Toko 27
Teraka ny Fanjakan’Andriamanitra!
Fahitana 7 Apokalypsy 12:1-17
Foto-kevitra: Teraka ilay vehivavy any an-danitra. Miady amin’i Satana i Mikaela, ary mandroaka azy ho etỳ an-tany
Fotoana fahatanterahany: Nanomboka tamin’ny nahazoan’i Kristy Jesosy seza fiandrianana tamin’ny 1914 ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1. Inona no hazava kokoa amintsika, rehefa azontsika tsara ireo famantarana ao amin’ny Apokalypsy toko 12 ka hatramin’ny 14?
NAHARIHARY ilay zava-miafina masin’Andriamanitra. (Apokalypsy 10:7) Efa am-perinasa izao ny Fanjakan’i Jehovah entin’ny Mesiany. Efa mitondra izy io! Midika ho loza ho an’i Satana sy ny taranany izany, fa fandresena lehibe ho an’ilay Taranaky ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra. Mbola mitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito. Mbola maro mantsy no tiany haharihary amintsika momba ilay loza fahatelo. (Apokalypsy 11:14) Rehefa azontsika tsara ireo famantarana ao amin’ny Apokalypsy toko 12 ka hatramin’ny 14, dia hazava kokoa amintsika ny zava-drehetra mifandray amin’io loza io sy ny fahatanterahan’ny zava-miafina masin’Andriamanitra.
2. a) Inona no famantarana lehibe hitan’i Jaona? b) Oviana no nampahafantarina ny dikan’ilay famantarana lehibe?
2 Mahita famantarana lehibe izao i Jaona, ary tena mahaliana ny vahoakan’Andriamanitra izy io. Misy fahitana ara-paminaniana mampientam-po ao amin’izy io. Navoaka voalohany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1925 ny dikan’ilay fahitana, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena.” Navoaka tao amin’ny boky Fanafahana koa ny dikan’izy io tamin’ny 1926. Zava-nisongadina teo amin’ny fandrosoan’ny asan’i Jehovah io fahazoana tsara ny hevitry ny Baiboly io. Aleo àry i Jaona no hanazava ny fiantombohan’ilay fahitana: “Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy nitafy masoandro, ary teo ambanin’ny tongony ny volana, ary nisy satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo teo amin’ny lohany, sady bevohoka izy. Ary nitaraina izy fa narary nihetsi-jaza efa ho teraka.”—Apokalypsy 12:1, 2.
3. Iza ilay vehivavy hita tany an-danitra?
3 Tamin’izay i Jaona vao nahita vehivavy tany an-danitra. Mazava ho azy fa tsy vehivavy ara-bakiteny izy io, fa famantarana fotsiny. (Apokalypsy 1:1) Mifanitsy amin’ny inona àry izy io? Indraindray ny vehivavy ao amin’ny faminaniana dia manondro fandaminana ‘vadina’ olona ambony. Antsoin’ny Soratra Hebreo hoe vadin’i Jehovah Andriamanitra ny Israely. (Jeremia 3:14) Lazaina hoe vady na ampakarin’i Kristy kosa ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ao amin’ny Soratra Grika. (Apokalypsy 21:9-14) Manambady koa ilay vehivavy hitan’i Jaona eto, ary efa hiteraka. Iza no vadiny? Lazain’ny Apokalypsy 12:5 fa “nentina nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany” ilay zaza tatỳ aoriana. Asehon’i Jehovah amin’izany fa zanany ilay zaza. Tsy maintsy ho ny vadin’i Jehovah an’ohatra àry ilay vehivavy hitan’i Jaona.
4. Iza no zanak’ilay vadin’Andriamanitra, ary ahoana no iantsoan’ny apostoly Paoly an’io vehivavy hitan’i Jaona io?
4 Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay vadiny an’ohatra, valonjato taona teo ho eo talohan’izay: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah.” (Isaia 54:5, 13) Namerina io faminaniana io i Jesosy, ary nampiseho fa ireo zanaka ireo dia ny mpianany nahatoky, izay lasa fiangonan’ny Kristianina voahosotra tatỳ aoriana. (Jaona 6:44, 45) Zanak’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra koa àry ireo anisan’io fiangonana io, izay antsoina hoe zanak’Andriamanitra. (Romanina 8:14) Manome ny fanazavana farany nilaina i Paoly, rehefa nilaza hoe: ‘Afaka ilay Jerosalema any ambony, ary izy no renintsika.’ (Galatianina 4:26) I “Jerosalema any ambony” àry ilay “vehivavy” hitan’i Jaona.
5. Nisy satroboninahitra kintana 12 teo amin’ny lohan’ilay vadin’i Jehovah an’ohatra. Inona marina àry io Jerosalema any ambony io?
