MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA
“Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”
Inona no antony tsara anaovana fanomezana? Maro amintsika no ho faly raha misy olona manao fanomezana ho antsika, satria tena tiany isika fa tsy hoe mamita adidy fotsiny izy na voatery manao izany. Zava-dehibe amintsika ny antony nanaovan’ilay olona an’ilay fanomezana. Zava-dehibe amin’i Jehovah koa izany. Diniho izay nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 9:7.
Nahoana i Paoly no nanoratra an’io? Tiany handray anjara amin’ny fanampiana an’ireo rahalahy sahirana tany Jodia ny Kristianina tao Korinto. Tsy te hanery azy ireo hanao fanomezana izy, fa nanoratra hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Andeha isika handinika an’io fampirisihana io.
“Araka izay fanapahan-keviny tao am-pony.” Manao fanomezana ny tena Kristianina, satria efa nanapa-kevitra “tao am-pony” izy fa hanome, araka ny tenin’i Paoly. Milaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny grika nadika hoe ‘fanapahan-kevitra’ dia midika hoe “mandinika mialoha.” Misaintsaina ny zavatra ilain’ny mpiara-manompo aminy àry ny Kristianina iray, ary mieritreritra izay azony atao mba hanampiana azy.—1 Jaona 3:17.
“Tsy amin’alahelo na an-tery.” Nilaza i Paoly fa tsy mety amin’ny tena Kristianina ny manao fanomezana an-tery sy tsy avy amin’ny fo. Manazava ny boky iray, fa tsy avy amin’ny fo ilay fanomezana, raha “malahelo ilay olona satria miala vola.” Ny hafa kosa mety hahatsiaro ho voatery hanao fanomezana. Iza amintsika no te handray fanomezana avy amin’ny olona toy ireo?
“Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” Raha vao tapa-kevitra ny hanao fanomezana ny Kristianina iray, dia tokony hataony amim-pifaliana izany, hoy i Paoly. Tokony ho faly izy raha antony tsara no nanaovany fanomezana. (Asan’ny Apostoly 20:35) Hiharihary amin’ny rehetra izany. Hafaliana anaty sy hita etỳ ivelany no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘fifaliana.’ Faly isika rehefa manome amim-pifaliana ny olona manao fanomezana ho antsika. Mahafaly an’Andriamanitra koa izany. Misy fandikan-teny hafa milaza hoe: “Tian’Andriamanitra ny olona tia manome.”—Dikan-teny Anglisy Maoderina.
“Tian’Andriamanitra ny olona tia manome”
Mirakitra toro lalana ho an’ny Kristianina manao fanomezana ny tenin’ny apostoly Paoly. Tokony hanome an-tsitrapo isika, rehefa manome ny fotoanantsika, ny herintsika, na ny volantsika. Faly koa mantsy isika rehefa malala-tanana amin’ny hafa, indrindra amin’ireo mila fanampiana. Tsy vitan’ny hoe mahafaly antsika ny manome, fa mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra koa. “Ny mpanome amim-pifaliana” mantsy no tiany.
Famakiana Baiboly Amin’ny Septambra