Ny Antony Mahatonga ny Sakafo Harivan’ny Tompo Hisy Heviny ho Anao
NANORINA ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ilay alina farany teo amin’ny fiainany tamin’ny naha-olombelona azy i Jesosy Kristy. Ny takarivan’ny alakamisy 31 Martsa izany, ary maty ny tolakandron’ny zoma 1 Aprily i Jesosy. Koa satria ny andro iray amin’ny fanisanandro jiosy dia nanomboka ny takarivan’ny andro iray hatramin’ny takarivan’ilay andro nanaraka, ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy ny nahafatesan’i Jesosy dia samy nitranga tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i.
Nahoana i Jesosy no nanorina io sakafo io? Inona no dikan’ny mofo sy ny divay nampiasainy? Iza no tokony handray anjara? Impiry no tokony hitandremana io sakafo io? Ary amin’ny ahoana izy io no mety hisy heviny ho anao?
Nahoana no naorina?
Mikasika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia nilaza tamin’ny apostoliny toy izao i Jesosy: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”. Araka ny fandikana hafa iray, dia hoy izy: “Manaova izao ho fahatsiarovana ahy”. (1 Korintiana 11:24; Baiboly Katolika). Raha ny marina, ny Sakafo Harivan’ny Tompo mazàna dia lazaina ho ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.
Maty tamin’ny naha-mpanohana tsy nivadika hatrany ny fiandrianan’i Jehovah i Jesosy, ary noho izany, dia nanaporofo fa mpihantsy ady mpandainga i Satana rehefa nanizingizina hoe manompo an’Andriamanitra ny olona mahitsy noho ny antony manosika feno fitiavan-tena fotsiny. (Joba 2:1-5). Nampifaly ny fon’Andriamanitra ny fahafatesany. — Ohabolana 27:11.
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany tamin’ny naha-olombelona tanteraka, dia ‘nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro’ koa i Jesosy. (Matio 20:28). Noho izy nanota tamin’Andriamanitra, dia nafoin’ilay lehilahy voalohany ny fiainan’olombelona tanteraka sy izay antenaina avy amin’izany. Kanefa dia “tia izao tontolo izao[n’olombelona] aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16, NW ). Eny, “fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. — Romana 6:23.
‘Noraisina avy tamin’ny Tompo’
Manome fanazavana momba ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo. Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” — 1 Korintiana 11:23-26.
Koa satria tsy niaraka tamin’i Jesosy sy ireo apostoly 11 i Paoly tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., dia asehon’ny porofo fa io filazana io dia ‘noraisina avy tamin’ny Tompo’ tamin’ny alalan’ny fanambarana ara-tsindrimandry. Nanorina ny Fahatsiarovana i Jesosy “tamin’iny alina iny izay” namadihan’i Jodasy azy tamin’ireo fahavalo ara-pivavahana jiosy izay nanosika ny Romana mba hanombo an’i Kristy. Hanao toy izany koa ho fahatsiarovana azy, ireo izay manana zo handray anjara amin’ny mofo sy ny divay izay marika.
Impiry no itandremana izany?
Inona no tiana holazaina amin’ny tenin’i Paoly hoe: “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny”? Handray anjara matetika amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana ireo Kristiana voahosotra mahatoky mandra-pahafatiny, mba hananganana azy ho amin’ny fiainana any an-danitra atỳ aoriana. Eo anatrehan’Andriamanitra sy izao tontolo izao, dia hambarany amin’izany ny finoany ny fandaharana nataon’i Jehovah momba ny soron’i Jesosy. Hatramin’ny oviana? “Mandra-pihaviny”, hoy i Paoly, izany hoe miharihary fa hitohy ireo fankalazana ireo mandra-piavin’i Jesosy mba handray ireo voahosotra mpanara-dia azy ho any an-danitra amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty mandritra ny “fanatrehany”. (1 Tesaloniana 4:14-17, NW ). Izany dia mifanaraka amin’ny teny nataon’i Kristy tamin’ireo apostoly 11 tsy nivadika hoe: “Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa”. — Jaona 14:3.
Moa ve ny fahafatesan’i Kristy tokony hanaovana fahatsiarovana isan’andro sa isan-kerinandro angamba? I Jesosy dia nanorina ny Sakafo Harivan’ny Tompo ary novonoina tamin’ny Paska, izay nampahatsiaro ny fanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta. Raha ny marina, dia antsoina hoe “Kristy, Paska ho antsika” izy, satria izy no ilay Zanak’ondry natao sorona ho an’ny Kristiana. (1 Korintiana 5:7). Nankalazaina indray mandeha monja isan-taona ny Paska: ny 14 Nisana. (Eksodosy 12:6, 14; Levitikosy 23:5). Izany dia toa milaza fa ny fahafatesan’i Jesosy dia tokony hankalazaina toy ny nanaovana ny Paska — isan-taona fa tsy isan’andro na isan-kerinandro.