5 Inona marina anefa ilay Jerosalema any ambony? Lazain’i Paoly aloha fa “any ambony” izy io. Tany an-danitra koa no nahitan’i Jaona ilay vehivavy. Mazava, araka izany, fa tsy tanàna eto an-tany izy io. Tsy ilay “Jerosalema Vaovao” koa izy io, satria io fandaminana io dia ny ampakarin’i Kristy. (Apokalypsy 21:2) Mariho fa nisy satroboninahitra kintana 12 teo amin’ny lohany. Midika ho fahafenoana ao amin’ny fandaminana iray ny isa 12.a Fandaminana iray toa an’i Jerosalema teto an-tany fahiny àry izy io, ary ny firesahana kintana 12 dia toa manondro fa fandaminana any an-danitra ilay izy. Io Jerosalema any ambony io, dia ny fandaminan’i Jehovah misy an’ireo anjely. Toy ny vadiny izy io satria manompo azy sady manome taranaka ho azy.
6. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe ilay vehivavy hitan’i Jaona dia mitafy masoandro, misy volana eo ambanin’ny tongony, ary kintana no satroboninahiny? b) Inona no dikan’ny hoe mihetsi-jaza ilay vehivavy bevohoka?
6 Hitan’i Jaona fa ilay vehivavy dia mitafy masoandro, ary eo ambanin’ny tongony ny volana, sady kintana no satroboninahiny. Voahodidin’ireo zavatra manazava ny lanitra tokoa izy. Mamirapiratra andro aman’alina eo aminy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Tena mety izany, mba hanondroana ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra! Bevohoka koa ilay vehivavy, ary efa mihetsi-jaza. Efa hiteraka izy, satria miantso an’Andriamanitra mba hanampy azy. Matetika no manondro asa mafy ilaina hatao mba hahazoana vokatra lehibe ny hoe mihetsi-jaza ao amin’ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny Salamo 90:2; Ohabolana 25:23; Isaia 66:7, 8.) Nihetsi-jaza toy izany ny fandaminan’i Jehovah tany an-danitra, mba hiandrasana an’ilay fahaterahana manan-tantara.
Dragona lehibe mena toy ny afo
7. Inona no famantarana hafa hitan’i Jaona tany an-danitra?
7 Inona indray izao no hitan’i Jaona? “Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra: Indro, nisy dragona lehibe mena toy ny afo, nanana loha fito sy tandroka folo sady nisy diadema fito teo amin’ireo lohany ireo. Ary ny rambony nisarika ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra, ka nanipy mafy izany tamin’ny tany. Ary ilay dragona dia tsy niala teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka ravehivavy.”—Apokalypsy 12:3, 4.
8. a) Iza ilay dragona lehibe mena toy ny afo? b) Inona no dikan’ilay hoe manana loha fito sy tandroka folo ilay dragona, ary ny hoe samy misy diadema eo amin’ny lohany?
8 Io dragona io dia i Satana, na “ilay menarana tany am-boalohany.” (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:15) Mpandringana tsy misy indrafo izy, dia dragona manan-doha fito afaka mandrapaka na mitelina tanteraka ny rembiny. Hafahafa be ny bikany! Ny lohany fito sy ny tandrony folo dia midika fa izy no namorona ilay bibidia ara-politika, hohazavaina ao amin’ny Apokalypsy toko 13. Manan-doha fito sy tandroka folo koa io bibidia io. Samy misy diadema avy ny loha fiton’ilay dragona. Azontsika antoka àry fa eo ambany fahefan’i Satana ireo firenena matanjaka, oharina amin’ilay bibidia. (Jaona 16:11) Ireo tandroka folo dia manondro tsara fa manana fahefana feno amin’ity tontolo ity izy.
9. Inona no dikan’ilay hoe “nisarika ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra” ho etỳ an-tany ny rambon’ilay dragona?
9 Manana fahefana amin’ny anjely sasany any an-danitra koa ilay dragona. “Nisarika ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra” ny rambony. Mety hidika ho anjely ny hoe kintana. (Joba 38:7) Hamafisin’ilay teny hoe ‘ampahatelony’ fa misy anjely maro be voafitak’i Satana. Tsy afa-miala intsony izy ireo, raha vao lasa eo ambany fifehezany. Tsy afa-miverina eo anivon’ny fandaminana masin’Andriamanitra intsony izy ireo. Lasa demonia izy ireo, ary toy ny hoe voasarik’i Satana mpanjakany na lehibeny. (Matio 12:24) Natsipin’i Satana ho etỳ an-tany koa izy ireo. Azo antoka fa manondro ny andron’i Noa talohan’ny Safodrano izany. Tamin’izay mantsy i Satana no nandrisika ireo zanak’Andriamanitra tsy nankatò mba hidina tetỳ an-tany ary hivady tamin’ny zanakavavin’ny olona. Nosazina ireo “anjely nanota”, ka natsipin’Andriamanitra tany amin’ny fonja atao hoe Tartara.—Genesisy 6:4; 2 Petera 2:4; Joda 6.
