Antomotra ny ‘Fotoana Hiadanana’!
“Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; (...) fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.” — MPITORITENY 3:1, 8, Fandikan-teny Katolika.
1. Toe-javatra mahatsikaiky inona no nitranga nandritra ity taonjato faha-20 ity, raha ny amin’ny ady sy ny fandriampahalemana?
MANIRY fatratra fandriampahalemana ny ankamaroan’ny olona, ary marim-pototra ny anton’izany. Tsy dia nahitana fandriampahalemana firy tamin’ity taonjato faha-20 ity, raha oharina amin’ny tamin’ny taonjato hafa rehetra teo amin’ny tantara. Mahatsikaiky izany, satria mbola tsy nisy ezaka be toy izao mihitsy natao hatramin’izay mba hiantohana ny fandriampahalemana. Naorina ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1920. Tamin’ny 1928, dia “saika ny firenena rehetra naneran-tany” no nanaiky ilay Dinan’i Kellogg-Briand, “ka nanaiky fa tsy hampiasa ny ady ho toy ny fitaovana intsony ny fireneny”. Nantsoin’ny boky iray hoe “ny ezaka mendri-kaja indrindra tamin’ireo ezaka maro nifampitohitohy natao hitandroana ny fandriampahalemana, taorian’ny Ady Lehibe Voalohany”, io dina io. Avy eo, tamin’ny 1945, dia naorina ny Firenena Mikambana, mba hisolo toerana an’ilay Fikambanam-pirenena efa maty.
2. Inona no tanjona nihamboan’ny Firenena Mikambana, ary hatraiza ny fahombiazany?
2 Toy ny an’ilay Fikambanam-pirenena, ny tanjona nihamboan’ny Firenena Mikambana dia ny hiantoka ny fandriampahalemana maneran-tany. Voafetra ihany anefa ny fahombiazan’ny Firenena Mikambana. Marina aloha fa tsy ahitana ady toa an’ireo Ady Lehibe roa, na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao. Na izany aza, dia maro be ireo fifandonana kely kokoa izay mbola manaisotra amin’ny olona ana hetsiny maro ny filaminan-tsainy, ny fananany, ary matetika no mijinja ny ainy mihitsy aza. Ho sahintsika ve ny hanantena fa afaka manova ny taonjato faha-21 ho “fotoana hihavanana” ny Firenena Mikambana?
Ny fototry ny tena fiadanana
3. Nahoana no tsy afa-miaraka ny fankahalana sy ny tena fihavanana?
3 Tsy fileferana fotsiny no takin’ny fihavanana eo amin’ny olona sy ny firenena. Misy olona afaka ny tena hihavana amin’ny olona ankahalainy ve? Tsia, raha araka ny 1 Jaona 3:15, manao hoe: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona”. Porofoin’ny tantara tato ho ato fa mora mivadika ho herisetra ny fankahalana latsa-paka lalina.
4. Iza ihany no afaka mahita fiadanana, ary nahoana?
4 Koa satria i Jehovah no “Andriamanitry ny fiadanana”, dia ny olona tia an’Andriamanitra sy manaja fatratra ny foto-pitsipiny marina ihany no mahita fiadanana. Mazava àry fa tsy manome fiadanana ho an’ny olona rehetra i Jehovah. “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.” Izany no izy, satria tsy manaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny ratsy fanahy, ary anefa vokatr’io fanahy io ny fiadanana. — Romana 15:33; Isaia 57:21; Galatiana 5:22.
5. Sanatria amin’ny tena Kristianina ny hanao inona?
5 Sanatria amin’ny Kristianina marina ny hiady amin’ny mpiara-belona aminy, toy ny nataon’ireo Kristianina anarana matetika aoka izany, indrindra fa tamin’ity taonjato faha-20 ity. (Jakoba 4:1-4). Marina fa miady amin’ireo fampianarana ampisehoana an’Andriamanitra amin’ny fomba diso ny Kristianina marina, kanefa natao hanampiana ny isam-batan’olona izany ady izany, fa tsy natao hamelezana azy ireo. Tena mifanohitra tanteraka amin’ny Kristianisma marina ny fanenjehana ny hafa noho ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana, na ny famelezana ara-batana ny hafa noho ny fanindrahindram-pirenena. Izao no toromarika nomen’i Paoly ny Kristianina tany Roma: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:17-19; 2 Timoty 2:24, 25.
