” (Lioka 16:15) Manana fitsipika momba ny fitondran-tena mety Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra . . . Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana.”—1 Tesaloniana 4:3-7.
Tsy vitan’ny hoe ara-dalàna fotsiny àry raha mbola virjiny ny tovolahy na ny tovovavy iray, eo imason’Andriamanitra, fa madio sy masina koa! Nomena voninahitra ny zazavavy virjiny teo amin’ny Isiraely fahiny. Narovan’ny Lalàna izy ireo mba tsy hovetavetaina. (Deoteronomia 22:19, 28, 29) Mbola omem-boninahitra foana ny tanora virjiny eo anivon’ny Kristianina marina. Ampitovina amin’ny ‘virjiny madio’ mihitsy aza ny fiangonana kristianina, satria madio fitondran-tena.—2 Korintiana 11:2; Apokalypsy 21:9.
Tsy milaza mihitsy ny Baiboly fa ratsy raha mbola virjiny ny tanora. Hoy indrindra ny apostoly Paoly momba izany: ‘Tsara amin’ny tsy manambady raha mitoetra tahaka ahy izy.’ Nasehon’i Paoly fa afaka ny ‘hitoetra tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezy saina’ ny Kristianina mifidy ny hitoetra ho virjiny, izany hoe tsy manambady.a—1 Korintiana 7:8, 9, 25, 35.
Tsy mahamenatra àry raha mbola virjiny ny tanora kristianina; mampiseho kosa izy amin’izany fa tsy mivadika amin’Andriamanitra. Marina aloha fa sarotra ny mitoetra ho madio fitondran-tena, ary tsy maintsy mifehy tena mafy ny olona iray. Manome toky antsika anefa ny Baiboly fa “tsy mavesatra” ny didin’Andriamanitra. (1 Jaona 5:3) Hoy ny mpanao salamo amintsika: “Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (Salamo 19:8) Mahasoa foana ny manaraka ny didin’Andriamanitra.
‘Manota mihatra amin’ny tena’
Mifanohitra amin’izany fa izao no lazain’ny Baiboly ao amin’ny 1 Korintiana 6:18: “Ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.” Tsy araka ny finoan’ny ankamaroan’ny olona, fa tsy misy porofo manamarina ny hoe mankarary ny tsy fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana. Ny fanaovana izany kosa no mety hampidi-doza! Hoy ny dokotera be mpahalala iray: ‘Hihanaka hatrany ny aretina azo avy amin’ny firaisana raha tsy misy fepetra raisina. Lasa mpanao firaisana ny ankamaroan’ny tanora tato ho ato, ka izany no anisan’ny mampihanaka be an’ireo aretina ireo.’—Adihevitra Momba ny Fanambadiana sy ny Fianakaviana (anglisy).
Nanjary be dia be koa ny ankizivavy bevohoka noho ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Na afaka na nesorina ny antsasak’ireny zaza ireny any Etazonia. Mety hiteraka ratram-po koa anefa ilay firaisana. Izao no tsaroan’ny tovovavy iray atao hoe Diana: “Nilaozany aho rehefa azony izay nilainy.” Tena marina ny tenin’i Paoly hoe ‘ota mihatra amin’ny tena’ ny firaisana alohan’ny fanambadiana.
Araka ny teny grika tany am-boalohany, dia milaza ny 1 Tesaloniana 4:6 fa fanitsakitsahana ny zon’ny hafa ny fijangajangana. Voalohany, dia voahitsakitsaka ny zon’ilay olona hadio alohan’ny hanambadiany. Very koa ny zon’ilay ho vadiny hanantena azy ho mbola virjiny.
Manao izao fanamarihana mampieritreritra izao àry ny boky Nahoana no Miandry Mandra-panambady? (anglisy): “Tsy virjiny intsony ianao raha vao manao firaisana indray mandeha monja. ... Indray mandeha ihany ianao no mahazo misafidy.” Misafidiana tsara àry! Aza manaiky hofitahin’ity tontolo ity hoe misy zavatra tsy mety ao aminao noho ianao manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy hafahafa na tsy ara-dalàna akory ny olona virjiny. Ny firaisana alohan’ny fanambadiana kosa no manambany sy mahamenatra ary mampidi-doza. Hiaro ny vatanao sy ny fonao ianao raha mitoetra ho virjiny hatrany. Ny zava-dehibe indrindra dia, hiaro ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ianao.
Hojerentsika ao amin’ny gazety manaraka ny fomba azon’ny tanora hanaovana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny teny grika nadika hoe ‘virjiny’ ao amin’ny Baiboly.
[Sary, pejy 14]
Manitatra sy mandainga matetika ny tanora rehefa mitantara ny fahafinaretany teo am-panaovana firaisana