Toko 19
Asiana Tombo-kase ny Israelin’Andriamanitra
Fahitana 4—Apokalypsy 7:1-17
Foto-kevitra: Asiana tombo-kase ireo 144 000, ary misy vahoaka be mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny nanjakan’i Kristy Jesosy tamin’ny 1914 hatramin’ny Fanjakany Arivo Taona
1. “Iza no mahajoro” mandritra ilay andro lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra?
“IZA no mahajoro?” (Apokalypsy 6:17) Handrava ny tontolon’i Satana tokoa ilay andro lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mety hanontany àry ireo mpitondra sy vahoakan’ity tontolo ity hoe iza no mahajoro? Toa handringana ny olombelona rehetra ilay loza ho avy, araka ny hevitr’izy ireo. Marina ve izany? Soa ihany fa manome toky antsika ny mpaminanin’Andriamanitra hoe: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra.” (Joela 3:5) Manamafy izany ny apostoly Petera sy Paoly. (Asan’ny Apostoly 2:19-21; Romanina 10:13) Ho tafavoaka velona tokoa ireo miantso ny anaran’i Jehovah. Iza izy ireo? Ho hitantsika eo am-pandinihana ny fahitana manaraka izany.
2. Nahoana no mahagaga ny hoe hisy ho tafavoaka velona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah?
2 Tena mahagaga ny hoe hisy olona ho tafavoaka velona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah. Nilaza toy izao mantsy ny mpaminany hafa: “He! ny tadion’i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy. Ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony.” (Jeremia 30:23, 24) Tsy maintsy miomana haingana isika, mba hiatrika an’io andro fitsarana io!—Ohabolana 2:22; Isaia 55:6, 7; Zefania 2:2, 3.
Rivotra efatra
3. a) Inona no asa manokana ataon’ireo anjely hitan’i Jaona? b) Inona ireo ‘rivotra efatra’?
3 Manao asa manokana ny anjely any an-danitra, alohan’ny hipoahan’ny fahatezeran’i Jehovah. Hitan’i Jaona ao amin’ny fahitana izany: “Taorian’izany, dia hitako fa nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra. Nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany na amin’ny ranomasina na amin’ny hazo.” (Apokalypsy 7:1) Inona no dikan’izany ho antsika? Ireo ‘rivotra efatra’ ireo dia ny didim-pitsarana handringanana ny ratsy fanahy eto an-tany, sy ireo mpikomy oharina amin’ny “ranomasina”, ary ny mpitondra ampitahaina amin’ny hazo, izay miantehitra amin’ny fanohanan’ny vahoakany.—Isaia 57:20; Salamo 37:35, 36.
4. a) Manondro inona ireo anjely efatra? b) Inona no hanjo ny fandaminan’i Satana eto an-tany, rehefa havotsotra ireo rivotra efatra?
4 Manondro antokon’anjely efatra ireo anjely efatra. Ampiasain’i Jehovah hihazona ny fanatanterahana ny didim-pitsarany izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana voatondro. Hisy fandravana lehibe eto an-tany, rehefa havotsotr’ireo anjely ny rivotry ny fahatezeran’Andriamanitra, ka hiara-mamely avy any avaratra, atsimo, atsinanana ary andrefana. Efa nampiasa rivotra efatra toy izany i Jehovah, rehefa nanaparitaka sy nanorotoro ary nandripaka tanteraka ny mponin’i Elama. Mbola lehibe lavitra noho izany anefa no hataony. (Jeremia 49:36-38) Handravarava kokoa noho ilay “rivo-mahery” nandringanan’i Jehovah ny firenen’i Amona koa io rivo-doza lehibe io. (Amosa 1:13-15) Tsy hisy amin’ny fandaminan’i Satana hahajoro amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, rehefa hanamarina mandrakizay ny zony hitondra izy.—Salamo 83:15, 18; Isaia 29:5, 6.
5. Inona no lazain’ny faminanian’i Jeremia, ka manampy antsika hahatakatra fa hihatra amin’ny tany manontolo ny fitsaran’Andriamanitra?
