Ny Lalàn’i Kristy
“Ambanin’ny lalàn’i Kristy [aho]”. — 1 KORINTIANA 9:21.
1, 2. a) Ahoana no nety ho azo nisorohana ny maro tamin’ireo fahadisoan’olombelona? b) Inona no tsy nianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny tantaran’ny Jodaisma?
“TSY nianatra na inona na inona avy amin’ny tantara, na nanao zavatra nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika notsoahina avy tamin’izany mihitsy, ny olona sy ny fitondram-panjakana.” Izany no nolazain’ny filozofa alemà iray tamin’ny taonjato faha-19. Ny fizotran’ny tantaran’ny olombelona tokoa dia nolazalazaina ho “fandrosoan’ny hadalana”, fitohitohizana fahadisoana sy krizy faran’izay mahasosotra, ka ny maro taminy dia ho azo nosorohina raha vonona fotsiny ny hianatra avy tamin’ny fahadisoana tamin’ny lasa ny olombelona.
2 Izany tsy fianarana avy amin’ny fahadisoana tamin’ny lasa izany ihany no aseho ato amin’itỳ dinidinika momba ny lalàn’Andriamanitra itỳ. Nanolo ny Lalàn’i Mosesy tamin’ny iray tsara kokoa mihitsy aza i Jehovah Andriamanitra — dia ny lalàn’i Kristy. Na dia izany aza, dia tsy nianatra avy tamin’ilay hadalana nahatsiravina nataon’ny Fariseo ireo mpitarika ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izay milaza fa mampianatra sy miaina mifanaraka amin’io lalàna io. Koa nanolana sy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny lalàn’i Kristy, tsy misy hafa amin’ny nataon’ny Jodaisma tamin’ny Lalàn’i Mosesy, ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ahoana no nahatonga izany? Aoka aloha isika hiresaka ny amin’io lalàna io mihitsy — inona izy io, iza no tapahiny ary amin’ny fomba ahoana, ary inona no maha-samy hafa azy io amin’ny Lalàn’i Mosesy. Avy eo isika dia handinika ny fomba nampiasan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana azy io tamin’ny fomba ratsy. Enga anie isika amin’izay, hianatra avy amin’ny tantara ka handray soa avy amin’izany!
Ny fanekena vaovao
3. Fampanantenana inona no nomen’i Jehovah momba ny fanekena vaovao iray?
3 Iza, ankoatra an’i Jehovah Andriamanitra, moa no afaka mbola manatsara Lalàna iray tonga lafatra? Tonga lafatra ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. (Salamo 19:7, NW ). Na dia teo aza izany, dia nampanantena toy izao i Jehovah: “Indro, avy ny andro, (...) izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany”. Ny Didy Folo — ilay votoatin’ny Lalàn’i Mosesy — dia nosoratana teo amin’ny vato fisaka. Fa ny amin’ilay fanekena vaovao kosa, dia hoy i Jehovah: “Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony”. — Jeremia 31:31-34.
4. a) Isiraely iza no voafaoka ao amin’ilay fanekena vaovao? b) Iza koa, ankoatra ireo Isiraelita ara-panahy, no eo ambanin’ny Lalàn’i Kristy?
4 Iza no horaisina ao anatin’io fanekena vaovao io? Azo antoka fa tsy ilay “taranak’Isiraely” ara-bakiteny izay nanda ny Mpanalalana tamin’io fanekena io. (Hebreo 9:15). Tsia, fa io “Isiraely” vaovao io dia ho ilay “Isiraelin’Andriamanitra”, firenena iray voaforon’ny Isiraelita ara-panahy. (Galatiana 6:16; Romana 2:28, 29). Atỳ aoriana, dia hanatevin-daharana io antokona Kristiana vitsy voahosotry ny fanahy io ny “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra izay hitady hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah koa. (Apokalypsy 7:9, 10; Zakaria 8:23). Na dia tsy mpandray anjara amin’ilay fanekena vaovao aza izy ireo, dia voafehin’ny lalàna. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 24:22; Nomery 15:15.) Amin’ny maha-“andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘mpiandry iray ihany’ azy rehetra, dia samy ho eo “ambanin’ny lalàn’i Kristy” izy ireo, araka ny nanoratan’ny apostoly Paoly azy. (Jaona 10:16; 1 Korintiana 9:21). Niantso io fanekena vaovao io ho “fanekena tsara lavitra” i Paoly. Nahoana? Antony iray amin’izany ny hoe, miorina amin’ny fampanantenana efa tanteraka izy io fa tsy amin’ny aloky ny zavatra mbola ho avy. — Hebreo 8:6; 9:11-14.
