Ny fampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra
“Isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’i Kristy toy ny fanaon’izay avy nandresy [amin’ny filaharan’ny mpandresy, MN ], ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay!”—2 KORINTIANA 2:14.
1. Famerovero inona no resahintsika eto, ary ahoana no tokony hiheverana ny tombontsoa hampiely azy io?
FOFÒNY ange! M-m-m-m! Renao ve izany famerovero mahafinaritra izany? Tsy ny fameroveron’ireo voninkazo mamony no resahinay eto, fa ny famerovero ara-panoharana avoakan’ny soratra tsara indrindra eto an-tany kosa. Tsy ireo soratra avy amin’ny olona tsotra akory izany fa ny fehezam-boninkazo ara-panoharana azo avy tamin’ny tsindrimandrin’Ilay namorona koa ireo voninkazo mamerovero izay mandravaka ny tany. Harena sarobidy tokoa ny tombontsoa hampiely io fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra io. Eny, izany dia asa fanompoana iray izay sarobidy indrindra — tsy ananan’ny rehetra, tsy ananan’ny taranak’olombelona amin’ny ankapobeny.
2. Oviana ny mpianatr’i Kristy no nanomboka nampiely io famerovero ara-panoharana io, ary inona no vokatr’izany?
2 Io harena sarobidy io dia natolotra an’ireo mpianatr’i Kristy rehefa nasaina nandray anjara voalohany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo tamin’ny andro Pentekosta tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana. Feno ny fanahy masina izy ireo ary nanomboka nampiely famerovero ara-panoharana iray, tamin’ny fanazavana “ny zavatra mahatalanjon’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 2:1-4, 11, MN ) Tamin’ny alalany no hahatongavan’ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra any amin’ny hafa, dia tsy ny Jiosy araka ny nofo voafora ihany, fa ireo firenena sy foko sy olona ary fiteny tsy voafora koa. (Asan’ny apostoly 10:34, 35) Ireo tena mpianatra marina dia nihevitra io fanompoana io ho sarobidy kokoa noho ny harena ara-nofo rehetra izay angonin’ny olona ho an’ny tenany.
3. Tonga hatraiza ny fanatanterahana io asa fampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra io, ary fanontaniana inona no ilaintsika apetraka amin’ny tenantsika?
3 Amin’izao andro izao, ny asa lehibe atao mba hampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra dia tanterahina manerana ny tany — amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho ny hatramin’izay teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fanambarana amin’ny taranak’olombelona rehetra momba ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina eo ambany fanapahan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. (Matio 6:10; Asan’ny apostoly 1:8) Moa ve ianao mihevitra ny asa fanompoana atao mba hanambarana ilay Mpanjaka sy ny Fanjakana ho toy ny harena tsy hay tombanana? I Jesosy Kristy, izay nitarika ny fitoriana ny vaovao tsaran’izany Fanjakana izany, dia nihevitra azy io ho toy izany, ka namela ohatra harahina. — Matio 4:17; 6:19-21.
Aoka isika hanamanitra ny Lalan’ny Filaharan’ny Mpandresy
4. Araka ny 2 Korintiana 2:14, amin’ny fomba ahoana no itarihan’Andriamanitra ny mpanompony ankehitriny, ary fomba fanao fahiny inona no nasian’ny tenin’i Paoly fitenenana eto?
4 Nahoana no zavatra tokony hoheverina ho sarobidy ny fanompoana an’Andriamanitra? Ny antony iray dia satria, na dia ankehitriny aza, ireo izay manompo an’i Jehovah dia manana tombontsoa miavaka ny hotarihin’Andriamanitra eo amin’ny filaharana be voninahitry ny mpandresy. Araka ny Fandikan-teny katolika, dia izao no lazain’ny 2 Korintiana 2:14: “Isaorana anie Andriamanitra izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’ny Kristy Jeso, sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.” Toa manisy firesahana ny amin’ny fomba fanao fahiny momba ny filaharana natao taorian’ny fandresena ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo.a
5, 6. (a) Inona no nitranga nandritra ireo filaharan’ny mpandresy natao tany Roma fahiny, ary nilaza inona ho an’ny olona samy hafa teo ny famerovero nahafinaritra tamin’izay? (b) Inona no fampiharana ara-panahy an’ilay fanoharana ao amin’ny 2 Korintiana 2:14-16?
