‘Tohizo hatrany ny fanitsianao ny toetranao’
“AZONAO antoka ve fa ho tratrantsika izy io?” Navantan’ilay ramatoa mpandeha tamin’ny manamboninahitra voalohan’ny sambo ny fanontaniany. Raha nihevaheva sy nisavoamboana teo amin’ireo ranomody malazan’i Atlantika Atsimo eo anivon’ny Cap de Bonne-Espérance ilay sambo kely, taminy dia toa tsy misy afa-tsy fahagagana ny hahatratraran’izy ireo ilay teboka kely eo amin’ny sarintany izay hitodian’izy ireo.
Nanasa azy ho eny amin’ny tokotanin-tsambo àry ilay manamboninahitra voalohany ary nanazava taminy ny fiasan’ireo fitaovam-pamilian-tsambo — ny fanjehy (compas) girôskôpika, ny radara, ny mpandray famantarana avy amin’ny satelita, ary na dia ny famantaran-toerana tsotra aza. Na dia toa sarotra taminy aza ny nahazo ireo fanazavana ara-teknika dia nisy fitsipika fototry ny fitondrana sambo iray takany: fanitsiana ny lalana arahina. Noho izy nampian’ny fitaovana momba ny sambo nampiasainy, dia afaka nisetra ny herin’ny fandehan’ny rano sy ny rivotra eny an-dranomasina ilay kapiteny tamin’ny fanaovana fanitsiana tsy tapaka. Raha tsy nisy ny fanitsiana toy izany, dia tsy ho nahatratra ny fitodiany tany amin’ny maily maro dia maro avy eo mihitsy izy ireo.
Ny kristiana dia sahala amin’ny sambo eny anivon’ny ranomasimben’ny olombelona. Ny tanjona tratrarintsika dia ny “mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo [Jehovah] amin’ny fihavanana.” (2 Petera 3:14). Nefa tahaka ny amin’ny sambo, dia misy hery — anaty sy ivelany — izay mirona hampiala antsika amin’ny lalana tokony harahina. Mety tokoa àry ny tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Korintiana manao hoe: “Izao no angatahinay, dia ny mba hanitsianareo ny toetranareo. (...) Tohizo hatrany (...) ny fanitsiana ny toetranareo.” — 2 Korintiana 13:9, 11, MN.
Izay tafiditra amin’ny hoe fanitsiana ny toetra
Ny teny grika nadika hoe ‘manitsy ny toetra’ eto dia milaza fitondrana zavatra “ho amin’ny filaharana araka ny tokony ho izy.” (Jereo ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fakàn-teny.) Ao amin’ny andalan-tenin’ny Baiboly sasany, dia ampiasaina izy io mba hilazalazana famerenana zavatra iray ho amin’ny toetra iray araka ny tokony ho izy. Ao amin’ny Matio 4:21, ohatra, io teny io dia ampiasaina hilazalazana “fanamboarana harato [simba]”. (Kingdom Interlinear). Inona àry no dikan’ny hoe tokony hanitsy ny toetrany ny kristiana?
Hevero ireo kristiana tany Korinto, izay nanoratan’i Paoly. Tao amin’ny taratasy iray teo aloha ho azy ireo, i Paoly dia nanondro toe-javatra tsy araka ny tokony ho izy maromaro nisy tao amin’ny kongregasiona: fitokotokoana, fileferana amin’ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, ady eo anatrehan’ny fitsarana eo amin’ny samy mpirahalahy, tsy fanajana ny Sakafo harivan’ny Tompo, ary fivoriana tsy amim-pilaminana koa aza. (1 Korintiana 1:10-13; 5:1; 6:1; 11:20; 21; 14:26-33). Ny Korintiana àry dia nila ny “hanamboatra” izany toe-javatra teo aminy izany, izany hoe hitondra izany ho amin’ny filaharana araka ny tokony ho izy hifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra.
Ny taratasy faharoan’i Paoly ho azy ireo dia manondro fa izany indrindra no nataon’izy ireo. (2 Korintiana 7:11). Kanefa, dia fantatr’i Paoly fa ny fanerena avy amin’izao tontolo izao, avy amin’i Satana, ary avy amin’ny fironan’ny nofon’izy ireo ihany, dia hanohy hanosika azy ireo hiala amin’ny lalana tokony harahiny indraindray. Noho izany, dia nanoro hevitra azy ireo tamin’ny fomba mety izy mba ‘hanohy hanitsy ny toetrany’.