6. Aiza ihany no mety hahitana ny tena fiadanana ankehitriny?
6 Eo amin’ny tena mpivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra ihany no ahitana ny fiadanana omen’Andriamanitra, ankehitriny. (Salamo 119:165; Isaia 48:18). Tsy misy tsy fitovian-kevitra ara-politika manakorontana ny firaisan-tsainy, satria mialanalana amin’ny politika izy ireo, hatraiza hatraiza. (Jaona 15:19; 17:14). Noho izy ireo ‘tafakambana tsara, miray saina sy hevitra’, dia tsy misy tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana atahorana handrava ny fihavanany. (1 Korintiana 1:10). Fahagagana amin’izao andro izao ny fiadanana hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia fiadanana avy amin’Andriamanitra, mifanaraka amin’izao fampanantenany izao: “Ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” — Isaia 60:17; Hebreo 8:10.
Nahoana no ‘fotoana iadiana’?
7, 8. a) Na dia tia fihavanana aza ny Vavolombelon’i Jehovah, ahoana no fiheveran’izy ireo ny fotoana ankehitriny? b) Inona no fitaovam-piadiana lehibe indrindra eo amin’ny ady ataon’ny Kristianina?
7 Na dia tia fihavanana aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mihevitra fa ny fotoana ankehitriny indrindra no ‘fotoana iadiana’. Tsy ady ara-bakiteny akory izany, mazava ho azy, satria ny fanerena ny hafa amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana mba hanekeny ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia mifanohitra amin’ny fanasan’Andriamanitra ‘an’izay mety mba hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’. (Apokalypsy 22:17, izahay no manao sora-mandry.) Tsy misy fanerena hiova finoana eto! Ady ara-panahy tanteraka ilay ady ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nosoratan’i Paoly: “Tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy”. — 2 Korintiana 10:4; 1 Timoty 1:18.
8 Lehibe indrindra amin’ilay ‘fiadian’ny tafitsika’ ny “tenin’Andriamanitra [dia ny] sabatry ny Fanahy”. (Efesiana 6:17). Mahery io sabatra io. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Afaka mandrava “ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra”, ny Kristianina, amin’ny fampiasana io sabatra io. (2 Korintiana 10:5). Manampy azy ireo izy io mba hanala sarona foto-pampianarana diso sy fanao manimba ary filôzôfia ahitana taratry ny fahendren’olombelona, fa tsy ny an’Andriamanitra. — 1 Korintiana 2:6-8; Efesiana 6:11-13.
9. Nahoana no tsy afaka ny hampitsahatra ny ady ataontsika amin’ny nofo mpanota isika?
9 Karazana ady ara-panahy hafa iray ilay ady amin’ny nofo mpanota. Ny Kristianina dia manaraka ny ohatra navelan’i Paoly, izay niaiky toy izao: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (1 Korintiana 9:27). Nanarina ny Kristianina tany Kolosia mba hamono ‘ny momba ny tenany izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany’. (Kolosiana 3:5). Ary nampirisika ny Kristianina i Joda, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, mba hanao “[ady mafy, NW ] hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina”. (Joda 3). Nahoana isika no tsy maintsy manao izany? Izao no navalin’i Paoly: “Raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona hianareo.” (Romana 8:13). Rehefa heverina izany teny mazava izany, dia tsy afaka ny hampitsahatra ny ady ataontsika amin’ny fironan-dratsy isika.
