Tadidinao Ve?
Nankafizinao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia ho hitanao fa mahaliana ny hitadidiana izao manaraka izao:
◻ Inona no hevitr’ilay teny grika hoe pa·rou·si’a ampiasaina ao amin’ny Matio 24:3, 27, 37, 39?
Hoy ny Expository Dictionary of New Testament Words nosoratan’i Vine: “PAROUSIA (...) dia milaza sady fahatongavana no fanatrehana vokatr’izany.” Noho izany, dia tsy ilay fotoana fahatongavana fotsiny izy io, fa fanatrehana maharitra manomboka amin’ilay fahatongavana. — 15/8, pejy faha-11.
◻ Ahoana no ‘nanafohezana izany andro izany’ mba hisy “nofo” ho voavonjy tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no hitrangan’izany amin’ny ambaratonga lehibe kokoa? (Matio 24:22).
Tamin’ny 66 am.f.i., dia nohafohezin’ny Romana tamin’ny fomba tsy nampoizina ny fanaovany fahirano an’i Jerosalema, ka namela “nofo”, Kristiana, handositra. Mitovy amin’izany koa fa ampoizintsika ny hoe amin’ny fomba mbola tsy fantatra, dia hohafohezina ny fanafihana ho avy amin’i Babylona Lehibe. Amin’izany no hamonjena ireo Kristiana voahosotra sy ireo namany amin’ny fandringanana mety hitranga. — 15/8, pejy faha-18-20.
◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika raha manomboka mandray anjara amin’ireo marika amin’ny Fahatsiarovana na mitsahatra tsy manao izany ny olona iray?
Tsy ilaina ny hanahian’ny Kristiana hafa momba izany. Hoy i Jesosy: “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy”. Amin’ny fomba azo antoka tsy misy hafa amin’izany, i Jehovah dia mahalala an’ireo izay tena nofidiny ho zanany ara-panahy. (Jaona 10:14; Romana 8:16, 17). — 15/8, pejy faha-31.
◻ Inona no zava-kendrena lehibe indrindran’ny Lalàn’i Mosesy?
Voalohany indrindra, izy io dia nampianatra an’ireo Isiraelita fa nilainy ny Mesia, izay hanavotra azy ireo tamin’ny naha-mpanota azy. (Galatiana 3:24). Nampianatra tahotra araka an’Andriamanitra sy fankatoavana koa ny Lalàna, ary nanampy ny Isiraely hitoetra ho tafasaraka tamin’ireo fanao simba ara-pitondran-tenan’ireo firenena nanodidina. (Levitikosy 18:24, 25). — 1/9, pejy faha-9.
◻ Inona no zava-kendren’ny fanekena vaovao? (Jeremia 31:31-34).
Izany dia ny mba hamokatra firenena iray voaforon’ny mpanjaka sady mpisorona mba hitahy ny taranak’olombelona manontolo. (Eksodosy 19:6; 1 Petera 2:9; Apokalypsy 5:10). — 1/9, pejy faha-14, 15.
◻ Nahoana isika no tokony hizatra hahay hiala tsiny?
Ny fialan-tsiny dia afaka manampy mba hanamaivana ny alahelo ateraky ny tsy fahalavorariana, ary afaka manasitrana fifandraisana mihenjana. Ny fialan-tsiny tsirairay ataontsika dia fianarana fanetren-tena ary mampiofana antsika hanjary ho mora hahatsapa kokoa ny fihetseham-pon’ny hafa. — 15/9, pejy faha-24.
◻ Zava-misy iray ara-tantara ve ny Safo-drano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa?
Eny. Azo atao ny mahita manerana an’izao tontolo izao, hatrany amin’ireo tanin’i Amerika ka hatrany Aostralia, fitantarana tranainy miresaka ny amin’ny safo-drano naneran-tany iray. Ny fisian’io foto-kevitra miely patrana io dia fanohanana fanampiny ilay zava-misy hoe tena nitranga ny safo-drano naneran-tany iray, araka ny voatatitra ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 7:11-20). — 15/9, pejy faha-25.
