FIZARAN-TAONA, VANIM-POTOANA
Fotoana fanaovana asa fambolena iray, na fotoana isian’ny toetrandro mampiavaka azy ny fizaran-taona. Fotoana mety na voatondro hanaovan-javatra kosa ny vanim-potoana.
Ny tany mihodidina ny masoandro sady somary mitongilana no mampisy ny fizaran-taona mifandimby. Ahalalana ny fotoana sy ny fizaran-taona ny zavatra eny amin’ny lanitra. (Ge 1:14) “Tsy hitsahatra mihitsy” ny fizaran-taona eto an-tany. (Ge 8:22) Ahitana ny fifandraisan’ireo volana ao amin’ny kalandrie jiosy sy gregorianina, ny fety sy ny toetrandro ary ny fizaran-taona ny lahatsoratra hoe KALANDRIE.
Nisy ifandraisany tamin’ny vanim-potoanan’ny fambolena ny “fotoanan’ny fety” fanao isan-taona notakin’ny Lalàn’i Mosesy. (1Ta 23:31; 2Ta 31:3) Nisy Kristianina Jiosy nanarin’i Paoly satria mbola ‘nitandrina fatratra andro sy volana ary vanim-potoana.’ Ireo fety notakin’ny Lalàna no tian’i Paoly holazaina eo fa tsy toetrandro na fotoam-pambolena.—Ga 4:10.
Fotoana voatondro na misy mampiavaka azy ny hoe “fotoana” indraindray. (As 3:19; Ro 8:18; Ga 6:9) Nampahafantarina ny Kristianina ny fampianarana mahasoa sy ny fitondran-tena mety, tatỳ aoriana, ka tonga ny “fotoana” tokony hifohazany. (Ro 13:11-14) Tena nahaliana ny mpanompon’i Jehovah ireo ‘fotoana na vanim-potoana’ hahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra. (As 1:7) Lasa fantatr’izy ireo miandalana izy ireny.—1Te 5:1.
Efa nisy ‘fotoana voatondron’Andriamanitra’ (As 17:26; ‘vanim-potoana nofariparitany’, DIEM) honenan’ireo firenena eto an-tany. Izy mantsy no namaritra ny fotoanan’ny fanovana sasany, toy ny fotoana tokony hanesorana ny Kananita tsy ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina.—Ge 15:13-21; Je 25:8-11; Da 2:21; 7:12; jereo FE-POTOANA VOATONDRO HO AN’NY HAFA FIRENENA.