10. Inona no nitranga tamin’ny 1914, ary hitarika ho amin’ny inona izany amin’ny hoavy tsy ho ela?
10 Intỳ mbola misy antony hafa iray tokony hiheverana ny fotoana ankehitriny ho fotoana iadiana: antomotra ilay “andro famalian’Andriamanitsika”. (Isaia 61:1, 2). Tonga tamin’ny 1914 ny fotoana voatondron’i Jehovah hanorenana ny Fanjakana Mesianika sy hanomezan-dalana azy io hiady amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Tapitra tamin’io ny fotoana nomena ny olombelona mba hanandramany ny fanapahana naoriny ihany, izay tsy nisalovanan’Andriamanitra. Tsy manaiky an’ilay Mpanapaka Mesianikan’Andriamanitra anefa ny ankamaroan’ny olona, fa mbola manohy mandà azy ihany, toy ny nataon’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 28:27). Noho izany, teo anoloan’ny fanoherana ilay Fanjakana, dia voatery ‘nanapaka teo amin’ny fahavalony’ i Kristy. (Salamo 110:2). Soa ihany fa mampanantena ny Apokalypsy 6:2 (NW ), fa “hamita ny fandreseny” izy. Izany no hataony, mandritra ilay “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha (...) atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-magedona”. — Apokalypsy 16:14, 16.
Izao no ‘fotoana itenenana’
11. Nahoana i Jehovah no faran’izay nanam-paharetana, kanefa inona no ho tonga amin’ny farany?
11 Dimy amby valopolo taona izay no lasa hatramin’ny 1914, taona nitondra fiovana lehibe teo amin’ny raharahan’olombelona. Faran’izay nanam-paharetana tamin’ny olombelona i Jehovah. Nampiany ireo Vavolombelony hahatakatra amin’ny fomba feno fa mahadodona ny toe-javatra. Ain’olona an-tapitrisany maro no tandindomin-doza. Mendrika ny hahazo fampitandremana ireny olona sesehena ireny, satria ‘tsy tian’ny Tompo hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra’. (2 Petera 3:9). Na izany aza, tsy ho ela dia ho tonga ny ‘fisehoan’i Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny’. Amin’izay fotoana izay, ireo rehetra ninia nanda ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia hiharan’ny ‘famaliana’, izay hampiharin’i Jesosy amin’izay “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika”. — 2 Tesaloniana 1:6-9.
12. a) Nahoana no tsy ilaina ny manombantombana ny fotoana mety hanombohan’ny fahoriana lehibe? b) Inona no loza nampitandreman’i Jesosy amin’io lafiny io?
12 Rahoviana no ho tapitra ny fotoana anehoan’i Jehovah faharetana? Tsy ilaina ny manombantombana ny fotoana mety hanombohan’ny “fahoriana lehibe”. Nilaza mazava toy izao i Jesosy: “Ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala”. Etsy an-danin’izany, dia nananatra toy izao izy: “Koa amin’izany [dia aza mitsahatra ny miambina, NW ]; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. (...) Miomàna (...) hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:21, 36, 42, 44). Raha lazaina amin’ny teny tsotra, izany dia midika fa tokony handinika amim-pitandremana hatrany ireo fisehoan-javatra maneran-tany isika isan’andro, ka hanisy fiheverana ny amin’ny hipoahan’ny fahoriana lehibe. (1 Tesaloniana 5:1-5). Mampidi-doza tokoa ny mihevitra fa afaka maka mora isika, ka afaka manaraka fomba fiaina lazaina fa ara-dalàna, eo am-piandrasana izay mety ho fivoaran’ny toe-javatra! Hoy i Jesosy: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” (Lioka 21:34). Izao no azontsika antoka: Tsy hohazonina mandrakizay akory ireo ‘rivotra efatry ny’ fandringanana, izay hazonin’ny ‘anjely efatr’i Jehovah’ ankehitriny. — Apokalypsy 7:1-3.
13. Inona no takatry ny olona miisa efa ho enina tapitrisa?
13 Koa satria mihamanatona haingana io andro fampamoahana io, dia manjary misy heviny manokana ny tenin’i Solomona momba ny “fotoana hitenenana”. (Mpitoriteny 3:7, Kat.). Takatr’ireo Vavolombelon’i Jehovah efa ho enina tapitrisa, fa izao tokoa no fotoana itenenana, ka miresaka amin-jotom-po momba ny voninahitry ny fanjakan’Andriamanitra sy mampitandrina ny amin’ny andro famaliany, izy ireo. Mazoto manolo-tena izy ireo, amin’izao andro anafihan’i Kristy izao. — Salamo 110:3; 145:10-12.
