Tsy ho Levona Mandrakizay ny Lalan’ny Fitiavana
“Maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay làlana tsara indrindra no atoroko anareo”. — 1 KORINTIANA 12:31.
1-3. a) Amin’ny ahoana no be itoviana amin’ny fianarana fiteny vaovao ny fianarana maneho fitiavana? b) Anton-javatra inona avy no manasarotra ny fianarana maneho fitiavana?
EFA mba niezaka nianatra fiteny vahiny ve ianao? Zava-tsarotra ilay izy, raha tsy hilaza afa-tsy izay isika! Mazava ho azy fa afaka mianatra fiteny iray ny ankizy madinika, amin’ny fandrenesana fotsiny azy io. Ny atidohany dia tena mandray tsara ny feo fanononana ny teny mbamin’ny heviny, hany ka tsy ela ilay ankizy kely dia mahay miteny aoka izany, angamba miteny tsy misy fitsaharana. Tsy toy izany kosa anefa ny olon-dehibe. Imbetsaka isika no manao fikarohana ao amin’ny diksionera vahiny iray, mba hahaizana fotsiny ny fitambaran-teny fototra vitsivitsy amin’ny fiteny vahiny iray. Rehefa mandeha anefa ny fotoana ka mihazatra kokoa amin’ilay fiteny isika, dia manomboka mieritreritra amin’ilay fiteny vaovao ary manjary mora kokoa ny miteny azy io.
2 Be itoviana amin’ny fianarana fiteny vaovao ny fianarana maneho fitiavana. Marina aloha fa misy ampahany efa raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona io toetran’Andriamanitra io. (Genesisy 1:27; ampitahao amin’ny 1 Jaona 4:8.) Na izany aza anefa, dia mitaky ezaka mihoatra noho ny mahazatra ny fianarana maneho fitiavana, indrindra amin’izao andro tsy ahitana firy ny firaiketam-po voajanahary izao. (2 Timoty 3:1-5). Indraindray, dia eo anivon’ny fianakaviana mihitsy no itrangan’izany. Eny, maro no mihalehibe ao anatin’ny toe-piainana mafy, izay tsy mba andrenesana teny feno fitiavana afa-tsy mahalana, raha misy aza. (Efesiana 4:29-31; 6:4). Ahoana àry no ahafahantsika mianatra maneho fitiavana, na dia tsy niaina firy tamin’izany aza isika?
3 Afaka manampy ny Baiboly. Mamaritra ny atao hoe fitiavana i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8. Tsy famaritana mahazatra mahakasika ny atao hoe fitiavana no nomen’i Paoly, fa filazalazana velombelona ny fomba fiasan’io endriny ambony indrindra amin’ny fitiavana io. Hanampy antsika hahatakatra ny mombamomba an’io toetran’Andriamanitra io ny fandinihana ireo andininy ireo, ka hahatonga antsika ho vonona kokoa haneho azy io. Andeha hodinihintsika ny lafiny sasany amin’ny fitiavana, araka nilazalazan’i Paoly azy. Hozaraintsika faobe ho sokajy telo izy ireo: ny fitondran-tenantsika amin’ny ankapobeny; avy eo dia ny tsipiriany kokoa, izany hoe ny fifandraisantsika amin’ny hafa; ary farany dia ny fiaretantsika.
Manampy antsika handresy ny fiheveran-tena ho zavatra ny fitiavana
4. Inona no takatsika mazava tsara mahakasika ny fialonana, noho fanazavana omen’ny Baiboly?
4 Nanoratra toy izao ho an’ireo Korintianina i Paoly, taorian’ireo teny fanokafana nataony momba ny fitiavana: “Ny fitiavana tsy mialona”. (1 Korintiana 13:4). Ny fialonana dia mety hiseho amin’ny tsy fahafaliana miharo fitsiriritana, noho ny fahombiazan’ny hafa na ny zava-bitany. Manimba eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny fialonana toy izany. — Ohabolana 14:30; Romana 13:13; Jakoba 3:14-16.
5. Ahoana no ahafahan’ny fitiavana manampy antsika handresy ny fialonana, rehefa misy fanomezana tombontsoa teôkratika ka toa odian-tsy hita ny tenantsika?
