Mpanompon’Andriamanitra mpitovo, nefa feno
“Izay manome ny maha-virijina azy ho amin’ny fanambadiana dia manao tsara, fa izay tsy manome izany ho amin’ny fanambadiana no hanao tsaratsara kokoa.” — 1 Korintiana 7:38, MN.
1. Amin’ny lafiny inona avy moa no fitahiana ny fanambadiana?
TSY tafiditra tao amin’ny fikasan’i Jehovah mihitsy ny hijanonan’ny lehilahy voalohany ho mpitovo. Mifanohitra tanteraka amin’izany fa namorona vehivavy izy ary nanome azy ho vadin’i Adama, rain’ny taranak’olombelona (Genesisy 2:20-24; Asa. 17:26). Ary fitahiana toy inona moa ny fanambadiana! Izany dia mahatonga ny olona roa ho afaka hiara-hiaina sy hifanampy, zavatra naorina mendri-kaja manome lalana hiteraka izany ary mitondra fahasambarana be dia be ho an’ny olombelona. Na dia ny mahantra sy ny ampahorina aza dia afaka mahita ny fifaliana entin’ny fitiavan’ny vady, dia fitiavana tsy misy vola mahavidy azy mihitsy. — Tonon-kiran’i Solomona 8:6, 7.
2, 3. a) Fiheverana inona momba ny fanambadiana sy ny fijanonana ho mpitovo moa no ambaran’ny boky ara-pivavahana iray? b) Araka ny filazan’ny Soratra masina, ahoana no tokony hiheverana ny fanambadiana?
2 Misy anefa manana fiheverana hafa dia hafa ny amin’ny fanambadiana. Izao no azo vakina ao amin’ny boky ara-pivavahana iray: “Ny fitsipika ara-pitondram-pivavahana dia mandidy ny klerjy ao amin’ny Eglizy latina hijanona ho mpitovo; rarany ny fanokanana olona manambady sy ny fanambadian’ireo izay miditra ho mpitondra fivavahana. Voafaoka amin’izany ny fitandremana amin’ny fomba hentitra ny voady ho amin’ny fahadiovana. Ireto ny zava-kendrena tratrarina: aoka ireo izay atokana ho afaka hanokan-tena tanteraka ho amin’ny asan’Andriamanitra (1 Korintiana 7:32), ary amin’ny fananana fiainana madio ara-pitondrantena, dia aoka izy ireny hitoetra ao amin’ny maha-virijina azy, dia toerana masina kokoa sy mendrika kokoa noho ny an’ny fanambadiana. Ao amin’ny TV [Testamenta Vaovao] ny fijanonana ho mpitovo na ny maha-virijina, dia asandratra ho amin’ny laharan’ny antso manokana mendri-kaja kokoa noho ny fanambadiana.” — Encyclopédie catholique (anglisy), nosoratana teo ambany fitarihan’i Robert Broderick.
3 Moa ve ny fandidiana hijanona ho mpitovo mety ho ‘masina kokoa sy mendri-kaja kokoa noho ny fanambadiana’? Tsy izany no lazain’ny “Testamenta Vaovao”izay ahitana izao fanambarana manaraka izao, nadika toy izao ao amin’ny La Bible de Jérusalem, fandikan-teny katolika: “Ny Fanahy dia milaza mazava fa, ao anatin’ny fotoana farany, ny sasany dia handa ny finoana mba hifikitra amin’ny fanahy mamitaka sy ny fampianarana araka ny Devoly, voataonan’ny mpandainga mihatsaravelatsihy voamariky ny vy mahamay ao amin’ny fieritreretany: ireny olona ireny dia mandrara ny fanambadiana sy ny fampiasana sakafo noforonin’Andriamanitra mba horaisin’ny mpino sy ireo izay manana ny fahalalana ny fahamarinana amin’ny fisaorana.” (1 Timoty 4:1-3). Eny, fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, fanomezana tsara dia tsara. — Rota 1:9.
4. Inona avy no fanontaniana mipetraka rehefa mamaky ny 1 Korintiana 7:38?
4 Na dia fanomezan’Andriamanitra aza anefa ny fanambadiana, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Izay manome ny maha-virijina azy ho amin’ny fanambadiana dia manao tsara, fa izay tsy manome izany ho amin’ny fanambadiana no hanao tsaratsara kokoa.” (1 Korintiana 7:38, MN). Nahoana ilay apostoly no nanantitrantitra fa tsaratsara kokoa ny hijanonana ho mpitovo? Moa ve ny kristiana tsy manambady iray tokony hahatsapa fa tsy mpanompon’Andriamanitra feno izy? Inona no soa azo raisina amin’ny fijanonana ho mpitovo?