5 Azo antoka ve fa hihatra amin’ny tany manontolo ny fitsaran’Andriamanitra? Henoy indray i Jeremia mpaminany: “Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ny faran’ny tany; ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah dia hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa.” (Jeremia 25:32, 33) Amin’io rivo-doza mahery io no handrakotra ny tany ny haizim-pito. Hohozongozonina ny fitondrana rehetra, ary hesorina ka tsy hotsarovana intsony. (Apokalypsy 6:12-14) Tsy ny rehetra anefa no ho ratsy fiafara toy izany. Ho an’iza àry no nihazonana ireo rivotra efatra?
Asiana tombo-kase ny mpanompon’Andriamanitra
6. Iza no nibaiko ny anjely mba hihazona ny rivotra efatra, ary manome fotoana hanaovana inona izany?
6 Nilaza i Jaona fa hasiana marika ireo ho tafavoaka velona. Hoy izy: “Ary hitako fa nisy anjely iray hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana tombo-kasen’ilay Andriamanitra velona. Ary niantsoantso mafy tamin’ireo anjely efatra navela hanimba ny tany sy ny ranomasina izy, nanao hoe: ‘Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.’ ”—Apokalypsy 7:2, 3.
7. Iza ilay anjely fahadimy, ary inona no manaporofo izany?
7 Tsy voatonona anarana ilay anjely fahadimy, nefa tsy maintsy ho i Jesosy Tompo nomem-boninahitra izy io, araka ny porofo rehetra. Arkanjely i Jesosy, ka manana fahefana amin’ny anjely hafa, araka ny aseho eto. (1 Tesalonianina 4:16; Joda 9) I Jehovah sy Kristy koa no antsoina hoe “ireo mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.” Tonga mba hanatanteraka didim-pitsarana izy ireo, toa an’i Dariosy sy Kyrosy izay nanafika an’i Babylona fahiny. (Apokalypsy 16:12; Isaia 45:1; Jeremia 51:11; Daniela 6:1) Ankoatra izany, dia i Jesosy no nasaina hanisy tombo-kase ny Kristianina voahosotra, ka midika izany fa izy ilay anjely. (Efesianina 1:13, 14) Izy koa no hitarika ny tafika any an-danitra hanatanteraka ny didim-pitsarana amin’ireo firenena, rehefa havotsotra ireo rivotra. (Apokalypsy 19:11-16) I Jesosy àry ilay nibaiko hoe mbola tsy tokony horavana ny fandaminan’i Satana, raha tsy voaisy tombo-kase ny mpanompon’Andriamanitra.
8. Inona ilay fanisiana tombo-kase, ary oviana izy io no nanomboka?
8 Inona ilay fanisiana tombo-kase, ary iza ireo mpanompon’Andriamanitra ireo? Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 ilay fanisiana tombo-kase, rehefa nohosorana tamin’ny fanahy masina ireo Kristianina jiosy voalohany. Nanangona olona “hafa firenena” koa Andriamanitra tatỳ aoriana, ary nanosotra azy ireo. (Romanina 3:29; Asan’ny Apostoly 2:1-4, 14, 32, 33; 15:14) Nanoratra ny apostoly Paoly fa manana antoka ny Kristianina voahosotra hoe “an’i Kristy” izy ireo. Hoy koa izy: “Nanisy tombo-kase teo amintsika koa izy [Andriamanitra] sady nanome antsika ilay antoka ny amin’izay ho avy, dia ny fanahy, ao am-pontsika.” (2 Korintianina 1:21, 22; ampitahao amin’ny Apokalypsy 14:1.) Rehefa atsangana ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra àry ireo mpanompo ireo, dia toy ny hoe asiana tombo-kase, izay antoka fa manana lova any an-danitra izy ireo. (2 Korintianina 5:1, 5; Efesianina 1:10, 11) Afaka milaza izy ireo hoe: “Ny fanahy masina sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa, izany hoe, mpandova an’Andriamanitra tokoa nefa mpiara-mandova amin’i Kristy, raha miara-miaritra aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.”—Romanina 8:15-17.
9. a) Fiaretana manao ahoana no takina amin’ny zanaka ara-panahin’Andriamanitra sisa? b) Haharitra hafiriana ny fitsapana ny voahosotra?
