Ahoana no Fihazakazakao ao Amin’ilay Hazakazaka ho Amin’ny Fiainana?
“Tsy fantatrareo ve fa ny mpihazakazaka rehetra ao amin’ny hazakazaka iray dia samy mihazakazaka avokoa, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha amin’ny fomba izay mety hahazoanareo izany.” — 1 KORINTIANA 9:24, NW.
1. Ampitovian’ny Baiboly amin’inona moa ny hazakazaka kristiana ataontsika?
NY BAIBOLY dia mampitovy ny fikatsahantsika ny fiainana mandrakizay amin’ny hazakazaka iray. Tany amin’ny faramparan’ny fiainany, dia hoy ny apostoly Paoly momba ny tenany: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho”. Nampirisika ny Kristiana namany hanao toy izany koa izy rehefa nanao hoe: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — 2 Timoty 4:7; Hebreo 12:1.
2. Fanombohana mampahery inona no hitantsika ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
2 Tena mifanentana tsara io fampitahana io satria ao amin’ny hazakazaka iray dia misy fanombohana, lalana voafaritra tsara ary tsipika fahatongavana, na tanjona, iray. Mitovy amin’izany ny fizotran’ny fandrosoantsika ara-panahy mankany amin’ny fiainana. Araka ny hitantsika, isan-taona dia olona ana hetsiny maro no manomboka tsara ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Tao anatin’ireo dimy taona farany, ohatra, dia olona 1 336 429 no nanomboka ilay hazakazaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Tena mampahery indrindra ny fanombohana feno faharisihana toy izany. Ny zava-dehibe anefa dia ny haharetana ao amin’ilay hazakazaka mandra-pahatratrarana ny tsipika fahatongavana. Manao izany ve ianao?
Ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana
3, 4. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny maha-zava-dehibe ny hihazonana ny hafainganam-pandeha ao amin’ilay hazakazaka? b) Tamin’ny ahoana ny sasany no tsy nanaraka ny torohevitr’i Paoly?
3 Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny tsy hialana amin’ilay hazakazaka, dia nananatra toy izao i Paoly: “Tsy fantatrareo ve fa ny mpihazakazaka rehetra ao amin’ny hazakazaka iray dia samy mihazakazaka avokoa, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha amin’ny fomba izay mety hahazoanareo izany.” — 1 Korintiana 9:24, NW.
4 Marina fa olona iray monja no nahazo loka tamin’ireo lalao fahiny. Kanefa, ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, dia ny rehetra no azo omena lalana hahazo ilay loka. Ny ilaina fotsiny dia ny haharetana hatramin’ny faran’ilay hazakazaka! Mahafaly fa maro no nanao ilay hazakazaka tamim-pahatokiana hatramin’ny faran’ny fiainany, toy ny apostoly Paoly. Ary an-tapitrisany maro no manohy mihazakazaka. Misy anefa tsy niezaka intsony na nandroso ho tonga amin’ny tsipika fahatongavana. Namela ny zavatra hafa hanakantsakana azy kosa izy ireo, hany ka niala tamin’ilay hazakazaka na nisy nahatonga azy ho tsy mendrika ny hanohy. (Galatiana 5:7). Izany dia tokony hanome antsika rehetra antony handinihana ny fihazakazantsika ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana.
5. Moa ve i Paoly nampitaha ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana tamin’ny lalao iray misy fifaninanana? Hazavao.
5 Azo atao ny manontany hoe: Inona no noeritreretin’i Paoly rehefa nilaza izy fa “iray ihany no mahazo ny loka”? Araka ny nomarihina teo aloha, dia tsy te hilaza izy akory fa, amin’ireo rehetra nanomboka ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, dia iray monja no hahazo ny fiainana mandrakizay ho valisoa. Miharihary fa tsy mety ho izany no ho izy, satria namerimberina nilaza mazava izy fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra. (Romana 5:18, NW; 1 Timoty 2:3, 4, NW; 4:10, NW; Titosy 2:11, NW ). Tsia, tsy nilaza izy akory fa hoe fifaninanana ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ka hiezaka ny handresy ny hafa rehetra ny mpandray anjara tsirairay avy. Fantatr’ireo Korintiana tsara fa izany toe-tsaina tia fifaninanana izany dia nisy teo amin’ireo mpifaninana tao amin’ireo Lalao Isthmiques (natao ara-potoana tao amin’ny isthme na andilan-tanin’i Korinto), izay lazaina fa nanan-kaja kokoa noho ireo Lalao Olympika. Inona àry no noeritreretin’i Paoly?
