Ratsy lavitra noho ny SIDA
“Marina ny fizahana. Voan’ny SIDA ianao.” Tamin’ny taon-dasa izany. Nanako tao an-tsofiko ny tenin’ilay mpitsabo ahy raha mbola nahantoko ny fihainoana telefaonina. Raha mba nihaino sy nampihatra ireo torohevitr’Andriamanitra mantsy aho, dia tsy ho tonga hatramin’izany!
NOTEZAINA tany Etazonia tao amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ary ny ray aman-dreniko dia niezaka nampahafantatra ahy ireo zavatra takin’Andriamanitra. Koa olona maro no gaga raha nahita ahy nanaraka fomba fiaina nifanohitra tanteraka tamin’ny fomba nitaizana ahy.
Nitana ny saiko ny faniriana ho tian’ireo namako tany an-tsekoly. Nanandrana izao rehetra izao aho mba handraisan’izy ireo ahy. Tsy nisy nahomby anefa izany ary, rehefa feno 15 taona aho, dia niteny anakampo fa tsy misy fanantenana intsony. Efa nanandrana namono tena aza aho.
Nanomboka nifoka sigara sy “marijuana” (karazan-drongony) aho, noho ny fiheverana fa hanatsara ny zavatra izany. Tsy nisy na inona na inona niova anefa. Nanaraka izany, dia nanapa-kevitra ny handao ny fandaminan’i Jehovah sy hikatsaka any ho any ny fahasambarana aho. Nambarako tamin’ireo namako fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony aho, ka izany dia toa nahafinaritra azy.
Fiainana maloto sy niovaova
Nahita asa aho tamin’ny farany, ary koa fitambarana efitrano iray tao amin’ny faritanàna iray ratsy laza — izay irenirenen’ny mpimamo sy ny mpivaro-tena. Nohazavain’izy ireny tamiko fa tena mora ny hahazoam-bola. Noho ny fanampian’izy ireo, tsy ela akory aho dia nahafantatra ny fahaizany rehetra manao zavatra. Izaho izay naniry hahazo ny fankasitrahan’ny olona rehetra sy naniry ho sambatra, dia nampiasain’ny olona rehetra aho izao sady fadiranovana indrindra.
Naniry hiova sy hody any an-trano aho ary handeha indray amin’ny lala-mahitsy. Nahatsiaro fahabangana aho tsy teo amin’ny ray aman-dreniko ary nanenenako ny fiainana narahiko teo aloha. Nitalaho mafy ny fanampian’i Jehovah àry aho. Ny sarotra indrindra dia ny niresaka tamin’ny ray aman-dreniko sy ny nangataka ny famelan’izy ireo. Soa ihany fa nanan-kery hanome izany ho ahy izy.
Nivory niaraka tamiko ireo loholona, ka nasehoko ny faniriako ho voaray indray ao amin’ny kongregasiona. Tsy mora akory izany na ho azy ireo na ho ahy. Tsy vitan’ny hoe niharan’ny vokatry ny fahazaran-dratsy tamin’ny zavatra mahadomelina laniko fotsiny aho, fa ambonin’izany dia voan’ny aretin-dratsy momba ny lahy sy ny vavy aho. Araka ny nolazain’ny mpitsabo ahy, raha mbola niandry volana iray monja amboniny aho, dia ho efa maty. Tao anatin’ny fahasahiranana mafy toy inona moa no nidirako!
Rehefa afaka elaela, dia voaray indray aho, avy eo dia nanambady vehivavy tanora iray avy tao amin’ny kongregasiona nifanila taminay. Nihatsara ny toerana nisy ahy. Tsy nahay nankasitraka ny fitiavan’i Jehovah anefa aho. Nanandrana nandamina irery ny zava-nanahirana ahy aho fa tsy niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra.
Roa taona latsaka tatỳ aoriana, dia nisara-panambadiana aho ary voaroaka indray noho ny fitondrantena ratsy. Nifandray tamin’ny olon’izao tontolo izao aho. Teo am-piandohana dia fifandraisana tena tsy nisy tsininy izany, kanefa niharihary indray koa ho tena marim-pototra izao fampitandreman’ny Baiboly manaraka izao: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” — 1 Korintiana 15:33.
Nilentika indray tao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena aho
Nihevitra aho, tamin’ny fifindran-toerana lavitra ny fianakaviako, fa tsy hitondra fatiantoka be loatra ho azy. Tsy sarotra ho ahy mihitsy ny nahita asa sy trano hitoerana tao San Francisco, any Californie. Nanolo-kevitra ahy ny mpivarotra zava-mahadomelina an-tsokosoko iray mba hiasa ho toy ny mpaninjara. Anisan’ny antokon’olona notsongainy ihany koa aho, nomena andraikitra hanandrana maimaimpoana ny zavatra mahadomelina vaovao rehetra efa amidy. Faly aho fa mamy hoditra tamin’ny olona tamin’izany. Izay rehetra nahafantatra ahy (ary maro izy ireny) dia nahalala fa nanana zavatra mahadomelina aho. Nanatona ahy teny an-dalana izy ireny, teny amin’ny toerana fisotroan-toaka, tany am-piasako koa aza, mba hividy izany tamiko.