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe tia mandray vahiny? (Romana 12:13, NW ).
Ny hoe “fitiavana mandray vahiny” dia nadika avy tamin’ny teny grika iray izay voaforon’ny fototeny roa midika hoe “fitiavana” sy “olon-tsy fantatra”. Noho izany, ny fitiavana mandray vahiny dia midika voalohany indrindra hoe “fitiavana ny olon-tsy fantatra”. Mahafaoka mihoatra noho ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika, izay aseho noho ny fahatsapana adidy, anefa izy io. Miorina amin’ny tena fitiavana sy ny firaiketam-po ary ny fisakaizana marina izy io. — 1/10, pejy faha-9.
◻ Inona no fanaporofoan-kevitr’i Paoly mikasika ny fanambadiana sy ny fitoerana ho mpitovo ao amin’ny toko faha-7 amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana?
Ananana zo ara-dalàna ny fanambadiana ary, amin’ny toe-javatra sasany, dia mahasoa ny olona sasany. Kanefa, tsy azo lavina fa ahitana tombony ny fitoerana ho mpitovo ho an’ny lehilahy na vehivavy kristiana izay maniry hanompo an’i Jehovah tsy misy fanelingelenana afa-tsy faran’izay kely. — 15/10, pejy faha-13.
◻ Ahoana no ‘ameloman’ny loholona iray ny azy’? (1 Timoty 5:8).
Tokony ‘hamelona ny azy’ — ny vady aman-janany — amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po ny loholona iray. — 15/10, pejy faha-22.
◻ Ahoana no anomezan’i Jehovah fampiononana ho an’ny mpanompony?
Miasa amin’ny maha-“mpampionona” ny fanahy masin’Andriamanitra. (Jaona 14:16, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny fomba hafa anomezan’Andriamanitra fampiononana dia amin’ny alalan’ny Baiboly. (Romana 15:4). Mahafantatra ny zavatra ilaintsika isam-batan’olona Andriamanitra, ary afaka mampiasa antsika mba hifampionona, tsy misy hafa amin’ny nahazoan’i Paoly fampiononana tamin’ny alalan’ny tatitra nataon’i Titosy momba an’ireo Korintiana. (2 Korintiana 7:11-13). — 1/11, pejy faha-10, 12.
◻ Inona no tiana holazaina tamin’ny filazalazan’i Paoly an’i Jehovah hoe “Rain’ny famindram-po miharo fitiavana”, hita ao amin’ny 2 Korintiana 1:3 (NW )?
Ilay anarana grika nadika hoe “famindram-po miharo fitiavana” dia avy amin’ny teny iray ampiasaina mba hanehoana alahelo noho ny fijalian’olon-kafa. Toy izany no ilazalazan’i Paoly ny fihetseham-po feno fitiavana tsapan’Andriamanitra amin’ny mpanompony mahatoky rehetra izay miaritra fahoriana. — 1/11, pejy faha-13.
◻ Inona no notanterahin’ny fifadian-kanina nataon’ny Isiraelita tamin’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona? (Levitikosy 16:29-31; 23:27).
Ny fitandremana ny fifadian-kanina dia nanosika ny vahoakan’ny Isiraely hahatsapa bebe kokoa fa mpanota izy ireo ary nila fanavotana. Tamin’izany no nanehoan’izy ireo alahelo noho ny fahotany sy fibebahana teo anatrehan’Andriamanitra. — 15/11, pejy faha-5.
◻ Inona no tiana holazaina tamin’ilay didy nomena ny tanora hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao”? (Mpitoriteny 12:1).
Milaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny hebreo nadika hoe ‘mahatsiaro’ dia matetika no milaza tsy mivantana “ny firaiketam-po tadidin’ny saina sy ny fanaovan-javatra izay miaraka amin’ny fahatsiarovana”. Koa midika mihoatra noho ny hoe mieritreritra fotsiny momba an’i Jehovah ny fanarahana io didy io. Tafiditra amin’izany ny fanaovan-javatra, ny fanaovana izay hampifaly azy. — 1/12, pejy faha-16.