10. Inona ireo fandaminana roa mifandrafy, ary nahoana ilay dragona no te handrapaka an’ilay zaza, raha vao teraka ravehivavy?
10 Noho izany, dia misy fandaminana roa miavaka tsara sy mifandrafy. Ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra lazaina hoe vehivavy, sy ny fandaminan’i Satana misy an’ireo demoniany izay mandà ny zon’i Jehovah hitondra. Tsy maintsy alamina ilay raharaha lehibe momba ny zo hitondra. Amin’ny fomba ahoana anefa? Toy ny bibidia masiaka mitily izay mety ho rembiny i Satana, ary mbola misarika ny demonia hiaraka aminy foana. Miandry ny hiterahan’ilay vehivavy izy. Tiany harapaka ilay zaza raha vao teraka, satria fantany fa tena hotandindomin-doza izy sy ny tontolo feheziny noho io zaza io.—Jaona 14:30.
Tera-dahy, dia zazalahy
11. Ahoana no ilazan’i Jaona ny fahaterahan’ny zanak’ilay vehivavy, ary nahoana izy no nilaza hoe: ‘Tera-dahy, dia zazalahy’?
11 Nifarana tamin’ny 1914 ny fe-potoana voatondro hitondran’ny hafa firenena. (Lioka 21:24) Teraka ara-potoana ilay vehivavy tamin’izay: “Ary tera-dahy ravehivavy, dia zazalahy hiandry ny firenena rehetra toy ny ataon’ny mpiandry ondry, eny, hiandry azy amin’ny tehim-by. Ary ilay zanany nentina nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany. Ary ravehivavy dia nandositra nankany an-tany efitra, izay nisy toerana efa nomanin’Andriamanitra, mba hanomezan’izy ireo sakafo azy any mandritra ny enimpolo sy roanjato sy arivo andro.” (Apokalypsy 12:5, 6) “Ary tera-dahy ravehivavy, dia zazalahy.” Naverin’i Jaona indroa ny hoe ‘lahy.’ Nanao izany izy, mba hampisehoana fa ananan’ilay zaza ny toetra sy ny fahaizana ary ny hery ilaina mba hitondrana ireo firenena. Hamafisin’izany koa fa zava-dehibe sy mahafaly io fahaterahana io! Mandray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny zava-miafina masin’Andriamanitra izany. “Hiandry ny firenena rehetra toy ny ataon’ny mpiandry ondry” mantsy ilay zaza. “Eny, hiandry azy amin’ny tehim-by” izy!
12. a) Inona no nampanantenain’i Jehovah momba an’i Jesosy, araka ny Salamo? b) Ilay vehivavy dia niteraka zazalahy “hiandry ny firenena rehetra toy ny ataon’ny mpiandry ondry, eny, hiandry azy amin’ny tehim-by.” Inona no tiana holazaina amin’izany?
12 Efa nandre teny mitovitovy amin’ireo ve ianao? Izany tokoa, satria izao no nampanantenain’i Jehovah momba an’i Jesosy: “Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy: Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” (Salamo 2:9) Izao koa no voalaza mialoha momba azy: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Salamo 110:2) Tena voakasika amin’io fahaterahana hitan’i Jaona io àry i Jesosy Kristy. Tsy momba an’i Jesosy nateraky ny virjiny taloha kelin’ny taonjato voalohany izany, na ilay izy natsangana ho fanahy tamin’ny taona 33. Tsy fidiran’ny fanahiny ao amin’ny nofo hafa koa izy io. Ny tiana holazaina amin’izany kosa dia ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914. Lasa Mpanjaka i Jesosy tamin’izay, ary efa ho 2 000 taona izy izao no tany an-danitra.—Apokalypsy 12:10.
13. Inona no dikan’ilay hoe “nentina nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany” ilay zazalahy?
13 Tsy havelan’i Jehovah handrapaka ny vadiny na ny zanany vao teraka mihitsy i Satana! “Nentina nankany amin’Andriamanitra sy ny seza fiandrianany” ilay zazalahy, raha vao teraka. Midika izany fa arovan’i Jehovah tanteraka io Fanjakana vao teraka io, ary karakarainy tsara. Io mantsy no fitaovana hanamasinany ny anarany masina. Nandositra tany an-tany efitra, tany amin’ny toerana nomanin’Andriamanitra ho azy, kosa ilay vehivavy. Horesahina any aoriana ny tsipiriany momba izany! Ahoana indray ny amin’i Satana? Tsy ho afaka handrahona an’ilay Fanjakana any an-danitra intsony izy, noho ny fisehoan-javatra lehibe iray. Inona izany?