Afa-tsy izany koa, tsy ela aho dia nanaraka fitondrantena ratsy indray; izany tamiko no fomba iray hahatsapana fa ankasitrahan’ny hafa, ary dia hita tokoa fa nankasitrahana fatratra aho. Nianarako ny nampiasa ny hafa tamin’ny alalan’ny fanao ratsy momba ny lahy sy ny vavy mba hahazoana izay nilaiko. Nanaraka izany fomba fiaina izany nandritra ny taona maro aho.
Tsaroako ho toy ny vao omaly ny fe-potoana iray izay niaretako fanaviana tena nahery sy nahatonga ahy ho reraka mafy. Tsy fantatry ny mpitsabo izay nahazo ahy. Farany dia afaka ihany izany. Telo taona tatỳ aoriana vao fantatro ny hoe inona ilay izy.
Teny anelanelany teny, dia nanomboka nanan-java-manahirana tamin’ny demonia ihany koa aho. Indray andro, dia nanafika ahy ny anankiray tamin’izy ireny. Nahatsapa aho fa nanandrana niditra tao amiko izy. Tsy nisy feo mihitsy nivoaka tamin’ny vavako. Nanandrana tamim-pamoizam-po hiteny aho, ary tamin’ny farany dia afaka nikiakiaka hoe: “Jehovah ô, ampio aho!” Navelan’ilay demonia hahita filaminana avy hatrany aho.
Saintsaino kely ange izay tsapako e: Raha mbola nanaraka fiainana feno fitiavan-tena sy ratsy tsotra izao aho, dia nanana fahasahisahiana niantso vonjy tamin’i Jehovah. Nahatsiaro tena ho menatra mafy aho. Nahoana aho no nihevitra fa hanampy ahy i Jehovah? Tamin’izay dia tafalentika tao anatin’ny fahaketrahana mafy aho. Nataoko an-tsitrapo izay hampidi-doza ny fiainako, tamin’ny fanantenana fa hisy hamono ahy.
Ny faniriana hiova
Indray andro, raha tafahaona indray samy mpinamana izahay, dia nampiditra ny resadresaka tamin’ny tarehin-javatra iraisam-pirenena. Raha nanontaniana aho ny amin’izay heveriko momba ny hoavy, dia nahita ny tenako manazava ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany sy ny mponina eo aminy. Gaga aoka izany ny rehetra. Tezitra mafy anefa ny anankiray tamin’izy ireo ary nilaza ahy ho mpihatsaravelatsihy. Marina tanteraka ny azy, satria aho nanana fiainana roa sosona tokoa. Kanefa, tao amin’ny lalina indrindra tao amiko, dia fantatro fa Jehovah no hany iavian’ny famonjena ary ny fandaminany no hany toeram-pialofana.
Tamin’izay vanim-potoana izay ny fiainako sy ny an’ny olona sasany nanodidina ahy no nanomboka niova. Maro be tamin’ireo namako no voan’ny SIDA. Mafy ny nahita olona, salama tsara teo aloha, nefa nihareraka miandalana sy maty. Nahatsiaro tena ho tsy afaka tanteraka hampahery azy ireny aho. Nandiso fanantenana indrindra izany, satria aho nahalala fomba fiaina tsara kokoa. Fantatro tamin’izay fa naniry hiverina tamin’i Jehovah sy handray soa amin’ny fitiavany aho. Inona anefa no hatao?
Nitalaho ny fanampian’i Jehovah aho aloha, ka izany dia sarotra tamiko tokoa satria nahatsiaro tena ho menatra sy naloto aho. Naharay antso an-telefaonina aho indray andro. Ny nenitoako, izay tsy hitako efa ho sivy taona mahery, no niantso ahy. Naniry ho tonga hihaona amiko izy. Tsy nitovy finoana tamin’ny ray aman-dreniko izy, kanefa nilaza taminy aho fa naniry hiova sy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah indray. Rehefa nahita ny fahatsorako izy, dia niseho ho vonona ny hanampy ahy.
Ny lalana lavan’ny fiverenana
Nanasa ahy ho tonga hipetraka any aminy ny nenitoako mandra-pahasitrana ahy. Rehefa nanontany ahy izy raha hanampy ahy izany, dia nitomany aho. Fantatro fa izany no zahatry ny famonjena ahy, koa nandao ireo namako aho. Tsy mora akory ireo volana nanaraka, kanefa azoko antoka fa hanampy ahy ho tafavoaka tamin’izany i Jehovah. Heveriko fa mihatra tsara amin’izany tarehin-javatra izany ny Malakia 3:7 manao hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”
Nihaona tamin’ireo loholona avy hatrany aho taorian’ny nifindrako toerana. Notantaraiko tamin’izy ireo avokoa ny zavatra rehetra, ary nanome toky azy aho fa maniry amim-pahatsorana hanompo an’i Jehovah. Na manao ahoana na manao ahoana, dia fantany, sady fantatro koa, fa tsy hitranga vetivety akory ny fandraisana ahy indray. Nanana fiainana tena navesatra aho tamin’ny lasa. Tapa-kevitra kosa anefa aho amin’ity indray mandeha ity. Nivavaka tamin’i Jehovah andro aman’alina aho mba hanampiany ahy. Taloha dia nihevitra aho fa tena nalemy marina. Mbola ho toy izany ihany aho raha mitoky amin’ny fahaizako manokana. Kanefa, rehefa mandray soa amin’ny fanampian’i Jehovah ny tena, dia mahagaga ny mahita hoe hery toy inona no azo.
