Aoka hankahalaintsika ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao
“Ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy [honahonam-pilibana, MN ] izany, ka dia teneniny ratsy.” — 1 PETERA 4:4.
1. Ahoana moa no ilazan’ny Baiboly ny lalana mahamenatra ‘nihazakazahan’ireo’ kristiana tamin’ny taonjato I taloha?
“HONAHONAM-PILIBANA”, izany no nilazan’ny apostoly Petera izao tontolo izao niainan’ny olona maro tamin’ny taonjato I, talohan’ny nanekeny ny kristianisma. Ny fandikan-teny hafa dia mampiasa ny fitenenana hoe “riakam-pahaverezana” (Jérusalem); “fitondrantena tsy mendrika mihoa-pampana”. (Osty.) Inona moa izany honahonam-pilibana izany? Manazava izany ilay apostoly amin’ny firesahana ny amin’ny fijejojejoana [fitondrantena tsy mendrika, MN ], ny fanirian-dratsy, ny fisotroan-toaka [fibobohana zava-mahamamo, MN ] sy ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra. — 1 Petera 4:3, 4.
2. Nahoana moa no mendrika ny hoderaina ireo kristiana velona amin’izao androntsika izao?
2 Endrey ny tsy fitovian’izao tontolo izao sy ireo anisan’ny kongregasiona kristiana marina! Nidera fatratra ireto voalaza farany i Petera noho ny tsy nanohizany niara-nihazakazaka tamin’ireo namany taloha teo amin’izao tontolo izao tamin’izany fanaovan-javatra nihoa-pampana izany, tamin’izany riakan-tsy fahamendrehana izany. Koa satria ny toe-piainana diavintsika ratsy noho izay nanjaka tamin’ny taonjato I, dia faly isika afaka, amin’izao andro izao koa, midera ireo kristiana. Manao fiezahana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanarahana ny fanompoam-pivavahana madio sy tsy misy loto ankasitrahan’ny Andriamaniny sady Rainy, izay mitaky ny ‘hiarovan-tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. (Jakoba 1:27.) Manome voninahitra ny anaran’i Jehovah izy ireny amin’ny fahambonian’ny fitondrantenany.
3. Tarehin-javatra inona moa no nampalahelo an’i Paoly sy mampalahelo antsika koa?
3 Mba hiarovana ny fahadiovany sy ny fahamboniam-pitondrantenany, indraindray ny olon’Andriamanitra dia tsy maintsy mananatra na mandroaka mihitsy aza, olom-bitsy raha ampitahaina amin’ny hafa, izay manaiky ho voasinton’ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao. Izany toe-javatra mampalahelo izany dia mahatonga antsika hanana fihetseham-po sahala amin’ny tsapan’i Paoly teo anoloan’ny tarehin-javatra sahala amin’izany. Izao no nosoratany: “Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa, fa fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy ireny; fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina amin’ny [tsy mihevitra afa-tsy ny zavatry ny, MN ] tany izy.” (Filipiana 3:18, 19). Inona no tokony hataontsika mba tsy hanahafana ireny olona ireny? Tokony hianatra isika, ka amin’izany no hanarahantsika ny ohatra nomen’i Jesosy, ho tia ny rariny ambony araka an’i Jehovah sy hankahala ny fahalotoan’izao tontolo izao. — Hebreo 1:9.
Aoka isika tsy hiherika
4. a) Nahoana moa ireo fanao mampietry eo amin’izao tontolo izao no mety hahasintona antsika? b) Inona moa no manampy antsika tsy hamela fanirian-dratsy ho teraka ao am-pontsika?