Ady tany an-danitra!
14. a) Nahoana i Satana no tsy afaka mandrahona intsony an’ilay Fanjakana, araka ny voalazan’i Jaona? b) Aiza ihany no azon’i Satana sy ny demoniany aleha?
14 Hoy i Jaona: “Ary nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” (Apokalypsy 12:7-9) Misy zava-mitranga manaitra araka izany, momba ny fanatanterahana ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Izany dia ny fandroahana an’i Satana avy any an-danitra, sy ny fanipazana ny demoniany ho etỳ an-tany. Namitaka ny tany rehetra misy mponina i Satana, ka lasa andriamanitr’izy io. Noferana anefa tamin’ny farany ny toerana azony aleha, dia ny manodidina ny tany, izay toerana nikomiany voalohany.—2 Korintianina 4:3, 4.
15, 16. a) Iza moa i Mikaela, ary ahoana no ahalalantsika izany? b) Nahoana i Mikaela no tsara toerana mba hanipy an’i Satana avy tany an-danitra?
15 Iza no nahazo izany fandresena lehibe amin’ny anaran’i Jehovah izany? I Mikaela sy ny anjeliny, hoy ny Baiboly. Iza anefa i Mikaela? Ilay anarana hoe “Mikaela” dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Azo antoka mihitsy àry fa te hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra i Mikaela, ka hanaporofo fa tsy misy ny toa an’i Jehovah. Antsoina hoe “Mikaela, arkanjely” izy, ao amin’ny Joda andininy faha-9. I Jesosy Kristy ihany ao amin’ny Baiboly no lazaina hoe “arkanjely.”b Hoy i Paoly momba azy: “Ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hibaiko amin’ny feo avo, amin’ny feon’ny arkanjely sy amin’ny trompetran’Andriamanitra.” (1 Tesalonianina 4:16) Ilay anaram-boninahitra hoe “arkanjely” dia midika hoe “filohan’ny anjely.” Tsy mahagaga àry raha miresaka momba an’i “Mikaela sy ny anjeliny” ny Apokalypsy. Misy mpanompon’Andriamanitra iray ankatoavin’ny anjely, ka ny andininy hafa manamarina izany dia miresaka momba an’i Jesosy. Izany no ilazan’i Paoly hoe “haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery.”—2 Tesalonianina 1:7; jereo koa ny Matio 24:30, 31; 25:31.
16 Ireo andininy ireo sy ny hafa àry no porofo tsy azo lavina, fa tsy misy afa-tsy i Jesosy Kristy Tompo izay efa nandray ny toerany any an-danitra no antsoina hoe Mikaela. Izao fotsiny no nolazainy tamin’i Satana teo aloha: “I Jehovah anie hiteny mafy anao.” Mihoatra noho izany anefa no ataony, amin’izao andron’ny Tompo izao. Koa satria fotoam-pitsarana izy io, dia natsipin’i Mikaela na i Jesosy avy tany an-danitra, i Satana ratsy fanahy sy ny anjeliny. (Joda 9; Apokalypsy 1:10) I Jesosy no tena tsara toerana hanao izany, satria izy no Mpanjaka vaovao. Izy koa ilay Taranaka nampanantenaina tany Edena, izay hanorotoro ny lohan’ilay menarana tany am-boalohany, ka handringana azy io tanteraka. (Genesisy 3:15) Efa dingana ho amin’izany ny nandroahan’i Jesosy an’i Satana avy tany an-danitra.
“Mifalia ry lanitra”
17, 18. a) Inona no nitranga tany an-danitra, rehefa nazera avy tany i Satana? b) Mety ho an’iza ilay feo mafy ren’i Jaona?
17 Fisehoan-javatra nahatalanjona ny fanjerana an’i Satana avy tany an-danitra. Toy izao no itantaran’i Jaona ny hafaliana naterak’izany: “Ary nahare feo mafy tany an-danitra aho, nanao hoe: ‘Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika! Ary izy ireo dia naharesy azy noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny hafatra torin’izy ireo, ary tsy nankamamy ny ainy ireo, na ho faty aza. Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!’ ”—Apokalypsy 12:10-12a.
