Tsy Manao ny Tenin’Andriamanitra ho Filam-bola
“NIVAROTRA ny fanompoanay mba hahazoam-bola izahay.” Ireo dia teny nataon’ny “mpikarakara vavaka an-telefaonina” taloha iray izay nadinadinina tao amin’ny tatitra famotopotorana iray natao momba ireo mpitoriteny ao amin’ny televiziona amerikana tamin’ny faran’ny 1991.
Nifantoka tamin’ny mpitondra fivavahana mpitory teny ao amin’ny televiziona telo any Etazonia io fandaharana io. Nataony fanta-bahoaka fa isan-taona ny olona dia nahazoan’ireo telo ireo fotsiny tamin-kafetsen-dratsy, dolara am-polo tapitrisany maromaro. Ny “mpitondra fivavahana” iray dia nolazalazaina ho “ozinina fahazoana fanomezana miroborobo”. Izy rehetra dia samy voaroiroy tamin’ny fanaovana hosoka maro. Mahatafintohina anao ve izany?
Dinihina akaiky ny fivavahana
Ny fanjakana, sy ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpanara-maso ny fanaovan-javatra tsy ara-dalàna ary ny olona amin’ny ankapobeny dia manadihady, tsy ny amin’ireo mpitory teny ao amin’ny televiziona ihany, fa na dia ireo fivavahana mitana ny fampianarana nekena hatramin’izay sy ireo fivavahana antonintoniny koa aza. Tamin’ny toe-javatra sasany, ny fanamarinana petra-bola miasa izay fananan’ny eglizy, dia nanohana ara-bola tamin-kafanam-po ireo tombontsoa ara-politika, ary ny fiainan’ny mpanefohefo ananan’ny klerjy mandray karama be dia nahatonga ahiahy ny amin’ny fanaovana ny marina.
Ahoana no ataon’ny mpitondra fivavahana sasany mba hitoviana amin’ilay filazalazana mendri-kaja momba ny minisitra kristiana nomen’ny apostoly Paoly efa ho 2 000 taona lasa izay? Izao no nosoratany: “Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin’Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin’Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny maha-mpanompon’i Kristỳ anay.” (2 Korintiana 2:17, DIEM ). Iza no sahaza an’io filazalazana io amin’izao andro izao?
Mba hanampiana anao hanombana ilay raharaha, dia aoka isika handinika akaiky ny fomba nikarakarana ny vola nilaina tamin’ny fanompoana kristiana nataon’i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy. Tamin’ny ahoana izany no tsy nitovy tamin’ireo hafa tamin’ny androny?
Mpitory nanao dia lavitra tamin’ny taonjato voalohany
Tamin’ny naha-mpitory mpitety faritany azy, dia tsy irery akory i Paoly. Tamin’izany andro izany, dia maro no nanao dia lavitra mba hampandrosoana ny fomba fiheviny momba ny fivavahana sy ny filozofia. Ilay mpanoratra ny Baiboly atao hoe Lioka dia niresaka ny amin’ny “Jiosy sasantsasany koa nivezivezy nandroaka ny fanahy ratsy”. (Asan’ny Apostoly 19:13, DIEM ). Rehefa nanameloka ny Fariseo i Jesosy Kristy, dia nanampy teny hoe: “Mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta”. (Matio 23:15). Ny tenan’i Jesosy mihitsy aza dia minisitra nanao dia lavitra. Nampiofana ny apostoliny sy mpianany izy mba hanahaka azy amin’ny fitoriana, tsy tany Jodia sy Samaria ihany, fa “hatramin’ny faran’ny tany” koa. — Asan’ny Apostoly 1:8.
Nandritra ireo dia lavitra nataony, dia nifanena tamin’ireo mpitory tsy jiosy ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Tany Atena, i Paoly dia nifandona tamin’ireo filozofa epikoreana sy stoika. (Asan’ny Apostoly 17:18). Nanerana ny Empira Romana, ireo Cyniques dia nampiaiky ny olona tamin’ny kabary feno fieboeboana. Ireo mpivavaka nafana fo tamin’i Isis sy i Serapis dia nanitatra ny hery fitaomany teo amin’ny vehivavy sy ny andevo, tamin’ny fampanantenana fitoviana ara-pivavahana sy ara-tsosialy tamin’ny lehilahy afaka. Ny fivavahana tatsinanana momba ny fahavokarana dia nanome fiaingana ho an’ireo fivavahana mifono zava-miafina maro be teo amin’ny tontolo grika sy romana. Nanintona ny mpanara-dia an’ireo andriamanitra sandoka atao hoe Demeter, sy Dionysus ary Cybele ny fampanantenana famotsoran-keloka sy ny faniriana hahazo anjara amin’ireo zava-miafina araka an’ireo andriamanitra.
