-
LohaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lohan’ny fiangonana kristianina. I Jesosy Kristy no Lohan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ary io fiangonana io no ‘vatan’i Kristy’, izay misy Kristianina 144 000. (Ef 1:22, 23; Kl 1:18; Ap 14:1) Tsy mety maty i Jesosy, ka izy no rantsana mampifandray foana an’ireo Kristianina nateraky ny fanahy mbola eto an-tany, sady manome an’izay ilain’izy ireo mba hitombo tsara amin’ny ara-panahy izy ireo ary hiara-miasa ho voninahitr’Andriamanitra. (1Ko 12:27; Ef 4:15, 16; Kl 2:18, 19) I Jesosy no lohan’ny fanjakana sy ny fahefana rehetra, izay eo ambany fahefan’Andriamanitra, ary Andriamanitra kosa no Lohan’ny zava-drehetra. (Kl 2:10; 1Ko 11:3) Milaza ny Baiboly fa toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana ny lehilahy izay lohan’ny vadiny. Hita amin’izany ny fomba tokony hifampitondran’ny mpivady: Ny lehilahy no tokony hanome tari-dalina ny vadiny sy ho tia ary hikarakara azy, ary ny vehivavy kosa tokony hanaiky ny vadiny.—Ef 5:22-33.
-
-
FahefanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
FAHEFANA
1. Hita ao amin’ny 1 Korintianina 11:3 ny toro lalana momba ny fahefana. Izao no voalaza ao: “I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.”
Ny lehilahy. Mihatra amin’ny lehilahy ny tapany voalohany amin’io torohevitra io. Tsy afaka manao izay tiany fotsiny àry izy, fa tsy maintsy manaiky hoe “i Kristy no lohan’ny lehilahy.” Tsy maintsy manaraka ny tari-dalana sy ny modely nomen’i Kristy izy (1Jn 2:6), na rehefa manompo an’Andriamanitra (Mt 28:19, 20) na rehefa manao zavatra hafa. Ho fanajany an’i Kristy, dia tokony hiara-mitoetra amin’ny vadiny araka ny fahalalana izy, ka “hanome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa.” Tokony hiezaka mafy koa izy mba hitaiza tsara ny zanany. (1Pe 3:7; Ef 6:4) Tokony hanaja fahefana koa ny lehilahy satria natao ho an’izay rehetra anisan’ny fiangonan’i Kristy ilay torohevitra momba ny fahefana.—Ef 5:23.
Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy satria izy no noforonina talohan’ny vehivavy. (1Ti 2:12, 13) Taolana avy amin’ny taolan’ny lehilahy sy nofo avy amin’ny nofony ny vehivavy, satria taolan-tehezana avy tamin’ny lehilahy no nanaovana ny vehivavy. (Ge 2:22, 23) Tsy noforonina ho an’ny vehivavy ny lehilahy, fa ny vehivavy no noforonina ho an’ny lehilahy. (1Ko 11:9) Asain’Andriamanitra manaiky ny vadiny foana àry ny vehivavy, ary tsy tokony handrombaka ny fahefan’ny vadiny izy. (Ef 5:22, 23; 1Pe 3:1) Tsy tokony hampianatra lehilahy nanokan-tena ho an’Andriamanitra ny vehivavy, eo anivon’ny fiangonana, ary tsy manana fahefana eo amin’izy ireny.—1Ti 2:12.
Neken’ny Hebreo fahiny fa ny lehilahy no lohany teo anivon’ny fianakaviana sy teo anivon’ny foko. Nahazo sitraka i Saraha satria nanaiky an’i Abrahama ho lohany, ka niantso azy hoe “tompo.” (Ge 18:12; 1Pe 3:5, 6) Nasongadina kokoa ny lehilahy teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna. Ny lehilahy ihany, ohatra, no nasaina namonjy an’ireo fety telo nandidian’i Jehovah, tany amin’ny toerana izay nofidiny, na dia afaka nanatrika ihany aza ny vehivavy. (De 16:16) “Naloto” nandritra ny fotoana kelikely ny vehivavy raha nitera-dahy, fa avo roa heny kosa izany raha nitera-bavy izy.—Le 12:2, 5.