18 An’iza ilay feo mafy ren’i Jaona? Tsy mamaly izany ny Baiboly. Mitovy amin’izy io anefa ilay antso resahina ao amin’ny Apokalypsy 11:17, izay ataon’ireo anti-panahy 24 natsangana ho any an-danitra. Any mantsy no ahafahan’izy ireo misolo tena ireo olona masina 144 000. (Apokalypsy 11:18) Tsy maintsy ho ireo anti-panahy ireo ihany àry no nanao ilay antso ao amin’ny Apokalypsy 12:10-12, satria antsoiny hoe “rahalahintsika” ireo voahosotra mbola eto an-tany, izay iharam-panenjehana. Afaka mampiara-peo tokoa ireo olo-mahatoky ireo, satria natsangana taoriana kelin’ny nandroahana an’i Satana sy ny demoniany avy tany an-danitra.
19. a) Mila manao inona i Jesosy, mba hanatanterahana hatramin’ny farany an’ilay zava-miafina masina? b) Midika ho inona ny fiantsoana an’i Satana hoe “mpiampanga ny rahalahintsika”?
19 Mila mandray fahefana eo amin’ny Fanjakan’i Jehovah i Jesosy, mba hanatanterahana hatramin’ny farany an’ilay zava-miafina masina. Ho azon’Andriamanitra atao amin’izay ny hanatanteraka ny fikasany, dia ny hanafaka ny olona mahatoky. Tsy ny mpianany matahotra an’Andriamanitra ihany no hovonjen’i Jesosy, fa eo koa ireo olona an-tapitrisany efa maty izay tadidin’Andriamanitra. (Lioka 21:27, 28) Antsoina hoe “mpiampanga ny rahalahintsika” i Satana. Midika izany fa mbola mitsapa ny tsy fivadihan’ny mpanompon’Andriamanitra foana izy, na dia efa voaporofo aza fa diso ny fiampangany an’i Joba. Averimberiny foana ilay fiampangana hoe vonona hamoy ny zava-drehetra ny olona ho takalon’ny ainy. Tena diso anefa izy!—Joba 1:9-11; 2:4, 5.
20. Ahoana no nandresen’ny Kristianina mahatoky an’i Satana?
20 Heverina ho olo-marina ny Kristianina voahosotra, “noho ny ran’ny Zanak’ondry.” Mitory momba an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy foana izy ireo na dia enjehina aza. Efa 120 taona mahery izao ny voahosotra no niresaka momba ireo raharaha lehibe, izay mifandray amin’ny fiafaran’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. (Lioka 21:24, Fandikan-teny Protestanta) Manompo eo anilan’izy ireo izao ny vahoaka be, sady tsy mivadika. Tsy misy amin’izy ireo ‘matahotra an’izay mamono mahafaty azy, nefa tsy mahafoana ny fiainany ho avy’, araka ny hita amin’ny zavatra tena niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Hita tamin’ny teniny sy ny fitondran-tena tsarany fa nandresy an’i Satana izy ireo, ary noporofoiny hatrany fa mpandainga izy io. (Matio 10:28; Ohabolana 27:11; Apokalypsy 7:9) Tsy maintsy ho faly be ireo voahosotra natsangana ho any an-danitra, satria tsy any intsony i Satana mba hiampanga ny rahalahiny! Tonga tokoa ny fotoana hamalian’ireo anjely an’ilay antso hoe: “Mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!”
Loza avy amin’i Satana!
21. Ahoana no nitondran’i Satana loza teo amin’ny tany sy ny ranomasina?
21 Tezitra noho ilay loza fahatelo i Satana, ka tapa-kevitra ny hampijaly ny olona amin’ny loza avy aminy. Izao ilay izy: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12b) Nitondra loza ho an’ny tany ara-bakiteny tokoa ny fandroahana an’i Satana avy tany an-danitra, satria tena manimba azy io ireo olona tia tena eo ambany fifehezany. (Deoteronomia 32:5) Manampy trotraka izany ilay tetikadin’i Satana hoe ‘manjaka na mandringana.’ Mitondra loza eo amin’ny tany an’ohatra izy, dia ny rafitry ny fiaraha-monina, sy ny ranomasina an’ohatra, izany hoe vahoaka mihotakotaka. Hita taratra tamin’ny hatezeran’ireo firenena teo ambany fifehezany ny hatezeran’i Satana, nandritra ireo ady lehibe roa. Mbola miseho hatramin’izao ny hatezeran’ny demonia, na dia tsy haharitra ela intsony aza! (Marka 13:7, 8) Mety hahatsiravina ny zavatra ataon’ny Devoly. Tsinontsinona anefa izany raha mitaha amin’ny vokatr’ilay loza fahatelo, izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany!
22, 23. a) Inona no nolazain’i Jaona fa nitranga, rehefa natsipy tetỳ an-tany ilay dragona? b) Ahoana no anenjehan’ilay dragona an’ilay “vehivavy niteraka an’ilay zazalahy”?
