Mitodiha any Amin’i Jehovah Hahazoana Fampiononana
“Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy”. — ROMANA 15:5.
1. Nahoana ny andro tsirairay no mitondra filana fampiononana lehibe kokoa?
NY ANDRO tsirairay mandalo dia mitondra filana fampiononana bebe kokoa hatrany. Araka ny nomarihin’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, maherin’ny 1 900 taona lasa izay, dia ‘miara-misento sy miara-manaintaina mandraka ankehitriny izao zavatra ary rehetra izao’. (Romana 8:22). Mbola tsy mafy toy ny amin’izao androntsika izao ny ‘fisentoana’ sy ny ‘fanaintainana’. Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ny olombelona dia niharan’ny krizy nifandimby, niseho tamin’ny endriky ny ady, ny heloka bevava, mbamin’ireo loza araka ny natiora izay matetika misy ifandraisany amin’ny fampiasana tsy nisy fahendrena nataon’ny olombelona tamin’ny tany. — Apokalypsy 11:18.
2. a) Iza no tokony homena tsiny indrindra noho ny loza manjo ny olombelona ankehitriny? b) Inona ny zava-misy manome antsika fototra ho an’ny fampiononana?
2 Nahoana no misy fijaliana betsaka toy izao amin’ny androntsika? Rehefa milazalaza ny fanjerana an’i Satana avy tany an-danitra taorian’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 ny Baiboly, dia mamaly toy izao: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Ny porofo mazava ny amin’ny fahatanterahan’io faminaniana io dia midika fa madiva ho tonga eo amin’ny faran’ny fanapahana ratsin’i Satana, isika. Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa tsy ho ela izao ny fiainana an-tany dia hiverina amin’ilay fiadanana nisy talohan’ny nitarihan’i Satana an’ireo ray aman-drenintsika voalohany ho amin’ny fikomiana!
3. Oviana ny olombelona no tsy nila fampiononana?
3 Tany am-piandohana, ilay Mpamorona ny olombelona dia nanome saha kanto iray ho fonenan’ilay mpivady olombelona voalohany. Izy io dia tany amin’ny faritra iray nantsoina hoe Edena, izay midika hoe “Haravoana” na “Fahafinaretana”. (Genesisy 2:8, NW, fanamarihana ambany pejy). Ankoatra izany, i Adama sy i Eva dia nanana fahasalamana tonga lafatra nomban’ny fahatsinjovana ny tsy ho faty mihitsy. Hevero kely ireo lafiny maro izay ho nahazoany nampitombo ny fahaizany — ny fikarakarana zaridaina, ny zava-kanto, ny fanorenana, ny mozika. Hevero koa ireo zavatra noforonina rehetra izay ho azony nianarana teo am-panatanterahana ilay asa nanirahana azy ireo, dia ny hampanompo ny tany sy ny hanao azy io ho paradisa. (Genesisy 1:28). Eny tokoa, ny fiainan’i Adama sy i Eva dia ho feno, tsy fisentoana sy fanaintainana akory, fa fahafinaretana sy haravoana kosa. Mazava fa tsy ho nila fampiononana izy ireo.
4, 5. a) Nahoana i Adama sy i Eva no tsy nahomby tamin’ny fitsapana ny fankatoavana? b) Ahoana no nahatonga ny olombelona hila fampiononana?
4 Izay tena nilain’i Adama sy i Eva anefa, dia ny hamboly fitiavana sy fankasitrahana lalina an’ilay Rain’izy ireo tsara fanahy, any an-danitra. Ny fitiavana toy izany dia ho nanosika azy ireo hankato an’Andriamanitra tamin’ny toe-javatra rehetra. (Ampitahao amin’ny Jaona 14:31.) Nampalahelo fa samy tsy nankato an’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana ara-dalàna teo amin’izy ireo, ireo ray aman-drenintsika voalohany. Namela ny tenany kosa izy ireo ho tonga teo ambany fanapahana ratsin’ny anjely nietry iray, dia i Satana Devoly. I Satana no naka fanahy an’i Eva hanota ka hihinana tamin’ilay voankazo voarara. Avy eo, dia nanota i Adama rehefa nihinana koa tamin’ny voan’ilay hazo izay efa nampitandreman’Andriamanitra mazava tsara toy izao: “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” — Genesisy 2:17.