Nandritra ny taonjato maromaro, dia nisy olona maro nilaza tena fa Kristiana nankalaza ny fahafatesan’i Jesosy indray mandeha isan-taona. Noho izy ireo nanao izany ny 14 Nisana, dia nantsoina hoe Quartodécimans, izay midika hoe “mpitandrina ny fahefatra ambin’ny folo”, izy ireo. Mikasika azy ireo, dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe J. L. von Mosheim: “Ireo Kristiana tany Azia Minora dia zatra ny nankalaza io fanasana masina io, fahatsiarovana ny nanorenana ny sakafo harivan’ny Tompo sy ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, tamin’ny fotoana nitovy tamin’ilay nihinanan’ny Jiosy ny zanak’ondrin’ny Paska fanaon’izy ireo, izany hoe ny takarivan’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany [Nisana]. (...) Nihevitra izy ireo fa tsy maintsy nanaraka ny ohatra navelan’i Kristy toy ny nanarahana lalàna iray”.
Dikan’ireo marika
Nilaza i Paoly fa i Jesosy “dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny [izany]”. Io mofo nikarepoka natao tanaty lafaoro io, izay vita tamin’ny koba sy rano tsy nisy masirasira (na lalivay) dia tsy maintsy novakina mba hohanina. Ao amin’ireo ohatra fampisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly, ny masirasira dia milaza ota na fahasimbana. Rehefa nampirisika ireo Kristiana tany Korinto mba handroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona lehilahy iray naloto fitondran-tena i Paoly, dia nilaza hoe: “Tsy fantatrareo va fa ny masirasira kely dia mahazo ny vongana rehetra? Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika: ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.” (1 Korintiana 5:6-8). Toy ny sombin-koba iray efa misy masirasira mahatonga ny vongana na ny koba iray manontolo anaovana mofo hasirasira, ny fitaomana manimba nataon’ny mpanota iray dia nahatonga ny kongregasiona haloto teo imason’Andriamanitra, raha tsy nesorina. Nilaina ny hanesoran’izy ireo ilay “masirasira” tsy ho eo anivony, toy ny tsy nahafahan’ireo Isiraelita nanana masirasira tao an-tranony nandritra ny Andro Firavoravoana Amin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay nanaraka ny Paska.
Mikasika ilay mofo tsy nisy masirasira tamin’ny Fahatsiarovana, dia hoy i Jesosy: “Ity no tenako ho anareo”. (1 Korintiana 11:24). Nampiseho ny tenan’i Jesosy lavorary ilay mofo. Nanoratra toy izao ny amin’izany i Paoly: “Nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy [Jesosy], dia nanao hoe: ‘Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy; ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; dia hoy Izaho: Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô’. (...) Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha”. (Hebreo 10:5-10). Tsy nisy ota ny vatan’olombelona tanteraka nananan’i Jesosy ary natao ho sorom-panavotana ho an’ny taranak’olombelona. — Hebreo 7:26.
Rehefa avy nivavaka momba ilay kapoaka nisy divay mena tsy niharo zavatra hafa, i Jesosy dia nilaza hoe: “Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako”. (1 Korintiana 11:25). Toy izao ny fandikan-teny hafa iray: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao nohamafisina tamin’ny rako”. (Moffatt). Toy ny ran’ireo omby sy osy izay nampanan-kery ny faneken’ny Lalàna teo amin’Andriamanitra sy ny firenen’Isiraely, dia nampanan-kery ilay fanekena vaovao koa ny ran’i Jesosy latsaka tamin’ny fahafatesany. Ny fanisiana fitenenana ny amin’io fanekena vaovao io dia manampy antsika hamantatra ireo mpandray anjara ara-dalàna amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana.
Iza no tokony handray anjara?
Ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy izay ao anatin’ny fanekena vaovao no mandray anjara ara-dalàna amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana. Nifanaovan’Andriamanitra sy ny Isiraely ara-panahy io fanekena io. (Jeremia 31:31-34; Galatiana 6:16). Amin’ny farany anefa, dia hitondra fitahiana ho an’ny taranak’olombelona rehetra mankato ilay fanekena vaovao, ary afaka ny ho anisan’ireo izay hahazo izany ianao.
Ireo mpandray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy maintsy ho ao anatin’ilay fanekena manokana momba ny Fanjakana izay nataon’i Jesosy. Rehefa nanorina io sakafo io i Jesosy dia niteny tamin’ireo apostoliny nahatoky hoe: “Manao fanekena aminareo aho, tsy misy hafa amin’ny nanaovan’ny Raiko fanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana iray”. (Lioka 22:29, NW ). Nanondro mialoha ny fahatongavan’i Jesosy, ilay hanapaka mandrakizay any amin’ny Fanjakana any an-danitra, ny fanekena momba ny Fanjakana nataon’Andriamanitra tamin’i Davida Mpanjaka. Ireo Isiraelita ara-panahy 144 000, izay hizara fanapahana aminy, dia voambara fa mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra miaraka amin’ny Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy. Amin’ny fitsanganany amin’ny maty, dia hanapaka miaraka amin’i Kristy izy ireo, amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona miara-miasa aminy. (2 Samoela 7:11-16; Apokalypsy 7:4; 14:1-4; 20:6). Ireo ao anatin’ilay fanekena vaovao sy ilay fanekena manokana miaraka amin’i Jesosy ihany no mandray anjara ara-dalàna amin’ireo marika amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo.