22 Tezitra amin’ireo rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany i Satana, nanomboka tamin’ny nandroahana azy. Hoy i Jaona: “Rehefa hitan’ilay dragona fa natsipy mafy tamin’ny tany izy, dia nenjehiny ilay vehivavy niteraka an’ilay zazalahy. Fa nomena elatra roa ravehivavy, dia elatry ny voromahery lehibe, mba hanidinany nankany an-tany efitra ho any amin’ny toerany. Tany no nanomezana sakafo azy nandritra ny fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana, mba tsy ho eo anatrehan’ilay menarana.”—Apokalypsy 12:13, 14.
23 Miresaka kely ny hevitra eo amin’ny andininy faha-6 ilay fahitana eto. Voalaza ao fa nandositra tany an-tany efitra izay lavitra an’ilay dragona ilay vehivavy, rehefa avy niteraka. Mety hanontany tena isika hoe ahoana no anenjehan’ilay dragona an’ilay vehivavy, satria izy any an-danitra, ary ilay dragona kosa natsipy tetỳ an-tany. Tadidio fa manan-janaka, na taranaka, eto an-tany ilay vehivavy. Lazaina amintsika atỳ aoriana kokoa fa manenjika ny taranak’ilay vehivavy i Satana, mba hanehoany ny fahatezerany amin’ilay vehivavy. (Apokalypsy 12:17) Toy ny hoe manjo an’ilay vehivavy mihitsy izay manjo ny zanany eto an-tany. (Ampitahao amin’ny Matio 25:40.) Mitombo isa hatrany ny naman’io taranaka eto an-tany io, ary iharam-panenjehana toa azy koa izy ireny.
Firenena vaovao
24. Inona no zavatra nanjo ny Mpianatra ny Baiboly, izay nitovy tamin’ny fanafahana ny Israelita tany Ejipta?
24 Niezaka nitory hatrany, araka izay azony natao, ny rahalahin’i Jesosy nahatoky, nandritra ny Ady Lehibe I. Nanao izany izy ireo, na dia nihamafy hatrany aza ny fanenjehana avy tamin’i Satana sy ireo olona masiaka mpanara-dia azy. Saika nitsahatra tanteraka ny fitorian’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny farany. (Apokalypsy 11:7-10) Tamin’izay izy ireo no niaritra fijaliana nitovitovy tamin’izay niaretan’ny Israelita tany Ejipta. Nafahan’i Jehovah haingana ny Israelita, toy ny hoe tamin’ny elatry ny voromahery, ka nentiny tany amin’ny toerana azo antoka tany an-tany efitr’i Sinay. (Eksodosy 19:1-4) Nafahan’i Jehovah koa ny vavolombelony, izay mifanitsy amin’ilay vehivavy vadiny, taorian’ny fanenjehana mafy tamin’ny 1918-1919. Toerana azo antoka ho an’ny Israelita ilay tany efitra nitondrana azy ireo. Nafindra tany amin’ny toerana azo antoka eo amin’ny lafiny ara-panahy koa ny vavolombelony. Izany no valim-bavak’izy ireo.—Ampitahao amin’ny Salamo 55:6-9.
25. a) Iza no nataon’i Jehovah ho firenena tamin’ny 1919, toy ny nanaovany ny Israelita ho firenena tany an-tany efitra? b) Iza no ao anatin’io firenena io, ary nentina ho aiza izy ireo?
25 Nataon’i Jehovah ho firenena ny Israelita tany an-tany efitra, ary nokarakarainy ara-batana sy ara-panahy. Nataon’i Jehovah ho firenena ara-panahy koa ny taranak’ilay vehivavy, nanomboka tamin’ny 1919. Tsy mitovy izy io sy ilay Fanjakan’ny Mesia izay nanomboka nitondra tany an-danitra tamin’ny 1914. Ireo sisa voahosotra eto an-tany no ao anatin’io firenena vaovao io, ary nentina ho ao amin’ny paradisa ara-panahy be voninahitra izy ireo, tamin’ny 1919. Nahazo ‘sakafo tamin’ny fotoana nety’ izy ireo tamin’izay, ka nanana hery hanatontosana ny asa mbola niandry azy.—Lioka 12:42; Isaia 66:8.
26. a) Hafiriana ilay fe-potoana lazain’ny Apokalypsy 12:6, 14? b) Inona no anton’ilay fe-potoana telo sy tapany, ary oviana izy io no nanomboka sy nifarana?
26 Naharitra hafiriana ilay fanamaivanana ny taranak’ilay vehivavy? Milaza ny Apokalypsy 12:6 hoe 1 260 andro. Ny Apokalypsy 12:14 kosa, dia miantso azy io hoe fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana, izany hoe fe-potoana telo sy tapany. Samy manondro telo taona sy tapany izany, izay nanomboka tamin’ny tapatapaky ny 1919 ka hatramin’ny faramparan’ny 1922. Natao hanovozana hery vao sy handaminana indray ny asa io fe-potoana io, ho an’ny voahosotra.