5. Inona no zava-kendren’ny fanekena vaovao, ary nahoana izy io no hahomby?
5 Inona no zava-kendren’io fanekena io? Izany dia mba hamokatra firenena iray voaforon’ny mpanjaka sy mpisorona mba hitahy ny taranak’olombelona manontolo. (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 5:10). Tsy namokatra io firenena io tamin’ny heviny feno mihitsy ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy, satria nikomy ka namoy ilay fahafahana natolotra azy, ny Isiraely tamin’ny fitambarany. (Ampitahao amin’ny Romana 11:17-21.) Ilay fanekena vaovao anefa dia azo antoka fa hahomby satria ampiarahina amin’ny karazan-dalàna hafa dia hafa izy io. Hafa amin’ny fomba ahoana avy?
Ny lalàn’ny fahafahana
6, 7. Ahoana no anomezan’ny lalàn’i Kristy fahafahana lehibe kokoa noho ny Lalàn’i Mosesy?
6 Ampifandraisina imbetsaka amin’ny fahafahana, ny lalàn’i Kristy. (Jaona 8:31, 32). Izy io dia resahina ho “lalàn’ny olona afaka” sy “lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”. (Jakoba 1:25; 2:12, NW ). Mazava ho azy, fa ny fahafahana rehetra eo anivon’ny olombelona dia voafetra avokoa. Na dia izany aza, io lalàna io dia manolotra fahafahana lehibe kokoa noho ny Lalàn’i Mosesy, ilay nodimbasany. Ahoana izany?
7 Ohatra iray amin’izany ny hoe tsy misy olona teraka eo ambanin’ny lalàn’i Kristy. Tsy misy ifandraisana amin’izy io ny anton-javatra toy ny firazanana na ny toerana nahaterahana. Mifidy amin-kalalahana ao am-pony ny Kristiana marina fa hanaiky ny ziogan’ny fankatoavana an’io lalàna io izy. Amin’ny fanaovana izany no ahitan’izy ireo fa zioga mora, entana maivana, ilay izy. (Matio 11:28-30). Raha tsaroanao, ny Lalàn’i Mosesy dia natao koa mba hampianarana ny olona fa mpanota sy nila mafy sorom-panavotana hanavotra azy, izy. (Galatiana 3:19). Ny lalàn’i Kristy dia mampianatra fa efa tonga ilay Mesia, efa nandoa ny vidin’ny avotra tamin’ny ainy izy, ary efa nanokatra ilay lalana hanafahana antsika amin’ny fampahoriana mahatsiravina ataon’ny ota sy ny fahafatesana! (Romana 5:20, 21). Mba handraisan-tsoa, dia mila “maneho finoana” an’izany sorona izany isika. — Jaona 3:16, NW.
8. Inona no tafiditra amin’ny lalàn’i Kristy, kanefa nahoana ny fiainana mifanaraka amin’izy io no tsy mitaky fanaovana tsianjery fitsipika ara-dalàna an-jatony maro?
8 Voafaoka amin’ny hoe “maneho finoana” ny fiainana mifanaraka amin’ilay lalàn’i Kristy. Tafiditra amin’izany ny fankatoavana ireo didin’i Kristy rehetra. Midika ho fianarana tsianjery ireo lalàna sy fitsipika an-jatony maro ve izany? Tsia. Na dia nanoratra ny Lalàn’i Mosesy aza i Mosesy, ilay mpanalalana tamin’ny fanekena tranainy, dia tsy nanoratra mihitsy na dia lalàna singany iray aza i Jesosy, ilay Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. Niainany kosa io lalàna io. Tamin’ny alalan’ny lalam-pitondran-tenany tonga lafatra, dia namela modely harahin’ny rehetra izy. (1 Petera 2:21, NW ). Angamba izany no nahatonga ny fivavahan’ireo Kristiana tany am-boalohany hantsoina hoe “Làlana”. (Asan’ny Apostoly 9:2; 19:9, 23; 22:4; 24:22, fanamarihana ambany pejy). Ho azy ireo, ny lalàn’i Kristy dia naseho ho ohatra tamin’ny fiainan’i Kristy. Mba hanahafana an’i Jesosy dia tsy maintsy nankato io lalàna io ny tena. Ny fitiavany lalina an’i Jesosy, dia nidika fa tena voasoratra tao am-pon’izy ireo tokoa io lalàna io, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Jeremia 31:33; 1 Petera 4:8). Ary ny olona izay mankato noho ny fitiavana dia tsy mahatsiaro tena ho ampahorina mihitsy — antony hafa iray mahatonga ny lalàn’i Kristy ho azo antsoina hoe “lalàn’ny olona afaka”.