5 Tamin’ny andron’ny repoblika romana, ny iray tamin’ireo voninahitra ambony indrindra azon’ny Sénat (mpandini-draharaham-panjakana ambony indrindra) nomena ny jeneraly nandresy iray dia ny fanomezana azy lalana hankalaza ny fandreseny tamin’ny alalan’ny filaharam-pandresena nandaniana be. Nandeha moramora nanaraka ny Via Triumphalis ilay filaharana romana ary niakatra ny lalana niolakolaka nankany amin’ny tempolin’i Jopitera teny an-tampon’ny havoanan’ny Capitoline. Ireo mpanjaka, sy andriana ary jeneraly azo babo tamin’ny ady, niaraka tamin’ny zanany sy ny mpanompony, dia notaritina nigadra, nampitanjahina matetika, ho fampietrena sy fahafaham-baraka ho azy.
6 Teo am-pamakivakian’ilay filaharana ny tanànan’i Roma, ny vahoaka dia nanipy voninkazo teo anoloan’ny kalesin’ilay mpandresy, ary ny ditin-kazo manitra narehitra dia nampamerovero ilay lalana manontolo. Io famerovero mahafinaritra io dia nidika ho voninahitra sy fiainana misy fiarovana kokoa ho an’ireo miaramila nandresy. Nidika fahafatesana anefa izany ho an’ireo babo tsy voavela heloka izay hovonoina ho faty rehefa hifarana ilay filaharana. Izany dia manazava ny fampiharana ara-panahy omen’i Paoly an’ilay fanoharana ao amin’ny 2 Korintiana 2:14-16. Io sary io dia mampiseho an’i Paoly sy ireo Kristiana namany ho toy ny vahoaka nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra, “miaraka amin’i Kristy” (MN ), izay samy manaraka ny fiara mandresin’Andriamanitra ary taritiny ao amin’ny filaharana malazan’ny mpandresy manaraka lalana mamerovero iray.
Ny fameroveron’ny fiainana sa ny fofom-pahafatesana
7, 8. (a) Amin’ny fomba ahoana no ampielezan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra? (b) Raha mampiely ilay famerovero ara-panahy ny Vavolombelona, dia manao ahoana ny fihetsik’ireo izay hovonjena? (c) Fihetsika manao ahoana no hita eo amin’ireo izay ho very?
7 Amin’ny fanaparitahana hatraiza hatraiza ireo fahamarinan’ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fanapahan’i Kristy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiely sy mampiseho ary mampiharihary hatraiza hatraiza ny fameroveron’ny fahalalana an’ilay Andriamanitra be fahamoram-panahy izay nanafaka azy ireo tamin’ny fivavahan-diso tamin’ny alalan’ny fahamarinany. Mandeha amim-pandresena eo amin’ny lalan’ny asan’i Jehovah izy ireo. Ny asa atolotr’izy ireo amin’ny maha-vavolombelona ho azy sy ilay Mpanjaka voatendriny dia toy ny ditin-kazo manitra mahafaly ho an’i Jehovah. Araka izany, dia azontsika tsara ny tian’ny apostoly Paoly holazaina raha nilaza izy hoe: “Hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very: amin’ny sasany dia hanitra [fofona, MN ] avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra [fofona, MN ] avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana [“famerovero iankinan’ny aina izay mitondra fiainana”, The New English Bible; “ny famerovero mamelombelon’ny fiainana mihitsy”, Philips].” — 2 Korintiana 2:15, 16.
