Manandratra ny Herin’i Jehovah ny Fahalemen’olombelona
“Noheverin’ny rehetra ho mpanompo manontolo andro falifaly sy mavitrika aho. Izaho foana no olona tokony hanampy ny hafa isaky ny nanan-java-nanahirana izy ireo. Tetsy an-danin’izany anefa, dia tsapako ho toy ny niala aina aho tao anatiko tao. Nitera-pahavoazana ho ahy ny eritreritra tsy mandry sy ny tebitebin-tsaina. Nanomboka nahatsapa ho tafasaraka tamin’ny olona aho. Te hijanona hatory fotsiny tao an-trano aho. Nandritra ny volana maro, dia nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hamelany ahy ho faty.” — Vanessa.
ARAKA an’io ohatra voatonona etsy ambony io, dia ampoizina tsotra izao ny hoe indraindray, ny mpanompon’i Jehovah dia hahatsapa ny fiantraikan’ny fiainana amin’izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Ny sasany aza mety hanjary ho rera-po. (Filipiana 2:25-27). Afaka mampiala amintsika ny tanjatsika ny famoizam-po, rehefa maharitra, satria manambara ny Baiboly hoe: “Raha [kivy, NW ] amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10). Eny, rehefa kivy isika dia mila hery — angamba aza ilay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “hery mihoatra noho ny mahazatra”. — 2 Korintiana 4:7, NW.
I Jehovah Andriamanitra no loharanon’ny hery tsy misy fetra. Miharihary izany rehefa mandinika ny zavatra noforoniny isika. (Romana 1:20). Hevero, ohatra, ny masoandro. Mandray tsy tapaka angôvo 240 tapitrisa tapitrisa chevaux-vapeur avy amin’ny masoandro ny tany. Kanefa, tsy mampiseho afa-tsy tokony ho ampaharoa arivo tapitrisan’ny angôvo avoakan’ny masoandro io isa io. Ary kely ny masoandro raha oharina amin’ny kintana fantatra ho supergéantes. Anisan’izy ireny i Rigel, kintana iray ao amin’ny antokon-kintana Orion, izay avo 50 heny noho ny masoandrontsika ny habeny ary mamoaka angôvo avo 150 000 heny!
Tsy maintsy manana “hery lehibe” ny Mpamorona ny foiben-kerin’aratra toy izany. (Isaia 40:26, Kat.; Salamo 8:3, 4). Eny tokoa, nanambara i Isaia mpaminany fa “tsy mba mety ho reraka na sasatra” i Jehovah. Ary Andriamanitra dia vonona hizara ny heriny amin’ny olona na iza na iza, izay mahatsapa ho reraka noho ny fahalemen’olombelona. (Isaia 40:28, 29). Hita mazava amin’ny toe-javatra nahakasika an’i Paoly, apostoly kristiana, ny fomba anaovany izany.
Fiatrehana fisedrana
Niteny tamin’ireo Korintiana momba ny vato misakana iray tsy maintsy niaretany i Paoly. Nantsoiny hoe “tsilo tamin’ny nofo” izy io. (2 Korintiana 12:7). Nety ho zava-nanahirana ara-pahasalamana io “tsilo” io, angamba fahavoazan’ny fahitana. (Galatiana 4:15; 6:11). Na nety ho nanisy firesahana an’ireo apostoly sandoka sy mpanelingelina hafa izay nihaika ny naha-apostoly azy sy ny asany i Paoly. (2 Korintiana 11:5, 6, 12-15; Galatiana 1:6-9; 5:12). Na inona io “tsilo tamin’ny nofo” io na inona, dia nampahory mafy an’i Paoly izy io, ary namerimberina nivavaka izy mba hanesorana azy io. — 2 Korintiana 12:8.
Kanefa, tsy nanome ny zavatra nangatahin’i Paoly i Jehovah. Hoy kosa izy tamin’i Paoly: “Ampy ho anao ny fahasoavako”. (2 Korintiana 12:9). Inona no tian’i Jehovah holazaina tamin’izany? Rehefa dinihintsika ny lalana narahin’i Paoly tamin’ny lasa, dia ny nanenjehany an’ireo Kristiana, dia noho ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory no mba nahafahany nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra, na kely fotsiny aza — indrindra fa hoe ho apostoly!a (Ampitahao amin’ny Zakaria 2:12; Apokalypsy 16:5, 6.) Azon’i Jehovah natao tsara ny niteny tamin’i Paoly hoe “ampy” ho anao ny tombontsoa ho mpianatra. Tsy niaraka tamin’ny fanesorana tamin’ny fomba nahagaga ny zava-nanahirana manokana teo amin’ny fiainany izany. Raha ny marina, dia nety ho avy tamin’ny fananana tombontsoa fanampiny aza, ny zava-tsarotra sasany. (2 Korintiana 11:24-27; 2 Timoty 3:12). Na ahoana na ahoana, dia voatery niaritra fotsiny ny ‘tsilo tamin’ny nofony’ i Paoly.