9. Inona no tena toetra fototry ny lalàn’i Kristy, ary amin’ny fomba ahoana io lalàna io no mahatafiditra didy vaovao iray?
9 Raha zava-dehibe tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny fitiavana, dia tena toetra fototry ny lalàna kristiana izy io. Ny lalàn’i Kristy àry dia mahatafiditra didy vaovao iray — tokony hanana fitiavana feno fahafoizan-tena eo amin’izy samy izy, ny Kristiana. Izy ireo dia tokony ho tia toy ny nataon’i Jesosy; nanolotra ny ainy an-tsitrapo ho an’ny sakaizany izy. (Jaona 13:34, 35; 15:13). Koa mety àry ny ilazana fa ny lalàn’i Kristy dia fisehoan’ny teokrasia mbola ambony kokoa mihitsy noho ny Lalàn’i Mosesy. Araka ny efa nolazain’itỳ gazety itỳ teo aloha: “Ny teokrasia dia fanapahana ampiharin’Andriamanitra; Andriamanitra dia fitiavana; noho izany, ny teokrasia dia fanapahan’ny fitiavana”.
Jesosy sy ny Fariseo
10. Ahoana no nifanoheran’ny fampianaran’i Jesosy tamin’ny an’ny Fariseo?
10 Tsy mahagaga velively àry raha nifandona tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy. Tsy niserana tao an-tsain’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo velively ny hoe “lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana”. Niezaka nifehy ny olona tamin’ny alalan’ny fitsipika madinika nataon’olona, izy ireo. Nanjary nampahory, nanameloka, tsy nanorina, ny fampianaran’izy ireo. Mifanohitra tanteraka amin’izany fa ny fampianaran’i Jesosy dia faran’izay nampahery sy nahasoa! Vonona hanao asa i Jesosy, ary nikarakara izay tena nilain’ny olona sy izay tena nampanahy azy ireo. Nampianatra tamin’ny fomba tsotra sy tamim-pihetseham-po marina izy, nampiasa fanoharana avy tamin’ny fiainana andavanandro ary naka fanazavana avy amin’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra. Araka izany, dia “talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”. (Matio 7:28). Eny, nanohina ny fon’izy ireo ny fampianaran’i Jesosy.
11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tokony ho nampiharina tamim-pahalalana ny antonona sy tamim-pamindram-po ny Lalàn’i Mosesy?
11 Tsy nanampy fitsipika madinika betsaka kokoa tamin’ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy, fa nasehony kosa ny fomba tokony ho nampiharan’ny Jiosy azy io hatramin’izay ela izay — tamim-pahalalana ny antonona sy tamim-pamindram-po. Tsarovy, ohatra, tamin’ilay izy nohatonin’ny vehivavy iray narary noho ny fandehanan-dra. Araka ny Lalàn’i Mosesy, na iza na iza nokasihiny dia nanjary naloto, koa azo antoka fa tsy tokony ho niharoharo tao anaty vahoaka izy! (Levitikosy 15:25-27). Naniry mafy ny hositranina anefa izy ka nanavatsava tao anaty vahoaka, ary nikasika ny fitafiana ivelan’i Jesosy. Nitsahatra avy hatrany ilay ra nandeha. Niteny mafy azy ho nandika ny Lalàna ve i Jesosy? Tsia; takany kosa ilay toe-javatra nampamoy fo nahazo azy, ary nasehony ny didy lehibe indrindra tamin’ny Lalàna — ny fitiavana. Tamim-pangorahana, dia hoy izy taminy: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao.” — Marka 5:25-34.
Milefitra loatra ve ny lalàn’i Kristy?
12. a) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra fa milefitra loatra i Kristy? b) Inona no mampiseho fa ny famoronana lalàna maro dia mitarika ho amin’ny famoronana hirika fialana maro?