5 Tamin’izany fomba izany no nanombohan’ilay mpivady mpanota nihamaty. Rehefa nanonona ilay fanamelohana ho faty Andriamanitra, dia nilaza toy izao koa tamin’i Adama: “Voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.” (Genesisy 3:17, 18). Araka izany dia verin’i Adama sy i Eva ny fanantenana hanova ilay tany lava volo ho paradisa iray. Voaroaka avy tao Edena izy ireo ka voatery nampifantoka ny heriny tamin’ny fahazoana hanina avy tamin’ilay tany izay voaozona. Ny taranany izay nandova io toe-piainana feno ota sy mety maty io, dia nanjary nila fampiononana be dia be. — Romana 5:12.
Tanteraka ny fampanantenana mampionona iray
6. a) Inona no fampanantenana mampionona nomen’Andriamanitra taorian’ny nahalatsahan’ny olombelona tao amin’ny fahotana? b) Faminaniana nahakasika ny fampiononana inona no notononin’i Lameka?
6 Rehefa nanonona ny didim-pitsarana tamin’ilay mpampirisika ny fikomian’ny olombelona i Jehovah, dia niharihary ho ilay ‘Andriamanitry ny fiononana’. (Romana 15:5). Nanao izany izy tamin’ny fampanantenana handefa “taranaka” iray izay, amin’ny farany, dia hanafaka ny taranak’i Adama amin’ireo vokatra mahatsiravina nateraky ny fikomian’i Adama. (Genesisy 3:15). Rehefa nandeha ny fotoana, Andriamanitra dia nanome koa fanazavana mialoha momba io fanafahana io. Ohatra, nomeny tsindrimandry toy izao i Lameka, taranak’i Adama lavitra, avy tamin’i Seta zanany lahy, mba haminaniany mikasika izay hataon’ny zanakalahin’i Lameka: “Ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tànantsika noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.” (Genesisy 5:29). Nifanaraka tamin’io fampanantenana io, dia nantsoina hoe Noa ilay zazalahy, dia anarana izay heverina fa midika hoe “Fitsaharana” na “Fampiononana”.
7, 8. a) Inona ny tarehin-javatra nahatonga an’i Jehovah hanenina noho ny namoronany ny olombelona, ary inona no nokasainy hatao ho setrin’izany? b) Ahoana no niainan’i Noa nifanaraka tamin’ny dikan’ny anarany?
7 Nandritra izany fotoana izany, i Satana dia nahazo mpanara-dia teo amin’ny anjely sasany tany an-danitra. Nitafy vatan’olombelona izy ireny, ary naka vady tamin’ireo vehivavy tsara tarehy, taranak’i Adama. Ireny firaisana tsy araka ny natiora ireny dia nanimba bebe kokoa ny fitambaran’olona, ary namokatra taranaka tsy tia an’Andriamanitra, dia ny Nefilima, “mpanjera”, izay nameno herisetra ny tany. (Genesisy 6:1, 2, 4, 11; Joda 6). “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany (...). Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” — Genesisy 6:5, 6.
8 Nikasa ny handringana izany tontolo ratsy izany tamin’ny alalan’ny safo-drano naneran-tany, i Jehovah, kanefa nasainy nanamboatra sambo fiara iray aloha i Noa, mba hitsimbinana aina. Toy izany no namonjena ny taranak’olombelona mbamin’ireo karazana biby. Tsy maintsy ho nahatsapa fanamaivanana toy inona moa i Noa sy ny fianakaviany taorian’ilay Safo-drano, rehefa nivoaka ny sambo fiara izy ireo nankeo amin’ny tany voadio iray! Nampionona toy inona moa ny nahita fa nesorina ilay ozona tamin’ny tany ka nahatonga ny asa fambolena ho mora kokoa erỳ! Eny tokoa, voaporofo fa marina ilay faminanian’i Lameka, ary i Noa dia niaina nifanaraka tamin’ny dikan’ilay anarany. (Genesisy 8:21). Tamin’ny naha-mpanompo nahatokin’Andriamanitra azy, i Noa dia fitaovana nampiasaina mba hitondra “fampiononana” tamin’ny fetra sasany ho an’ny olombelona. Kanefa, tsy nifarana tamin’ny Safo-drano ny fitaomana ratsin’i Satana mbamin’ireo anjeliny demonia, ary mitohy ny fisentoan’ny olombelona eo ambanin’ny enta-mavesatry ny fahotana sy ny aretina ary ny fahafatesana.
