LAHATSORATRA FIANARANA 24
Afaka Manova ny Fomba Fisainanao Ianao!
“Mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay.”—2 KOR. 10:5.
HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!
HO HITANAO ATOa
1. Inona no nampitandreman’ny apostoly Paoly ny Kristianina voahosotra?
HOY ny apostoly Paoly: “Aza manaiky intsony.” Fa tsy manaiky inona? “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.” (Rom. 12:2) Ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nanoratan’i Paoly an’ireo teny ireo. Nahoana izy no nampitandrina mafy azy ireo hoatr’izany, nefa ry zareo efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra sady voahosotry ny fanahy masina?—Rom. 1:7.
2-3. Ahoana no ataon’i Satana mba hitaomana antsika hivadika amin’i Jehovah? Inona no hanampy antsika hiala amin’ny fomba fisainana ratsy ananantsika, na dia “efa mafy orina” aza ilay izy?
2 Toa lasa nanaraka ny fomba fisainana ratsy hita eto amin’ny tontolon’i Satana ny Kristianina sasany tamin’izany, dia izany no nampanahy an’i Paoly. (Efes. 4:17-19) Mety hitranga amintsika rehetra koa izany. I Satana no andriamanitr’ity tontolo ity, ary manao izay ho afany izy hitaomana antsika hivadika amin’i Jehovah. Mampiasa tetika isan-karazany izy amin’izany. Raha te ho ambony na te halaza, ohatra, isika dia mety ho izay no hohararaotiny. Na ny zavatra niainantsika sy ny kolontsaintsika ary ny fianarana nataontsika koa aza mety hampiasainy, mba hitaomana antsika hanaraka ny fomba fisainany.
3 Ho vitantsika ve ny handrava ny fomba fisainana ratsy “efa mafy orina” ananantsika, izany hoe hanala tanteraka azy ireny ao an-tsaintsika? (2 Kor. 10:4) Izao no navalin’i Paoly: “Mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay, ary baboinay hankatò an’i Kristy ny hevitra rehetra.” (2 Kor. 10:5) Tena hahavita hanova ny fomba fisainantsika àry isika rehefa ampian’i Jehovah. Hoatran’ny hoe manapoizina antsika ity tontolo ity. Ny Tenin’Andriamanitra anefa no fanafody manampy antsika hiady amin’izany.
“HAVAOZY NY SAINAREO”
4. Inona no fanovana tsy maintsy nataon’ny ankamaroantsika, tamin’ny vao nahalala ny fahamarinana?
4 Eritrereto tamin’ianao vao nahalala ny fahamarinana, ka tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah. Tadidinao ve ny fanovana tsy maintsy nataonao? Maro amintsika no nanao ratsy taloha, dia tsy maintsy niala tamin’izany. (1 Kor. 6:9-11) Tena faly isika satria nampian’i Jehovah dia nahavita niova!
5. Inona ireo zavatra roa tokony hataontsika, araka ny Romanina 12:2?
5 Tsy tokony ho afa-po amin’izany anefa isika. Marina fa efa tsy manao an’ireo fahotana lehibe nataontsika talohan’ny batisa intsony isika. Mbola ilaina anefa ny mitandrina tsara sy manalavitra an’izay mety hitarika antsika hanao an’ireny indray. Inona no hanampy antsika? Izao no natoron’i Paoly: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo.” (Rom. 12:2) Misy zavatra roa resahiny eo: Voalohany, tsy tokony ‘hanaiky hovolavolain’ity tontolo ity intsony’ isika, izany hoe tsy hanaiky hanao izay tiany. Faharoa, tokony ‘hiova’ isika ka hanavao ny saintsika.
6. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 12:43-45?