5 Noho izany, dia manontania tena hoe: ‘Manjary feno fitsiriritana ve aho rehefa misy fanomezana tombontsoa teôkratika ka toa odian-tsy hita ny tenako?’ Raha eny ny valiny, dia aza mamoy fo. Mampahatsiahy antsika i Jakoba, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, fa misy ao amin’ny olombelona tsy lavorary rehetra ny “fironana hitsiriritra”. (Jakoba 4:5, NW ). Afaka manampy anao mba hanana fihetsika voalanjalanja indray, ny fitiavana ireo rahalahinao. Io toetra io dia afaka manampy anao mba hiara-paly amin’izay mifaly, fa tsy hihevitra kosa hoe nalam-baraka ny tenanao manokana rehefa mahazo fitahiana na fiderana ny olon-kafa iray. — Ampitahao amin’ny 1 Samoela 18:7-9.
6. Toe-javatra sarotra dia sarotra inona no nisy tao amin’ny kôngregasiônan’i Korinto tamin’ny taonjato voalohany?
6 Nanampy teny i Paoly fa ny fitiavana dia “tsy mirehareha, tsy mieboebo”. (1 Korintiana 13:4). Raha manana talenta na fahaizana isika, dia tsy misy ilana hampideraderana izany. Miharihary fa io no zava-nanahirana ny lehilahy sasany fatra-paniry laza, izay nitsofoka nangingina tao amin’ny kôngregasiônan’i Korinto fahiny. Nety ho nanana fahaizana ambony kokoa izy ireo teo amin’ny fanazavan-kevitra, na nahita fomba nahomby kokoa mba hanaovan-javatra. Nanintona ny saina ho amin’ny tenany izy ireo, ka mety ho izany no anisan’ny nampisy fitokotokoana tao amin’ilay kôngregasiôna. (1 Korintiana 3:3, 4; 2 Korintiana 12:20). Nanjary sarotra dia sarotra ny toe-javatra ka voatery nananatra mafy an’ireo Korintianina i Paoly, tatỳ aoriana, noho izy ireo ‘nandefitra tamin’ny adala’, izay nokianin’i Paoly tamin’ny teny hoe “apostoly ambony indrindra”. — 2 Korintiana 11:5, 19, 20.
7, 8. Asehoy avy ao amin’ny Baiboly ny fomba azontsika ampiasana ny talenta rehetra ananantsika mba hanandratana ny firaisan-tsaina.
7 Mety hisy toe-javatra mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao. Mety hirona hieboebo, ohatra, ny sasany noho ny zava-bitany teo amin’ny fanompoana na noho ny tombontsoa ananany ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Na dia tena manana fahaizana manokana tsy ananan’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna aza isika, moa ve izany manome antsika antony hireharehana? Rehefa dinihina tokoa, dia tokony hampiasaintsika mba hanandratana ny firaisan-tsaina ny talenta rehetra ananantsika, fa tsy hanandratantsika ny tenantsika. — Matio 23:12; 1 Petera 5:6.
8 Nanoratra i Paoly fa na dia manana rantsambatana maro voaforon’ireo mpikambana ao aminy aza ny kôngregasiôna iray, dia ‘Andriamanitra no nanamboatra ny tena’. (1 Korintiana 12:19-26). Ilay teny grika nadika hoe ‘manamboatra’ dia midika hoe mampifangaro tsara, toy ny fampifangaroana loko maro. Tsy misy olona tokony hirehareha noho ny fahaizany àry ao anatin’ny kôngregasiôna, ka hoe hanandrana hanjakazaka eo amin’ny hafa. Tsy tokony hisy mihitsy ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ny fiheveran-tena ho zavatra sy ny fanirian-daza. — Ohabolana 16:19; 1 Korintiana 14:12; 1 Petera 5:2, 3.
9. Ohatra fampitandremana inona avy no omen’ny Baiboly mahakasika ny olona mitady ny tombontsoan’ny tenany manokana?
9 Ny fitiavana “tsy mitady ny azy”. (1 Korintiana 13:5). Ny olona be fitiavana iray dia tsy manao ny hafa ho fitaovana mba hahatongavana amin’izay tadiaviny. Mirakitra ohatra fampitandremana ny Baiboly amin’io lafiny io. Indro misy ohatra: Fantatsika ny amin’ny Delila sy i Jezebela ary i Atalia. Ny hafa no nataon’ireo vehivavy ireo fitaovana mba hahatratrarana ny zava-kendreny feno fitiavan-tena. (Mpitsara 16:16; 1 Mpanjaka 21:25; 2 Tantara 22:10-12). Teo ihany koa i Absaloma, zanak’i Davida Mpanjaka. Nanatona an’ireo olona tonga hotsaraina tao Jerosalema izy, ka nampiasa hafetsena mba hilazana an-kolaka fa tsy tena nanisy fiheverana ny zava-nanahirana azy ireo ny fitsaran’ny mpanjaka. Nilaza nivantana izy avy eo fa lehilahy be fangorahana toa azy no tena nilain’ny fitsarana! (2 Samoela 15:2-4). Mazava ho azy fa tsy ny olona voahosihosy no nahaliana an’i Absaloma, fa ny tenany ihany. Nanao zavatra tamin’ny naha mpanjaka nanendry tena azy izy, ka namadika ny fon’ny maro. Tamin’ny farany anefa, dia tojo faharesena tanteraka i Absaloma. Teo amin’ny nahafatesany, dia tsy noheverina ho mendrika fandevenana mihaja akory izy. — 2 Samoela 18:6-17.
10. Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mihevitra ny tombontsoan’ny hafa isika?
10 Fampitandremana ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao izany. Na lahy isika na vavy, dia mety ho efa toetra maha izy antsika ny fahaiza-mandresy lahatra. Mety ho mora amintsika ny ho tonga amin’izay tadiavintsika rehefa bodointsika ny resaka na rehefa be tohika isika ka mampangina tsy satry ireo tsy mitovy hevitra amintsika. Raha tena be fitiavana anefa isika, dia hanisy fiheverana ny tombontsoan’ny hafa. (Filipiana 2:2-4). Tsy hanararaotra ny hafa isika na handroso hevitra mampisalasala, satria hoe efa za-draharaha na efa nandia fiainana, na mitana toerana ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, ka toy ny hoe ny hevitsika ihany no misy lanjany. Hotadidintsika kosa izao ohabolana ao amin’ny Baiboly izao: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” — Ohabolana 16:18.
Mampisy fifandraisana milamina ny fitiavana
11. a) Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampiseho fitiavana izay sady mora fanahy no mendrika? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana isika?
11 Nanoratra ihany koa i Paoly fa “mora fanahy” ny fitiavana ary “tsy manao izay tsy mahamendrika”. (1 Korintiana 13:4, 5). Eny, ny fitiavana dia tsy hamela antsika hanao zavatra mitory tsy fahalalam-pomba, na fahambanian-toetra, na tsy fanajana. Hanisy fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa kosa isika. Halavirin’ny olona be fitiavana iray, ohatra, ny fanaovan-javatra izay hanakorontana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 8:13.) “Tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana [ny fitiavana], fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa”. (1 Korintiana 13:6). Tsy hanakimpy ny masontsika amin’ny fahalotoam-pitondran-tena isika na hiala voly amin-javatra halan’Andriamanitra, raha tia ny lalàn’i Jehovah. (Salamo 119:97). Ny fitiavana dia hanampy antsika hahita fifaliana amin-javatra mampandroso, fa tsy amin-javatra manimba. — Romana 15:2; 1 Korintiana 10:23, 24; 14:26.
12, 13. a) Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa misy olona manafintohina antsika? b) Manomeza ohatra ara-baiboly mba hampisehoana fa na dia ny fahatezerana marim-pototra aza, dia mety hahatonga antsika hanao zavatra tsy amim-pahendrena.
12 Nanoratra i Paoly fa ny fitiavana dia “tsy mora sosotra” (“tsy mora tafintohina”, Phillips). (1 Korintiana 13:5). Marina aloha fa ara-dalàna tsotra izao raha mikorontan-tsaina na tezitra isika olombelona tsy lavorary, rehefa misy olona manafintohina antsika. Ho ratsy anefa ny hananana lonilony maharitra na hitahirizana fahatezerana. (Salamo 4:4; Efesiana 4:26). Na dia ny fahatezerana marim-pototra aza, dia mety hahatonga antsika hanao zavatra tsy amim-pahendrena raha tsy fehezina, ary horaisin’i Jehovah ho tompon’andraikitra amin’izany isika. — Genesisy 34:1-31; 49:5-7; Nomery 12:3; 20:10-12; Salamo 106:32, 33.
13 Ny sasany dia namela ny tsy fahalavorarian’ny hafa hisy fiantraikany teo amin’ny fanapahan-keviny hanatrika ireo fivoriana kristianina na handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Taloha, dia maro tamin’izy ireny no niady mafy ho an’ny finoana, ka angamba niaritra ny fanoheran’ny fianakaviana, ny fanarabian’ny mpiara-miasa, sy ny toy izany. Niaritra ireny vato misakana ireny izy ireo, satria noheveriny ho fitsapana ny tsy fivadihany izy ireny, ary izany tokoa no izy. Ahoana anefa rehefa miteny na manao zavatra tsy misy fitiavana ny namana kristianina iray? Tsy fitsapana ny tsy fivadihana koa ve izany? Izany tokoa, satria mety ‘hanome fitoerana ho an’ny Devoly’ isika raha mitana fahatezerana. — Efesiana 4:27.