Ny asan’ny kristiana lehibe indrindra
5. Inona no tokony ho asan’ny kristiana lehibe indrindra?
5 Na kristiana mpitovo isika na manambady, dia ny asan’i Jehovah no tokony hataontsika voalohany indrindra. Ny asa masina atolotsika amim-pifaliana ho an’Andriamanitra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia porofon’ny fifikirantsika aminy. Afaka mampiseho izany fifikirana izany isika amin’ny fankatoavana azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana kristiana (1 Jaona 5:2, 3; 1 Korintiana 9:16). Ny mpitovo anefa dia afaka manokan-tena ho amin’ny fanompoana sy ny asa hafa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
6. Na manambady isika na mpitovo, ahoana no azontsika andaniana hery amin-jotom-po eo amin’ny fanompoana?
6 Amin’izao fotoana izao, dia misy mpitory ny filazantsara manatontosa ny asa fitoriana ilay Fanjakana, dia asa midera an’i Jehovah. Na manambady isika na mpitovo, dia afaka manokana fara faharatsiny tapany amin’ny fananantsika sy ny fahaizantsika ho amin’ny asan’Andriamanitra, amin’ny fandaniana hery amin-jotom-po eo amin’ny fanompoana. Tokony hifehy hatrany ny ataontsika isika mba tsy hanilihana ny fanompoantsika mihitsy ho eo amin’ny toerana faharoa amin’ny fiainantsika. Tokony ‘hikatsaka ny fanjakana’ tokoa aloha isika. (Matio 6:33.) Toy inona moa ny fifaliana tsapantsika amin’ny fiheverana voalohany indrindra ireo tombontsoan’Andriamanitra, fa tsy ny antsika fotsiny!
Minisitra kristiana feno
7. Inona no ohatra mampiseho fa ny kristiana mpitovo iray dia afaka ny ho minisitr’Andriamanitra feno?
7 Na manambady izy na tsia, ny kristiana dia afaka ny ho minisitra feno. Ny fijanonana ho mpitovo àry dia tsy toerana tsy maintsy mitaky fiovana (jereo 1 Korintiana 7:24, 27). Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy milaza, tahaka ny foko sasany, fa tsy tonga eo amin’ny fivelarany tanteraka ny lehilahy iray raha tsy rehefa manambady. Maty tsy nanambady i Jesosy, ary ny hany vady nanomezan’i Jehovah lalana azy hampakarina, dia vady ara-panahy sy any an-danitra (Apokalypsy 21:2, 9). Nefa na dia tsy nanambady aza izy tamin’ny fahavelomany ho olombelona, Jesosy dia ohatra tsara indrindra ny amin’ny minisitr’Andriamanitra feno.
8. Araka ny nasehon’i Paoly, mahatonga ho afaka hanao inona ny fijanonana ho mpitovo?
8 Tsy azo lavina, fa malalaka kokoa ny tena ary manam-potoana misimisy kokoa mba hanokanan-tena ho amin’ny fanompoana rehefa mpitovo. Namporisika ny hijanonana ho mpitovo i Paoly ka nanoratra hoe: “Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay [ny lehilahy, MN ] tsy manam-bady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. (...) Ny vehivavy tsy manam-bady [toy ny virijina, MN ] mitandrina ny an’ny Tompo.”(1 Korintiana 7:32-34). Ireo teny ireo dia mihatra amin’ny kristiana mpitovo sy amin’ireo efa nanambady. — Matio 19:9; Romana 7:2, 3.
9. Ahoana moa anaporofoan’ny ohatra nomen’i Jesosy fa tsy hoe satria mpitovo ny kristiana iray dia tsy afaka ny ho minisitr’Andriamanitra feno izy?
9 Ny fahamasahana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy no mahatonga ny kristiana ho afaka ny ho mpanompon’Andriamanitra feno. Araka izany, tsy nila ny hanambady Jesosy Kristy mba hanaovana ny anjara asan’ny minisitr’Andriamanitra Lehibe indrindra sy hahatongavana ho ilay amin’ny alalany no hanomezana ny avotra (Matio 20:28). Mifanohitra amin’izany, noho izy mpitovo, dia nanana fahalalahana izy hanokan-tena tanteraka tamin’ny fanompoany. Ny toerany dia nifanohitra mafy tamin’ny fitsipika jiosy izay namporisika ny hanambadiana sy ny hiterahana. Afaka nahavita tanteraka ny asa nankinin’Andriamanitra taminy anefa izy (Lioka 3:23; Jaona 17:3, 4). Noho izany, ny fijanonana ho mpitovo dia tsy misakana ny kristiana tsy ho minisitra feno.
