-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-48 — Galatiana“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
12. a) Araka ny inona izao no tsy maintsy nandehanan’ireo Galatiana? b) Fampifanoheran-javatra lehibe inona no nataon’i Paoly?
12 Tsinontsinona na ny famorana na ny tsy fisian’ny famorana, hoy ny nohazavain’i Paoly, fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana no zava-dehibe. Tanteraka amin’izao teny izao ny Lalàna manontolo: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Mandehana araka ny fanahy, satria “raha tarihin’ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna”. Raha ny amin’ny asan’ny nofo kosa, dia nampitandrina mialoha i Paoly “fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. Tamin’ny alalan’ny fampifanoheran-javatra namirapiratra, izy dia nilazalaza ny amin’ny vokatry ny fanahy, izay tsy misy lalàna manohitra azy, ary nanampy teny hoe: “Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” ary hanary ny fitiavan-tena (NW ) sy ny fialonana. — 5:14, 18, 21, 25.
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-48 — Galatiana“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
15. Tamin’ny ahoana ilay taratasy no nahasoa ireo kongregasionan’i Galatia, ary fitarihan-dalana inona no omeny ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao?
15 Nahasoa ireo kongregasiona tany Galatia ilay taratasy mba hampiorenana mazava tsara ny fahafahana nananan’izy ireo tao amin’i Kristy, sy mba handavana ireo mpamadika ny vaovao tsara. Nataony mazava tsara fa amin’ny alalan’ny finoana no anamarinana ny olona iray, ary koa fa tsy ilaina intsony ny famorana mba hahazoana famonjena. (2:16; 3:8; 5:6). Rehefa nailika ireo fanavahana ara-nofo ireo, dia nanjary tafaray ny Jiosy sy ny Jentilisa tao amin’ilay kongregasiona. Tsy tokony hoentina hanarahana ny nofo akory ny fahafahana tamin’ny Lalàna, satria mbola manan-kery ihany ilay fotopoto-pitsipika hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Mbola manan-kery ho toy ny mpitari-dalana ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao ihany izy io. — 5:14.
-