Ny vehivavy. Nanarona ny lohany ny vehivavy fahiny indraindray mba hampisehoana hoe nanaiky fahefana izy. (Ge 24:65) Nanazava momba ny fahefana eo anivon’ny fiangonana kristianina ny apostoly Paoly, ka nilaza fa tokony hisaron-doha ny vehivavy raha mivavaka na maminany eo anivon’ny fiangonana, satria andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’ny lehilahy izany. Mety hanao an’ireo andraikitra ireo ihany anefa ny vehivavy mandra-pisian’ny rahalahy vita fanokanan-tena eo anivon’ny fiangonana. Tsy tokony hihevitra ny vehivavy lava volo hoe ny volony lava dia efa ampy ampisehoana fa manaiky sy manaja ny fahefan’ny lehilahy izy. Mila manao zavatra kosa izy, ka hisaron-doha ho “mariky ny fanajana fahefana.” Tokony hanao izany izy ireo “noho ny amin’ny anjely.” Mandinika an’izay ataon’ny Kristianina mantsy ny anjely, ary mitady izay hahasoa ny fiangonana, satria fanahy manao fanompoana ho an’ny fiangonana izy ireny. Rehefa takin’ny Soratra Masina ny hanaovan’ny vehivavy saron-doha ka mankatò izany tokoa izy, dia asehony amin’izany fa manaiky izy hoe ny lehilahy no nataon’Andriamanitra ho lohan’ny vehivavy.—1Ko 11:5-16; He 1:14.
Izany no lamina napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana sy ny fianakaviana. Tsy manelingelina ny fanompoan’ny vehivavy an’Andriamanitra anefa izany, ary tsy misakana azy tsy hamita tsara ny andraikiny sy ny asany ao an-tokantrano. Marina fa tsy nomena fahefana ho lohany izy, nefa tena afaka manompo malalaka raha mbola mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny ataony. Mbola mampifaly an’Andriamanitra foana koa izy, satria voalaza fa “napetrak’Andriamanitra ao amin’ny vatana ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.” (1Ko 12:18) Maro tamin’ireo vehivavy fahiny, izay nanaja ny fahefan’ny lehilahy, no nahazo tombontsoa sady sambatra sy afa-po teo amin’ny fiainany, anisan’ireny i Saraha, Rebeka, Abigaila, ary ny Kristianina toa an’i Prisila sy Foiby.
Andraikitra. Manan-jo hanao zavatra sasany ny olona nomena fahefana, nefa manana adidy sy andraikitra koa izy. Manana zo sy fahefana hanapa-kevitra momba ny fiangonana, ohatra, i Kristy satria izy no “lohan’ny fiangonana.” (Ef 5:23) Adidiny koa anefa ny mikarakara azy io, ary tompon’andraikitra amin’izay fanapahan-kevitra noraisiny izy. Toy izany koa ny loham-pianakaviana: Manana zo sasany izy, ohatra hoe izy no tompon’ny teny farany rehefa misy fanapahan-kevitra raisina eo anivon’ny ankohonany. Zony koa ny manara-maso izay ataon’ny ankohonany. Tompon’andraikitra amin’ny ankohonany koa anefa izy, ary izy no tena tokony hamelona sy hanampy ny ankohonany mba hanana finoana matanjaka.—1Ti 5:8.
Tokony hampihatra ny fahefany amim-pahendrena ny loham-pianakaviana kristianina, ka ho tia ny vadiny tahaka ny tenany. (Ef 5:33) Toy izany mantsy no ataon’i Jesosy Kristy lohan’ny fiangonana rehefa mampihatra ny fahefany eo amin’izy io. (Ef 5:28, 29) Manana fahefana eo amin’ny zanany ny ray, nefa tsy tokony hampahatezitra azy ireo izy, fa tokony hitaiza azy ireo “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” kosa. (Ef 6:4) Mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra ny “anti-panahy”, ka tsy tokony hanjakazaka fa tokony hitadidy foana hoe mila manaiky an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra izy ireo. (1Pe 5:1-4) Andriamanitra no lohan’i Kristy, ary manaiky izany foana i Jesosy Kristy ka asehony amin’ny teniny sy amin’ny ataony izany. Na dia rehefa avy mitondra ny tany mandritra ny arivo taona aza izy, dia mbola hekeny foana hoe i Jehovah no tompon’ny fahefana eo amin’izao rehetra izao. Hatolony ho an’i Jehovah mantsy ilay Fanjakana avy eo, ka na izy aza dia “hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.” (1Ko 15:24-28; Jn 5:19, 30; 8:28; 14:28; Fi 2:5-8) Manaiky koa ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy fa i Jehovah no manana ny fahefana fara tampony, ka avantan’izy ireo any aminy ny vavaka, ary ekeny hoe i Jehovah no Ray sady Andriamanitra Mahery Indrindra.—Mt 6:9; Ap 1:8; 11:16, 17; jereo FIANAKAVIANA; LEHILAHY MANAMBADY.
-