Izao no Andro Famonjena!
“Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena”. — 2 KORINTIANA 6:2.
1. Inona no ilaina mba hananana toeram-pankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy?
NANENDRY andro iray hitsarana ny taranak’olombelona i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:31). Raha tiantsika ho andro famonjena ho antsika izany, dia mila manan-toeram-pankasitrahana eo anatrehany sy eo anatrehan’i Jesosy Kristy, ilay Mpitsara voatendriny, isika. (Jaona 5:22). Ny toeram-pankasitrahana toy izany dia mitaky ny hananana fitondran-tena mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy finoana izay manosika antsika hanampy ny hafa ho tonga tena mpianatr’i Jesosy.
2. Nahoana no lavitra an’Andriamanitra izao tontolo izaon’olombelona?
2 Lavitra an’Andriamanitra izao tontolo izaon’olombelona, noho ny ota nolovana. (Romana 5:12; Efesiana 4:17, 18). Noho izany, dia tsy hahazo famonjena ireo olona itoriantsika, raha tsy mihavana aminy indray izy ireo. Nasehon’ny apostoly Paoly mazava izany fony izy nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Korinto. Andeha hodinihintsika ny 2 Korintiana 5:10–6:10 mba hahitantsika izay nolazain’i Paoly momba ny fitsarana sy ny fampihavanana amin’Andriamanitra ary ny famonjena.
“Olona no ampanekenay”
3. Ahoana no ‘nampaneken’i Paoly olona’, ary nahoana isika no tokony hanao izany amin’izao andro izao?
3 Nampifandraisin’i Paoly ny fitsarana sy ny fitoriana, rehefa nanoratra toy izao izy: “Isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy. Koa amin’izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay”. (2 Korintiana 5:10, 11). ‘Nampanaiky olona’ tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara, ilay apostoly. Ahoana ny amintsika? Koa satria isika miatrika ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity, dia tokony hanao izay farany azontsika atao isika mba hampiaiky ny hafa hanao ireo dingana ilaina mba hahazoana didim-pitsarana tsara avy amin’i Jesosy sy ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanom-pamonjena.
4, 5. a) Nahoana isika no tsy tokony hirehareha ny amin’ny zava-bitantsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? b) Nahoana i Paoly no nirehareha “ho an’Andriamanitra”?
4 Tsy tokony hirehareha anefa isika, raha nitahy ny fanompoantsika Andriamanitra. Nisy olona sasany fatra-pirehareha ny amin’ny tenany na ny amin’ny lehilahy hafa, tany Korinto, ka nampisy fisaratsarahana tao amin’ny kôngregasiôna. (1 Korintiana 1:10-13; 3:3, 4). Niresaka tsy nivantana ny amin’io toe-javatra io i Paoly, fony nanoratra hoe: “Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho ihany, fa tsy amin’ny fo. Fa raha very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.” (2 Korintiana 5:12, 13). Tsy nahaliana an’ireo mpieboebo ny firaisan-tsain’ny kôngregasiôna sy izay nahasoa azy io ara-panahy. Naniry hirehareha teo amin’ny fisehoana ivelany izy ireo, fa tsy ny hanampy ireo mpiray finoana mba hanana fo tsara teo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, dia nananatra ilay kôngregasiôna i Paoly, ary nilaza toy izao tatỳ aoriana: “Izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany.” — 2 Korintiana 10:17.
5 Fa angaha moa tsy nirehareha koa i Paoly? Mety ho nieritreritra izany ny sasany, noho izay nolazain’i Paoly momba ny naha apostoly azy. “Ho an’Andriamanitra” anefa no nahavoatery azy hirehareha. Nirehareha ny amin’ireo porofon’ny naha apostoly azy izy mba tsy hahavery ireo Korintianina teo anatrehan’i Jehovah. Nanao izany i Paoly mba hamerenana azy ireo tamin’Andriamanitra, satria nampivily azy ireo tany amin’ny lalan-diso ireo apostoly sandoka. (2 Korintiana 11:16-21; 12:11, 12, 19-21; 13:10). Na izany aza, dia tsy niezaka foana hanaitra ny sain’ny olon-drehetra tamin’ny zava-bitany akory i Paoly. — Ohabolana 21:4.
Manery anao ve ny fitiavan’i Kristy?