Ahoana no nisahanana ny fandaniana?
Lafo anefa ny fanaovana dia lavitra. Ankoatra ny fadin-tseranana sy ny fandaniana tamin’ny fandehanana sambo, dia nila sakafo sy trano, kitay, fitafiana ary fikarakarana ara-pahasalamana ireo mpitety faritany. Nanao izay hahazoana ireo zavatra nilaina ireo tamin’ny fomba lehibe dimy ireo mpitory, mpampianatra, filozofa ary mpanohana ny fivavahana mifono zava-miafina. 1) Nampianatra ho fikaramana izy ireo; 2) nanao asa madinika sy asa tanana; 3) nanaiky fampiantranoana sy fanomezana an-tsitrapo; 4) niaraka tamin’ny mpanohana nanankarena, mazàna tamin’ny naha-mpanabe; ary 5) nangataka. Mba hampiomanany ny tenany tamin’ny fandavan’ny olona tsy hanome zavatra, dia nangataka fiantrana tamin’ny sary vongana tsy manana aina mihitsy ilay Cynique, mpangataka malaza atao hoe Diogenes.
I Paoly dia nahafantatra mpitory sasany izay nihambo ho minisitra kristiana, kanefa, sahala amin’ireo filozofa grika, dia nisakaiza tamin’ny mpanankarena ary nangalatra tamin’ny mahantra. Nanome tsiny ny kongregasiona tany Korinto izy tamin’ny filazana hoe: “Leferinareo (...) raha misy mandàny anareo, raha misy maka ny anareo”. (2 Korintiana 11:20, DIEM ). Tsy naka na inona na inona an-keriny mihitsy i Jesosy Kristy, ary tsy nanao izany koa i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy. Fa ireo mpitory ny filazantsara nanana faniriana nihoa-pampana tao Korinto kosa dia “Apostoly sandoka” sy “mpiasa mamitaka”, ary minisitr’i Satana. — 2 Korintiana 11:13-15.
Ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany dia nisakana ny fisian’ny fampianarana ho fikaramana. “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana”, hoy ny toroheviny. (Matio 10:8). Na dia nahazatra aza ny nangataka, dia nohamavoina ny fanao toy izany tamin’izany andro izany. Tao amin’ny fanoharany iray i Jesosy dia nilazalaza ny amin’ny mpitandrin-draharaha iray izay nilaza hoe: “Ny mangataka mahamenatra ahy”. (Lioka 16:3). Noho izany, dia tsy hahita mihitsy ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly isika hoe ireo mpanara-dia nahatoky an’i Jesosy dia nangataka vola na fananana. Izy ireo dia niaina nifanaraka tamin’ilay fotopoto-pitsipika hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy”. — 2 Tesaloniana 3:10.
Nampirisika ny mpianany mba hisahana izay nilainy tamin’ny fomba roa i Jesosy. Voalohany, izy ireo dia afaka ‘mahazo fivelomana amin’ny filazantsara’, araka ny nilazan’i Paoly azy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanekena ny fampiantranoana izay atao an-tsitrapo. (1 Korintiana 9:14; Lioka 10:7). Faharoa, dia afaka miasa mba hahazoany izay ilainy ara-nofo ny tenany. — Lioka 22:36.
Fotopoto-pitsipika nampiharin’i Paoly
Ahoana no nampiharan’i Paoly ireo fotopoto-pitsipika voalaza teo? Mikasika ilay dia misionera faharoa nataon’ilay apostoly, dia izao no nosoratan’i Lioka: “Niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia. Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’izany zara-tanin’i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay”. Ny saran-dalana, ny sakafo, ny trano izay tafiditra tamin’izany dia niantohan’ny tenan’izy ireo manokana. — Asan’ny Apostoly 16:11, 12.