‘Voazarazara’ ny kristiana manambady
10. Noho ny fatorana mahatonga ny mpivady ho “nofo iray ihany”, inona moa fampitahana nataon’i Jesosy tamin’ny kristiana manambady sy ireo tsy toy izany?
10 Mifanohitra amin’ny kristiana mpitovo, ny kristiana manambady dia tsy maintsy manatanteraka ny fanompoany sady tsy manao tsirambina ny fatorana mahatonga azy ho “nofo iray ihany” amin’ny vadiny (Matio 19:5, 6). Noho io fatorana io sy ny andraikitra samihafa avy amin’izany dia nilaza i Paoly fa “voazarazara” ny kristiana manam-bady. Izao no nosoratany: “Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ny Tompo mba hahafaly ny Tompo. Fa izay manam-bady kosa miahy ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy. Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina [ka voazarazara izy, MN ]. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an’ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy. Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo, ka tsy hivezivezen’ny sainareo.” — 1 Korintiana 7:32-35.
11. Inona moa no asehon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:32-35?
11 Mazava àry fa raha namporisika ny kristiana hijanona ho mpitovo i Paoly, dia mba hahatonga azy ireny ho afaka ny ho voatana amin’ny fomba feno kokoa ao amin’ny asan’Andriamanitra. Ny tenany koa angamba dia maty vady izay nanapa-kevitra ny tsy hanambady fanindroany (1 Korintiana 9:5). Na ahoana na ahoana, noho ny fahafantarana fa arahin’ny fanahiana eo amin’izao fiainana izao ny fiainan’ny olona manambady, dia nasehony fa ny kristiana tsy manambady dia manana fahalalahana lehibe kokoa noho ny kristiana manambady izay tsy maintsy voazarazaran’ny raharaha amin’ny lafiny ara-nofo sy ny an’ny lafiny ara-panahy. Ny olona iray manambady tokoa dia tsy manam-pahefana feno eo amin’ny tenany, satria ny vadiny nofo iray ihany aminy ka noho izany dia manana fahefana sasany eo amin’ny tenany (1 Korintiana 7:3-5). Noho izany dia ara-drariny tokoa ny nilazan’i Paoly fa ny kristiana tsy manambady dia afaka ny ho masina, izany hoe atokana tanteraka, voatokana, ho amin’ny asan’i Jehovah Andriamanitra, na amin’ny lafiny ara-batana na amin’ny lafiny ara-panahy.
12. Inona no fahafahana atolotra an’ireo mpanompon’Andriamanitra tsy manambady?
12 Ny toe-tsaina na fironan’ny sain’ny mpanompon’Andriamanitra mpitovo iray dia manosika azy hanompo ilay Fanjakana tsy hanana saina mivezivezy. Noho izy tsy manana vady mitana fahefana sasany eo amin’ny tenany, dia afaka manaraka ny fironan’ny sainy sy ny fony izy. Afaka mampiasa ny fahaizany ara-batana sy ara-tsaina rehetra ho amin’ny asan’i Jehovah izy. Araka izany, ny mpanompon’Andriamanitra tsy manambady dia malalaka amin’ny fitadiavana hahazo sitraka amin’ny Tompo ihany. Tsy azontsika lavina ara-drariny ny fanambaran’i Paoly, satria noheverin’i Jehovah fa mety ny hitehirizana izany an-tsoratra ho fianarana ho antsika.
Mety tsy ho mpanompon’Andriamanitra feno ve ny kristiana manambady?
13, 14. Hevi-diso inona no mety hitarika mpivady kristiana hanao tsirambina ny fatorana mahatonga azy ireny ho “nofo iray ihany”ary noho izany dia tsy ho minisitr’Andriamanitra feno?
13 Misy kristiana manambady mieritreritra amin’ny fomba diso fa afaka manao mihoatra eo amin’ny asan’Andriamanitra, mety ho tonga amin’ny tsy fanomezana afa-tsy toerana kely dia kely ho an’ny fanambadiany eo amin’ny fiainany. Aoka hataontsika hoe, noho izany antony izany, ny vehivavy iray dia manomboka manao zavatra tsy miankina amin’ny vadiny amin’ny lafiny lehibe ary ilay lehilahy kosa dia manaiky ho voatana tanteraka amin’ny asan’ny kongregasiona. Samy hieritreritra angamba izy mivady fa manatanteraka asa tsara dia tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha ny marina anefa, dia hanao tsirambina ny fatorana mahatonga azy ireo ho “nofo iray ihany” izy ireo, ka tsy hahafaly an’i Jehovah izany.