8 Ny olona mahitsy fo manana toetry ny ondry dia mahatsapa ny hatsaran’ny fahalalana an’i Jehovah araka ny anelezan’ny Vavolombelony azy. Amin’ny olona toy izany ny asa fanaovana fanambarana dia manana ny hanitry ny fahasalamana sy ny fiainana, ny an’ny fahamarinana manome fiainana. Manolotra fisaorana an’i Jehovah sy ilay Mpanjaka voatendriny izy ireo ka miditra koa ao amin’ny filaharan’ny mpandresin’izy ireo, ary mihiaka mafy hoe: “Ny famonjena dia avy amin’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:10, MN ) Mifoka ny rivo-piainan’ny fahamarinan’ilay Fanjakana, izay famerovero mamelombelon’ny fiainana mitarika ho any amin’ny fiainana, izy ireo. Nosimban’i Satana sy ireo demoniany anefa ny fahafahana manimbolon’ireo izay mifikitra mafy amin’ny fivavahan-diso, hany ka manentsina ny orony ireo ary mandà ny fahamarinana amim-panamavoana. Ho an’ireo “izay ho very”, ny fahamarinana sy ny mpitondra azy mahatoky dia mampiely fofom-pahafatesana mitarika ho amin’ny fahafatesana. Na koa, araka ny New International Version: “Ho an’ny iray isika dia fofon’ny fahafatesana.” Ny Fandikan-teny katolika dia mandika azy toy izao: “Amin’ny sasany moa fofom-pahafatesana hahafaty.”
9. Fanontaniana inona izao no ataon’i Paoly, ary ahoana no hamalianao azy, ary nahoana no mamaly toy izany ianao?
9 “Koa iza moa no antonona ho amin’izany zavatra izany?” hoy ny fanontanian’ilay apostoly avy eo. (2 Korintiana 2:16) Izany hoe: “zovy àry no tandrifiny hahavita asa toy izany?” (Fandikan-teny katolika) “Ary ho an’ny asa fanompoana toy ity, iza no hahay?” (Weymouth) Izao ny valin’ny Soratra masina: Ny Vavolombelon’i Jehovah! Nahoana? Satria tsy misy afa-tsy ireo nanolo-tena izay mahitsy fo sy tso-po ary tsy mikatsaka tombony mampiseho fitiavan-tena, ka milaza ny marina, amin’ny fomba tsotra sy tsy misy fanekena lembenana amin’ny fivavahan-diso, ihany no mahafeno fepetra hanao io asa fanaparitahana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra io. — Kolosiana 1:3-6, 13; 2 Timoty 2:15.
10. Nahoana ny klerjy no tsy mahafeno fepetra mba hanao ilay asa fampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra?
10 Ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay mikatsaka laza tsara eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia tsy mahafeno fepetra sady tsy mahay mba hanao io asa fanompoana mampiseho fandavan-tena io. Nahoana? Satria izy ireo tsy mahafeno ny fepetra voambara ao amin’ny tenin’i Paoly manao hoe: “Tsy mba toy ny maro izay manatsatso [mivarotra, MN ] ny tenin’Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.” (2 Korintiana 2:17) Na koa, araka ny New International Version: “Tsy mba tahaka ny maro hafa izahay fa tsy mivarotra ny tenin’Andriamanitra mba hahazoana tombony. Mifanohitra amin’izany aza fa ao amin’i Kristy no itenenanay eo anatrehan’Andriamanitra amim-pahatsorana, toy ny olona nirahin’Andriamanitra.”
11, 12. (a) Nahoana ny Vavolombelona no tsy “mpivarotra ny tenin’Andriamanitra” raha manaiky fanomezana an-tsitrapo? (b) Mifanohitra amin’ireo endriky ny kristianisma voatsatso vidin’ny maro, inona no atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah?