6. Tokony hisy vokany manao ahoana eo amintsika ny fitiavan’i Kristy?
6 Noho i Paoly tena apostoly, dia nampianatra ny hafa momba ny sorom-panavotan’i Jesosy, izy. Nisy akony teo amin’ny fiainan’i Paoly izany, satria nanoratra toy izao izy: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Korintiana 5:14, 15). Fitiavana toy inona moa no nasehon’i Jesosy tamin’ny nanomezany ny ainy ho antsika! Azo antoka fa tokony ho hery manosika eo amin’ny fiainantsika izany. Ny fankasitrahana an’i Jesosy noho ny nanomezany ny ainy ho antsika dia tokony hanosika antsika hiasa amin-jotom-po eo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara momba ilay famonjena omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany malala. (Jaona 3:16; ampitahao amin’ny Salamo 96:2.) Moa ve “ny fitiavan’i Kristy” manery anao handray anjara amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra? — Matio 28:19, 20.
7. Inona no dikan’ny hoe “tsy mahalala olona intsony araka ny nofo”?
7 Rehefa mampiseho fankasitrahana an’izay nataon’i Kristy ho azy ny voahosotra, eo amin’ny fomba ampiasany ny fiainany, dia ‘tsy velona ho an’ny tenany intsony izy ireo, fa ho Azy’. “Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika”, hoy i Paoly, “eny, na dia nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy.” (2 Korintiana 5:16). Tsy nahazo nijery olona tamin’ny fomba araka ny nofo ny Kristianina, angamba tamin’ny fitondrana tsara kokoa ny Jiosy noho ny Jentilisa, na ny mpanan-karena noho ny mahantra. “Tsy mahalala olona intsony araka ny nofo” ireo voahosotra satria ny fifandraisany ara-panahy amin’ireo mpiray finoana aminy no zava-dehibe. Tsy ireo olona izay tena nahita maso an’i Jesosy fony teto an-tany ihany akory ireo ‘nahafantatra an’i Kristy araka ny nofo’. Na dia nijery an’i Kristy tamin’ny naha olombelona ara-nofo azy aza teo aloha ny olona sasany izay nanantena ny Mesia, dia tsy tokony ho nanao izany intsony izy ireo. Nanome ny vatany ho avotra i Kristy ary natsangana ho fanahy mahavelona. Misy olon-kafa hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra izay hamela ny vatany ara-nofo, na dia mbola tsy nahita akory an’i Jesosy Kristy tao amin’ny nofo aza. — 1 Korintiana 15:45, 50; 2 Korintiana 5:1-5.
8. Ahoana no nahatonga ny olona sasany ho “ao amin’i Kristy”?
8 Mbola nitodika tany amin’ireo voahosotra ihany i Paoly, rehefa nanampy teny toy izao: “Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.” (2 Korintiana 5:17). Ny dikan’ny hoe “ao amin’i Kristy” dia hoe tafaray aminy. (Jaona 17:21). Nanjary nanana izany fifandraisana izany ilay olona, fony i Jehovah nitaona azy ho amin’ny Zanany, sy niteraka azy tamin’ny fanahy masina. Noho izy zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy, dia “olom-baovao” izy, manana fanantenana ny hiara-manana anjara amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Jaona 3:3-8; 6:44; Galatiana 4:6, 7). Nomena tombontsoam-panompoana lehibe ny Kristianina voahosotra toy izany.
“Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo”
9. Inona no nataon’Andriamanitra mba hahatonga ny fampihavanana aminy ho azo atao?
9 Nomen’i Jehovah tombontsoa manokana tokoa ireo “olom-baovao”! Hoy i Paoly: “Izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, dia izao: Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.” (2 Korintiana 5:18, 19). Lavitra an’Andriamanitra ny taranak’olombelona, hatramin’ny nanotan’i Adama. Tamim-pitiavana anefa no nanaovan’i Jehovah ny dingana voalohany, ka nanokafany ny lalan’ny fampihavanana tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. — Romana 5:6-12.