6. Inona no ahariharin’ny teny manodidina raha ny amin’ny firesahan’i Paoly momba ilay mpihazakazaka sy ilay hazakazaka?
6 Rehefa nanonona ilay fanoharana ny amin’ny mpihazakazaka i Paoly dia niresaka voalohany indrindra momba ny fanantenan’ny tenany manokana hahazo famonjena. Ao amin’ireo andinin-teny eo aloha izy dia nilazalaza ny amin’ny niasany mafy sy nikelezany aina tamin’ny fomba maro. (1 Korintiana 9:19-22). Avy eo, eo amin’ny andininy faha-23, dia hoy izy: “Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny [vaovao tsara, NW ] mba ho tonga mpiombona aminy aho.” Takany fa ny famonjena azy dia tsy azo antoka satria fotsiny hoe voafidy ho apostoly izy na koa hoe satria nandany taona maro nitoriana tamin’ny hafa izy. Mba hahazoany ireo fitahiana mifandray amin’ny vaovao tsara, dia tsy maintsy nanohy nanao izay rehetra azony natao izy noho ny vaovao tsara. Tsy maintsy nihazakazaka tamin’ny fikendrena nazava tsara ny handresy izy, ka hikely aina mafy toy ny hoe hihazakazaka tao amin’ny hazakazaka an-tongotra tamin’ireo Lalao Isthmiques, izay tsy nisy afa-tsy ‘iray ihany no nahazo ny loka’. — 1 Korintiana 9:24a.
7. Inona no ilaina mba ‘hihazakazahana amin’ny fomba izay mety hahazoana izany’?
7 Misy zavatra betsaka azontsika ianarana avy amin’izany. Na dia maniry handresy aza ny tsirairay mandray anjara amin’ilay hazakazaka, dia ireo izay tapa-kevitra tanteraka ny handresy ihany no manana ny fahatsinjovana ny amin’izany. Noho izany, dia tsy tokony ho afa-po amin’ny tenantsika isika satria fotsiny hoe ao anatin’ilay hazakazaka. Tsy tokony hihevitra isika fa hety tsara avokoa ny zava-drehetra satria hoe ‘ao anatin’ny fahamarinana’ isika. Mety hitondra ny anarana hoe Kristiana isika, nefa moa ve isika manana izay manaporofo fa Kristiana ny tenantsika? Ohatra, moa ve isika manao ireo zavatra izay fantatsika fa tokony hataon’ny Kristiana iray — famonjena ireo fivoriana kristiana, fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana ary ny toy izany. Raha izany no izy, dia azo deraina tokoa isika, ary tokony hiezaka mafy mba hanaraka hatrany izany fahazarana tsara dia tsara izany. Azo atao ve anefa ny handraisantsika soa betsaka kokoa avy amin’izay ataontsika? Ohatra, moa ve isika miomana foana mba handraisana anjara amin’ireo fivoriana? Moa ve isika miezaka mba hampihatra izay ianarantsika eo amin’ny fiainantsika manokana? Moa ve isika manisy fiheverana ny hanatsarana ny fahaizantsika mba hahafahantsika hanao fanambarana amin’ny fomba feno na dia eo aza ireo vato misakana hitantsika eo amin’ny fanompoana? Moa ve isika vonona ny hanaiky ny zava-tsarotra ny amin’ny fiverenana hitsidika ireo olona liana sy ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantranon’ny olona? “Mihazakazaha amin’ny fomba izay mety hahazoanareo izany”, hoy ny fampirisihan’i Paoly. — 1 Korintiana 9:24b, NW.
Manehoa fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra
8. Inona no nety ho nanosika an’i Paoly hampirisika ireo Kristiana namany ‘haneho fifehezan-tena tamin’ny zavatra rehetra’?