Ilay lehibe noho i Noa
9. Ahoana no nihariharian’i Jesosy Kristy ho mpanampy sy mpampionona ho an’ireo olombelona mibebaka?
9 Rehefa nandeha ny fotoana, tamin’ny faran’ireo 4 000 taona teo ho eo nisian’ny tantaran’ny olombelona, dia tonga ilay Taranaka nampanantenaina. Natosiky ny fitiavana lehibe ho an’ny olombelona i Jehovah Andriamanitra ka naniraka tetỳ an-tany ny Zanany lahy tokana, mba ho faty ho fanavotana ny olombelona mpanota. (Jaona 3:16). I Jesosy Kristy dia mitondra fanamaivanana lehibe ho an’ireo mpanota mibebaka sy maneho finoana ny fahafatesany ho sorona. Mahazo famelombelomana sy fampiononana maharitra izay rehetra manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ary tonga mpianatry ny Zanany vita batisa. (Matio 11:28-30, NW; 16:24). Na dia tsy tanteraka aza izy ireo, dia mahita fifaliana lalina eo am-panompoana an’Andriamanitra amim-pieritreretana madio. Mampionona azy ireo toy inona moa ny mahafantatra fa raha manohy maneho finoana an’i Jesosy izy ireo, dia hovalian-tsoa amin’ny fiainana mandrakizay! (Jaona 3:36; Hebreo 5:9). Raha manao fahotana lehibe izy ireo noho ny fahalemena, dia manana mpanampy (NW ), na mpampionona, dia i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana tamin’ny maty. (1 Jaona 2:1, 2). Amin’ny fiekena izany fahotana izany sy amin’ny fanaovana ireo dingana araka ny Soratra Masina mba tsy hahatongavana ho zatra manota, dia mahazo fanamaivanana izy ireo noho ny fahafantarana fa ‘mahatoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny fahotany’. — 1 Jaona 1:9; 3:6; Ohabolana 28:13.
10. Inona no ianarantsika avy amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy fony izy teto an-tany?
10 Fony izy teto an-tany, i Jesosy dia nitondra famelombelomana koa tamin’ny fanafahana ireo olona azon’ny demonia, tamin’ny fanasitranana ny karazan’aretina rehetra, sy tamin’ny fananganana ireo olon-tiana nody mandry ho amin’ny fiainana indray. Marina fa soa nihelina ihany no nentin’ireny fahagagana ireny, satria nihantitra sy maty ihany taorian’izay ireo nandray izany fitahiana izany. Na dia izany aza, dia tamin’izany no nanehoan’i Jesosy ny amin’ireo fitahiana ho avy izay harotsany ho an’ny olombelona rehetra. Ankehitriny izy dia Mpanjaka mahery any an-danitra, ka tsy ho ela dia hanao mihoatra lavitra noho ny fandroahana fotsiny ireo demonia. Hatsipiny miaraka amin’i Satana filohany any amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ireo, ho amin’ny tsy fahafahana manao na inona na inona. Avy eo dia hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy be voninahitra. — Lioka 8:30, 31; Apokalypsy 20:1, 2, 6.
11. Nahoana i Jesosy no niantso ny tenany hoe “Tompon’ny Sabata”?
11 Nilaza i Jesosy fa “Tompon’ny Sabata” izy, ary maro tamin’ireo fanasitranana no nataony tamin’ny andro sabata. (Matio 12:8-13; Lioka 13:14-17; Jaona 5:15, 16; 9:14). Nahoana no izany no izy? Anisan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely ny Sabata, ka noho izany dia “aloky ny zava-tsoa ho avy” izy io. (Hebreo 10:1). Ireo andro fiasana enina amin’ny herinandro dia mampahatsiahy antsika ireo 6 000 taona lasa nanandevozana ny olombelona tamin’ny fanapahana mampahorin’i Satana. Ny andro sabata amin’ny faran’ny herinandro dia mahatonga hahazo an-tsaina ilay fitsaharana mampionona ho hitan’ny olombelona mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’ilay Noa Lehibe, dia i Jesosy Kristy. — Ampitahao amin’ny 2 Petera 3:8.