27. a) Inona no nataon’ilay dragona taorian’ny 1922, araka ny tenin’i Jaona? b) Nahery vaika toy ny riaka ny fanenjehan’i Satana ny Vavolombelona. Inona no tanjony tamin’izany?
27 Tsy nilavo lefona anefa ilay dragona! “Ary ilay menarana dia nandoa rano toy ny renirano avy tao aorian-dravehivavy, mba hahafaty an-drano azy.” (Apokalypsy 12:15) Inona no dikan’ilay hoe “rano toy ny renirano” na ‘riaka’? Nantsoin’i Davida Mpanjaka fahiny hoe “riaky ny faharatsiana” ireo ratsy fanahy nanohitra azy. (Salamo 18:4, 5, 16, 17) Olona tena ratsy fanahy koa no manatontosa ilay fanenjehana avy amin’i Satana. Nahery vaika toy ny riaka ny fanenjehan’i Satana ny Vavolombelona, taorian’ny 1922. (Matio 24:9-13) Anisan’izany ny herisetra, ‘fisainana fampahoriana araka ny lalàna’, fanagadrana, ary famonoana ho faty tamin’ny fanantonana sy fitifirana ary fanapahan-doha. (Salamo 94:20) Tsy afaka nanatona nivantana an’ilay vehivavy vadin’Andriamanitra intsony i Satana rehefa naetry. Tezitra àry izy, ka manafika ny zanak’ilay vehivavy mbola eto an-tany. Ny tanjony dia ny hamono azy ireo, na ny hanao izay hivadihan’izy ireo, mba tsy hankasitrahan’Andriamanitra azy intsony. Tapa-kevitra anefa izy ireo ny hanahaka an’i Joba, izay tsy nivadika mihitsy, ka nilaza hoe: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.”—Joba 27:5.
28. Nahoana no lazaina fa tena nahery vaika ny fanenjehana, nandritra ny Ady Lehibe II?
28 Tena nahery vaika toy ny riaka ny fanenjehana nandritra ny Ady Lehibe II. Vavolombelona 12 000 teo ho eo no nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina, ary 2 000 teo ho eo no maty. Nijaly toy izany koa ny Vavolombelona tany Italia, Japon, Korea, ary Taïwan, izay firenena nofehezin’ny mpitari-tafika. Na tany amin’ny tany demokratika aza dia nisy Fikambanana Katolika nanafika Vavolombelona, nanisy godorao sy volom-borona teo amin’izy ireo, ary nitaritarika azy tany ivelan’ny tanàna. Noravana ireo fivoriambe kristianina, ary noroahina avy tany am-pianarana ny zanaka Vavolombelona.
29. a) Ahoana no ilazan’i Jaona ilay fanamaivanana azo tamin’ny fomba tsy nampoizina? b) Inona no dikan’ilay hoe “tonga namonjy an-dravehivavy ny tany”? d) Inona no mbola ataon’ilay dragona?
29 Tsy nampoizina ny fomba nahazoana fanamaivanana: “Fa tonga namonjy an-dravehivavy ny tany, ka nisokatra ary nitelina ny renirano naloan’ilay dragona. Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona, ka lasa nandeha niady tamin’ireo zanany sisa, izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” (Apokalypsy 12:16, 17) Ny “tany”, na ny ampahany amin’ny tontolon’i Satana ihany, no nanomboka nitelina an’ilay “renirano”, na ‘riaka.’ Teo anelanelan’ny 1940 sy 1950, dia maro ny fandresena azon’ny Vavolombelona tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina sy tany amin’ny fitondrana tao amin’ny tany sasany, mba hahazoana fahalalahana ara-pivavahana. Natelin’ny firenena Mpiray Dina ny fitondrana jadona nazia sy fasista tamin’ny farany, ka nahazo fanamaivanana ireo Vavolombelona niaritra ny mafy. Tsy nijanona tanteraka ny fanenjehana, satria mbola tezitra ilay dragona hatramin’izao, ary manohy miady amin’ireo ‘manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ Mbola misy Vavolombelona tsy mivadika gadraina any amin’ny tany maro, ary mbola misy ny maty, noho ny tsy fivadihany. Milefitra kely anefa indraindray ny manam-pahefana any amin’ny sasany amin’ireo tany ireo, ka malalaka kokoa ny Vavolombelona.c Tanteraka tokoa àry ilay faminaniana. Mbola mitelina ny reniranon’ny fanenjehana ny tany.
30. a) Nahafahana nanao inona ny fanamaivanana avy amin’ny tany? b) Inona no vokatry ny tsy fivadihan’ny vahoakan’Andriamanitra?