10. Iza no nanankinan’i Jehovah ny fanompoana fampihavanana, ary inona no nataon’izy ireo mba hanatanterahana izany?
10 Nankinin’i Jehovah tamin’ireo voahosotra ny fanompoana fampihavanana, noho izany dia afaka niteny toy izao i Paoly: “Koa dia ambasadôra solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.” (2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy). Tamin’ny andro fahiny, dia nandritra ny fotoana nisian’ny fifandrafiana indrindra no nanirahana ireo ambasadaoro, mba hahitana raha azo nosorohina ny ady. (Lioka 14:31, 32). Koa satria lavitra an’Andriamanitra ilay tontolon’olombelona mpanota, dia naniraka ireo ambasadaorony voahosotra i Jehovah, mba hampahafantatra ny olona ny amin’ireo fepetra takina amin’ny fampihavanana. Noho ireo voahosotra solon’i Kristy, dia mangataka toy izao izy ireo: “Mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo.” Io fiangaviana io dia fampirisihana amim-pamindram-po mba hitady fihavanana amin’Andriamanitra sy hanaiky ny famonjena nanjary azo natao tamin’ny alalan’i Kristy.
11. Iza avy no hahazo ny toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny farany, noho ny finoana ny avotra?
11 Afaka mihavana indray amin’Andriamanitra ny olona rehetra izay maneho finoana ny avotra. (Jaona 3:36). Hoy i Paoly: “[I Jesosy izay] tsy nahalala ota dia efa nataony [i Jehovah] ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” (2 Korintiana 5:21). I Jesosy, izay lehilahy lavorary, no fanatitra noho ny otan’ny taranak’i Adama rehetra izay hafahana amin’ny ota nolovana. Tonga “fahamarinan’Andriamanitra” izy ireo, amin’ny alalan’i Jesosy. Ireo 144 000 mpiara-mandova amin’i Kristy aloha no mahazo io fahamarinana, na toeran’olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra io. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, ilay Rain’ny Mandrakizay, dia ho azon’ireo zanany eto an-tany ny toeran’olo-marina amin’ny maha olombelona lavorary. Hanandratra azy ireo ho amin’ny toeran’olo-marina lavorary i Jesosy, mba hahafahan’izy ireo hiseho ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, ka hahazo ilay fanomezana, dia ny fiainana mandrakizay. — Isaia 9:5; Apokalypsy 14:1; 20:4-6, 11-15.
Ilay “andro fankasitrahana”
12. Fanompoana lehibe inona no tanterahin’ireo ambasadaoro sy irak’i Jehovah?
12 Mba hahazoana famonjena, dia tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly toy izao isika: “Ary izahay mpiara-miasa aminy [i Jehovah] dia mangataka aminareo koa mba [tsy hanaiky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory nefa ho diso ny zava-kendren’izy io, NW ]. Fa hoy Izy: ‘Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao’; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena”. (2 Korintiana 6:1, 2). Tsy mba manaiky ny hatsaram-panahin-dRainy amin’izay tsy mendrika akory nefa ho diso ny zava-kendren’izy io, ireo ambasadaoro voahosotra sy ireo “ondry hafa” irak’i Jehovah. (Jaona 10:16). Manana fitondran-tena mahitsy sy manompo amin-jotom-po izy ireo amin’izao “andro fankasitrahana” izao, mba hitadiavany sitraka amin’Andriamanitra sy hampahafantarany ny mponina amin’ny tany fa izao no “andro famonjena”.
13. Inona no hevi-dehibe ao amin’ny Isaia 49:8, ary ahoana no nahatanterahan’izy io voalohany?
13 Notononin’i Paoly ny Isaia 49:8 izay vakina toy izao: “Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava”. Tanteraka voalohany io faminaniana io rehefa afaka avy tamin’ny fahababoana tany Babylona ny vahoakan’ny Isiraely, ka niverina tany amin’ilay tany lao niaviany, tatỳ aoriana. — Isaia 49:3, 9.
14. Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 49:8 tamin’i Jesosy?
14 Nisy fahatanterahany fanampiny ilay faminanian’i Isaia, ka tao i Jehovah dia nanome an’i Jesosy ‘mpanompony’ ho ‘fanazavana ny jentilisa, mba ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny famonjen’Andriamanitra’. (Isaia 49:6, 8; ampitahao amin’ny Isaia 42:1-4, 6, 7; Matio 12:18-21.) Miharihary fa nihatra tamin’i Jesosy fony izy teto an-tany ilay “taona fankasitrahana”, na “andro fankasitrahana”. Nivavaka izy ary ‘nihaino’ azy Andriamanitra. Hita fa “andro famonjena” ho an’i Jesosy ilay izy, satria nihazona tsy fivadihana tonga lafatra izy, ka “tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy”. — Hebreo 5:7, 9; Jaona 12:27, 28.
