-
“Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Septambra
-
-
MATETIKA isika no malahelo na kivy mihitsy, satria mijaly, diso fanantenana, ary manirery. Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Iza no afaka hanampy ahy?’ Resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 1:3, 4, fa mpampionona azontsika itokisana i Jehovah Andriamanitra.
Antsoina hoe “Rain’ny fangorahana” izy, eo amin’ny andininy faha-3. Inona no dikan’izany? Ilay teny grika nadika hoe ‘mangoraka’, dia midika koa hoe mahatsapa ny fijalian’ny hafa.a Milaza ny boky iray momba ny Baiboly, fa mety hidika koa hoe “malahelo” na “tena miahy” io teny io. Manosika an’Andriamanitra hanao zavatra ny “fangorahana.” Manjary te hanatona azy tokoa isika, noho io toetrany io!
“Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, hoy i Paoly. Voalaza fa io teny io dia manana heviny hoe “manambitamby olona mijaly na malahelo, ary manampy na mampahery azy.” Hoy ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy): “Mampionona ny olona mijaly isika, rehefa mampahery azy mba hahazakany ny fahoriany.”
Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Ahoana no ampiononan’Andriamanitra sy ampaherezany antsika, mba hahazakantsika fahoriana?’ Ny tena ampiasainy dia ny Baiboly sy ny vavaka. Milaza i Paoly fa tia antsika Andriamanitra ka nanome ny Teniny, mba ‘hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.’ Rehefa mivavaka mafy koa isika, dia mahatsapa “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—Romanina 15:4; Filipianina 4:7.
-
-
“Andriamanitry ny Fampiononana Rehetra”Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Septambra
-
-
a Antsoina hoe “Rain’ny [na loharanon’ny] fangorahana” Andriamanitra. Avy aminy mantsy io toetra io, ary anisan’ny mampiavaka azy.
-