9 Inona no dikan’ilay hoe “raha miara-miaritra aminy isika”? Tsy maintsy miaritra sy mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny Kristianina voahosotra, raha te hahazo ny satroboninahitry ny fiainana. (Apokalypsy 2:10) Tsy marina ilay hoe ‘rehefa voavonjy indray mandeha, dia voavonjy mandrakizay.’ (Matio 10:22; Lioka 13:24) Ampirisihina kosa ireo voahosotra ireo hoe: “Tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo.” Tsy maintsy ho afaka hilaza toy ny apostoly Paoly izy ireo amin’ny farany hoe: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2 Petera 1:10, 11; 2 Timoty 4:7, 8) Tsy hijanona àry ny fitsapana sy fanasivanana an’ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra sisa eto an-tany, raha tsy avy nanisy tombo-kase ny ‘handrin’izy’ rehetra i Jesosy sy ny anjeliny. Ho voaporofo tanteraka amin’izay, fa notsapaina izy ireo ary hita fa “mpanompon’Andriamanitra” mahatoky, ka tsy hesoriny aminy intsony ilay tombo-kase. Ho efa voaisy tombo-kase farany ny Israely ara-panahy rehetra, rehefa havotsotra ireo rivotra efatry ny fahoriana lehibe. Ho efa feno ny isan’izy ireo amin’izay, na dia mbola eto an-tany aza ny sasany aminy.—Matio 24:13; Romanina 11:25, 26; Apokalypsy 19:7.
Firy no asiana tombo-kase?
10. a) Inona no andininy mampiseho fa voafetra ny isan’ireo asiana tombo-kase? b) Firy no asiana tombo-kase, ary ahoana no fomba itanisana azy ireo?
10 Hoy i Jesosy tamin’ireo hasiana tombo-kase: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Asehon’ny andininy hafa, toy ny Apokalypsy 6:11 sy ny Romanina 11:25 fa noferana mialoha ny isan’izy ireo. Manamafy izany ny tenin’i Jaona hoe: “Ary reko ny isan’ireo voaisy tombo-kase, dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, voaisy tombo-kase avy tamin’ny foko rehetran’ny zanak’Israely: Avy tamin’ny fokon’i Joda dia roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase; avy tamin’ny fokon’i Robena roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Gada roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Asera roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Naftaly roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Manase roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Simeona roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Levy roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Isakara roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Zebolona roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Josefa roa arivo sy iray alina; avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia roa arivo sy iray alina no voaisy tombo-kase.”—Apokalypsy 7:4-8.
11. a) Nahoana no tsy ny Israely ara-bakiteny no tiana horesahina amin’ireo foko 12? b) Entina ilazana inona ny fitanisana ireo foko 12 ireo? d) Nahoana no tsy misy fokona mpanjaka na fokona mpisorona manokana ao amin’ny Israelin’Andriamanitra?
11 Ny Israely ara-bakiteny ve no resahina eo? Tsia, satria tsy ireo fokon’ny Israely mahazatra no resahin’ny Apokalypsy 7:4-8. (Nomery 1:17, 47) Tsy mitanisa an’ireo Jiosy araka ny fokony avy ilay lisitra eto, fa entina ilazana fotsiny hoe mitovy amin’ny rafitra nisy fahiny ny fomba andaminana ny Israely ara-panahy. Mifandanja tsara ilay fizarana satria misy 12 000 ny tsirairay amin’ireo foko 12, ka izany dia manome 144 000 katroka. Tsy misy fokona mpanjaka na fokona mpisorona manokana ao amin’io Israelin’Andriamanitra io, satria ilay firenena manontolo no ho mpanjaka sady mpisorona.—Galatianina 6:16; Apokalypsy 20:4, 6.
12. Nahoana no mety tsara ny hiran’ireo anti-panahy 24 eo anatrehan’ny Zanak’ondry, voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5:9, 10?