Nampiasa zavatra mahadomelina nandritra ny taona maro aho mba hahafahana miatrika ny fiainana andavanandro. Tsy maintsy miala amin’izany aho ankehitriny, ka izany dia nampahatahotra ahy. Nijaly noho ny tahotra mafy ny vahoaka koa aho, ary hahatsiaro tena ara-bakiteny ho tsy metimety raha mahita ny tenako voahodidin’olona maromaro ela loatra. Ankoatr’izany, dia nanandrana nitsahatra tsy nifoka koa aho, dia izaho izay nifoka sigara efa ho efatra fonosana isan’andro tamin’izany. Matoa aho afaka nivoaka tamin’izany, dia noho ny vavaka ihany sy noho ny fahatsiarovako hatrany fa nankasitrahan’i Jehovah ny fiezahako hihatsara. Nitondra fiadanana sy tanjaka ho ahy koa ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana kristiana. Tamin’ny naha-voaroaka ahy, dia tsy afaka niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah na iza na iza aho, kanefa tsapako foana ny fitiavana sy ny hafanan’ireo ho rahalahiko sy anabaviko ara-panahy.
Farany, tokony ho herintaona taorian’ny nanombohako nanao fiovana teo amin’ny fomba fiainako, dia noheverin’i Jehovah fa tonga ny fotoana hitarihana ireo mpanompony hamerina ahy indray ao amin’ny fandaminany. Fantany tsara ny hoe tamin’ny fotoana toy inona no nety ny handraisana ahy indray. Tsy avelany halaim-panahy mihoatra noho izay zaka tokoa ny tena. Fotoana fohy taorian’izany, dia niantso ahy ny mpitsabo ahy mba hampahafantatra ahy fa voan’ny SIDA aho. Tsy misy isalasalana mihitsy fa voamarina ny andalan-teny ao amin’ny Galatiana 6:7 manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.”
Nitomany mafy aho aloha. Nandalo tao an-tsaiko avokoa izao karazan’eritreritra rehetra izao. Nitandahatra teo anoloan’ny masoko ny endri-piainana sasany tamin’ny lasa. Hitako akaiky ny vokatr’io aretina io eo amin’ny olona ary koa ny fihetsiky ny manodidina azy. Endrey izany hadalako nino fa manan-javatra hatolotra izao tontolo izao! Fotoana sarobidy toy inona moa no nariako!
Ny fahafahampo na dia eo aza ny SIDA
Fantatro fa misy tanora maro izay, sahala amiko tamin’ny lasa, dia maniry horaisin’ireo namany eo amin’izao tontolo izao. Aoka indrindra ianao tsy hino amin-kadalana fa tsy hitranga aminao ny zavatra sahala amin’ny nahazo ahy raha toa ka tsy miraharaha ireo torohevitr’Andriamanitra ianao! Mety hiovaova ny fitak’i Satana, fa tsy mba toy izany kosa ny vokany.
Kanefa, nianarako koa fa na toy inona na toy inona fahadisoana natao na fahavoazana nampiharina tamin’olon-kafa, Jehovah Andriamanitra dia manome ny fanampiany sy ny famelany heloka ho an’izay rehetra maniry amim-pahatsorana hitady ny fankasitrahany ary hanatona azy amin’ny alalan’ny vavaka atao amin-kafanam-po.
Tsy very hevitra noho ny toerana misy ahy intsony aho. Marina aloha fa malahelo mafy ihany aho indraindray, kanefa hadinoko vetivety ihany izany. Ny hany zavatra ahiko ankehitriny, dia ny hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Amiko dia izy no hany loharanom-pifaliana sy fampaherezana. Fantatro fa raha manao izay rehetra azoko atao aho mba hahazo ny fankasitrahany, dia hikarakara ahy izy ary hampiseho amiko ny fitiavany.
Velom-pankasitrahana tokoa aho fa anisan’ny vahoakan’Andriamanitra indray, satria na dia ho faty aza aho alohan’ny hanamarinan’i Jehovah ny anarany ao Haramagedona, dia afaka manantena ny hatsangana amin’ny maty aho. Minoa ahy, fa tena ratsy lavitra ny tsy manana ny fankasitrahana sy ny fitiavan’i Jehovah noho ny voan’ny SIDA. — Anankiray amin’ny mpamaky.
[Teny notsongaina, pejy 15]
Nitana ny saiko ny faniriana ho tian’ireo namako.