Fanontanian’ny Mpamaky
Ny fitenenana hoe “manana ny fahaizam-panahy”, hita ao amin’ny 1 Korintiana 14:37, ve midika fa nahazo ny fanahy masina amin’ny heviny hoe voahosotra ny olona iray, sa midika izy io fa manana fanomezana mahagaga iray avy amin’ny fanahy izy?
Toy izao no vakin’io andininy io ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao: “Raha misy manao azy ho mpaminany na nahazo fanomezan’ny fanahy, dia aoka izy hanaiky ireo zavatra soratako aminareo, satria didin’ny Tompo izy ireo.” — 1 Korintiana 14:37.
Mety handray ny fitenenana hoe “nahazo fanomezan’ny fanahy” ho toy ny filazana ny zava-misy fa ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nateraky ny fanahy ary tonga zanak’Andriamanitra ara-panahy, ny mpamaky iray. Na mety hoheverina fa nihatra tamin’olona iray izay nahazo fanomezan’ny fanahy masina manokana, ilay fitenenana. Itỳ heviny farany no azo inoana fa izy araka ny asehon’ny fanazavana ilay teny amintsika.
Eto ny apostoly Paoly dia nampiasa ny teny grika hoe pneu·ma·ti·kosʹ, izay manana heviny fototra hoe “momba ny fanahy, ara-panahy”. Ampiasaina ao amin’ny filazana toy ny hoe “vatana ara-panahy”, “fitahiana ara-panahy”, “fahazoana hevitra ara-panahy” sy “trano ara-panahy” ny endriny sasany amin’izy io. — 1 Korintiana 15:44, NW; Efesiana 1:3, NW; Kolosiana 1:9; 1 Petera 2:5, NW.
Amin’ny toe-javatra sasany, ny Baiboly dia manantitrantitra ny lazaina (tena, fitahiana, fahazoana hevitra, trano) izay lazalazain’ny hoe “ara-panahy”. Amin’ny toe-javatra hafa anefa, ny heviny sy ny fandikana mety ny hoe “ara-panahy” dia tsy maintsy faritana araka ny teny manodidina. Ohatra, ny 1 Korintiana 2:14, 15 dia mampifanohitra ny fihetsiky ny olona araka ny nofo iray amin’ny an’ny ho pneu·ma·ti·kosʹ, izay midika araka ny fandrindran-kevitra hoe “ny olona araka ny fanahy”.
Mifantoka amin’ireo fanomezan’ny fanahy masina mahagaga ny Korintiana Voalohany toko faha-12 ka hatramin’ny faha-14. Nomen’Andriamanitra an’ireo Kristiana voalohany sasany izy ireny mba hampisehoana fa tsy mampiasa intsony ny Isiraely ara-nofo izy fa nitahy kosa ny “Isiraelin’Andriamanitra” kristiana izao. (Galatiana 6:16). Ny amin’ireny fanomezana ireny dia izao no nosoratan’i Paoly: “Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.” (1 Korintiana 12:4). Anisan’ireo fanomezan’ny fanahy ny fahendrena manokana sy ny fahalalana ary ny finoana, dia toy izany koa ny faminaniana sy ny fahaizana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ary ny fandikana ny fiteny tsy fantatra. — 1 Korintiana 12:8-11.
Voahosotry ny fanahy masin’Andriamanitra ireo Kristiana tany Korinto izay nanoratan’i Paoly. Hoy i Paoly: “Saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintiana 6:11; 12:13). Eny, nandray “ny Fanahiny ho antoky ny soa natokany ho antsika” ny rehetra. (2 Korintiana 5:5, DIEM ). Kanefa, tsy ary nahazo fanomezana manokana avy amin’ny alalan’ny fanahy masina avokoa akory izy rehetra. Ary toa maro no babon’ny fahaizana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ka nihevitra an’io fanomezana io ho zava-dehibe loatra. Nanoratra i Paoly mba hanitsiana ny fisainan’izy ireo ary nolazainy fa tsy handraisan’ny olona maro soa tahaka ny fanomezana haminany akory ny fiteny tsy fantatra. Ao amin’ny faran’ny toko faha-12, i Paoly dia nanoro hevitra ny Korintiana toy izao: “Maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra”. — 1 Korintiana 12:28-31.
Avy eo, dia nampirisika toy izao izy eo amin’ny fiandohan’ny toko faha-14: “Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny [ta pneu·ma·ti·kaʹ] koa, indrindra fa ny haminany.” Maniria inona? Tsy voatery haniry fanahy hanosotra azy ireo Kristiana ireo satria efa nanana izany izy ireo. Araka ny fandrindran-kevitra, ny tian’i Paoly holazaina dia ny ‘fanomezan’ny’ fanahy, izay nampirisihany azy ireo mba hiriny eo amin’ny faran’ny toko faha-12. Araka izany, ny Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao dia mandika toy izao ny 1 Korintiana 14:1: “Katsaho amim-pahazotoana hatrany ireo fanomezana ara-panahy.” Ny dikatenin’ny Baiboly hafa dia mandika ny ta pneu·ma·ti·kaʹ eto amin’ny hoe “ireo fanomezana ara-panahy” na “ireo fanomezan’ny Fanahy”.
Avy amin’izany fanazavana ilay teny izany dia marihintsika fa mampifandray ny faminaniana sy ny pneu·ma·ti·kosʹ i Paoly eo amin’ny faramparan’ny toko faha-14. Toy ny eo amin’ny andininy voalohany, ny teny manodidina dia milaza tsy mivantana fa nahazo fanomezan’ny fanahy no tiany hambara. Mandray ny fandikana hoe: “Raha misy mihevitra ny tenany ho mpaminany na olona manana fanomezana ara-panahy, dia aoka izy hanaiky fa didin’ny Tompo izao soratako izao”, ny The New Testament in Modern Speech nataon’i R. F. Weymouth.
Eny, ny Kristiana rehetra, na nanana ny fanomezana haminany izy na fanomezan’ny fanahy hafa, dia nila ny nanaiky sy nanaraka ny torohevitra nosoratan’i Paoly momba ny fomba tokony hanaovan-javatra tao amin’ny kongregasiona.