12 Ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy no nasaina voalohany ho anisan’ny Israely ara-panahy, nefa vitsy ihany no nanaiky izany. Nasain’i Jehovah koa àry ny hafa firenena. (Jaona 1:10-13; Asan’ny Apostoly 2:4, 7-11; Romanina 11:7) “Tafasaraka tamin’ny firenen’Israely” avokoa ny tsy Jiosy rehetra, anisan’izany ny Efesianina. Nasiana tombo-kasen’ny fanahin’Andriamanitra koa anefa izy ireo tatỳ aoriana, ka lasa anisan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (Efesianina 2:11-13; 3:5, 6; Asan’ny Apostoly 15:14) Mety àry raha mihira toy izao eo anatrehan’ny Zanak’ondry ireo anti-panahy 24: “Ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.”—Apokalypsy 5:9, 10.
13. Nahoana i Jakoba no niantso an’ireo voahosotra hoe “foko roa ambin’ny folo any am-pielezana”, tao amin’ny taratasiny?
13 “Firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina” ny fiangonana kristianina. (1 Petera 2:9) Izy io no nisolo ny Israely, firenen’Andriamanitra fahiny. Israely vaovao izy io, ary izy no “tena Israely.” (Romanina 9:6-8; Matio 21:43)a Izany no nahatonga an’i Jakoba rahalahin’i Jesosy hiantso ny voahosotra hoe “foko roa ambin’ny folo any am-pielezana”, rehefa nanoratra ho azy ireo izy. Ny fiangonan’ny voahosotra eran-tany, izay ho feno 144 000, no tiany holazaina.—Jakoba 1:1.
Ny Israelin’Andriamanitra ankehitriny
14. Inona no manaporofo fa nino foana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe 144 000 ara-bakiteny ny Israely ara-panahy?
14 Neken’i Charles Russell fa ara-bakiteny ny isan’ny Israely ara-panahy hoe 144 000. Izao no nosoratany tao amin’ny boky Ny Zavaboary Vaovao, Boky Faha-6 tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina, navoaka tamin’ny 1904: “Afaka mino tanteraka isika fa voafaritra tsara ny isan’ireo voafidy, ary voatonona imbetsaka ao amin’ny Apokalypsy (7:4; 14:1) io isa io, dia ny 144 000, izay ‘navotana avy teo amin’ny olona.’ ” Izao koa no voalaza ao amin’ny Fahazavana, Boky Voalohany, navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1930: “Ireo 144 000 anisan’ny vatan’i Kristy àry dia antokon’olona voafidy sy voahosotra, izany hoe voaisy tombo-kase.” Nino foana ny Vavolombelon’i Jehovah fa 144 000 ara-bakiteny ny Israely ara-panahy.
15. Inona no noheverin’ny Mpianatra ny Baiboly tso-po taloha kelin’ny andron’ny Tompo, fa hitranga amin’ny Jiosy amin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa?
15 Tsy mba tokony hahazo sitraka manokana ihany ve anefa ny Israely ara-nofo ankehitriny? Noheverin’ny Mpianatra ny Baiboly tso-po taloha kelin’ny andron’ny Tompo, fa hahazo sitraka manokana amin’Andriamanitra indray ny Jiosy, rehefa tapitra ny Andron’ny Jentilisa. Tamin’izay izy ireo vao nahita fahamarinana fototra maro. Nampihatra ny Jeremia 31:29-34 tamin’ny Jiosy ara-nofo i C. Russell tao amin’ny boky Antomotra ny Fotoana (Boky II tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina), navoaka tamin’ny 1889. Hoy izy: “Hitan’izao tontolo izao fa nitohy ny famaizana ny Israely teo ambany fitondran’ny Jentilisa, nanomboka tamin’ny [607] T.K. Mbola mitohy izy io, ary tsy misy antony iheverana fa haorina indray ny firenen’izy ireo alohan’ny 1914, izay hifaranan’ny ‘fetr’andro fito’, na ireo 2 520 taona.” Nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly fa ho lasa firenena mahaleo tena indray ny Jiosy aorian’izay. Nihamafy ilay fanantenana tamin’ny 1917, satria nanome toky i Balfour, minisitry ny raharaham-bahiny anglisy, fa hatao izay honenan’ny Jiosy indray eo amin’ny faritr’i Palestina.