Ireo milaza hoe ‘fiadanana, kanjo tsy misy fiadanana’
14. Mpaminany sandoka nanao ahoana no nisy nandritra ny taonjato fahafito al.f.i.?
14 Nandritra ny taonjato fahafito al.f.i., i Jeremia sy i Ezekiela mpaminanin’Andriamanitra, dia nampita hafatra avy tamin’Andriamanitra momba ny fanamelohana an’i Jerosalema, noho izy io naniasia tsy nankato an’Andriamanitra. Nitranga tamin’ny 607 al.f.i. ilay fandringanana nambaran’izy ireo mialoha, na dia nanohitra izay nolazain’ny irak’Andriamanitra aza ireo mpitarika ara-pivavahana ambony izay to teny. Ireto farany dia hita ho ‘mpaminany adala, izay nampivily ny olon’Andriamanitra, tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona’. — Ezekiela 13:1-16; Jeremia 6:14, 15; 8:8-12.
15. Misy mpaminany sandoka toy izany ve ankehitriny? Hazavao.
15 Toy ireo “mpaminany adala” tamin’izany fotoana izany, ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana ankehitriny koa dia tsy mampitandrina ny olona ny amin’ny andro fitsaran’Andriamanitra ho avy. Filazalazana mahabe fanantenana kosa no ambaran’izy ireo amin’ny hoe hahavita hanorina fiadanana sy filaminana, hono, ireo antoko politika, amin’ny farany. Aleon’izy ireo lavitra mampifaly ny olombelona, toy izay hampifaly an’Andriamanitra, ka izay tian’ireo mpiangona ao aminy ho re no lazain’izy ireo. Tsy hazavain’izy ireo fa efa tafaorina ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy ho ela dia hamita ny fandreseny ilay Mpanjaka Mesianika. (Daniela 2:44; 2 Timoty 4:3, 4; Apokalypsy 6:2). Amin’ny maha mpaminany sandoka azy ireo, dia milaza hoe ‘fiadanana koa izy ireo, kanjo tsy misy fiadanana’. Tsy ho ela anefa dia hivadika ho horohoro tampoka ny fiekeny mafy, rehefa tsy maintsy hiatrika ny fahatezerana mafin’Andriamanitra izy ireo, satria nasehon’izy ireo tamin’ny fomba diso izy sady nototofan’izy ireo fanalam-baraka tsy tambo isaina ny anarany. Ho faty eo am-panaovana antsoantso mamitaka hoe fiadanana ireo mpitarika ao amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay lazalazaina ao amin’ny Baiboly ho toy ny vehivavy maloto fitondran-tena. — Apokalypsy 18:7, 8.
16. a) Nanjary fanta-daza ho olona manao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana izy ireo no hafa noho ireo izay miantsoantso hoe ‘fiadanana, kanjo tsy misy fiadanana’?
16 Na dia mikiry mampanantena fiadanana amim-pihatsarambelatsihy aza ny ankamaroan’ny mpitarika ambony izay to teny, dia tsy voahozongozon’izany ny fatokisan’ireo manam-pinoana ny fampanantenan’Andriamanitra ny tena fiadanana. Nanjary fanta-daza ho mpiaro amim-pahatokiana ny Tenin’Andriamanitra sy mpanohitra amin-kerim-po ny fivavahan-diso ary mpanohana amim-pahatapahan-kevitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny zato taona mahery. Tsy mandrotsirotsy ny olona velively amin’ny fitenenana fandre foana momba ny fiadanana, mahafinaritra ny sofina fotsiny, izy ireo. Miezaka amim-pahazotoana kosa izy ireo hampifoha ny olona, mba hahitany ilay zava-misy hoe fotoana iadiana ange izao. — Isaia 56:10-12; Romana 13:11, 12; 1 Tesaloniana 5:6.