11 Irahin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah ary manao ny asa fanambarany eo ambany fitarihan’Andriamanitra izy ireo. Raha manome boky sy zavatra vita an-tsoratra sarobidy manazava ny Tenin’Andriamanitra izy ka mandray fanomezana an-tsitrapo ho an’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, izany fanao izany akory tsy fivarotana na fanatsatsoana ny Tenin’Andriamanitra. Raha ny marina, ny fanomezana toy izany dia fanampiana fotsiny ho an’ny fanaparitahana ny fahalalana an’Andriamanitra ho any amin’ny hafa indray.
12 Maro dia maro amin’izao andro izao, na fantany izany na tsia, no nividy endriky ny kristianisma voatsatso, satria sady mahafa-po ny faniriany feno fitiavan-tena izany no tsy manakantsakana ny fomba fiainany. Mino izy fa eken’Andriamanitra ny tenany satria mihambo ho manana fitiavana azy ao am-pony. Kanefa, rehefa aseho fa mifanipaka amin’ny finoany sy ny fitondrantenany ny Tenin’Andriamanitra, dia aolany ny Soratra masina mba hanondrotana ny hevitry ny tenany manokana ho ambonin’ny fanazavana ny Baiboly tena izy. (Matio 15:8, 9; 2 Petera 3:16) Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia mampiseho ny fahamarinana madio sy tsy voatsatso avy ao amin’ny Baiboly, ka amin’izany dia mampiely famerovero mahafinaritra azon’Andriamanitra sy ireo tena mpanompony marina ekena. Amin’izany fomba izany no anilihany ireo lovantsofina sy fanakantsakanana ara-pivavahana rehetra amin’ny fahazoana ny fahalalana marina an’Andriamanitra.
13. Iza, ankoatra ny kristiana voahosotra, no ao amin’ny filaharam-pandresen’Andriamanitra, ary inona no ataony na aiza na aiza alehany?
13 Marina tokoa fa ny fanarahana ny filaharan’ny mpandresin’Andriamanitra miaraka amin’ny Kristiny dia tombontsoa tsy manam-paharoa izay tsy ny kristiana voahosotra ihany no mankafy azy fa ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” koa na dia dieny izao aza, satria efa antomotra ny fandresen’ilay Fanjakana. (Apokalypsy 7:4, 9; Jaona 10:16) Eo am-piandrasana fandresena maro hafan’ilay Mpanjakantsika mandresy, na aiza na aiza alehantsika, isika dia mampiely ny fahalalana an’Andriamanitra manome fiainana toy ny hanitra, na ditin-kazo manitra sarobidy, amin’ireo izay manana fo maniry mafy ny marina sy ny fahamarinana. Tombontsoa toy inona moa izany ho an’ireo izay mahafeno fepetra mba hanao io asa miavaka io! — Jaona 17:3; Kolosiana 3:16, 17.
Mahazo lalana ho olombelona mpanome hanitra
14. Nahoana ireo izay mampiely ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra no tsy mila taratasy fanamarinana fahazoan-dalana avy amin’ny olona?
14 Mila diplaoma na taratasy fanamarinana fahazoan-dalana avy amin’ny olona ve anefa ireo izay mampiely ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny Fanjakany? Tsia! Isika dia efa nomena fahefana na notendrena mba ho Vavolombelon’ilay Tsitoha manerana izao rehetra izao. Noho izany, dia tsy mila ny misalasala isika mba handeha eny amin’ny saha fitoriana ka hanaparitaka ny fameroveron’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tadidio ao an-tsaina fa Jehovah no mitarika antsika. Ny fanompoan’i Jesosy dia notanterahiny teo anoloan’ny “fanoherana nataon’ny mpanota taminy”. (Hebreo 12:3) Kanefa, ny filazana asan’i Jesosy, araka ny hita ao amin’ny Baiboly, dia mbola miharihary ho marina ihany, ary ny asany teny amin’ny saha fitoriana dia mitory fiderana ho azy ary manaporofo ny naha-tena mpanompon’i Jehovah Andriamanitra azy.
15. Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa tsy mila “taratasy fanolorana” ny kristiana marina?