12 Tokony hanatsoaka hevitra ve àry isika fa noho ny lalàn’i Kristy “lalàn’ny fahafahana”, dia milefitra loatra izy io, kanefa kosa ny Fariseo sy ireo lovantsofiny am-bava rehetra, fara faharatsiny dia nitana ny fitondran-tenan’ny olona tao anatin’ny fetra hentitra? Tsia. Ireo rafitra momba ny lalàna amin’izao andro izao dia mampiseho mazava fa matetika, arakaraka ny isian’ny lalàna maro, no maha-maro ny hirika fialana hitan’ny olona amin’izy ireny.a Tamin’ny andron’i Jesosy, ny hamaroan’ireo fitsipiky ny Fariseo dia nampirisika fitadiavana hirika fialana, sy fanaovana asa amim-pahazarana tsy misy fitiavana, ary fiezahana hiseho ho marina ivelany mba hanaronana ny fahasimbana ara-pitondran-tena anaty. — Matio 23:23, 24.
13. Nahoana ny lalàn’i Kristy no miteraka fari-pitondran-tena ambony kokoa noho izay mety ho fehezan-dalàna voasoratra?
13 Mifanohitra amin’izany fa tsy mampirisika fihetsika toy izany ny lalàn’i Kristy. Raha ny marina, ny fankatoavana lalàna iray izay miorina amin’ny fitiavana an’i Jehovah, ary lalàna izay ankatoavina ho fanahafana ny fitiavan’i Kristy feno fahafoizan-tena ho an’ny hafa, dia miteraka fari-pitondran-tena ambony lavitra noho ny fanarahana fehezan-dalàna ofisialy. Tsy mitady hirika fialana ny fitiavana; izy io dia mihazona antsika tsy hanao zavatra manimba izay mety tsy ho voarara mazava ao amin’ny fehezan-dalàna iray. (Jereo ny Matio 5:27, 28.) Araka izany, ny lalàn’i Kristy dia hanosika antsika hanao zavatra ho an’ny hafa — haneho fahalalahan-tanana, fahaiza-mampiantrano vahiny, ary fitiavana — amin’ny fomba izay tsy vitan’ny lalàna ofisialy na inona na inona ny mampanao azy antsika. — Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintiana 9:7; Hebreo 13:16.
14. Inona no vokatry ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy teo amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany?
14 Raha mbola niaina nifanaraka tamin’ny lalàn’i Kristy koa ireo mpikambana tao aminy, dia nankafy rivo-piainana mafana sy feno fitiavana ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, azo lazaina hoe afaka tamin’ireo fihetsika henjana sy mitsara ny hafa ary mihatsaravelatsihy izay fahita aoka izany tao amin’ireo synagoga tamin’izany andro izany. Tsy maintsy tsapan’ireo mpikambana tao amin’ireny kongregasiona vaovao ireny marina tokoa fa niaina nifanaraka tamin’ny “lalàn’ny olona afaka” izy ireo!
15. Inona avy no sasany tamin’ireo ezaka nataon’i Satana tany am-boalohany mba hanimbana ny kongregasiona kristiana?
15 Dodona anefa i Satana hanimba ny kongregasiona kristiana avy ao anatiny, tsy misy hafa amin’ilay nanimbany ny firenen’Isiraely. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny amin’ireo lehilahy toy ny amboadia izay ‘hitory teny tsy marina’ sy hampahory ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30). Voatery notoheriny ireo mpanaraka ny fomban’ny Jiosy izay nitady hanakalo ilay fahafahana voafetra ao amin’ny lalàn’i Kristy tamin’ny fanandevozan’ny Lalàn’i Mosesy izay efa tanteraka tao amin’i Kristy. (Matio 5:17; Asan’ny Apostoly 15:1; Romana 10:4). Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly farany, dia tsy nisy intsony zavatra nisakana izany fivadiham-pinoana izany. Koa nanjary niely patrana ny fahasimbana ara-pitondran-tena. — 2 Tesaloniana 2:6, 7.
Mandoto ny lalàn’i Kristy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
16, 17. a) Naka endrika inona avy ny fahasimbana ara-pitondran-tena tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? b) Ahoana no nampandrosoan’ireo lalàn’ny Eglizy Katolika fomba fiheverana miolana momba ny firaisana?
16 Toy ny tamin’ny Jodaisma, dia naka endriny mihoatra ny iray ny fahasimbana ara-pitondran-tena ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izy io koa dia azon’ny fampianaran-diso sy ny fitondran-tena tsy voafehy. Ary ny fiezahany hiaro ny andian’ondriny amin’ireo fitaomana ivelany dia matetika no hita fa nanimba izay sisa tavela tamin’ny fanompoam-pivavahana madio. Nitombo haingana ireo lalàna henjana sy tsy araka ny Soratra Masina.