6 Inona ilay fiovana tian’i Paoly horesahina? Tsy fiovana hita etỳ ivelany fotsiny izy io, fa mihoatra lavitra noho izany. (Jereo ilay hoe “Ampy ve ny Fiovana Nataonao?”) Mila manavao ny saintsika koa isika, izany hoe manova tanteraka ny fomba fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny faniriantsika. Mila mieritreritra àry isika rehetra raha efa tena manahaka an’i Kristy. Eritrereto hoe: ‘Fiovana hita etỳ ivelany fotsiny ve no nataoko, sa efa tena manahaka azy aho ato am-poko sy ato an-tsaiko ato?’ Nohazavain’i Jesosy ao amin’ny Matio 12:43-45 ny tokony hataontsika. (Vakio.) Asehon’ireo teny ireo hoe tsy ampy ny manala ny eritreri-dratsy ao an-tsaina, fa mila soloana eritreritra tsara sy mampifaly an’Andriamanitra koa izany.
‘HAVAOZY NY HERY MIBAIKO NY SAINAREO’
7. Ahoana no hanovantsika ny any an-tsaintsika sy ny any am-pontsika any?
7 Tena ho vitantsika ve ny hanova ny any an-tsaintsika sy ny any am-pontsika any? Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe tokony ‘hohavaozina hatrany isika eo amin’ny hery mibaiko ny saintsika, ka hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’ (Efes. 4:23, 24) Azo atao tsara àry ilay fiovana na dia tsy mora aza. Tsy ampy ny mifehy ny fanirian-dratsy sy tsy manao ratsy. Ny ‘hery mibaiko ny saintsika’ mihitsy no mila ovana, anisan’izany ny faniriantsika sy ny fahazarantsika ary ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Mila miezaka foana anefa isika mba hahavitana an’izany.
8-9. Nahoana no tena ilaina ny manova ny any an-tsaintsika sy ny any am-pontsika any? Hazavao amin’ny ohatra.
8 Nahery setra be, ohatra, ny lehilahy iray sady nisotro toaka be. Niova anefa izy tatỳ aoriana ary natao batisa. Tena fitoriana vita ho azy izany teo amin’ilay tanàna kely nisy azy. Nisy zavatra tsy nampoiziny anefa taoriana kelin’ny batisany. Efa hariva tamin’izay, ary nisy lehilahy mamo tonga tany aminy dia nila ady taminy. Nahafehy tena ilay rahalahy tamin’ny voalohany. Tsy tantiny intsony anefa rehefa nanaratsy ny anaran’i Jehovah ilay lehilahy, dia lasa izy nidaroka azy. Fa maninona izy no nanao an’izany? Satria mbola tsy nahavita nanova ny ‘hery mibaiko ny sainy’ izy, na dia efa nanampy azy hifehy tena tsy hahery setra aza ny fianarany Baiboly. Mbola tsy tena niova ny tany an-tsainy sy ny tany am-pony.
9 Tsy kivy anefa ilay rahalahy fa niezaka foana. (Ohab. 24:16) Nanampy azy koa ny anti-panahy, dia nahavita nanatsara ny toetrany izy. Lasa anti-panahy izy tatỳ aoriana. Nisy zava-nitranga hoatran’ilay taloha mihitsy anefa indray hariva izay. Teo ivelan’ny Efitrano Fanjakana ry zareo, dia nisy lehilahy mamo saika hidaroka ny anti-panahy iray. Inona no nataon’ilay rahalahintsika? Tony izy sady nanaja tsara an’ilay lehilahy, dia vitany ny nandamina an’ilay olana. Nampisaintsaina azy izy, ary nanatitra azy nody mihitsy avy eo. Ahoana no nahavitany an’izany? Satria efa nanova ny ‘hery mibaiko ny sainy’ izy. Efa lasa olona tena tia fihavanana sy manetry tena izy, ary manome voninahitra an’i Jehovah izany.