14 Raha ny marina, raha misy mpivady kristiana manao tsirambina ny fatorana mahatonga azy ireo ho “nofo iray ihany”, dia tsy ho minisitra kristiana feno izy ireo. Tsy mahatonga ny kristiana feno izy ireo. Tsy mahatonga ny kristiana ho minisitra feno kokoa ny fanambadiana, fa mampihena kosa ny mety ho fiheverany ny fanompoana (jereo Lioka 14:16, 17, 20). Mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy hahatongavana ho minisitra feno anefa, ny kristiana manambady dia tsy tokony hanao tsirambina ireo adidiny ara-panambadiana.
Mpitovo noho ilay Fanjakana
15. a) Toetra inona no tokony hambolen’ny kristiana tsy manambady? b) Hevitra tena lehibe inona momba ny fanambadiana sy ny fijanonana ho mpitovo moa no ambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 7:36, 37?
15 Raha tokony hanatanteraka ireo adidiny ara-panambadiana ny mpanompon’i Jehovah manambady, ny kristiana tsy manambady kosa dia tokony hamboly fianinana ao amin’ny toerany amin’ny maha-minisitra feno na dia mpitovo aza. Ny amin’izany, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Fa hoy izaho amin’ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy [izany hoe tsy manambady] izy. Manam-bady va hianao? Aza mitady vady.” (1 Korintiana 7:8, 27). Noho ny fanampian’i Jehovah, ny kristiana mpitovo iray dia afaka mitoetra amim-pahatapahan-kevitra ao amin’ny toerana misy azy noho Andriamanitra. Tsy tokony hihevitra ny fanambadiana ho toy ny tsy maintsy hiafarana izy, noho ireo fanao na ny fitaoman’ny manodidina azy. Tsia, raha manambady izy, dia tokony ho noho ny antony ilàna izany araka ny Baiboly resahin’i Paoly amin’izao teny izao: “Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zanani-vavy virijina [ny maha-virijina azy, MN ], satria mihoatra noho ny taona tokony hanambadian’ny zanany [raha efa nandalo ny fivelaran’ny taona izy, MN ], ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy. Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zanani-vavy virijina [ny maha-virijina azy, MN ], dia hanao tsara izy.” — 1 Korintiana 7:36, 37.
16. a) Inona moa no dikan’ny hoe “nandalo ny fivelaran’ny taona”? b) Tokony hiaiky ny amin’inona moa ny kristiana iray mijanona ho mpitovo?
16 Nasehon’i Paoly tamin’ireo teny ireo fa raha manao zavatra amin’ny fomba tsy mety loatra amin’ny maha-virijina azy ny olona iray — tsy isalasalana fa tsy fahotana lehibe akory no resahin’ilay apostoly eo — dia tsy manao ratsy mihitsy izy raha manambady. Araka ny nolazain’i Paoly eo ambony ao amin’ny taratasiny, dia “tsara ny manam-bady noho ny ho maimay”. (1 Korintiana 7:9.) Mazava ho azy fa ny resahiny eo dia fanambadiana olona “efa nandalo ny fivelaran’ny taona”, ny taona anombohan’ny filana eo amin’ny lahy sy ny vavy hahery. Kanefa, raha “mahazo manaraka ny safidiny” ny olona matotra iray ary nanao fanapahan-kevitra hentitra tao am-pony ny hijanona ho mpitovo, dia manao tsara izy. Ny kristiana iray mahomby amin’ny fijanonany ho mpitovo àry dia tsy manosika faniriana tsy an-kijanona sy mila tsy ho hay resena ny hanambady sy hanana fiainam-pianakaviana. Tsia, tokony hiaiky mafy izy fa ny fijanonana ho mpitovo no lalana tsara indrindra ho azy, ka hanao ny fiezahana ilaina rehetra mba hijanonana ao amin’izany toerana izany amim-pahadiovana tanteraka. Ny kristiana manao toy izany dia tsy mivezivezy saina kokoa ary manana fahalalahana bebe kokoa hanompo ny Tompo.