17 Loha laharana tamin’ny famoronana fitambarana didin’ny eglizy maro be ny Eglizy Katolika. Niolana indrindra ireny didy ireny teo amin’ny raharaha mahakasika ny firaisana. Araka ilay boky hoe Sexuality and Catholicism, ny eglizy dia nandray ny filozofia grikan’ny Stoisisma izay fatra-piahiahy ny endri-pahafinaretana rehetra. Nanjary nampianatra ny eglizy fa ny fahafinaretana rehetra amin’ny firaisana, tafiditra amin’izany ilay amin’ny firaisan’ny mpivady ara-dalàna, dia ratsy. (Ampifanohero amin’ny Ohabolana 5:18, 19.) Nolazaina fa natao mba hiterahana ny firaisana fa tsy ho amin-javatra hafa na inona na inona. Araka izany, ny didin’ny eglizy dia nanameloka izay mety ho endriky ny fomba tsy mampiteraka ho fahotana tena lehibe, indraindray mitaky taona maro hanaovana asa fivalozana. Ankoatra izany, dia voarara tsy hanambady ireo pretra amin’ny fitambarany, didy izay nampipoitra fanaovana firaisana andrarana maro, anisan’izany ny fametavetana ankizy. — 1 Timoty 4:1-3.
18. Inona no vokatry ny fampitomboana ireo didin’ny eglizy?
18 Rehefa nihamaro ireo didin’ny eglizy dia nangonina tao anaty boky, izy ireny. Nanomboka nanamaizina sy nisosoka ny toeran’ny Baiboly, ireny boky ireny. (Ampitahao amin’ny Matio 15:3, 9.) Sahala amin’ny Jodaisma, ny Fivavahana Katolika dia tsy natoky ireo asa soratra tsy ara-pivavahana, ary nihevitra ny ankamaroan’izy ireny ho fandrahonana. Tsy ela io fiheverana io dia nihoatra lavitra ilay fampitandremana araka ny antonona omen’ny Baiboly momba ilay raharaha. (Mpitoriteny 12:12; Kolosiana 2:8). Nihiaka toy izao i Jérôme, mpanoratra ho an’ny eglizy tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i.: “Tompo ô, raha sanatria ka manana bokin’izao tontolo izao indray aho na mamaky azy ireny, dia nanda anao aho izay.” Rehefa nandeha ny fotoana, ny eglizy dia nanao fanasivanana ireo boky — na dia ireo nanana foto-kevitra tsy ara-pivavahana aza. Araka izany, dia nokianina mafy i Galilée, astronoma tamin’ny taonjato faha-17, noho izy nanoratra fa ny tany dia mihodina manodidina ny masoandro. Ny fanizingizinan’ny eglizy fa izy no nanana ny fahefana farany amin’ny zava-drehetra — na dia ny amin’ny raharaha momba ny astronomia aza — tamin’ny farany dia nanimba tsikelikely ny finoana ny Baiboly.
19. Ahoana no nampandrosoan’ireo monasitera fanjakazakana henjana?
19 Niroborobo ny fanaovan’ny eglizy fitsipika tany amin’ireo monasitera izay nisy moanina nampisaraka ny tenany tamin’itỳ tontolo itỳ mba hanana fiainana feno fihafiana. Ny ankamaroan’ireo monasitera katolika dia nanaraka “Ny Fitsipik’i Md. Benoît”. Nanapaka tamim-pahefana feno ilay abbé (teny avy amin’ilay teny aramiana midika hoe “ray”). (Ampitahao amin’ny Matio 23:9.) Raha nahazo fanomezana avy tamin’ny ray aman-dreniny ny moanina iray, dia ilay abbé no hanapaka raha io moanina io na olon-kafa no hahazo ilay izy. Ankoatra ny fanamelohana ireo fitenenana manafintohina, ny fitsipika iray dia nandrara ny resadresaka madinika sy ny vazivazy rehetra, tamin’ny filazana hoe: “Tsy misy mpianatra mahazo miteny zavatra toy izany.”
20. Inona no mampiseho fa ny Fivavahana Protestanta koa dia hita fa manam-pahaizana amin’ny fanjakazakana tsy araka ny Soratra Masina?