Hiteny amin’izay i Jehovah
17. Inona no hevitry ny hoe tsy ho ela dia hiteny amin’izay i Jehovah?
17 Hoy koa i Solomona: “Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoany avokoa ny zavatra rehetra”. (Mpitoriteny 3:17, Kat.). Eny, manana fotoana voatondro hampiharana didim-pitsarana amin’ny fivavahan-diso sy amin’ireo “mpanjakan’ny tany [izay] mitsangana (...) hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany”, i Jehovah. (Salamo 2:1-6; Apokalypsy 16:13-16). Rehefa ho tonga izany fotoana izany, dia ho tapitra ny fotoana ‘nanginan’i’ Jehovah. (Salamo 83:1, NW; Isaia 62:1; Jeremia 47:6, 7). ‘Hiteny’ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka Mesianikany nomena fiandrianana, i Jehovah, ka hiteny amin’ilay hany fiteny toa azon’ireo mpanohitra azy: “Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon’ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; miantsoantso Izy, eny, mihiaka [akoran’ady, NW ]; mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy. Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina. Hataoko mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, ary hataoko tankina ny farihy. Hitarika ny jamba amin’izay làlana tsy fantany Aho; ary amin’ny làlana tsy fantany no hitondrako azy; ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.” — Isaia 42:13-16, izahay no manao sora-mandry.
18. Amin’ny lafiny inona ny vahoakan’Andriamanitra no tsy ho ela dia ‘hangina’?
18 Rehefa ‘hiteny’ hiaro ny maha Andriamanitra azy i Jehovah, dia tsy hila ny hiteny ho fiarovan-tena intsony ny vahoakany. Ho anjaran’izy ireo indray izao ny ‘hangina’. Hihatra amin’izy ireo ireto teny ireto, izay efa nihatra tamin’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny: “Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo”. — 2 Tantara 20:17.
19. Inona no tombontsoa tsy ho ela dia ho azon’ireo rahalahin’i Kristy ara-panahy?
19 Ho faharesena tanteraka ho an’i Satana sy ny fandaminany izany! Handray anjara amin’ny fandresena miezinezina iray hampanjakana ny fahitsiana ireo rahalahin’i Kristy nomem-boninahitra, mifanaraka amin’izao fampanantenana izao: “Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo.” (Romana 16:20). Antomotra ilay fotoana nandrasana hatry ny ela hisian’ny fiadanana, rehefa ela ny ela.
20. Tsy ho ela dia ho fotoanan’ny inona?
20 Ho voatahy tokoa ny fiainan’ny olona rehetra eto an-tany izay ho tafita velona amin’io fampisehoana lehibe ny herin’i Jehovah io! Tsy ho ela aorian’izay, dia hanatevin-daharana azy ireny ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky tamin’ny lasa, satria ho tonga ny fotoana voatondro hitsanganan’izy ireo amin’ny maty. Ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia ho tena “fotoana hambolena, (...) fotoana hanasitranana; (...) fotoana hananganana (...) fotoana hihomehezana; (...) fotoana handihizana (...) fotoana hamihinana (...) [ary] fotoana hitiavana”. Eny, ary ho ‘fotoana hiadanana’ mandrakizay izany! — Mpitoriteny 3:1-8, Kat.; Salamo 29:11; 37:11; 72:7.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no fototry ny fiadanana maharitra?
◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mihevitra ny fotoana ankehitriny ho ‘fotoana iadiana’?
◻ Rahoviana ny vahoakan’Andriamanitra no ‘hiteny’, ary rahoviana izy ireo no ‘hangina’?
◻ Amin’ny ahoana i Jehovah no hiteny amin’izay, ary rahoviana?
[Efajoro, pejy 13]
Manana Fotoana Voatondro i Jehovah
◻ hitarihana an’i Goga hanafika ny vahoakan’Andriamanitra. — Ezekiela 38:3, 4, 10-12
◻ hanomezana fo ireo mpanapaka olombelona mba handrava an’i Babylona Lehibe. — Apokalypsy 17:15-17; 19:2
◻ hanaovana ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. — Apokalypsy 19:6, 7
◻ hanombohana ny adin’ny Haramagedona. — Apokalypsy 19:11-16, 19-21
◻ hamatorana an’i Satana mba hanombohana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy. — Apokalypsy 20:1-3
Tanisaina fotsiny araka ny filaharana ilazana azy ao amin’ny Soratra Masina ireo fisehoan-javatra ireo. Azontsika antoka fa hitranga araka ny filaharana faritan’i Jehovah ireo fisehoan-javatra dimy rehetra ireo, ary hitranga indrindra amin’ny fotoana faritany.
[Sary, pejy 15]
Ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy dia ho tena fotoana...
hihomehezana...
hamihinana...
hitiavana...
hambolena...
handihizana...
hanorenana...