-
Naman-dratsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
NAMAN-DRATSY
Nampiasa ny teny grika hoe hômilia ny apostoly Paoly rehefa nampitandrina ny Kristianina momba ny loza ateraky ny “naman-dratsy.” (1Ko 15:33) Iray tarika amin’ny matoanteny hoe hômileô (“miresaka”) io teny grika io. (As 20:11) Ilazana fifaneraserana na fifampiresahana izy io matetika, nefa koa indraindray ilazana fanaovana firaisana. Io teny grika io no mifanitsy amin’ny teny hebreo nadika hoe “nandresy lahatra” (Oh 7:21) sy “adidy amim-bady” (Ek 21:10) ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.
Olona tia sy mikatsaka ny fahamarinana no tsara hatao namana, raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (2Ti 2:22) Tapahintsika koa ny “fifaneraserana [a.b.t.: fiharoharoana]” amin’izay Kristianina tsy laitra fehezina efa nanaovana lahateny tamin’ny fivorian’ny fiangonana. Mbola tia azy ireny isika, nefa asehontsika hoe tsy tiantsika ny fitondran-tenany. (2Te 3:6-15) Tena manampy haneho fahendrena avy amin’Andriamanitra ny namana tsara, fa mampidi-doza kosa ny naman-dratsy. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ampit. Oh 22:24, 25; 28:7; 29:3.) Ny teny hebreo hoe raʼah no nadika hoe “minamana” eo. Azo adika koa hoe ‘mifanerasera’ izy io, ary iray tarika amin’ny hoe reaʽ izay midika hoe “namana; olona.”—Mpts 14:20; Le 19:18; Sl 15:3.
Asehon’ny ohatra maro ao amin’ny Baiboly fa tena mampidi-doza ny naman-dratsy. Tsy nahay nifidy namana, ohatra, i Dina zanakavavin’i Jakoba fa ankizivavy kananita no nataony namana, ka novetavetain’i Sekema zanaky ny mpiadidy teo amin’ny Hivita izy. (Ge 34:1, 2) Nihaino ny torohevitra ratsy nomen’i Jonadaba namany i Amnona zanak’i Davida, ka nametaveta an’i Tamara anabaviny hafa reny. Lasa halan’i Absaloma anadahin’i Tamara izy, ka novonoiny tatỳ aoriana. (2Sa 13:3-29) Ny Israelita indray ninamana tamin’ny Kananita sy nifanambady taminy ary nanaraka ny fivavahany, na dia efa noraran’i Jehovah tsy hanao izany aza. Tsy nankasitrahany intsony àry izy ireo ka nafoiny. (De 7:3, 4; Mpts 3:5-8) Na i Solomona koa aza niala tamin’i Jehovah rehefa nanambady vehivavy mpanompo sampy. (Ne 13:26) Nanao ratsy mihoatra noho ny mpanjaka israelita rehetra talohany i Ahaba, noho ny fitaoman’i Jezebela mpivavaka tamin’i Bala. (1Mp 21:25) Saika maty i Josafata noho izy ninamana tamin’ny ankohonan’i Ahaba Mpanjaka. Nalainy ho vadin-janany koa ny zanak’i Ahaba, ka saika lany tamingana ireo mpanjaka taranak’i Davida.—2Ta 18:1-3, 29-31; 22:10, 11.
Mpinamana ireo ‘rahalahy ao amin’ny finoana’ (gr.: adelfôtes), na vitsivitsy izy ireo, na fiangonana iray, na ny Kristianina tsirairay any amin’ny toerana mitokana. (1Pe 2:17; 5:9) Te ho mpinamana foana izy ireo, ka tsy ifaneraseran’izy ireo izay Kristianina mampiely fampianaran-diso mampisara-bazana. (Ro 16:17, 18) Nilaza ny apostoly Jaona fa tsy azon’ny Kristianina ampidirina an-trano na arahabaina mihitsy ny mpampianatra sandoka, sao hampiely fampianaran-diso. Toy ny hoe mankasitraka ny fampianarany mantsy izay miarahaba azy, ka miombona amin’ny “ratsy ataony.” (2Jn 10, 11) Maro koa no nanda ny fampianaran’i Kristy hoe hitsangana ny maty, na dia betsaka aza ny porofo momba izany. Fantatr’i Paoly fa hanimba ny finoan’ny mpino ny fifaneraserana amin’ireny olona ireny, ka hoy izy: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1Ko 15:12-22, 33; jereo FIVADIHAM-PINOANA.
-
-
Tsy Mety LoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ny Soratra Grika Kristianina ihany no miresaka mivantana momba ny hoe tsy mety lo, izay avy amin’ny teny grika hoe aftarsia. Endriny hafa amin’ny hoe fteirô nasiana tovona a (“tsy misy”) no nahazoana an’io teny io. Midika hoe “manimba” (1Ko 15:33; 2Ko 7:2) na koa hoe “mamono” na “mandringana” na “mandrava” (1Ko 3:17; 2Pe 2:12) ny hoe fteirô. Aftartôs (tsy mety lo) ny mpamari-toetra avy amin’io teny io.
-