8 Nandritra ny androm-piainany, i Paoly dia nahita maro izay nampiadana ny hazakazany, nindaosina niala na nandao ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. (1 Timoty 1:19, 20; Hebreo 2:1). Izany no antony namerimberenany nampahatsiahy ireo Kristiana namany fa ao amin’ny fifanalana hazakazaka iray izay henjana sy mitohy izy ireo. (Efesiana 6:12; 1 Timoty 6:12). Notohizany dingana iray lavitra kokoa ilay fanoharana momba ny mpihazakazaka ka hoy izy: “Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra.” (1 Korintiana 9:25a). Tamin’ny filazana izany, i Paoly dia nanisy fitenenana momba ny zavatra iray izay fantatr’ireo Kristiana korintiana tsara, izany hoe, ilay fampiofanana sarotra narahin’ireo mpifaninana tamin’ireo Lalao Isthmiques.
9, 10. a) Ahoana no ilazalazan’ny boky fakàn-teny iray ireo mpifaninana tamin’ireo Lalao Isthmiques? b) Inona no mendrika ny homarihina manokana momba io filazalazana io?
9 Indro misy filazalazana toy ny hitan’ny maso mihitsy ny amin’ny mpifaninana iray eo am-panaovana fanazaran-tena:
“Afa-po sady tsy mimenomenona mihitsy izy manaiky ireo fitsipika sy fameperana rehetra mandritra ireo folo volana aharetan’ny fanazaran-tena, zavatra izay tsy maintsy ataony, raha tsy izany, dia tsy hilainy akory ny handray anjara amin’ilay fifaninanana. (...) Mirehareha izy noho ireo fahasahiranana kely sy havizanana ary fifadiana iaretany, ary raisiny ho rehareha ny fifadiana amim-pitandremana fatratra izay rehetra mety hampihena na dia kely akory aza ny mety hahafahany handresy. Sady misefosefo noho ny hasasarana ny tena no mahita ireo lehilahy hafa tsy mahatohitra ny fanirian-tsakafo, miala sasatra, miriaria ao anaty rano fandroana, manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny fiainana; kanefa zara raha misy fitsiriritana kely akory aza ao aminy, satria maniry mafy ilay loka ny fony, ary tena ilainy ny fanazaran-tena mafy. Fantany fa ho very ny mety hahafahany handresy, raha manalefaka ny hamafin’ilay fifehezana izy na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.” — The Expositor’s Bible, Boky faha-V, pejy faha-674.
10 Tena mahaliana manokana ilay fanamarihana hoe ‘raisin’ny olona iray manao fanazaran-tena ho rehareha’ ny fanarahana fahazarana sarotra ny amin’ny fandavana ny tenany mafy toy izany. Raha ny tena izy, dia “zara raha misy fitsiriritana kely akory aza ao aminy” rehefa mahita ny fiadanana sy fahamoram-piainan’ny hafa izy. Misy zavatra azontsika ianarana ve avy amin’izany? Eny tokoa.
11. Fomba fijery tsy mety inona no tsy maintsy itandremantsika tena eo am-panaovana ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
11 Tsarovy ireo tenin’i Jesosy nilaza fa “lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Rehefa miezaka mandeha eo amin’ilay ‘lalana tery’ ianao, moa ve ianao mitsiriritra ny fahafahana sy ny fiainana miadana toa ananan’ireo izay eo amin’ilay lalana faharoa? Mihevi-tena ho maty antoka ve ianao tsy manao ireo zavatra ataon’ny hafa, izay mety ho tsy ratsy aminy fotsiny? Mora ny hiheverantsika toy izany raha tsy mitadidy ao an-tsaina ny antony anarahantsika io lalana io isika. “Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo”, hoy i Paoly. — 1 Korintiana 9:25b.
12. Nahoana no azo lazaina fa ny voninahitra sy ny laza nokatsahin’ny olona dia toy ilay satroboninahitra mety simba nomena ho valisoa tamin’ireo Lalao Isthmiques?