Ny ilàna hanaovana fanitsiana ankehitriny
Tsy maintsy manohy manitsy toetra toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. ‘Miady’ amintsika i Satana Devoly, miezaka mafy hanapaka ny tsy fivadihantsika. (Apokalypsy 12:17; Efesiana 6:12). Isika koa dia hodidinin’ny fandehan-javatra maneran-tany izay miasa “araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra.” Ireo mpiara-miasa sy mpiara-mianatra amintsika dia mety ho olona ‘mitondra tena amin’ny filan’ny nofo, ka manao izay danin’ny nofo.’ (Efesiana 2:2, 3). Manana ady atao tsy tapaka amin’ny fironana hanota nolovantsika koa isika. (Romana 7:18-25). Raha tsy misy fanaovana fanitsiana tsy tapaka dia ho voatarika mora foana hiala amin’ny lalana tokony harahina isika.
Manazava tsara izany izay nitranga indray mandeha tamin’ny apostoly Petera. Rehefa avy nilaza araka ny marina an’i Jesosy ho “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” i Petera, dia noderaina tamin’ireto teny ireto: “Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 16:16, 17). Mazava fa nahitsy ny fiheveran’i Petera. Kanefa, teo anelanelan’ny fotoana voafaoka ao anatin’ireo andininy enina nanaraka, dia voatery tsy maintsy notenenin’i Jesosy mafy izy! Raha vao nahafantatra izy fa “hiaritra zavatra maro (...) sy hovonoina” i Kristy, dia nampirisika an’i Jesosy i Petera hoe: “Aoka ianao ho be hatsaram-po amin’ny tenanao Tompoko; tsy hanjo anao izany.” Namaly azy haingana toy izao i Jesosy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.” — Matio 16:21-23, MN.
Nisaina araka ny fomba fihevitra ara-nofo i Petera. Nila ny nahitsy ny fisainany sy ny fihetsiny. Tsy marina koa ve izany amintsika rehetra indraindray? Moa ve isika tsy mirona hijery zavatra araka ny fiheverantsika manokana fa tsy araka ny an’Andriamanitra? Noho izany dia mila ny ahitsy isika indraindray. Sahala amin’ny sambo any an-dranomasina, dia mety ho kely ny fanitsiana toy izany, saika tsy misy dikany. Nefa izy ireny dia mety hidika na ny fanatratrarantsika ny fitodiantsika na ny faharendrehantsika ara-panahy. Eny tokoa, ny fanitsiana kely iray atao ankehitriny dia hisakana ny tsy haha-voatery hanao fanitsiana lehibe — angamba hampanaintaina — any aoriana.
Ireo fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra
Raha tsy mifanentana araka ny tokony ho izy ireo fitaovana momba ny fitondrana sambo dia tsy hety ny hanaovana fanitsiana ny lalana arahina. Toy izany koa, raha tiantsika ny hihazona ny fiainantsika eo amin’ny lalana tokony harahintsika, dia ilaintsika ny fitarihana araka ny tokony ho izy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso.” (2 Timoty 3:16). Izany Teny ara-tsindrimandry izany dia mampahafantatra ireo fitsipi-pitondrantenan’Andriamanitra raha ny amin’ny fihetsika sy ny fomba fisainana. Tena zava-dehibe ny hamakiana izany tsy tapaka mba hanarahana ny “làlan’ny fahamarinana.” — Salamo 23:3.
Misy fitarihana fanampiny avy amin’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” voaforon’ireo kristiana voahosotra. Ireo dia nampian’ny fanahy masin’i Jehovah mba hahatakatra miandalana ny sitrapony. (Matio 24:45-47; Ohabolana 4:18). Araka izany, rehefa misy fitarihana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia afaka mankatò izany amim-pahendrena isika, satria fantatsika tsara fa tsy hitarika antsika afa-tsy ho amin’ny tombontsoantsika mandrakizay i Jehovah. — Isaia 48:17.
Indraindray anefa isika dia mila fanampiana manokana mba hitoerana eo amin’ny lalana tokony harahintsika. Nampirisika toy izao i Paoly ao amin’ny Galatiana 6:1, MN: “Ry rahalahy, na dia solafaka tsy nahy aza ny olona iray, dia iezahonareo izay mahafeno ireo fepetra ilaina ho amin’izany ahitsy amim-pahalemem-panahy ny olona toy izany.” Ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa dia anisan’ireo izay manana izany toetra ara-panahy ilaina izany. Matetika izy ireny dia hanondro antsika lafin-javatra izay ilàntsika hanaovana fanitsiana.