Tsy nandao velively an’i Paoly tamin’ny fananana fo vato anefa i Jehovah. Hoy kosa izy taminy: “Ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” (2 Korintiana 12:9). Eny, nanome tamim-pitiavana ny hery hiatrehan’i Paoly ny tarehin-javatra nisy azy i Jehovah. Noho izany, nanjary nahazoana fianarana azo nampiharina ny ‘tsilo tamin’ny nofo’ nananan’i Paoly. Nampianatra azy hiantehitra tamin’ny herin’i Jehovah fa tsy tamin’ny herin’ny tenany, izy io. Niharihary fa nahatakatra tsara an’io fianarana io i Paoly, satria nanoratra toy izao ho an’ireo Filipiana izy, taona maro tatỳ aoriana: “Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” — Filipiana 4:11, 13.
Ahoana ny aminao? Miaritra karazana ‘tsilo amin’ny nofo’ sasany ve ianao? Angamba izany aretina na tarehin-javatra eo amin’ny fiainana izay miteraka fanahiana be ho anao? Raha izany no izy, dia mahereza. Na dia mety tsy hanala amin’ny fomba mahagaga ilay vato misakana aza i Jehovah, dia afaka manome anao ny fahendrena sy ny herin-tsaina hiatrehana azy io izy, raha mbola manohy mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana ianao. — Matio 6:33.
Raha manakana anao tsy hahavita zavatra betsaka araka izay tianao eo amin’ny asa kristiana ny aretina na ny fandrosoan’ny taona, dia aza mamoy fo. Aza mihevitra ny fisedrana mahazo anao ho toy ny famerana ny fanompoanao an’i Jehovah, fa hevero ho toy ny fahafahana hampitombo ny fianteheranao aminy kosa izany. Tadidio koa fa tsy refesina amin’ny habetsahan’ny asa vitany ny hasarobidin’ny Kristiana iray, fa amin’ny finoany sy ny halalin’ny fitiavany. (Ampitahao amin’ny Marka 12:41-44.) Ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny fanahinao rehetra dia midika hoe fanompoanao azy araka izay fara herin’ny tenanao — fa tsy ny an’olon-kafa. — Matio 22:37; Galatiana 6:4, 5.
Raha tarehin-javatra mampahory eo amin’ny fiainana, toy ny fahafatesan’ny olon-tiana, ny ‘tsilo amin’ny nofonao’, dia araho izao fananaran’ny Baiboly izao: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Nanao izany ny vehivavy kristiana iray antsoina hoe Sylvia. Tao anatin’ny taona vitsivitsy monja no namoizany ny vadiny tamin’ny fahafatesana, taorian’ny 50 taona nivadiana, ary koa mpianakavy sivy hafa — anisan’izany ny zafikeliny tanora roa. “Raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah, dia tsy ho voafehiko ny alaheloko”, hoy i Sylvia. “Nahita fampiononana lehibe tao amin’ny vavaka anefa aho. Azo lazaina ho niresaka tsy nisy farany tamin’i Jehovah aho. Fantatro fa manome ahy ny hery hiaretana izy.”
Manome toky toy inona moa ny mahalala fa ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” dia afaka manome an’ireo ory ny hery hiaretana! (2 Korintiana 1:3; 1 Tesaloniana 4:13). Noho ny fahatakarantsika an’izany, dia afaka mahazo ny hevitry ny famaranan-tenin’i Paoly ny amin’ilay raharaha isika. Nanoratra toy izao izy: “Finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” — 2 Korintiana 12:10.
Fiatrehana ny tsy fahatanterahana
Nandova tsy fahatanterahana avy tamin’ny ray aman-drenintsika olombelona voalohany isika rehetra. (Romana 5:12). Ho vokany, dia miady amin’ny fanirian’ny nofontsika mpanota isika. Mahakivy toy inona moa ny mahita fa mangeja antsika mafy kokoa tsy araka ny nieritreretantsika azy ireo ‘lafin-toetra taloha’! (Efesiana 4:22-24). Amin’ny fotoana toy izany isika dia mety hahatsapa toy ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao: “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” — Romana 7:22, 23.