16. Inona no ezaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana tamin’ny Jiosy, ary inona no vokany?
16 Lasa niandraiketan’i Grande-Bretagne ny faritr’i Palestina, taorian’ny Ady Lehibe I, ary maro ny Jiosy afaka niverina tany. Lasa firenena nahaleo tena i Israely tamin’ny 1948. Tsy midika ve izany fa hahazo ny fitahian’Andriamanitra indray ny Jiosy? Nino izany ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro. Namoaka boky 128 pejy hoe Fampiononana ho An’ny Jiosy àry izy ireo tamin’ny 1925. Navoakan’izy ireo tamin’ny 1929 koa ilay boky 360 pejy hoe Fiainana, izay manazava ny bokin’i Joba ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana ny Jiosy. Niezaka mafy izy ireo, indrindra fa tany New York, mba hitory momba ny Mesia tamin’ny Jiosy. Nisy Jiosy vitsivitsy nandray izany. Toy ny razambeny tamin’ny taonjato voalohany anefa ny ankamaroany, ka nanda ny porofon’ny fanatrehan’ny Mesia.
17, 18. Inona no nanjary takatry ny mpanompon’Andriamanitra teto an-tany, momba ny fifanekena vaovao sy ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny?
17 Miharihary fa tsy ny Jiosy ara-bakiteny na ny firenena jiosy, ilay Israely resahin’ny Apokalypsy 7:4-8 na ny faminaniana hafa momba ny andron’ny Tompo. Manaraka ny fomban-drazany izy ireo, ka tsy mety mampiasa ny anaran’Andriamanitra. (Matio 15:1-3, 7-9) Niresaka momba ny Jeremia 31:31-34 ny boky Jehovah, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1934, ka nilaza mazava toy izao: “Tsy misy ifandraisany amin’ny taranaky ny Israely fahiny na amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny ny fifanekena vaovao, fa ... amin’ny Israely ara-panahy ihany.” Tsy mihatra amin’ny Jiosy ara-bakiteny na ny firenen’ny Israely ankehitriny ny faminanian’ny Baiboly momba ny famerenana amin’ny laoniny. Anisan’ny Firenena Mikambana mantsy io firenena io, sady anisan’ilay izao tontolo izao noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:19, 30 sy 18:36.
18 Faly be ny mpanompon’Andriamanitra teto an-tany nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1931. Afaka namerina ny Salamo 97:11 tamin’ny fo manontolo izy ireo, nanao hoe: “Ny fahazavana no voafafy ho an’ny marina, ary ny fifaliana ho an’ny mahitsy fo.” Takany tsara fa ny Israely ara-panahy ihany no tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao. (Hebreo 9:15; 12:22, 24) Tsy manana anjara amin’izany ny Israely mafy hatoka, na izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. Ny fahatakarana izany no nahafantarana fahamarinana lehibe hafa, izay niavaka teo amin’ny tantaran’ny fandaminana. Mamindra fo sy be fitiavana ary tsara fanahy tokoa i Jehovah, sady maneho ny fahamarinany amin’ny olona rehetra manatona azy. (Eksodosy 34:6; Jakoba 4:8) Hisy olon-kafa ankoatra ny Israelin’Andriamanitra handray soa avy amin’ny fihazonan’ny anjely ny rivotra efatry ny fandringanana. Mety ho iza izy ireo? Ho anisan’izy ireo ve ianao? Handinika momba izany isika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Midika hoe “Mitolona Andriamanitra, Mpitolona Amin’Andriamanitra (Manana Fikirizana Amin’Andriamanitra)” ny anarana hoe Israely.—Genesisy 32:28.
[Sary, pejy 114]
[Sary, pejy 116, 117]
Nofidina tamin’ny Pentekosta taona 33 ka hatramin’ny 1935 ny tena Israelin’Andriamanitra. Nisy fivoriambe nanan-tantara nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington tamin’ny 1935, ka ny fanangonana ny vahoaka be manantena ny hiaina eto an-tany indray no nantitranterina (Apokalypsy 7:9)