“Testamenta Taloha” sa “Soratra Hebreo” — Iza Amin’ireo?
AMIN’IZAO andro izao dia fanao mahazatra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny mampiasa ireo fitenenana hoe “Testamenta Taloha” sy “Testamenta Vaovao” mba hilazalazana ireo tapany amin’ny teny hebreo/aramiana sy grika ao amin’ny Baiboly. Kanefa moa ve misy fototra ara-baiboly ny fampiasana ireo fitenenana ireo? Ary noho ny antony inona avy, amin’ny ankapobeny, no analaviran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampiasana azy ireo ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakany?
Marina fa toa manohana io fanao io ny 2 Korintiana 3:14, araka ny King James Version, ary koa ireo fandikan-teny taloha kokoa hafa sasany, toy ny Septembertestament alemanina, fandikan-teny voalohany nataon’i Martin Luther (1522). Ao amin’ny King James Version, dia toy izao no amakiana io andininy io: “Kanefa voajamba ny sain’izy ireo: fa hatramin’izao dia tsy nesorina ihany ilay fisalobonana tamin’ny famakiana ny testamenta taloha; io fisalobonana io dia esorina ao amin’i Kristy.”
Kanefa, miresaka ny amin’ireo boky 39 izay antsoina mazàna hoe “Testamenta Taloha” ve eto ilay apostoly? Ny teny grika nadika eto hoe “testamenta” dia di·a·theʹke. Ilay firaketana ara-teolojia alemanina malaza atao hoe Theologische Realenzyklopädie, dia milaza, amin’ny fanazavana ny 2 Korintianina 3:14, fa ‘ny famakiana ny di·a·theʹke taloha’ eo amin’io andininy io dia mitovy amin’ny hoe ‘ny famakiana ny tenin’i Mosesy’ eo amin’ny andininy manaraka 2 Kor. 3:15. Koa amin’izany, hoy izy io, ‘ny di·a·theʹke taloha’ dia mampiseho ny Lalàn’i Mosesy, na ny Pentateuque, fara fahabetsany. Azo antoka fa tsy mampiseho ny fitambarana manontolon’ny Soratra Masina ara-tsindrimandry talohan’ny Andro Kristiana, izy io.
Tsy manisy firesahana afa-tsy ny amin’ny tapany iray amin’ny Soratra Hebreo, dia ny faneken’ny Lalàna taloha, izay noraketin’i Mosesy an-tsoratra ao amin’ny Pentateuque, ilay apostoly; tsy manisy firesahana ny amin’ny Soratra Hebreo sy Aramiana amin’ny fitambarany izy. Ankoatra izany, dia tsy te hilaza izy fa mahaforona “testamenta vaovao” ireo soratra kristiana ara-tsindrimandry tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., satria tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly io fitenenana io.
Tokony homarihina koa fa ilay teny grika hoe di·a·theʹke izay nampiasain’i Paoly eto dia midika hoe “fanekena” raha ny marina. (Mba hahazoana fanazavana fanampiny dia jereo Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny (anglisy), appendice 7E, pejy faha-1585, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., 1984.) Noho izany, dia fandikan-teny maoderina maro no amakiana amin’ny fomba marina hoe “fanekena taloha” fa tsy hoe “testamenta taloha”.
Mifandray amin’izany, dia hoy ny “Gazetim-pirenena Katolika” (anglisy): “Ilay fitenenana hoe ‘Testamenta Taloha’ dia mitaona, amin’ny fomba tsy azo ialana, hihevitra ho ambany na lany andro.” Kanefa, tena asa soratra tokana ihany ny Baiboly, ary tsy misy tapany lany andro, na “taloha”. Tsy miovaova ny hafatra raketiny manomboka eo amin’ny boky voalohany ao amin’ny tapany hebreo ka hatramin’ny boky farany ao amin’ny tapany grika. (Romana 15:4; 2 Timoty 3:16, 17). Koa manana antony mafy orina tokony hanalavirana ny fampiasana ireo fitenenana ireo, izay miorina amin’ny fihamboana tsy marina, isika, ary aleontsika mampiasa ireo fitenenana marina kokoa hoe “Soratra Hebreo” sy “Soratra Grika Kristiana”.