Eto koa, dia afaka mahazo hery avy amin’i Jehovah isika. Rehefa miady amin’ny fahalemen’ny tenanao ianao, dia aza mitsahatra mihitsy mitodika any aminy ao amin’ny vavaka, fa tadiavo amim-pahatsorana ny famelany, na impiry na impiry ianao no manatona azy momba iny zava-manahirana iny ihany. Noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, i Jehovah, izay ‘mandanja ny fo’ sy afaka mahita ny halalin’ny fahatsoranao, dia hanome anao feon’ny fieritreretana voadio. (Ohabolana 21:2). Afaka manome antsika ny hery hanohizana indray ny ady amin’ny fahalemen’ny nofo i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. — Lioka 11:13.
Mila hery avy amin’i Jehovah koa isika rehefa miatrika ny tsy fahatanterahan’ny hafa. Ohatra, mety ‘handefalefa teny tsy tsaroana’ amintsika ny namana kristiana iray “ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra” ny teniny. (Ohabolana 12:18). Mety hanafintohina mafy antsika izany, indrindra raha avy amin’ny olona izay heverintsika fa tokony hahalala ny ataony. Mety hanjary ho voahelingelina mafy isika. Ny sasany nampiasa mihitsy ny fahatafintohinana toy izany ho fanamarinana ny fialana amin’i Jehovah — fahadisoana bevava izany!
Kanefa, hanampy antsika hihevitra ny fahalemen’ny hafa araka ny tokony ho izy ny fihetsika voalanjalanja. Tsy afaka manantena fahatanterahana avy amin’ny olombelona tsy tanteraka isika. “Tsy misy olombelona tsy manota”, hoy ny fampahatsiahivan’i Solomona, lehilahy hendry, antsika. (1 Mpanjaka 8:46). Nanamarika toy izao i Arthur, Kristiana voahosotra iray izay naneho tsy fivadihana teo am-panompoana nandritra ny fitopolo taona teo ho eo: “Ny fahalemen’ny mpiara-manompo dia miteraka fahafahantsika hampiseho tsy fivadihana, ka manjary fitsapana ny toetra kristiana ananantsika. Manompo olona isika raha avelantsika hanakantsakana ny fanompoantsika an’i Jehovah ny zavatra lazain’ny olona na ataony. Ankoatra izany, azo antoka fa tia an’i Jehovah koa ireo rahalahintsika. Raha mitady toetra tsara ao amin’izy ireo isika, tsy ho ela isika dia hahita fa hay tsy dia hoe ratsy loatra akory izy ireo.”
Ny hery itoriana
Talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” — Asan’ny Apostoly 1:8.
Mifanaraka amin’ireo tenin’i Jesosy ireo, dia tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 233 manerana ny gilaoby izao io asa io. Mandany ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona izy ireo amin’ny fitambarany, hanampiana ny hafa ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah. Tsy mora foana ny fanatanterahana an’io asa io. Voarara na asiana fameperana ny asa fitoriana ilay Fanjakana any amin’ny tany sasany. Diniho ihany koa ireo izay manao ilay asa — olombelona malemy sy tsy tanteraka, izay manana ny zava-manahirana azy sy ny fanahiany ny tsirairay avy aminy. Mitohy anefa ilay asa ka ny vokany dia olona maherin’ny iray tapitrisa no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah sy nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano, tao anatin’ireo telo taona farany. (Matio 28:18-20). Marina tokoa fa noho ny herin’Andriamanitra ihany no anatanterahana an’io asa io. Nilaza toy izao i Jehovah tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko”. — Zakaria 4:6.
Raha mpitory ny vaovao tsara ianao, dia manana anjara — na toy inona na toy inona toa hakeliny — amin’io zava-bita lehibe io. Na manao ahoana na manao ahoana ny “tsilo” tsy maintsy iaretanao, dia afaka matoky ianao fa tsy hanadino ‘ny asa sy ny fitiavana izay nasehonao ho voninahitry ny anarany’, i Jehovah. (Hebreo 6:10). Koa manohiza miantehitra amin’ilay Loharanon’ny hery lehibe rehetra mba hahazoana fanohanana. Tadidio fa noho ny herin’i Jehovah ihany no ahafahantsika miaritra; manjary tanterahina amin’ny fahalementsika ny heriny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazava ho azy fa satria “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, dia porofon’ny famindram-pon’Andriamanitra no ahafahan’ny olombelona na iza na iza hanjary hanana fifandraisana aminy, na dia kely aza. — Romana 3:23.
[Sary, pejy 26]
Amin’ny alalan’ny herin’i Jehovah ihany no anatanterahana ny asa fitoriana