15 Nanolotra izao fanazavana izao ny apostoly Paoly rehefa nandia tarehin-javatra sarotra tahaka izany izy tamin’ny androny: “Moa midera tena indray ve izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa [taratasy fanolorana, MN ] anay ho aminareo, na avy aminareo? Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatry sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.” — 2 Korintiana 3:1-3.
16. Karazana taratasy manao ahoana no asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho porofo manamarina fa avy amin’Andriamanitra ny fanompoany?
16 Tsy manaiky ny asa nanendrena antsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao. Kanefa, aoka ny asa fampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra ataontsika ihany no hanaporofo izany! Tsy azo kosehina io asa io, na dia misy olona mandà tsy hamaky io porofo manamarina ny fanompoantsika io aza. Ny klerjy dia mampiseho ny taratasy fanamarinana azony avy amin’ny fitambaran’ireo mpitarika azy. Izany anefa dia poti-taratasy ihany, tenin’olona. Ny Vavolombelon’i Jehovah, ankoatra ny fanononany teny fanamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia mijoro ho porofo nofo aman-dra. Ny olona betsaka amin’ny ondry hafa izay tratran’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia nangonina koa ho eo amin’ny ankavanan’ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. (Matio 25:33, 34) Izy rehetra ireo no taratasy fanolorana antsika, dia taratasy izay entintsika Vavolombelon’i Jehovah hatraiza hatraiza ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ary azontsika aseho amim-patokiana. Ny tenan’ireo izay miandany amin’ny fiandrianan’Andriamanitra manerana izao rehetra izao ka miara-mandray anjara amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy dia taratasy fanolorana izay tsy azon’ny olona rehetra odian-tsy vakina na tsy fantatra.
17. Ahoana no anoratana ny “taratasin’i Kristy”, ary nahoana i Paoly no milaza fa soratana eo amin’ny fo izany?
17 Marina aloha fa mahatezitra sady mampialona ireo mpanaraka fivavahan-diso ny famakiana izany. Na dia izany aza anefa, ny fitomboan’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa dia taratasy fanolorana avy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry ondry tsara dia tsara, izay mampiasa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra eo amin’ny asany fikarakarana ny ondry. Isika no penina, na fitaovana olombelona, izay ampiasainy mba hanoratana io taratasy io. Tsy soratana amin’ny ranomainty izay azo vonoina akory io taratasy io, fa soratan’ny hery, na fanahy, miasan’Andriamanitra, izay miasa ao amintsika, sy amin’ny alalany. Izany akory tsy mitovy amin’izay nitranga tamin’i Mosesy, rehefa nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra teo amin’ny vato fisaka roa ny lalàn’ireo Didy Folo. Ny taratasintsika kosa dia soratana eo amin’ny vato fisaka nofo, dia fon’olombelona, satria miteraka fiovan’ny saina sy ny fon’ireo mandray ilay vaovao tsara mamerovero ny fanompoantsika ara-panahy.
18. Vokatra inona no mahatonga ireo mandray ny vaovao tsara ho taratasy fanolorana?
18 Ny asantsika mifandray amin’ny Tenin’Andriamanitra dia niteraka vokatra teo amin’ireo nandray sy nankasitraka ny vaovao tsara ka nitondra fiovana lehibe dia lehibe. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanompo an’Andriamanitra akory tsy fanaovan-javatra tampotampoka fotsiny, vokatry ny zotom-po nohetsehin’ny mpitory ny filazantsara mahay mampihetsi-po iray. Izany kosa dia mampiseho fiovana maharitra eo amin’ny fiainany mifototra amin’ireo fahamarinana madio mangarangaran’ny Baiboly Masina. Ny fitiavana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, no manosika azy ireo ‘hanary ny toetrany taloha sy ny filany mamitaka ary hitafy ny toetra vaovao’, izay maneho “ny vokatry ny fanahy.” (Efesiana 4:20-24, MN; Galatiana 5:22, 23) Ny vokatr’izany àry no mahatonga azy ireo ho taratasy fanolorana. Miteny mazava kokoa noho izay taratasy nosoratan’ny tanantsika na nosoratan’izay fandaminana hita maso nety ho naniraka antsika izany.
