Batisa
Famaritana: Ny hoe “manao batisa” dia avy amin’ny teny grika hoe baptizein, izay midika hoe “mandroboka” na “mandentika.” (Diksionera Grika-Anglisy, nataon’i Liddell sy Scott) Ny batisa ao anaty rano no fomba ampisehoan’ny Kristianina fa nanokan-tena tanteraka tsy misy fepetra izy, mba hanao ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra. Miresaka momba ny batisan’i Jaona, batisa amin’ny fanahy masina, batisa amin’ny afo, ary batisa hafa ny Baiboly.
Tokony hisalasala ny hatao batisa ve ireo tena mino ny Tenin’Andriamanitra?
Mat. 28:19, 20: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”
Asa. 2:41: “Natao batisa izay olona nandray tsara ny tenin’i Petera.”
Asa. 8:12: “Rehefa ninoan’izy ireo anefa i Filipo izay nitory ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na lehilahy na vehivavy.”
Asa. 8:36-38: “Raha teny an-dalana izy ireo, dia tonga teo amin’izay nisy rano, ka hoy ilay tandapa [etiopianina]: ‘Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?’ Dia nasainy najanona ilay kalesy, ary ... nataon’i Filipo batisa izy.”
Ahoana no tokony hanaovana batisa ny Kristianina? Handrarahana rano ve ny lohany sa haroboka ao anaty rano izy?
Mar. 1:9, 10: “Nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana [i Jesosy]. Raha vao niakatra avy tao anaty rano i Jesosy, dia hitany ny lanitra nisokatra.”
Asa. 8:38: “Nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa, ka nataon’i Filipo batisa izy.”
Nanao batisa zazakely ve ny Kristianina voalohany?
Mat. 28:19: ‘Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ka ataovy batisa.’
Asa. 8:12: “Rehefa ninoan’izy ireo ... i Filipo, ... dia natao batisa izy ireo, na lehilahy na vehivavy.”
Hoy anefa i Origène (taona 185-254): “Fanaon’ny Eglizy koa ny manao batisa zazakely.” (Fanazavana sy Toriteny Voafantina Nataon’i Origène, anglisy, Madras, Inde; 1929, p. 211) Nohamafisin’ny Konsilin’i Carthage (taona 252) fa mety io fanao io.
Hoy i Auguste Neander, mpahay tantara ara-pivavahana: ‘Nampifandraisana foana ny finoana sy ny batisa, ka azo lazaina fa tsy nisy batisan-jazakely [tamin’ny taonjato voalohany]. Tamin’ny taonjato fahatelo izy io vao nekena ho fanaon’ny apostoly. Vao mainka izany manaporofo fa tsy avy amin’ny apostoly izy io.’—Tantaran’ny Niforonan’ny Fiangonana Kristianina sy ny Nampiofanan’ny Apostoly Azy Io (anglisy, New York, 1864), p. 162.
Ny batisa ao anaty rano ve no ahazoana famelan-keloka?
1 Jaona 1:7: “Raha mandeha ao amin’ny mazava kosa isika, tahaka azy izay ao amin’ny mazava, dia ... ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (Tsy ilay rano anaovana batisa àry no manadio antsika ho afaka amin’ny ota, fa ny ran’i Jesosy.)
Mat. 3:11: “Izaho [Jaona Mpanao Batisa] manao batisa anareo amin’ny rano noho ny fibebahanareo. Ilay ho avy ao aoriako [Jesosy Kristy] kosa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho.” (Natao ho an’ny Jiosy ny batisan’i Jaona, fa tsy ho an’ny rehetra, araka ny andininy faha-5, 6, sy ny Asan’ny Apostoly 13:24. Nahoana? Satria nanota ny Jiosy rehefa tsy nanaja ny fifaneken’ny Lalàna. Nilaina nomanina handray an’i Kristy koa izy ireo.)
Asa. 2:38: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka.” (Ilay batisa mihitsy ve no ahazoana famelan-keloka? Mariho fa ireo Jiosy tompon’andraikitra tamin’ny famonoana an’i Kristy no nilazana ireo teny ireo. [Jereo ny andininy faha-22, 23.] Ny batisan’izy ireo àry dia porofo fa nino an’i Jesosy ho Mesia na Kristy izy ireo. Tsy ho voavela mantsy ny helok’izy ireo raha tsy izany. [Asa. 4:12; 5:30, 31])
Asa. 22:16: “Mitsangàna, ary aoka hatao batisa ianao ka hiantso ny anarany mba ho voasasa ho afaka amin’ny fahotanao.” (Jereo koa ny Asan’ny Apostoly 10:43.)