12. Zavatra hiainana hanao ahoana avy no azontsika andrandraina?
12 Fanamaivanana toy inona moa no ho tsapan’ireo olona eto an-tany hofehezin’ny fanapahan’i Kristy, rehefa hahita ny tenan’izy ireo ho afaka tanteraka amin’ny fitaoman-dratsin’i Satana, amin’ny farany! Hisy fampiononana fanampiny rehefa hositranina amin’ireo aretiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-tsaina, izy ireo. (Isaia 65:17). Hevero kely ange amin’izay ny ho fahasambaran’izy ireo rehefa hanomboka handray an’ireo olon-tiana tafatsangana amin’ny maty e! Amin’izany fomba izany no ‘hamafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony’. (Apokalypsy 21:4). Arakaraka ny hampiharana miandalana ireo soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, dia hitombo ho amin’ny fahatanterahana ireo olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra mankato, ka hanjary ho afaka tanteraka amin’ireo voka-dratsy rehetra nateraky ny fahotan’i Adama. (Apokalypsy 22:1-5). Avy eo dia hovahana “kelikely” i Satana. (Apokalypsy 20:3, 7). Ny olombelona rehetra manohana amim-pahatokiana ny fiandrianana ara-dalànan’i Jehovah, dia hovalian-tsoa amin’ny fiainana mandrakizay. Alao sary an-tsaina ny fifaliana sy ny fanamaivanana tsy hay lazaina satria ‘novotsorana tanteraka tamin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana’! Toy izany no hahazoan’ireo olombelona mankato “ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 8:21.
13. Nahoana no mila ny fampiononan’Andriamanitra ny Kristiana marina rehetra?
13 Mandra-pahatongan’izany isika dia mbola mety hisento sy hanaintaina toy izay rehetra miaina eo amin’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Ny fitomboan’ny aretina ara-batana sy ny fikorontanana ara-pihetseham-po dia mahazo ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ireo Kristiana mahatoky. (Filipiana 2:25-27; 1 Tesaloniana 5:14). Fanampin’izany, amin’ny maha-Kristiana antsika dia matetika isika no miaritra ny fanesoana sy ny fanenjehana tsy ara-drariny atototr’i Satana antsika noho isika ‘manaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. (Asan’ny Apostoly 5:29). Noho izany, raha tiantsika ny hiaritra eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra hatramin’ny fifaranan’ny tontolon’i Satana, dia mila ny fampiononana sy ny fanampiana ary ny tanjaka omen’Andriamanitra isika.
Ny toerana hahitana fampiononana
14. a) Inona no fampanantenana nataon’i Jesosy tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany? b) Inona no tena ilaina raha tiantsika ny handray soa feno avy amin’ny fampiononan’ny fanahy masin’Andriamanitra?
14 Tamin’ny alina talohan’ny hahafatesany, i Jesosy dia nanazava tamin’ireo apostoliny nahatoky fa tsy ho ela izy dia handao azy ireo ka hiverina any amin’ny Rainy. Nampalahelo sady nampahory mafy azy ireo izany. (Jaona 13:33, 36; 14:27-31). Noho ny fahafantarany fa nila fampiononana nitohy izy ireo, dia nampanantena toy izao i Jesosy: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo [mpampionona, NW, fanamarihana ambany pejy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay”. (Jaona 14:16). Eto i Jesosy dia nanondro ny fanahy masin’Andriamanitra, izay nalatsaka tamin’ireo mpianany, 50 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.a Ankoatra ny zavatra hafa, ny fanahin’Andriamanitra dia nampionona azy ireo nandritra ny fisedrana nanjo azy, sady nanatanjaka azy mba hanohy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 4:31). Kanefa, izany fanampiana izany dia tsy tokony hoheverina ho zavatra mandeha ho azy. Mba handraisan-tsoa feno avy amin’izy io, ny Kristiana tsirairay dia tsy maintsy manohy mivavaka mba hahazoany ilay fanampiana mampionona omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny masina. — Lioka 11:13.