15. Hatramin’ny oviana ireo Isiraelita ara-panahy no nikely aina niseho ho sahaza ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ary inona no zava-kendreny amin’izany?
15 Nampihatra tamin’ireo Kristianina voahosotra ny Isaia 49:8, i Paoly, ka niangavy azy ireo mba ‘tsy ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory’. Ho diso ilay zava-kendrena izy ireo raha tsy mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra mandritra ilay “andro fankasitrahana” sy ilay “andro famonjena” izay nomeny. Nanampy teny toy izao i Paoly: “Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena”. (2 Korintiana 6:2). Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nikely aina niseho ho sahaza ilay hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ireo Isiraelita ara-panahy mba ho “andro famonjena” ho azy ireo ilay “andro fankasitrahana”.
‘Mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra’
16. Tao anatin’ny tarehin-javatra mafy inona avy i Paoly no nampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra?
16 Niseho ho tsy sahaza ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ny lehilahy sasany niaraka tamin’ny kôngregasiôna tany Korinto. Nendrikendrehin’izy ireo i Paoly mba hanapotehana ny fahefany naha apostoly azy, na dia ‘tsy nanao izay nahatafintohina’ aza izy. Azo antoka fa nampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra i Paoly, ‘tamin’ny faharetana be, tamin’ny fahoriana, tamin’ny fahaterena, tamin’ny fahantrana, tamin’ny kapoka, tamin’ny fatorana, tamin’ny tabataba, tamin’ny fisasarana, tamin’ny tsy fahitan-tory, ary tamin’ny fifadian-kanina’. (2 Korintiana 6:3-5). Tatỳ aoriana, dia nanjohy hevitra i Paoly fa raha toa ireo mpanohitra azy ka mpanompo, dia mba “mihoatra noho izy” ireo ny tenany, satria nizaka fanaovana an-tranomaizina sy kapoka sy loza ary fihafiana maro kokoa. — 2 Korintiana 11:23-27.
17. a) Rehefa maneho toetra inona avy isika vao afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra? b) Inona no atao hoe “fiadian’ny fahamarinana”?
17 Sahala amin’i Paoly sy ny namany, dia afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra koa isika. Amin’ny fomba ahoana? “Amin’ny fahadiovana”, na fahadiovam-pitondran-tena, sy amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fahalalana marina ny Baiboly. Afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika “amin’ny fahari-po”, izany hoe rehefa miaritra amim-paharetana ny ratsy na ny filana ady atao amintsika, ary “amin’ny fahamoram-panahy” rehefa manao zavatra mahasoa ny hafa. Ambonin’izany, dia afaka mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra isika, amin’ny fanekena ny tari-dalana omen’ny fanahiny, amin’ny fanehoana “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” sy amin’ny filazana ny marina ary amin’ny fianteherana amin’ny heriny mba hanatanterahana ny fanompoana. Mahaliana fa noporofoin’i Paoly koa ny naha mpanompo azy, tamin’ny alalan’ny ‘fiadian’ny fahamarinana, na tamin’ny [tanana, NW ] ankavanana na tamin’ny ankavia’. Tamin’ny ady fahiny, dia mazàna ny tanana ankavanana no nitana ny sabatra fa ny ankavia no nitondra ny ampinga. Rehefa nanao ady ara-panahy tamin’ireo mpampianatra sandoka i Paoly, dia tsy nampiasa fiadiana araka ny nofo mpanota, toy ny faniasiavana sy ny hafetsifetsen-dratsy ary ny fitaka. (2 Korintiana 6:6, 7; 11:12-14; Ohabolana 3:32). Nampiasa ‘fiadiana’, na fitaovana marina kosa izy, mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Toy izany koa no tokony hataontsika.
18. Ahoana no hitondrantsika tena raha mpanompon’Andriamanitra isika?
18 Raha mpanompon’Andriamanitra isika, dia hitondra tena tsara toy ny nataon’i Paoly sy ireo mpiara-miasa taminy. Hanao zavatra toy ny Kristianina isika na omem-boninahitra, na tsy hajaina. Tsy hampitsahatra antsika tsy hitory, ny laza ratsy aely momba antsika, ary tsy hieboebo koa isika raha misy laza soa aely momba antsika. Hilaza ny marina isika, ka mety ho fantatry ny olona tsara noho ireo asa tsara ataontsika. Hitoky amin’i Jehovah isika rehefa rahonan’ny loza mahafaty noho ny fanafihan’ny fahavalo. Ary hanaiky ny famaizana amim-pankasitrahana isika. — 2 Korintiana 6:8, 9.