10. Inona no tokony hataontsika raha te hahavita hiova isika?
10 Tsy vita vetivety ireny fiovana ireny sady tsy tongatonga ho azy. Mila manao ezaka be mandritra ny taona maro angamba isika. (2 Pet. 1:5) Tsy hoe efa ela isika no nanompo an’i Jehovah, dia ho mora amintsika ny hiova. Mila manao izay fara herintsika kosa isika mba hanovana ny any an-tsaintsika sy ny any am-pontsika any. Misy zavatra maromaro tena ilaintsika hatao raha te hahavita an’izany. Handinika ny sasany amin’izany isika izao.
AHOANA NO ATAO MBA HANOVANA NY ‘HERY MIBAIKO NY SAINA’?
11. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hanova ny ‘hery mibaiko ny saintsika’?
11 Voalohany indrindra, tena ilaina ny mivavaka. Tokony hanao hoatran’ilay mpanao salamo isika, ka hangataka amin’i Jehovah hoe: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.” (Sal. 51:10) Tsy maintsy manaiky aloha isika hoe mila ovana ny ‘hery mibaiko ny saintsika’, dia mangataka fanampiana amin’i Jehovah avy eo. Afaka matoky isika hoe tena hanampy antsika hiova izy. Nahoana? Eritrereto izay nampanantenainy an’ireo Israelita mafy loha tamin’ny andron’i Ezekiela. Hoy i Jehovah: “Fo iray no homeko azy ireo, ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao anatiny.” Nilaza koa izy hoe hanome azy ireo “fo nofo”, izany hoe hanampy azy ireo hazoto hankatò ny tari-dalany. (Ezek. 11:19) Tsy mampahery ve izany? Vonona hanampy an’ireo Israelita ireo mba hiova i Jehovah, ary vonona hanampy antsika koa.
12-13. a) Inona no tokony hosaintsainintsika, araka ny Salamo 119:59? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretinao?
12 Faharoa, tena ilaina ny misaintsaina. Rehefa mandinika ny Tenin’Andriamanitra isika isan’andro, dia mila maka fotoana mba hisaintsainana na hieritreretana tsara hoe inona no fomba fisainana na fihetseham-po mila ovantsika. (Vakio ny Salamo 119:59; Heb. 4:12; Jak. 1:25) Mila fantarintsika sao dia efa misy vokany eo amin’ny eritreritsika sy ny fihetseham-pontsika ny fomba fisainan’ity tontolo ity. Tokony hanaiky isika hoe inona no tsy mety ary hiezaka mafy mba hanova an’izany.
13 Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Sao dia mitsiriritra na mialona aho, na dia kely fotsiny aza?’ (1 Pet. 2:1) ‘Manambony tena ve aho noho ny firazanako na ny fianarana nataoko na ny vola ananako?’ (Ohab. 16:5) ‘Manambany ny olona tsy manana an’izay ananako na tsy mitovy volon-koditra amiko ve aho?’ (Jak. 2:2-4) ‘Manintona ahy ve ny zavatra atolotry ny tontolon’i Satana?’ (1 Jaona 2:15-17) ‘Tia fialam-boly misy herisetra na fitondran-tena maloto ve aho?’ (Sal. 97:10; 101:3; Amosa 5:15) Ny valin’ireo fanontaniana ireo no hanampy anao hahita hoe inona no tokony hiezahanao. Hampifaly an’ilay Rainao any an-danitra ianao, raha mahavita miala amin’ireo fomba fisainana ratsy “efa mafy orina” ao anatinao.—Sal. 19:14.
14. Nahoana no tena ilaina ny mifidy namana tsara?
14 Fahatelo, mila mifidy namana tsara isika. Fantatrao ve fa misy vokany be aminao foana izay namana iarahanao? (Ohab. 13:20) Mety tsy hanampy antsika hitovy fomba fisainana amin’i Jehovah ny olona any am-pianarana na any am-piasana. Aiza àry isika no hahazo ny namana tsara indrindra? Any am-pivoriana. Ny olona any no mandrisika antsika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara.”—Heb. 10:24, 25.