Tamin’ny farany, dia nisy vehivavy iray natao hoe Lydia nanaiky “ny teny izay nolazain’i Paoly. Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy”. (Asan’ny Apostoly 16:13-15). Noho ny fampiantranoana nataon’i Lydia angamba, fara faharatsiny, no nahafahan’i Paoly nanoratra ho an’ireo mpiray finoana taminy tany Filipy nanao hoe: “Velom-pisaorana an’Andriamanitra ny aminareo aho, isaky ny mahatsiaro anareo. Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny.” — Filipiana 1:3-5, DIEM.
Nanonona ohatra maro be ny amin’ireo olona nandray tsara ireny mpiasa kristiana mpanao dia lavitra ireny i Lioka. (Asan’ny Apostoly 16:33, 34; 17:7; 21:7, 8, 16; 28:2, 7, 10, 14). Tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry, i Paoly dia nilaza fa naharay ary nisaotra noho fampiantranoana sy ny fanomezana izay azony. (Romana 16:23; 2 Korintiana 11:9; Galatiana 4:13, 14; Filipiana 4:15-18). Kanefa, na izy na ireo mpiara-miasa taminy, dia samy tsy nilaza an-kolaka hoe tokony homena fanomezana na fanampiana ara-bola izy ireo. Afaka milaza ny Vavolombelon’i Jehovah fa mbola hita eo amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany ao aminy io fihetsika tsara dia tsara io.
Tsy niankina tamin’ny fampiantranoan’olona
Tsy niankina tamin’ny fampiantranoan’olona i Paoly. Nianatra asa tanana iray izay nitaky asa mafy sy ora maro nefa kely karama izy. Rehefa tonga tany Korinto tamin’ny naha-misionera azy ilay apostoly, dia “nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila (...) ary Prisila vadiny (...), dia nankeo amin’izy mivady Paoly. Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra teo aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany”. — Asan’ny Apostoly 18:1-3.
Tatỳ aoriana, tany Efesosy, dia mbola niasa mafy i Paoly. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:34; 1 Korintiana 4:11, 12.) Mety ho nandalina manokana momba ny fiasana ny cilicium, dia ilay hoditr’osy marokoroko fanaovana lay tany amin’ny faritra nahabe azy, izy. Azontsika atao ny maka sary an-tsaina an’i Paoly, mipetraka eo amin’ny akalana iray, miondrika eo amin’ny latabatra fiasany, mandidy sy manjaitra hatramin’ny alina be. Koa satria azo inoana fa kely dia kely ny tabataba tao amin’ilay trano fanaovana taozavatra, ka nanamora ny firesahana teo am-piasana mafy, dia nety ho nanana fahafahana hanao fanambarana tamin’ilay tompon’ny trano sy ny mpiasany, ny andevony, ny mpividy ary ireo sakaizany, i Paoly. — Ampitahao amin’ny 1 Tesaloniana 2:9.
Tsy nety nivarotra ny fanompoany na nanao izay hiheverana fa nampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoam-bola mihitsy i Paoly izay misionera. Nilaza tamin’ireo Tesaloniana izy hoe: “Ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman-alina tamin’ny fikelezana aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.” — 2 Tesaloniana 3:7-9.
Ireo mpanahaka azy amin’ny taonjato faha-20
Mandraka androany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Paoly. Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia tsy mandray karama, na dia vola isahanana ny fandaniany fotsiny aza, avy amin’ny kongregasiona izay anompoany. Mamelona ny ankohonany toy ny olon-kafa rehetra kosa izy ireo, ka ny ankamaroany dia miasa. Ireo minisitra mpisava lalana manontolo andro koa dia mamelon-tena, ka ny maro aminy dia miasa mba hahazoana fotsiny ireo foto-javatra ilaina. Isan-taona, dia mianto-tena manao dia lavitra ny Vavolombelona sasany mba hitoriana any amin’ny faritra lavitra izay mahalana no tratran’ny vaovao tsara. Raha misy fianakaviana eo an-toerana manasa azy ireo hisakafo na hiantrano ao aminy, dia mankasitraka izany izy ireo saingy tsy manararaotra ny fampiantranoana toy izany kosa.