15. Inona no sasany amin’ireo fomba anomezan’i Jehovah fampiononana antsika?
15 Ny fomba hafa izay anomezan’Andriamanitra fampiononana dia amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly. Nanoratra toy izao i Paoly: “Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Mampiseho izany fa isika dia mila mianatra sy misaintsaina tsy tapaka ireo zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly. Afa-tsy izany koa, isika dia mila manatrika tsy tapaka ny fivoriana kristiana izay toerana ifanakalozana hevitra mampionona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny fifampaherezana no iray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra amin’ireny fiaraha-mivory ireny. — Hebreo 10:25, NW.
16. Tokony hanosika antsika hanao inona ireo fandaharana mampionona ataon’Andriamanitra?
16 Ilay taratasin’i Paoly ho an’ny Romana dia mitohy amin’ny fampisehoana ny vokatra tsara raisintsika avy amin’ny fampiasana ireo fandaharana mampionona ataon’Andriamanitra. “Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie”, hoy ny nosoratan’i Paoly, “hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Romana 15:5, 6). Eny, amin’ny fanararaotana amin’ny fomba feno ireo fandaharana mampionona ataon’Andriamanitra, isika dia hanjary hitovy kokoa amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika antsika be herim-po. Izany dia hanosika antsika hampiasa hatrany ny vavantsika mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra eo amin’ny asa fanambarana ataontsika, any amin’ny fivoriantsika, eo amin’ny resaka manokana ifanaovantsika amin’ireo mpiray finoana, sy ao amin’ny vavaka ataontsika.
Amin’ny fotoam-pisedrana mafy
17. Ahoana no nampiononan’i Jehovah ny Zanany, ary inona no vokatr’izany?
17 Nanjary “nalahelo am-po” sy “ory indrindra” i Jesosy tamin’ilay alina talohan’ny hahafatesany tao anatin’ny fangirifiriana. (Matio 26:37, 38). Koa nihataka kely tamin’ireo mpianany izy ka nivavaka tamin-dRainy mba hahazoana fanampiana. “Voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra” izy. (Hebreo 5:7). Mitatitra ny Baiboly fa “nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo [amin’i Jesosy] ka nampahery Azy”. (Lioka 22:43). Ny fisehoana ho lehilahy be herim-po hita tamin’i Jesosy teo am-piatrehany ireo mpanohitra azy, dia porofo fa nandaitra indrindra ilay fomba nampiononan’Andriamanitra ny Zanany. — Jaona 18:3-8, 33-38.
18. a) Fe-potoana inona teo amin’ny fiainan’ny apostoly Paoly no feno fisedrana indrindra? b) Ahoana no ahafahantsika ho fampiononana ho an’ireo loholona miasa mafy sy be fangoraham-po?
18 Nandalo fe-potoam-pisedrana mafy koa ny apostoly Paoly. Ohatra, ny fanompoana nataony tao Efesosy dia voamariky ny ‘ranomaso sy ny fisedrana izay nanjo azy tamin’ny fanotrehan’ny Jiosy’. (Asan’ny Apostoly 20:17-20). Tamin’ny farany i Paoly dia niala tao Efesosy taorian’ny nanaovan’ireo mpanohana an’i Artemisy andriamani-bavy izay hampitabataba ilay tanàna noho ny asa fitoriana nataony. (Asan’ny Apostoly 19:23-29; 20:1). Rehefa nizotra nianavaratra nankany amin’ny tanànan’i Troasy i Paoly, dia nisy zavatra hafa nitambesatra mafy tao an-tsainy. Fotoana tsy voafaritra talohan’ilay tabataba tao Efesosy, dia naharay tatitra iray nampikorontan-tsaina izy. Nisy fisaratsarahana tao amin’ilay kongregasiona vao niforona tao Korinto, sady nilefitra tamin’ny fijangajangana izy io. Koa avy tao Efesosy no nanoratan’i Paoly taratasy iray nisy fananarana mafy, tamin’ny fanantenana ny hanitsy ilay tarehin-javatra. Tsy mora taminy ny nanao izany. “Tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be”, hoy ny nambarany tatỳ aoriana tao amin’ny taratasiny faharoa. (2 Korintiana 2:4). Sahala amin’i Paoly, ireo loholona be fangoraham-po dia mahita fa tsy mora ny manoro hevitra ho fanitsiana sy mananatra, amin’ny ampahany dia noho izy ireo tena mahatsapa tsara ny fahalemen’ny tenany. (Galatiana 6:1). Koa enga àry anie isika ho fampiononana ho an’ireo mitarika eo anivontsika, amin’ny fanekena avy hatrany ny torohevitra feno fitiavana sady miorina amin’ny Baiboly. — Hebreo 13:17, NW.