14, 15. a) Inona no dikan’ny hoe “tsy manao otripo”? b) Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Jehovah eo amin’ny fetezana hamela heloka?
14 Noho ny antony marim-pototra no nahatonga an’i Paoly hanampy teny hoe “tsy manao otripo” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:5). Teny fampiasa amin’ny fihazonana kaonty no ampiasainy eto. Miharihary fa ny tiany holazaina dia ny fanoratana ao amin’ny bokim-bola iray ilay zavatra nanafintohina, mba tsy hanadinoana azy. Maneho fitiavana ve ny hihazonana maharitra ao an-tsaina ny teny sy ny fihetsika nandratra ny fontsika, toy ny hoe hilaintsika horesahina indray izany amin’ny hoavy? Afaka mifaly tokoa isika fa tsy mitsingoloka antsika amin’ny fomba tsy misy indrafo toy izany i Jehovah! (Salamo 130:3). Eny, rehefa mibebaka isika, dia mamafa ny fahadisoantsika izy. — Asan’ny Apostoly 3:19.
15 Afaka manahaka an’i Jehovah isika amin’io lafiny io. Tsy tokony ho mora tohina loatra isika rehefa toa nanao tsinontsinona antsika ny olona iray. Raha mora tafintohina isika, dia mety ho lalina kokoa ny ratram-po ataontsika amin’ny tenantsika, miohatra amin’izay nataon’ilay nanafintohina antsika. (Mpitoriteny 7:9, 22). Mila mitadidy kosa isika fa “mino ny zavatra rehetra” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:7). Mazava ho azy fa tsy misy maniry ho mora fitahina isika, nefa koa tsy tokony hiahiahy tafahoatra ny amin’ny antony manosika ireo rahalahintsika. Raha mbola azo atao koa, dia aoka hihevitra ny hafa ho manana fo madio isika. — Kolosiana 3:13.
Manampy antsika hiaritra ny fitiavana
16. Amin’ny tarehin-javatra manao ahoana avy no afaka manampy antsika hahari-po ny fitiavana?
16 Milaza amintsika i Paoly avy eo fa “mahari-po” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:4). Izy io dia manampy antsika hizaka toe-piainana misedra, angamba mandritra ny fe-potoana lava be. Kristianina maro, ohatra, no niaina an-taonany maro tao anatin’ny ankohonana voazarazara. Mpitovo ny hafa, tsy noho ny safidiny akory, fa noho izy tsy afaka nahita vady sahaza azy “ao amin’ny Tompo”. (1 Korintiana 7:39; 2 Korintiana 6:14). Eo koa ireo izay miady amin’ny tsy fahasalamana mampahosa. (Galatiana 4:13, 14; Filipiana 2:25-30). Raha ny marina, ao anatin’ity fandehan-javatra tsy tonga lafatra ity, dia tsy misy olona manana toe-piainana tsy mitaky karazana fiaretana. — Matio 10:22; Jakoba 1:12.
17. Inona no hanampy antsika hiaritra ny zavatra rehetra?
17 Manome toky antsika i Paoly fa ny fitiavana dia “mandefitra ny zavatra rehetra, (...) manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra”. (1 Korintiana 13:7). Ny fitiavana an’i Jehovah dia hanampy antsika hiaritra izay toe-javatra rehetra misy, noho ny fahamarinana. (Matio 16:24; 1 Korintiana 10:13). Tsy te ho maritiora akory isika. Mifanohitra amin’izany fa ny hananantsika fiainana milamina sy tsy misy korontana no tanjontsika. (Romana 12:18; 1 Tesaloniana 4:11, 12). Na izany aza, rehefa misy fitsapam-pinoana, dia miaritra amim-pifaliana azy ireny isika, satria anisan’ny sandan’ny maha mpianatr’i Kristy antsika izany. (Lioka 14:28-33). Eo am-piaretantsika, dia miezaka isika mijery ny lafy tsaran-javatra hatrany, manantena hahita vokany tsara indrindra ao anatin’ny toe-javatra misedra.