12 Ny mpandresy tamin’ireo Lalao Isthmiques dia nahazo amboara natao tamin’ny hazo kesika avy teo an-toerana na tamina karazan-javamaniry hafa, izay azo inoana fa nalazo rehefa afaka andro na herinandro vitsivitsy. Mazava ho azy fa tsy ho an’io amboara mety simba io no nifaninanan’ireo atleta, fa ho an’ny dera sy ny voninahitra ary ny laza niaraka taminy. Ny boky fakàn-teny iray dia mitantara fa, rehefa nody tany aminy ilay mpandresy, dia noraisina ho toy ny mahery fo iray avy nandresy. Matetika ireo rindrin’ilay tanàna dia narodana mba handehanan’ny filaharana natao ho azy. Nananganana tsangambato koa izy ho fanomezam-boninahitra azy. Na dia teo aza anefa izany rehetra izany, dia mbola nety simba ihany ny lazany. Amin’izao andro izao, dia vitsy no mahalala hoe iza avy ireny nahery fo nandresy ireny, ary ny ankamaroan’ny olona aza dia tsy miraharaha izany akory. Ireo izay mahafoy ny fotoanany, ny heriny, ny fahasalamany ary na dia ny fahasambaran’ny fianakaviany mihitsy aza mba hahazoana fahefana, laza ary harena eo amin’izao tontolo izao, kanefa tsy manankarena ny amin’Andriamanitra, dia hahita fa ny ‘satroboninahiny’ ara-nofo, toy ny fiainany, dia mandalo fotsiny. — Matio 6:19, 20; Lioka 12:16-21.
13. Amin’ny ahoana ny fiainan’ny olona iray ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana no hafa noho ny an’ny atleta iray?
13 Ireo mpifaninana amin’ny lalao atletika iray dia mety ho vonona ny hanaraka fanazaran-tena mitaky zavatra sarotra toy ireo nolazalazaina teo aloha, kanefa mandritra ny fotoana voafetra ihany. Raha vao vita ireo lalao, dia miverina manaraka fomba fiaina ara-dalàna indray izy ireo. Mbola mety hanaraka fanazaran-tena indraindray ihany izy ireo mba hihazonana ny fahaizany, kanefa tsy manaraka ilay fandavana ny tenany mafy intsony, fara faharatsiny mandra-pahatongan’ny fifaninanana manaraka. Tsy toy izany anefa no izy amin’ireo izay ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana. Amin’ireo dia tsy maintsy ho fomba fiaina ny fanazaran-tena sy ny fandavana ny tenany. — 1 Timoty 6:6-8.
14, 15. Nahoana ny mpandray anjara amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana no tsy maintsy maneho fifehezan-tena mandrakariva?
14 “Na iza na iza ta hanaraka ahy”, hoy i Jesosy Kristy tamin’ireo mpianatra sy ny hafa tafangona, “dia aoka izy handa ny tenany (na hoe “tsy maintsy milaza hoe ‘Tsia’ amin’ny tenany izy”, Fandikan-tenin’i Charles B. Williams) ka handray ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Marka 8:34, NW ). Rehefa manaiky io fanasana io isika, dia tsy maintsy miomana mba hanao izany “mandrakariva”, tsy hoe satria misy maha-mendrika azy manokana ny fandavana ny tena, fa satria ny tsy fitandremana mihelina kely fotsiny, ny fiatoana kely fotsiny eo amin’ny tsy fahaiza-manavaka, dia mety handrava izay efa naorina rehetra, ary hahatandindomin-doza ny fahasoavantsika mandrakizay mihitsy aza. Ny fandrosoana ara-panahy mazàna dia manaraka hafainganam-pandeha miadana ihany, kanefa mety ho haingana erỳ ny fahafoanany raha tsy mitandrin-tena tsy an-kijanona isika!
15 Ankoatra izany, dia nampirisika ny tsy maintsy hanehoantsika fifehezan-tena “amin’ny zavatra rehetra” i Paoly. Ny hevitr’izany dia hoe tsy hiovaova isika fa tsy maintsy maneho izany amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Araka ny rariny ny fanaovana izany satria, raha manaram-po amin’ny fahafinaretana ny mpanao fanazaran-tena iray na manaraka fitondrantena tsy mendrika, inona moa no hilàna ny fanaintainana sy harerahana ara-batana rehetra iaretany? Toy izany koa, eo amin’ilay hazakazaka ataontsika ho amin’ny fiainana, dia tsy maintsy maneho fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra isika. Mety hifehy tena amin’ny zavatra toy ny fimamoana sy ny fijangajangana ny olona iray, nefa mihena ny hasarobidin’izany raha miavonavona na tia ady izy. Na koa, ahoana raha be fahari-po sy hatsaram-panahy amin’ny hafa izy, nefa manao fahotana miafina eo amin’ny lafiny miafina amin’ny fiainany? Mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny fifehezan-tena, dia tsy maintsy aseho “amin’ny zavatra rehetra” izy io. — Ampitahao amin’ny Jakoba 2:10, 11.