Ny fanahin’Andriamanitra dia manao fanambarana amin’ny fanahin’ireo voahosotra fa zanak’Andriamanitra izy ireo sady mpiray lova amin’i Kristy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:16, 17). Ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny heriny miasa, dia mamorona ao anatin’ireo voahosotra, ilay fahazoana antoka fa izy ireo dia voatokana ho amin’ny fiainana any an-danitra. Heverin’izy ireo fa miantefa aminy izay rehetra lazain’ny Soratra Masina momba ny fiainana any an-danitra. Ary vonona izy ireo ny hanao sorona izay zavatra rehetra etỳ an-tany, tafiditra amin’izany ny fiainana amin’ny maha-olombelona. Na dia hahatalanjona aza ny fiainana eo amin’ny Paradisa an-tany, dia tsy manana izany fanantenana izany izy ireo. (Lioka 23:43, NW ). Ny fanantenana tsy azo ovana sy azo antoka ny ho any an-danitra, izay tsy miorina amin’ny fiheveran-diso ara-pivavahana, dia mahatonga azy ireo hanana zo handray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana.
Tsy hahafaly an’i Jehovah raha misy olona milaza tena ho voantso ho tonga mpanjaka sy mpisorona any an-danitra kanefa tsy nahazo izany fiantsoana izany akory. (Romana 9:16; Apokalypsy 22:5). Nandringana an’i Kora Andriamanitra noho izy io nitady tamim-pieboeboana ny fisoronana. (Eksodosy 28:1; Nomery 16:4-11, 31-35). Koa ahoana àry, raha nisy fihetseham-po nahery na hevitra ara-pivavahana taloha, nahatonga olona iray handray anjara tamin’ny fomba diso tamin’ireo marika amin’ny fahatsiarovana? Raha izany, dia tokony hitsahatra tsy handray anjara izy ary hivavaka amim-panetren-tena mba hahazo ny famelan’Andriamanitra. — Salamo 19:13.
Ahoana no maha-voakasika anao?
Tsy takina amin’ny olona iray ny handraisany anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana mba handraisan-tsoa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, sy mba hahazoana fiainana mandrakizay eto an-tany. Ny Baiboly, ohatra, dia tsy manome filazana hoe handray anjara amin’ireny marika ireny ireo olona natahotra an’Andriamanitra toa an’i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Rebeka, i Boaza, i Rota, ary i Davida. Kanefa izy ireo sy ny hafa rehetra izay maniry fiainana tsy hanam-pahataperana eto amin’ity bolantany ity, dia tsy maintsy maneho finoana an’Andriamanitra sy i Kristy ary finoana an’ireo fandaharana nataon’i Jehovah momba ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 3:36; 14:1). Ny fankalazana isan-taona ny nahafatesan’i Kristy dia natao ho fampahatsiarovana io sorona lehibe io.
Naseho ny maha-zava-dehibe an’io sorona nataon’i Jesosy io rehefa niteny toy izao ny apostoly Jaona: “Izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” (1 Jaona 2:1, 2). Afaka milaza ireo Kristiana voahosotra fa i Jesosy dia “avotra noho ny fahotan[’izy ireo]”. Kanefa, dia sorona ho an’ny fahotan’izao tontolo izao koa izy, ka nahatonga ny fiainana mandrakizay hety hisy ho an’ny taranak’olombelona mankato eo amin’ny tany Paradisa izay efa antomotra dia antomotra aoka izany izao!
Amin’ny fanatrehanao ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, dia handray soa avy amin’ny lahateny ara-baiboly iray mampieritreritra ianao. Hampahatsiarovina anao ireo zavatra maro be nataon’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ho antsika. Handraisana valisoa ara-panahy ny fiaraha-mivory amin’ireo izay mihevitra lalina an’Andriamanitra sy Kristy ary ny sorom-panavotana nataon’i Jesosy. Io fisehoan-javatra io dia mety hanatanjaka mihitsy ny fanirianao ho tonga mpandray ny hatsaram-panahin’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory, ka izany dia hitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Manasa anao amim-pahatsorana tanteraka izahay mba hivory hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny 6 Aprily 1993 aorian’ny filentehan’ny masoandro, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, satria mety hisy heviny lehibe ho anao ny Sakafo Harivan’ny Tompo.