Atao an-tsitrapo avokoa ny fitoriana sy fampianarana rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy mampandoa vola olona noho ny fanompoany mihitsy izy ireo. Na dia izany aza, dia raisina, ary alefa any amin’ny Fikambanana Watch Tower ho amin’izany zava-kendrena izany ireo fanomezana kely ho an’ny asa fitoriana maneran-tany. (Matio 24:14). Tsy varotra ny fanompoana ataon’ny Vavolombelona amin’ny lafiny rehetra. Sahala amin’i Paoly, ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka miteny amim-pahamarinana hoe: “Nitory maimaimpoana ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo [aho]”. (2 Korintiana 11:7). Tsy “manao ny tenin’Andriamanitra ho filàm-bola” ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro, pejy 27]
NY FOMBA ANAOVAN’NY SASANY FANOMEZANA HO AN’NY ASA FITORIANA ILAY FANJAKANA
◻ FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY ASA MANERAN-TANY: Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny vata ho an’ny fanomezana an-tsitrapo misy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany Ataon’ny Fikambanana — Matio 24:14.” Isam-bolana ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, na any amin’ny biraon’ny sampana akaiky azy indrindra.
◻ FANOMEZANA: Ny fanomezam-bola an-tsitrapo dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io miaraka amin’ireny fanomezana ireny.
◻ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower mandra-pahafatin’ilay mpanome, amin’ny fametrahana fepetra fa, raha ilain’ilay nanome izany, dia haverina aminy indray.
◻ FIANTOHANA: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/pension ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.
◻ KAONTY ANY AMIN’NY BANKY: Ny kaonty any amin’ny banky, ny fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo omena ho antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.
◻ PETRA-BOLA MIASA (ACTIONS) SY RENIVOLA NAMPISAMBORINA (OBLIGATIONS): Ny petra-bola miasa sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana tanteraka ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony na ny zanabola dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.
◻ TRANO SY TANY: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tanteraka, na amin’ny fanasiana famerana izany ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.
◻ DIDIM-PANANANA SY FANANKINAM-PANANANA (FIDÉICOMMIS): Azo ampandovaina fananana na vola ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fanekena iray momba ny fanankinam-pananana ny Fikambanana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fandaminana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hisy kopian’ilay didim-pananana na ilay fanekena momba ny fanankinam-pananana halefa any amin’ny Fikambanana.
Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba izany, dia manorata any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana.
[Efajoro, pejy 29]
NANIRY HANAMPY IZY
I TIFFANY dia zazavavy mpianatra 11 taona any Baton Rouge, Louisiana, any Etazonia. Tsy ela izay, dia nanomana famelabelarana momba ny foto-kevitra hoe “Ny fampianarana eto Amerika” io tanora Vavolombelon’i Jehovah io. Vokatr’izany, dia naharay izao taratasy izao avy tamin’ny talen’ny sekoly ny ray aman-dreniny izay Vavolombelona:
“Nandritra ny herinandro ho an’ny Fampianarana Amerikana, dia nisy famelabelarana niavaka iray isan-kilasy novakina tamin’ny fanamafisam-peo. Faly aho nampiasa ny lahatsoratra nataon’i Tiffany androany maraina. Vehivavy tanora tena miavaka tokoa izy. Mahay mandanjalanja, matoky tena, manan-talenta ary tsara fanahy izy. Mahalana aho no nahita mpianatra ao amin’ny kilasy faha-6 manana maro aoka izany amin’ireo toetra tsara ireo. Fananana sarobidy ho an’ny sekolinay i Tiffany.”
Nahazo ny voalohany i Tiffany tamin’ilay fifaninanana famelabelarana. Nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower izy taorian’izay ka nanao hoe: “Azo inoana fa nandresy tamin’ilay fifaninanana aho noho ilay boky hoe Les Jeunes S’interrogent — Réponses Pratiques ihany. (...) Nampiasa ireo toko momba ny fampianarana aho. (...) Misaotra anareo indrindra aho noho ny namoahanareo io boky tena mahasoa sy mandrisika hanao zavatra io. Nahazo fito dolara aho tamin’ilay famelabelarana nataoko ka nandresy. Atolotro ho fanomezana io 7 dolara io sy ny 13 fanampiny, izay mitontaly 20 dolara ho an’ny asa fitoriana maneran-tany. (...) Rehefa lehibe aho, dia manantena koa ny hanao asa an-tsitrapo ho amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela.”
[Sary, pejy 26]
Indraindray i Paoly dia nahazo ny fivelomany tamin’ny fanamboarana lay