Mihazakazaha “nefa tsy hoe amin’ny fomba tsy azo antoka”
16. Inona no hevitry ny hoe mihazakazaka “nefa tsy hoe amin’ny fomba tsy azo antoka”?
16 Rehefa nahita ireo ezaka henjana nilaina mba hahombiazana eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana i Paoly dia nanohy ny teniny toy izao: “Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa [“nefa tsy hoe amin’ny fomba tsy azo antoka”, NW ]; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”. (1 Korintiana 9:26). Ny teny hoe “amin’ny fomba tsy azo antoka” dia midika ara-bakiteny hoe “amin’ny fomba tsy miharihary” (Kingdom Interlinear), “tsy tazana, tsy voamarika” (Lange’s Commentary). Noho izany, ny hoe mihazakazaka “nefa tsy hoe amin’ny fomba tsy azo antoka” dia midika fa tokony hiharihary tsara amin’ny mpitazana rehetra hoe aiza no alehan’ilay mpihazakazaka. Ny The Anchor Bible dia mandika azy io hoe “tsy hoe amin’ny fanarahana lalana mikovilavila”. Raha toa ianao ka mahita eny amin’ny torapasika dian-tongotr’olona iray manketsy mankeroa, mamaritra faribolana tsindraindray ary miverina ilalana mihitsy aza, dia tsy hieritreritra velively ianao fa nihazakazaka izany olona izany, na indrindra koa hoe nahalala izay halehany izy. Kanefa, raha toa kosa ianao ka mahita dian-tongotr’olona mahaforona tsipika iray lava sady mahitsy, ka mifandimby ary mitovy elanelana tsara izy rehetra, dia hanatsoaka hevitra ianao fa olona mahalala mazava tsara izay tiany haleha no tompon’izany dian-tongotra izany.
17. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa nihazakazaka ‘nefa tsy hoe tamin’ny fomba tsy azo antoka’ akory izy? b) Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Paoly amin’io lafiny io?
17 Ny fiainan’i Paoly dia mampiseho mazava fa nihazakazaka izy ‘nefa tsy hoe tamin’ny fomba tsy azo antoka’. Nanana porofo tondraka izy fa mpitory kristiana sady apostoly ny tenany. Tsy nanana afa-tsy tanjona iray ihany izy, ary nikely aina fatratra nandritra ny fiainany manontolo mba hanatratrarana izany. Tsy voasinton’ny laza, fahefana, harena na fiainana miadana, na oviana na oviana izy, na dia nety ho afaka nahazo ireo aza. (Asan’ny Apostoly 20:24; 1 Korintiana 9:2; 2 Korintiana 3:2, 3, NW; Filipiana 3:8, 13, 14). Rehefa mitodika ny lasa ianao, karazana soritra manao ahoana no hitanao fa narahinao? Tsipika mahitsy misy alehany mazava ve, sa tsipika iray mandehandeha etsy sy eroa tsy misy antony? Misy porofo ve fa miezaka mafy ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ianao? Tadidio fa ao amin’io hazakazaka io isika, tsy hoe mba hananan-javatra hatao fotsiny, raha azo atao ny milaza izany, fa mba hahatratrarana ny tsipika fahatongavana.
18. a) Inona no mety hataontsika ka ho azo ampitahaina amin’ny ‘famelezantsika ny rivotra’? b) Nahoana no mampidi-doza ny fanarahana izany lalana izany?