MIEZAHA MBA “TSY HO VOAHOZONGOZONA AMIN’NY FINOANA”
15-16. Ahoana no ataon’i Satana mba hanovana ny fomba fisainantsika?
15 Tadidio fa tapa-kevitra ny hanova ny fomba fisainantsika i Satana. Fantany hoe misy vokany tsara eo amin’ny saintsika ny Tenin’Andriamanitra, dia mampiasa an’izao hevitra rehetra izao izy mba hanovana ny eritreritsika ka hahatonga antsika hisalasala.
16 Izao no nanontanian’i Satana an’i Eva, tao amin’ny zaridainan’i Edena: “Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe ...?” (Gen. 3:1) Mbola hoatr’izany ihany no ataony hatramin’izao. Mampiasa an’ity tontolo ity izy mba hahatonga antsika hisalasala raha tena marina ny zavatra inoantsika. Matetika, ohatra, no misy olona manontany antsika hoe: ‘Tsy mankasitraka ny fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy tokoa ve Andriamanitra? Marina ve fa tsy tiany hanao Krismasy sy aniversera ianareo? Tsy mamela anareo hampidiran-dra tokoa ve izy? Dia handrara anareo tsy hifandray amin’ny havanareo voaroaka marina ve izy, nefa izy aza Andriamanitra fitiavana?’
17. Mety hanontany momba ny zavatra inoantsika ny olona mba hahatonga antsika hisalasala. Inona no tokony hataontsika raha mitranga izany? Inona no mety ho vokany rehefa mikaroka isika, araka ny Kolosianina 2:6, 7?
17 Mila resy lahatra amin’ny zavatra inoantsika isika. Inona no vokany raha misy manontany momba an’izany isika, nefa tsy mikaroka ny valiny akory? Mety tsy hatoky intsony isika hoe tena marina izay inoantsika. Mety hanimba ny fomba fisainantsika izany, ary mety tsy hanam-pinoana intsony mihitsy aza isika. Inona àry no tokony hataontsika? Ampirisihin’ny Baiboly isika mba hanavao ny saintsika, ka ho resy lahatra hoe inona no tena “sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Rom. 12:2) Rehefa mianatra tsy tapaka isika, dia ho resy lahatra hoe marina izay ampianarin’ny Baiboly ary ara-drariny ny fitsipik’i Jehovah. Ho toy ny hazo mamaka tsara isika amin’izay, ka “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana” mihitsy.—Vakio ny Kolosianina 2:6, 7.
18. Inona no azonao atao raha tsy tianao hisy heriny eo aminao ny poizina alefan’ny tontolon’i Satana?
18 Ianao ihany no afaka miaro ny finoanao mba tsy hihozongozona. Miezaha foana àry mba hanavao ny ‘hery mibaiko ny sainao.’ Aza mitsahatra mivavaka, ary mitalahoa amin’i Jehovah mba hanampian’ny fanahiny anao. Saintsaino tsara izay ianaranao ao amin’ny Baiboly, ary diniho foana ny fomba fisainanao sy ny antony mahatonga anao hanao zavatra. Mitadiava namana tsara, ary miaraha amin’ny olona hanampy anao hanova ny fomba fisainanao. Tsy hisy heriny eo aminao ny poizina alefan’ny tontolon’i Satana, raha manao an’izany ianao. Ho vitanao koa ny ‘handrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.’—2 Kor. 10:5.
HIRA 50 Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah
a Misy vokany eo amin’ny fomba fisainantsika foana ny zavatra niainantsika sy ny kolontsaintsika ary ny fianarana nataontsika. Mety ho vokany ratsy izany na tsara. Efa lasa raiki-tampisaka amintsika mihitsy angamba ny toetra ratsy sasany. Hodinihintsika ato hoe inona no hanampy antsika hiala amin’izy ireny.