-
Asehoy ny FandrosoanaoNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Aogositra
-
-
Manehoa “ny vokatry ny Fanahy”
12. Nahoana no zava-dehibe ny hanehoana ny vokatry ny fanahy rehefa miezaka handroso ara-panahy?
12 Na dia zava-dehibe aza ny fahatongavana “amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara”, dia zava-dehibe toy izany koa ny anehoantsika ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Nahoana? Satria, araka ny efa hitantsika, dia tsy toetra anaty na miafina ny fahamatorana, fa toetra miharihary tsara izay afaka mitondra soa sy mampahery ny hafa. Mazava ho azy fa tsy miezaka fotsiny mba hiseho hahalala fomba akory isika rehefa miezaka handroso ara-panahy. Tsy izany no izy fa manjary miova be kosa ny toe-tsaintsika sy ny fihetsitsika rehefa mitombo ara-panahy sy manaraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra isika. “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo”, hoy ny apostoly Paoly.—Galatiana 5:16.
13. Fiovana inona no mampiseho fa mandroso ny olona iray?
13 Notanisain’i Paoly, avy eo, ny “asan’ny nofo” izay betsaka sy “miharihary.” Talohan’ny nahafantaran’ny olona iray ny zavatra takin’Andriamanitra, dia nanaraka ny fomba fiainan’izao tontolo izao izy ary mety ho feno an’ireto zavatra notanisain’i Paoly ireto ny fiainany: “Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany.” (Galatiana 5:19-21) Rehefa mandroso ara-panahy anefa ilay olona, dia resiny tsikelikely ireo “asan’ny nofo” tsy faniry ireo ary soloany “ny vokatry ny Fanahy.” Ahariharin’izany fiovana hita maso izany fa mandroso mba ho tonga Kristianina matotra ilay olona.—Galatiana 5:22.
14. Hazavao ireo teny roa hoe “ny asan’ny nofo” sy “ny vokatry ny Fanahy.”
14 Tsara homarihintsika ireo teny roa hoe “ny asan’ny nofo” sy “ny vokatry ny Fanahy.” Ny “asa” dia vokatry ny ataon’ny tena. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe vokatry ny safidy nataon’ny tena, na ny fitaoman’ny nofo mpanota, ireo zavatra nolazain’i Paoly fa asan’ny nofo ireo. (Romana 1:24, 28; 7:21-25) Ny teny hoe “vokatry ny Fanahy” kosa anefa, dia midika fa ireo toetra voatanisa ireo dia vokatry ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny olona iray, fa tsy noho ny fiezahany hanatsara ny toetrany. Tsy misy hafa amin’ny hoe mamoa ny hazo iray rehefa voakarakara tsara, dia toy izany koa fa haneho ny vokatry ny fanahy ny olona iray rehefa miasa malalaka eo amin’ny fiainany ny fanahy masina.—Salamo 1:1-3.
15. Nahoana no zava-dehibe ny hiheverana ireo lafiny rehetra amin’ny “vokatry ny Fanahy”?
15 Lafiny iray hafa tsara hodinihina ny nampiasan’i Paoly ilay teny hoe “vokatra” mba hilazana ny fitambaran’ireo toetra tsara rehetra noresahiny.a Tsy isika akory no mifidy izay tiantsika indrindra amin’ireo vokatry ny fanahy samihafa. Zava-dehibe avokoa ireo toetra notanisain’i Paoly, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fanaovan-tsoa, ny fahamarinana, ny fahalemem-panahy, ny fahononam-po. Ireo rehetra ireo mitambatra no mahaforona ny toetra vaovao kristianina. (Efesiana 4:24; Kolosiana 3:10) Mety hisy toetra sasany amin’ireo hiseho kokoa eo amin’ny fiainantsika vokatry ny efa toetrantsika manokana sy ny fironantsika. Na izany aza, dia zava-dehibe ny hiheverantsika ireo toetra rehetra voalazan’i Paoly. Afaka mampiseho kokoa toetra toy ny an’i Kristy isika raha manao izany.—1 Petera 2:12, 21.
16. Inona no tanjontsika rehefa miezaka ho tonga Kristianina matotra isika, ary ahoana no hanatratrarantsika izany?
16 Ny lesona lehibe azontsika tsoahina avy amin’ilay famelabelaran’i Paoly dia izao: Tsy ny hahazo fahalalana na fianarana be, na ny hahalala fomba akory no tanjontsika, rehefa miezaka ho tonga Kristianina matotra isika. Ny tanjontsika kosa dia ny hahatonga ny fanahin’Andriamanitra hiasa malalaka eo amin’ny fiainantsika. Arakaraka ny hanarahan’ny saintsika sy ny asantsika ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, no hahatonga antsika ho matotra ara-panahy. Ahoana no ahafahantsika mahatratra izany tanjona izany? Tsy maintsy sokafantsika ny fontsika sy ny saintsika mba hanan-kery eo amin’izy ireo ny fanahin’Andriamanitra. Voafaoka amin’izany ny fanatrehantsika tsy tapaka ny fivoriana kristianina sy ny fandraisana anjara amin’izany. Tokony hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsaina azy io koa isika, ka hanaiky hotarihiny eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa sy eo amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra ataontsika. Azo antoka amin’izay fa hiseho mazava tsara ny fandrosoantsika.
-
-
Asehoy ny FandrosoanaoNy Tilikambo Fiambenana—2001 | 1 Aogositra
-
-
a “Voa” fotsiny no nilazana ilay teny hoe “vokatra”, tamin’ny fiteny tany am-boalohany.—Galatiana 5:22, Dikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana.
-