19. Amin’ny fomba ahoana no ilazalazan’i Paoly ny toetra tsaran’ireo izay mahafeno fepetra ho “mpanompo amin’izay fanekena vaovao”, ary inona no vokatry ny asan’izy ireo teo amin’ny olona betsaka?
19 Ao amin’ny 2 Korintiana 3:4-6 i Paoly dia manohy toy izao: “Ary manana izany fahatokiana izany ny amin’Andriamanitra izahay amin’ny alalan’i Kristy. Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra, Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’izay fanekena vaovao.” Na dia ireo anisan’ny sisa voahosotra ihany aza no “mpanompo amin’izay fanekena vaovao”, ny asan’izy ireo dia nisy vokany teo amin’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa, ary mbola hisy vokany ihany eo amin’ny ondry hafa toy izany tsy hita isa mbola hangonina. Izany no fatokiana ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra raha ny amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Mampirisika amim-pankasitrahana ny olona betsaka amin’ny ondry hafa mba handray anjara amin’ny fony manontolo amin’io fanompoana ‘fanoratana taratasy’ izay nambaran’i Jesosy Kristy mialoha ao amin’ny Matio 24:14 sy ny Matio 28:19, 20 io ny sisa voahosotra.
20. (a) Inona no ambaran’ny fitantaran’ny Diary momba ireo izay mampiely ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra? (b) Inona no azontsika rehetra lazaina raha ny amin’ireo toetra mahatonga antsika hahafeno tsara ny fepetra ho amin’ny fanompoana fanoratana taratasy?
20 Izany no nataon’izy ireo, araka ny porofoin’ny fitantaran’ny Diary 1990 izay mampiseho ny Vavolombelon’i Jehovah ho mampiely ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra any amin’ny tany 212. Mpitory miasa maherin’ny 3 787 000 izy ireo, ary tamin’ny herintaona fotsiny izy dia nandany 835 000 000 ora nitoriana io vaovao tsaran’ilay Fanjakana io. Tamin’ny Sakafo harivan’ny Tompo tamin’ny herintaona, dia nisy mpanatrika 9 479 064. Na ny sisa voahosotra na ireo anisan’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa dia samy afaka miteny hoe: “Ny fahaleovanay [ny mahatonga anay hahafeno tsara ny fepetra, MN ] dia avy amin’Andriamanitra.” Na koa, araka ny ilazan’ny Fandikan-teny katolika azy: “Andriamanitra ihany no ihavian’ny fahampiany.”
21. Inona no tokony hataontsika rehetra, ary nahoana?
21 Noho izany, dia ampielezo hatraiza hatraiza ny famerovero mahafinaritra sy manome fiainana an’ny fahalalana an’Andriamanitra! Ataovy manentoento amin’ny fameroveron’ny fahalalana an’i Jehovah ny rivo-piainan’ny faritanin’ny kongregasionanao. Amin’izay, amin’ny maha-Jeneraly teokratika mandresy azy, i Jehovah dia hitarika anao ao amin’ny filaharam-pandreseny raha mbola eo am-pandrosoana hatrany ny Vavolombelony eo amin’io fanompoana be voninahitra amin’ny andro ankehitriny io!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa, dia jereo ny Insight on the Scriptures, boky faha-2, pejy faha-1128 sy faha-1129, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Ahoana no havalinao?
◻ Fanoharana inona no ampiasain’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 2:14-16?
◻ Inona no vokatry ny fampielezana ny fameroveron’ny fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny hafa?
◻ Iza ihany no mahafeno fepetra hanao io asa io, ary nahoana?
◻ Nahoana ireo olombelona mpanome hanitra ireo no tsy mila taratasy fanolorana nosoratan-tanana ho fanamarinana ny asany?