Ilaina ny manao fiezahana
Tsy mora foana akory ny manao ny fiovana ilaina eo amin’ny fiainantsika. Eto indray, dia hevero ny amin’i Petera. Teraka Jiosy i Petera, ka raha nihalehibe izy dia nandray ny fomba fijery tsy manorina nanjaka momba ny olona hafa firazanana, araka ny nolazainy tamin’i Kornelio jentilisa hoe: “Hianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena.” Kanefa, rehefa avy nahatakatra izy fa sitrapon’Andriamanitra ny hizarany ny fahamarinana kristiana tamin’io lehilahy io sy ny fianakaviany, dia namarana ny teniny toy izao i Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:28, 34, 35.
Nanao fiovana nahagaga teo amin’ny fomba fiheverany sy ny fihetsiny nanoloana ny hafa firazanana i Petera! Nefa hita fa toa nilainy ny nanohy nanitsy ny toetrany tamin’io lafiny io, satria afaka taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanaiky ho resin’ny fitaoman’ny mpiray firenena taminy i Petera ka nanomboka nanao tsinontsinona ireo mpino jentilisa. Voatery nananatra azy ny apostoly Paoly tamin’ny fampiasana teny mahery dia mahery mba hanampiana azy hanitsy kokoa hatrany ny fomba fiheverany! — Galatiana 2:11-14.
Toy izany koa ankehitriny, ny kristiana iray dia mety ho nitombo teo anivon’ny fianakaviana nanavakava-bolon-koditra. Taorian’ny nahatongavany tao amin’ny fahamarinana, dia mety hanaiky ao an-tsaina izy fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, nefa mbola mifikitra amin’ny fihetseham-po mifandray amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra ihany izy. Na dia tsy mankahala ireo hafa volon-koditra aza izy dia mety hanombantombana avy hatrany fa manana toetra tsy faniry izy ireny noho ny volon-koditra nolovany. Mety hisedra ny faharetan’izy ireny izy amin’ny vazivazy na fanamarihana momba ny volon-koditra manintona foana ny saina ho amin’ny firazanana na fahasamihafan’ny volon-koditra. Mety aza izy handa ny fananarana ara-panahy avy amin’ny kristiana iray izay, noho izy tsy dia nahavoa teo amin’ny fianarana na ny ara-tsosialy, dia tsy mahay manazava hevitra amin’ny fomba iray. Miharihary fa hila fiezahana be ny olona toy izany mba hanitsiana ny fiheverany hifanaraka amin’ny an’i Jehovah.a
Nefa, na fanavakavaham-bolon-koditra ilay zava-manahirana, na fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, na fandraisana anjara amin’ny raharaha ara-tsosialy any an-tsekoly na any am-piasana, na ny ilàna hanatrika ireo fivoriana kristiana, dia tsy maintsy hanaraka avy hatrany ny fitarihana omena amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany isika. Na oviana na oviana isika dia tsy tokony hihevitra fa tsy mihatra amintsika ny torohevitra ara-dalàna ao amin’ny Soratra masina ka hodiantsika tsy hita. Tsarovy fa niteny ireo Isiraelita tsy nahatoky hoe: “Tsy mahitsy ny lalan’i Jehovah.” Moa ve tsy isika no tsy maintsy mampifanitsy ny fomba fisainantsika amin’ny lalan’i Jehovah? — Ezekiela 18:25, MN.
Faly isika fa miahy amin-kafanana ny amin’ny fomba fandehantsika eo anatrehany i Jehovah, ka manome fanitsiana tsy tapaka ho an’ny vahoakany. Izany dia araka ny naminanian’Isaia azy hoe: “Fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana ka andehano.” Enga anie ny tenantsika ho voatohina hanaraka izany fitarihana amim-pitiavana avy amin’i Jehovah izany ka ho “vonona hankatò.” (Isaia 30:21; Jakoba 3:17, MN). Eny, aoka isika hanohy hanitsy ny toetrantsika mba hitarihan’ny lalantsika antsika ho amin’ny zava-kendrentsika mandrakizay ao amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ireo lahatsoratra momba ny fanavakavahana navoaka tao amin’ny gazety Réveillez-vous! tamin’ny 8 Novambra 1984. Jereo koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1988, pejy faha-10 ka hatramin’ny faha-20.