18 Nanao fampitahana tamin’ny fisehoan-javatra atletika hafa iray i Paoly ka nanampy teny hoe: “Mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”. (1 Korintiana 9:26b). Eo amin’ilay fifanalana hazakazaka ataontsika ho amin’ny fiainana, dia manana fahavalo maro isika, anisan’izany i Satana, izao tontolo izao ary ny tsy fahatanterahan’ny tenantsika manokana. Toy ny mpanao ady totohondry fahiny, dia tsy maintsy afaka ny handresy azy ireo amin’ny alalan’ny famelezana voakendry tsara isika. Soa ihany i Jehovah Andriamanitra fa mampiofana antsika sy manampy antsika ho amin’io ady io. Manome antsika toromarika izy ao amin’ny Teniny, ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly ary any amin’ireo fivoriana kristiana. Kanefa, raha mamaky ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra ary mankany amin’ny fivoriana isika, nefa tsy mampihatra izay ianarantsika, moa ve tsy very maina foana ny ezaka ataontsika, ka toy ny “mamely ny rivotra” fotsiny isika? Raha manao izany isika, dia ao amin’ny tarehin-javatra mampidi-doza aoka izany. Mihevitra isika fa manao ilay ady ka mahazo fahatsapana tsy fananana ahiahy sandoka, kanefa tsy maharesy ireo fahavalontsika isika. Izany no antony ananaran’i Jakoba mpianatra toy izao: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo [amin’ny fanjohian-kevitra diso, NW ].” Tsy misy hafa amin’ny ‘famelezana ny rivotra’ izay tsy hahatonga ireo fahavalontsika tsy ho afa-mihetsika, dia toy izany koa, ny hoe “mpihaino fotsiny” dia tsy manome antoka fa manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. — Jakoba 1:22; 1 Samoela 15:22; Matio 7:24, 25.
19. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa tsy holavina isika?
19 Ary farany, dia nilaza tamintsika toy izao ny tsiambaratelony ho amin’ny fahombiazana i Paoly: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (1 Korintiana 9:27). Toa an’i Paoly, isika dia tsy maintsy mahafehy ny nofontsika tsy tanteraka fa tsy hamela azy hahafehy antsika kosa. Mila ny mamongotra ireo fironana sy faniriana ary filana araka ny nofo isika. (Romana 8:5-8; Jakoba 1:14, 15). Mety hanaintaina ny fanaovana izany, satria ilay teny nadika hoe ‘manisy mafy ho mangana’ dia midika ara-bakiteny hoe ‘mamely ny eo ambanin’ny maso’ (Kingdom Interlinear). Tsy tsara kokoa ve anefa ny hoe voa eo amin’ny maso, raha azo atao ny milaza izany, ka velona, toy izay tsy mahatohitra ireo fanirian’ny nofo lavo, ka maty? — Ampitahao amin’ny Matio 5:28, 29; 18:9; 1 Jaona 2:15-17.
20. Nahoana no tena ilaina maika indrindra ankehitriny ny handinihana ny fomba hihazakazahantsika ao amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?
20 Amin’izao andro izao, dia mihamanatona ny tsipika fahatongavana amin’ilay hazakazaka isika. Efa antomotra ny fotoana hizarana ireo loka. Ho an’ireo Kristiana voahosotra, izany dia “ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:14). Ho an’ireo anisan’ny olona betsaka, izany dia fiainana mandrakizay eto an-tany paradisa. Koa satria zava-dehibe toy izany no tafiditra, dia aoka isika ho tapa-kevitra, toa an’i Paoly, mba ‘tsy holavina’ ny tenantsika. Enga anie ny tsirairay avy amintsika ka handray am-po ilay fananarana manao hoe: “Mihazakazaha amin’ny fomba izay mety hahazoanareo izany.” — 1 Korintiana 9:24, 27, NW.
Tsaroanao Ve?
◻ Nahoana no tena mifanentana tsara ny fampitahana ny fiainan’ny Kristiana iray amin’ny hazakazaka?
◻ Amin’ny ahoana ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana no hafa noho ny fifaninanana hazakazaka ara-bakiteny?
◻ Nahoana isika no tsy maintsy maneho fifehezan-tena mandrakariva ary “amin’ny zavatra rehetra”?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ihazakazahan’ny tena “nefa tsy hoe amin’ny fomba tsy azo antoka”?
◻ Nahoana no mampidi-doza ny “mamely ny rivotra” fotsiny?
[Sary, pejy 16]
Ny amboaran’ny tompon-daka iray, ary koa ny voninahitra sy ny laza miaraka aminy, dia amboara mihamalazo