19. Nahoana i Paoly no nanohy ny diany avy tao Troasy nankany Makedonia, ary ahoana no nahazoany fanamaivanana tamin’ny farany?
19 Fony izy tao Efesosy, i Paoly dia tsy vitan’ny hoe nanoratra ho an’ny rahalahy tany Korinto fotsiny, fa naniraka koa an’i Titosy mba hanampy azy ireo, ka nanendry azy hanao tatitra ny amin’ny fandraisan’izy ireo an’ilay taratasy. Nanantena ny hitsena an’i Titosy tao Troasy i Paoly. Tao i Paoly dia nandray fitahiana tamin’ny fahazoana fahafahana tsara dia tsara hanao mpianatra. Tsy nampisinda ny tebitebiny anefa izany, satria mbola tsy tonga i Titosy. (2 Korintiana 2:12, 13). Koa nanao dia nankany Makedonia izy tamin’ny fanantenana ny hihaona tamin’i Titosy tao. Nampitombo ny tebitebin’i Paoly ny fanoherana faran’izay mafy natao tamin’ny fanompoany. “Na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay”, hoy izy nanazava, “dia tsy nisy hiainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny [rera-po, NW ], no efa nampionona anay tamin’ny nahatongavan’i Titosy”. (2 Korintiana 7:5, 6). Fanamaivanana re izany, rehefa tonga i Titosy tamin’ny farany, mba hilaza tamin’i Paoly fa noraisin’ny Korintiana tsara ilay taratasiny!
20. a) Toy ny tamin’i Paoly, inona no fomba lehibe hafa iray anomezan’i Jehovah fampiononana? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Ny zavatra niainan’i Paoly dia mampionona ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao, izay ny maro aminy dia miatrika fisedrana koa, izay mahatonga azy ireo ho “rera-po” na “ketraka”. Eny, ‘ilay Andriamanitry ny fampiononana’ dia mahafantatra ny zavatra ilaintsika isam-batan’olona, ary afaka mampiasa antsika mba hifampionona, tsy misy hafa amin’ny nahazoan’i Paoly fampiononana tamin’ny alalan’ilay tatitra nataon’i Titosy momba ny fibebahana nasehon’ny Korintiana. (2 Korintiana 7:11-13). Ao amin’ny lahatsoratra manaraka isika dia handinika ilay fandraisana nafana nasehon’i Paoly tamin’ny Korintiana, sy ny fomba ahafahan’izany manampy antsika mba ho mpizara ny fampiononan’Andriamanitra mahita vokatra amin’izao andro izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Iray tamin’ireo asa lehibe indrindran’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia ny fanosorana azy ireny ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra sady rahalahin’i Jesosy. (2 Korintiana 1:21, 22). Voatokana ho an’ny mpianatr’i Kristy 144 000 monja izany. (Apokalypsy 14:1, 3). Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny Kristiana dia nomena tamin-katsaram-panahy ilay fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. Na dia tsy voahosotra aza izy ireo, dia mandray koa ny fanampiana sy ny fampiononana avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra.
Afaka Mamaly ve Ianao?
◻ Ahoana no nahatonga ny olombelona hila fampiononana?
◻ Ahoana no nihariharian’i Jesosy ho lehibe noho i Noa?
◻ Nahoana i Jesosy no niantso ny tenany hoe “Tompon’ny Sabata”?
◻ Ahoana no anomezan’Andriamanitra fampiononana amin’izao andro izao?
[Sarintany/Sary, pejy 10]
(Jereo ny gazety)
Nahita fampiononana lehibe i Paoly tamin’ny alalan’ny tatitra nataon’i Titosy momba ny Korintiana
MAKEDONIA
Filipy
GRISIA
Korinto
AZIA
Troasy
Efesosy