18. Amin’ny ahoana no ilaina ny fiaretana, na dia mandritra ny vanim-potoana mora aza?
18 Tsy ny fahoriana ihany no tarehin-javatra ilana fiaretana. Indraindray, ny hoe miaritra dia midika fotsiny hoe mitozo, manohy ny lalana efa nizorana, na misy toe-javatra misedra na tsia. Anisan’ny fiaretana ny fihazonana fahazarana tsara ara-panahy. Ohatra, moa ve ianao tsy manao kitoatoa rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana, mifanaraka amin’ny tarehin-javatra misy anao? Moa ve ianao mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ary miresaka amin’ilay Rainao any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka? Moa ve ianao manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny kôngregasiôna, ary mandray soa avy amin’ny fifanakalozana fampaherezana miaraka amin’ireo mpiray finoana? Raha izany no izy, dia eo am-piaretana ianao, na mora na sarotra ny fotoana diavinao ankehitriny. Aza manary toky fa “amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Galatiana 6:9.
“Lalana tsara indrindra” ny fitiavana
19. Amin’ny ahoana ny fitiavana no “lalana tsara indrindra”?
19 Nasongadin’i Paoly ny maha zava-dehibe ny hanehoana fitiavana, tamin’ny niantsoany an’io toetran’Andriamanitra io hoe “lalana tsara indrindra”. (1 Korintiana 12:31). Amin’ny heviny ahoana izy io no “tsara indrindra”? Vao avy nitanisa ireo fanomezan’ny fanahy, izay fahita teo amin’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, i Paoly. Nanjary afaka naminany ny sasany, ny hafa nahazo hery nenti-nanasitrana, maro no nomena fahaiza-niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra. Fanomezana mahagaga tokoa izany! Na izany aza anefa, dia nilaza toy izao tamin’ireo Korintianina i Paoly: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.” (1 Korintiana 13:1, 2). Eny, na dia ireo asa tokony hisy vidiny aza, dia manjary “asa maty” raha tsy ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona no antony anaovana azy. — Hebreo 6:1.
20. Nahoana no ilaina ny ezaka mitohy raha tiantsika ny hamboly fitiavana?
20 I Jesosy dia nanome antsika antony hafa iray tokony hambolena fitiavana, izay toetran’Andriamanitra. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ilay teny hoe “raha”, dia milaza fa miankina amin’ny Kristianina tsirairay raha hianatra haneho fitiavana ny tenany na tsia. Ny fipetrahana any an-tany hafa fotsiny dia tsy mahavoatery antsika hianatra hampiasa ny fiteny any. Torak’izany koa fa ny fanatrehana fotsiny ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana na ny fiarahana fotsiny amin’ireo namana kristianina, dia tsy mahatonga antsika hahay haneho fitiavana ho azy eo fotsiny. Mitaky ezaka mitohy ny fianarana an’io “fiteny” io.
21, 22. a) Ahoana no tokony ho fihetsitsika raha misy lafiny tsy aratsika amin’ilay fitiavana noresahin’i Paoly? b) Amin’ny ahoana ny fitiavana no azo lazaina fa “tsy ho levona mandrakizay”?
21 Indraindray dia misy lafiny tsy ho arakao amin’ilay fitiavana noresahin’i Paoly. Aza kivy anefa, fa milofosa amim-paharetana. Manohiza maka torohevitra ao amin’ny Baiboly sy mampihatra ireo foto-pitsipiny eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa. Aza hadinoina na oviana na oviana ny ohatra navelan’i Jehovah ho antsika. Nananatra an’ireo Efesianina toy izao i Paoly: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” — Efesiana 4:32.
22 Tsy misy hafa amin’ny hoe hihamora kokoa, amin’ny farany, ny fianaranao miteny amin’ny fiteny vaovao iray, dia azo inoana fa ho hitanao hihamora kokoa, amin’ny farany, ny maneho fitiavana. Manome toky antsika i Paoly fa “tsy ho levona mandrakizay” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:8). Tsy mba sahala amin’ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy ny fitiavana, fa tsy hitsahatra tsy hisy na oviana na oviana. Manohiza àry mianatra maneho an’io toetran’Andriamanitra io. “Lalana tsara indrindra” izy io, araka ny niantsoan’i Paoly azy.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Ahoana no ahafahan’ny fitiavana manampy antsika mba handresy ny fiheveran-tena ho zavatra?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fitiavana manampy antsika hitandro fihavanana ao anatin’ny kôngregasiôna?
◻ Amin’ny ahoana ny fitiavana no afaka manampy antsika hiaritra?
◻ Amin’ny ahoana ny fitiavana no “lalana tsara indrindra”?
[Sary, pejy 19]
Ny fitiavana dia hanampy antsika tsy hijery ny fahadisoan’ireo mpiray finoana amintsika
[Sary, pejy 23]
Ny fiaretana dia midika ho fihazonana ireo fahazarantsika teôkratika