Iza no atao batisa amin’ny fanahy masina?
1 Kor. 1:2; 12:13, 27: “Ho anareo izay nohamasinina tao amin’i Kristy Jesosy sady voantso ho olona masina ... Fa fanahy iray tokoa no nanaovana batisa antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika, na Jiosy na Grika, na mpanompo na olona afaka. Ary nampisotroina fanahy iray ihany isika rehetra. Vatan’i Kristy ianareo.” (Hiara-manjaka amin’ny Zanak’olona na Jesosy Kristy ireo “olona masina” ireo, araka ny Daniela 7:13, 14, 27.)
Jaona 3:5: “Tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.” (‘Ateraky ny fanahy’ ny olona iray rehefa atao batisa amin’ny fanahy. “Ondry vitsy” ihany anefa no atao toy izany, araka ny Lioka 12:32. Jereo koa ny Apokalypsy 14:1-3.)
Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra na mahay manasitrana daholo ve izay atao batisa amin’ny fanahy masina?
1 Kor. 12:13, 29, 30: “Fa fanahy iray tokoa no nanaovana batisa antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika ... Fa angaha izy rehetra no apostoly? ... Angaha izy rehetra no manao fahagagana? Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin’ny fiteny samihafa?”
Jereo koa ny hoe “Fanasitranana” sy “Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra.”
Inona no dikan’ny hoe batisa “ho an’ny maty”?
1 Kor. 15:29, Kat.: “Raha tsy izany, ahoana ny amin’ireny atao batemy ho an’ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy?”
Ilay teny grika hyper nadika hoe “ho an’ny” eto, dia midika koa hoe “eo ambonin’ny”, “ho tombontsoan’ny”, “ho solon’ny”, “mba ho”, sns. (Diksionera Grika-Anglisy, nataon’i Liddell sy Scott) Inona no dikan’io teny io eto? Te hilaza ve i Paoly fa tokony hisy olona velona hatao batisa, ho solon’ireo maty mbola tsy vita batisa?
Ny hany andininy mampifandray ny fahafatesana sy ny batisa dia milaza fa natao ho an’ilay olona atao batisa mihitsy ilay batisa, fa tsy ho an’olon-kafa efa maty
Rom. 6:3: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” (Jereo koa ny Marka 10:38, 39.)
Kol. 2:12: “Fa efa niara-nalevina taminy tamin’ny batisany ianareo [ireo Kristianina mbola velona teo anivon’ny fiangonan’i Kolosia]. Ary ny fifandraisanareo aminy no nahatonga anareo ho niara-natsangana taminy, noho ny finoanareo ny asa nataon’Andriamanitra, izay nanangana azy tamin’ny maty.”
Marina tsara ny nandikan’ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” azy io, sady mifanaraka amin’ireo andininy ireo
1 Kor. 15:29: “Raha tsy izany, dia inona no soa ho azon’ireo atao batisa mba ho faty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana no atao batisa koa izy ireo mba ho faty?” (Natao batisa mba ho faty izy ireo satria manomboka fiainana vaovao: Miezaka mafy ny tsy hivadika toa an’i Kristy izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana hahafatesany sy hananganana azy ho fanahy toa azy koa.)
Hanao ahoana ireo atao batisa amin’ny afo?
Lioka 3:16, 17: “Izy [Jesosy Kristy] no hanao batisa anareo amin’ny ... afo. Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana ka hodioviny tsara ny famoloany, ... ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.” (Ho ringana mandrakizay izy ireo.)
Mat. 13:49, 50: “Ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: Hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina, ary hanipy an’ireny any amin’ny lafaoro mirehitra.”
Lioka 17:29, 30: “Tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra. Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.”
Tsy mitovy amin’ny batisa amin’ny fanahy masina natao ho an’ny mpianatra, ny batisa amin’ny afo
Asa. 1:5: “I Jaona mantsy nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo [ireo apostoly tsy nivadika] kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.”
Asa. 2:2-4: “Nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano nipetrahan’izy ireo. Ary nisy lela maro toy ny afo niseho tamin’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny [fa tsy hoe nanarona na nanaovana batisa ny] tsirairay. Ary samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.”