17. Araka ny filazan’i Jesosy, nahoana moa ny sasany no mijanona ho mpitovo?
17 Ho mora amin’ny kristiana tsy manambady kokoa ny hijanona ao amin’izany toerana izany raha mamboly toe-tsaina sahala amin’ny an’i Jesosy Kristy izy. Na dia mpitovo aza izy teo anivon’ny fitambaran’olona iray namporisika ny hanambady, dia natokan’i Jesosy ho an’ny fanompoany tsy nanam-paharoa ny fotoanany sy ny talentany rehetra. Sahala aminy, ny kristiana tsy manambady dia afaka mifaly noho ny anomezan’Andriamanitra ny fahafahana hijanona ho mpitovo izay afaka mandray izany. Izao no nolazain’i Jesosy ny amin’izany: “Tsy ny olona rehetra no mahay mandray izany teny izany, fa izay nomena ihany; fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray.” — Matio 19:11, 12.
18. Inona moa no mitana ireo izay manao ny tenany ho “ionoka” noho ilay Fanjakana, tsy hanambady?
18 Tsy nanandratra ny olona tsy manambady ho ambony noho ireo manambady akory i Jesosy. Tsy namporisika ireo mpianany hijanona ho mpitovo izy noho ny fikendrena ny hanana fiainana tsy misy fanahiana fotsiny, ary azo antoka fa tsy hoe mba hiheveran’izy ireny lehilahy na vehivavy samihafa. Tsia, ny kristiana izay manao ny tenany ho “ionoka” noho ilay Fanjakana dia madio eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena ary mandray ao am-pony ny fijanonana ho mpitovo. Inona no mitana azy ireny tsy hanambady? Tsy takaitra sasany akory, fa ny faniriana lalina hanokan-tena amin’ny fomba feno araka izay azo atao amin’ny asa’Andriamanitra. Zava-dehibe indrindra io asa io ankehitriny, satria ilay Fanjakana naorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ary “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” dia tokony hotorina ho vavolombelona amin’ny tany rehetra alohan’ny hahatongavan’ny fahataperan’ny fandehan-javatra voaheloka ankehitriny, dia fahataperana manatona manao dingan-dava. — Matio 24:14, MN.
Mendrika ny hoderaina ireo kristiana mpitovo
19. Inona moa no fihetsika tokony hasehon’ny kristiana rehetra eo anoloan’ireo izay mijanona ho mpitovo noho ilay Fanjakana?
19 My kristiana rehetra dia tokony hidera sy hampahery ireo izay mijanona ho mpitovo noho ilay Fanjakana. Rehefa dinihina tokoa, ny fijanonana ho mpitovo dia “miseho amin’ny asa amim-paharisihana ho an’ny Tompo, tsy misy fivezivezen’ny saina”. (1 Korintiana 7:35, MN.) Ho tsara àry ny hampianaran’ireo ray aman-dreny tsara ny zanany izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fijanonana ho mpitovo sy ireo tombontsoa entiny ho an’ny asan’i Jehovah. Tokony hampaherezintsika rehetra ireo mpiara-manompo amintsika tsy manambady. Aoka tsy hohalefahintsika mihitsy ny fahavononan’izy ireny hijanona ho mpitovo noho ilay Fanjakana.
20. Raha mpanompon’Andriamanitra mpitovo ianao, inona no tokony hataonao?
20 Ireo kristiana tsy manambady dia tena manana antony tokony hifaliana satria minisitr’Andriamanitra feno. Amin’izao andro farany izao, dia mandray anjara amim-pifaliana amin’ny asa mahadodona fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Noho izany, ianareo izay mpitovo, dia mifalia noho ianareo minisitra kristiana feno izay ampiasain’i Jehovah ho amin’ny asany. ‘Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo, tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana.’ (Filipiana 2:12-16). Manokàna tena àry amin’ny tombontsoan’ilay Fanjakana sady tafaray hatrany amin’ny fianakaviana iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah ary manatanteraka amin’ny fomba feno ny fanompoana kristiana ataonao. Araka ny hojerentsika, ireo mpitovo manao toy izany dia manana fomba fiaina ampoky ny soa.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no tokony ho asan’ny kristiana iray lehibe indrindra?
◻ Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah tsy manambady no afaka ny ho minisitra kristiana feno?
◻ Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa ny kristiana manambady iray no tsy ho minisitra feno?
◻ Inona moa no dikan’ny hoe “ionoka” noho ilay Fanjakana?
◻ Nahoana no tokony hampaherezina ireo kristiana tsy manambady?
[Sary, pejy 10]
Na dia tsy nanambady aza ny apostoly Paoly, dia minisitra kristiana feno.
[Sary, pejy 12]
Jesosy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny minisitr’Andriamanitra feno.
[Sary, pejy 15]
Derainao ve ireo izay mijanona ho mpitovo noho ilay Fanjakana?