20 Ny Fivavahana Protestanta, izay nitady hanavao ireo zavatra tafahoatra sy tsy araka ny Soratra Masina nataon’ny Fivavahana Katolika, tsy ela dia nanjary nanam-pahaizana mitovy amin’izany koa tamin’ny fanaovana fitsipika feno fanjakazakana izay tsy nanana fototra tao amin’ny lalàn’i Kristy. Ohatra, i Jean Calvin, mpitarika ny fanavaozana, dia nanjary nantsoina hoe “ilay mpamoaka lalàn’ny Fiangonana nohavaozina”. I Calvin dia nanapaka an’i Genève tamin’ny fitsipika henjana maro be nampiharina “Loholona”, ka ny “asan’izy ireo”, hoy ny nomarihiny, “dia ny hanara-maso ny fiainan’ny tsirairay”. (Ampifanohero amin’ny 2 Korintiana 1:24.) Nifehy ireo tranom-bahiny ny fiangonana, ary nametra izay foto-dresaka azo natao. Nisy sazy henjana ho an’ny fahotana toy ny fanaovana hira kivalavala na ny fandihizana.b
Fianarana avy amin’ny fahadisoan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
21. Inona no vokany ankapobe tamin’ny fironan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ‘hihoatra noho ny voasoratra’?
21 Nandaitra ve ireny fitsipika sy lalàna rehetra ireny tamin’ny fiarovana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny fahasimbana ara-pitondran-tena? Ny mifanohitra amin’izany aza no nitranga! Amin’izao andro izao ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nizarazara ho antokom-pivavahana an-jatony maro, manomboka amin’izay hentitra tafahoatra ka hatramin’izay milefitra loatra mibaribary. Tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia samy ‘nihoatra noho ny voasoratra’ izy rehetra, tamin’ny famelana fiheveran’olombelona hanapaka ny andian’ondry sy hanembantsembana ny lalàn’Andriamanitra. — 1 Korintiana 4:6.
22. Nahoana ny fivadihan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tsy midika ho faran’ny lalàn’i Kristy?
22 Tsy ratsy fiafara anefa ny tantaran’ny lalàn’i Kristy. Tsy hamela na oviana na oviana olombelona tsotra fotsiny hanafoana tanteraka ny lalàn’Andriamanitra akory i Jehovah Andriamanitra. Tena manan-kery tokoa ny lalàna kristiana amin’izao andro izao eo anivon’ireo Kristiana marina, ary manana tombontsoa lehibe hiaina mifanaraka amin’izy io, izy ireo. Kanefa, rehefa avy nandinika izay nataon’ny Jodaisma sy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny lalàn’Andriamanitra isika, dia mety hanontany tena hoe: ‘Ahoana no hiainantsika mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy sady hanalavitra ilay fandrika handoto ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanjohian-kevitra sy fitsipik’olombelona izay manimba tsikelikely ny tena hevitry ny lalàn’Andriamanitra? Fomba fiheverana voalanjalanja inona no tokony hampianarin’ny lalàn’i Kristy tsikelikely antsika amin’izao andro izao?’ Hivaofy ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tompon’andraikitra be dia be tamin’ny endriky ny Jodaisma misy amin’izao andro izao ny Fariseo, koa tsy mahagaga raha mbola mitady hirika fialana ihany ny Jodaisma amin’ireo fameperany fanampiny maro be momba ny Sabata. Ohatra, ny mpamangy iray mankao amin’ny hopitaly jiosy ortodoksa amin’ny andro Sabata, dia mety hahita fa ny ascenseur dia mijanona ho azy isaky ny rihana mba tsy hanaovan’ireo mpandeha ilay “asa” ratsy, dia ny fanindriana bokotra fampandehanana ascenseur. Misy dokotera ortodoksa sasany manoratra taratasim-panafody amin’ny ranomainty izay manjavona ao anatin’ny andro vitsivitsy. Nahoana? Kilasin’ny Mishnah ho “asa” ny fanoratana, kanefa ny “fanoratana” dia faritany hoe famelana marika maharitra.
b Nodorana teo amin’ny tsato-kazo toy ny heretika, i Servet izay nanohitra ny fiheverana ara-teolojian’i Calvin.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no tena toetra fototry ny lalàn’i Kristy?
◻ Ahoana no naha-samy hafa ny fomba fampianatr’i Jesosy tamin’ny an’ny Fariseo?
◻ Ahoana no nampiasan’i Satana ny toe-tsaina tia manao fitsipika henjana, mba hanimbana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
◻ Inona avy no vokany manorina sasany avy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Kristy?
[Sary, pejy 16]
Nampiharin’i Jesosy tamim-pahalalana ny antonona sy tamim-pamindram-po ny Lalàn’i Mosesy