19. Ahoana no ahafahana “mampanan-karena ny maro” eo amin’ny ara-panahy?
19 Rehefa namarana ny dinidinika nataony momba ny fanompoana fampihavanana i Paoly, dia nilaza ny tenany sy ireo mpiara-miasa taminy ho “tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny [mahantra, NW ], nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra”. (2 Korintiana 6:10). Nanana fifaliana anaty ireo mpanompo ireo, na dia nanana antony nalahelovana noho ny fahoriany aza. Nahantra ara-nofo izy ireo, kanefa ‘nampanan-karena ny maro’ teo amin’ny ara-panahy. ‘Nanana ny zava-drehetra’ izy ireo, raha ny marina, satria ny finoany dia nitondra harena ara-panahy ho azy ireo — hatramin’ny fanantenana ho tonga zanak’Andriamanitra any an-danitra mihitsy aza. Nanana fiainana ampoky ny soa sy sambatra koa izy ireo, noho izy mpanompo kristianina. (Asan’ny Apostoly 20:35). Afaka “mampanan-karena ny maro”, toy ny nataony koa isika, amin’ny fandraisana anjara amin’ilay fanompoana fampihavanana dieny izao — eny, amin’izao andro famonjena izao!
Matokia ny famonjen’i Jehovah
20. a) Inona no nirin’i Paoly fatratra, ary nahoana no tsy misy fotoana tokony holanilanina foana? b) Inona no manondro fa andro famonjena izao iainantsika izao?
20 Fony i Paoly nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina, tamin’ny taona 55 am.f.i. tany ho any, dia 15 taona teo ho eo sisa no tavela ho an’ny fandehan-javatra jiosy. Nirin’ilay apostoly fatratra ny hahatonga ny Jiosy sy ny Jentilisa hihavana indray tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy. Andro famonjena tamin’izay, ka tsy nisy fotoana tokony holanilanina foana. Ao anatin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra iray mitovy amin’izany koa isika hatramin’ny 1914. Ny fitoriana ilay Fanjakana maneran-tany, atao amin’izao fotoana izao, dia manondro azy io ho andro famonjena.
21. a) Inona no andinin-teny nofidina ho an’ny taona 1999? b) Tokony ho eo am-panaovana inona isika amin’izao andro famonjena izao?
21 Mila mandre ny amin’ilay fandaharam-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Tsy azo atao ny mangataka andro. Nanoratra toy izao i Paoly: “Indro, ankehitriny no andro famonjena”. Ireo teny ao amin’ny 2 Korintiana 6:2 ireo no ho andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 1999. Mety tokoa izany satria miatrika zavatra ratsy lavitra noho ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny isika! Miandry antsika atsy ho atsy ny faran’ity fandehan-javatra ity manontolo, ka ho voakasika amin’izany ny olon-drehetra eto an-tany. Izao, fa tsy rahampitso, no fotoana tokony hanaovan-javatra. Raha inoantsika fa an’i Jehovah ny famonjena, raha tiantsika izy, ary raha ankamamintsika ny fiainana mandrakizay, dia tsy ho diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory isika. Noho ny faniriana amim-pahatsorana hanome voninahitra an’i Jehovah, dia hoporofointsika amin’ny teny sy ny atao fa tena tsy mivazivazy tokoa isika rehefa mihiaka hoe: “Indro, ankehitriny no andro famonjena”.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no zava-dehibe iankinan’ny aina ny fihavanana indray amin’Andriamanitra?
◻ Iza avy ireo ambasadaoro sy iraka izay mirotsaka ao amin’ny fanompoana fampihavanana?
◻ Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra?
◻ Midika ho inona ho anao ny andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 1999?
[Sary, pejy 17]
Mitory amin-jotom-po sy manampy ny hafa mba hihavana indray amin’Andriamanitra ve ianao, toy ny nataon’i Paoly?
Etazonia
Frantsa
Côte d’Ivoire
[Sary, pejy 18]
Anisan’ireo olona sesehena mihavana indray amin’i Jehovah Andriamanitra ve ianao amin’izao andro famonjena izao?