30 Nahafahana nanitatra ny asan’Andriamanitra hatrany amin’ny firenena 235 eo ho eo ireo fanamaivanana avy amin’ny tany ireo. Izany koa no nahafahana namokatra mpitory ny vaovao tsara enina tapitrisa mahery. Miaraka amin’ny sisa amin’ireo zanak’ilay vehivavy ny vahoaka be avy amin’ny firenena maro, ka mitandrina ny didin’Andriamanitra. Misaraka amin’izao tontolo izao, ohatra, izy ireo, madio fitondran-tena, tia ny rahalahy, ary mitory ny Fanjakan’ny Mesia. Porofoin’ny tsy fivadihan’izy ireo fa diso ny fiampangan’i Satana. Izany no milaza fa hifarana tsy ho ela i Satana sy ny tontolony.—Ohabolana 27:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao amin’ny foko 12 teo amin’ny Israely fahiny, apostoly 12, foko 12-n’ny Israely ara-panahy, vavahady 12, anjely 12, ary vato fototra 12-n’ilay Jerosalema Vaovao.—Apokalypsy 21:12-14.
b Mariho anefa fa miresaka momba ny ‘dragona sy ny anjeliny’ ny Apokalypsy 12:9. Tsy vitan’ny hoe manandra-tena ho andriamanitra àry ny Devoly, fa miezaka ny ho tonga arkanjely koa, na dia tsy manome azy an’izany anaram-boninahitra izany mihitsy aza ny Baiboly.
c Nitondra fanamaivanana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsarana tampony tany amin’ny tany maro. Voalaza ao amin’ny efajoro, eo amin’ny pejy 92, ny sasany amin’ireny didim-pitsarana ireny.
[Efajoro, pejy 185]
‘Nisokatra ny Tany’
Riaka avy amin’i Satana: Nahery vaika ny fanenjehana ny Kristianina voahosotra sy ny namany tany amin’ny tany maro. Zava-nitranga teo amin’ny tontolon’i Satana ihany matetika no nahatonga ilay riaka ho voatelina.
Toy ny riaka ny rotaka sy fanagadrana tany Etazonia. Voatelina anefa izany noho ireo fandresena tany amin’ny Fitsarana Tampony, teo anelanelan’ny 1940 sy 1950.
1945: Ny fanenjehana nahery vaika tany amin’ireo tany nofehezin’i Alemaina sy Japon dia nitsahatra, rehefa nandresy ireo firenena Mpiray Dina tamin’ny Ady Lehibe II.
Rehefa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina, dia nogadraina sy nokapohina ary novelesina tamin’ny vodibasy izy ireo. Niady tamin’ny Eglizy Katolika anefa i Rafael Trujillo, mpitondra jadona, tamin’ny 1960, ka nofoanana ilay fandrarana.
Notifirina, nodorana, novetavetaina, nokapohina, nampijalina sy novonoina ho faty ny Vavolombelona nandritra ny ady an-trano tany Nizeria. Nitsahatra anefa izany tamin’ny 1970, rehefa resin’ny tafiky ny fitondram-panjakana ilay faritany nitady fahaleovan-tena, izay nisehoan’ireo zavatra ireo.
Espaina: Nisy trano nidirana an-keriny. Nampandoavina lamandy sy nogadraina ny Kristianina, satria nanao “heloka bevava”, izany hoe niresaka momba an’Andriamanitra sy niara-nivory. Nifarana ilay fanenjehana tamin’ny 1970, rehefa novan’ny fanjakana ny lalàna momba ireo fivavahana tsy Katolika. Navela hanoratra ny fikambanany ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.
Portogaly: Trano an-jatony no nosavaina, na dia tsy nisy fahazoan-dalana aza. Nampijalina sy nogadraina ny Vavolombelona, ary nalaina ny Baiboliny. ‘Voatelina’ anefa izany fampihorohoroana izany tamin’ny 1974, rehefa naongan’ny miaramila ny fitondrana. Nisy lalàna nivoaka namela ny olona hivory an-kalalahana.
Arzantina: Noroahina tany am-pianarana ny zanaka Vavolombelona, nandritra ny fitondrana miaramila. Nosamborina koa ny Vavolombelona nanerana ilay tany, satria nitory ny vaovao tsara. Nifarana tamin’ny 1984 ilay fanenjehana, rehefa neken’ny fitondrana tamin’izany ho ara-dalàna ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Tabilao, pejy 183]
(Jereo ny boky)
1914 Teraka ilay Fanjakana
1919 Fahaterahan’ilay firenena vaovao
1919-1922 Fotoana nanovozana hery vao
1922- Fanenjehana nahery vaika
[Sary, pejy 182]
Loza ho an’ny tany