4 Aoka tsy hohamaivanintsika indrindra ny herin’ny ota. Misy zava-manintona maro eo amin’izao tontolo izao; fetsy sy ratsy ny Devoly; mamitaka ny fon’olombelona (1 Jaona 2:15-17; 1 Petera 5:8; Jeremia 17:9). Matetika tokoa, rehefa teraka ao am-pontsika ny faniriana, dia tsy mety mihaino ny fahendrena isika. Noho izany antony izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hanome antsika fampahatsiahivana maro, mba ho an’i Jehovah manontolo sy ho an’ny fanatanterahana ny sitrapony ny fontsika. Zava-dehibe tokoa ny tsy hamelantsika ny fanirian-dratsy hitombo ao am-pontsika (Jakoba 1:14, 15; Matio 5:27-30). Amin’izany dia ilaintsika ny manatanjaka azy hatrany amin’ny fampahatsiahivana ny antony tokony hitiavantsika izay marina, sy hankahalantsika tokoa ary handavantsika ny lalana maloton’izao tontolo izao. Namintina toy izao an’io fepetra takina io ny apostoly Paoly: “Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.” — Romana 12:9.
5. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa manoro hevitra antsika ny fahendrena mba handinika tsara ny antony manosika antsika sy ny faniriantsika?
5 Koa satria mety hahita loza hihataka amin’ny fomba fiaina kristiana isika, ny fahendrena dia manoro hevitra antsika rehetra mba handinika foana ny antony manosika antsika, ny faniriantsika sy ny zava-kendrentsika. Moa ve isika sahala amin’ireny kristiana ireny izay noderain’i Petera satria tsy niverina tany amin’ny “honahonam-pilibana” eo amin’izao tontolo izao? Sa kosa isika indraindray manao tahaka ny vadin’i Lota niherika nanopy maso feno faniriana tany amin’ny zavatra vao nanafahana azy? — Genesisy 19:26; Lioka 17:31-33.
Mitombo ny faharatsiana ao anatin’ny “andro farany”
6, 7. a) Araka ny filazan’ny Baiboly, tokony ho voamariky ny toe-tsaina manao ahoana eo anoloan’ny fahafinaretana moa ny “andro farany”? b) Fomba inona avy moa no ampiasain’ny olon’izao tontolo izao mba hampisehoana ny heviny sy ny fanaony maloto?
6 Aoka isika hieritreritra kely izao tontolo izao iainantsika amin’izao faran’ny taonjato faha-20 izao. Moa ve tsy be dia be ny faharatsiana? Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly mialoha, ny olombelona dia “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. Eny, azo atao ny milaza fa ‘handroso hiharatsiratsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky sady mamitaka no fitahina’. — 2 Timoty 3:1, 4, 13.
7 Fanitsakitsaham-bady, fijangajangana, fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, fanalana zaza... Manjary fandre ireo teny ireo; ary ireo fanao tondroiny dia mahafinaritra ny olona ny miresadresaka ny aminy na ao amin’ny radiao sy televiziona na ao amin’ireo fikambanana ara-pivavahana na ara-pianarana. Mampandroso varotra ny sary maloto mibaribary. Amin’ireo sarimihetsika, tantara amin’ny teatira sy tantara mitohy alefa ao amin’ny televiziona malaza indrindra, ny sasany dia mampiseho izao karazam-pitondrantena maloto rehetra izao. Sambatra aoka izany isika tsy manana anjara mihitsy amin’ireny zavatra ireny! Tokony hiady mafy anefa isika mba tsy hahatraran’ny fampielezan-kevitra mamitaka eo amin’izao tontolo izao ny fontsika.
8. Raha ny amin’ny fanao maloton’izao tontolo izao, inona moa no lazain’ny Baiboly amintsika ny amin’izaytokony hataontsika na tsy tokony hataontsika?
8 Mihaino izao fampitandreman’i Paoly manaraka izao ny kristiana feno fahendrena: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany (...), mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo (...). Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry.” Afa-tsy izany koa, dia milaza amintsika ny apostoly Paoly fa tokony hieritreritra izay marina, mahitsy, madio, mahatehotia, misy hatsaram-panahy isika. — Efesiana 5:3-16; Filipiana 4:8.
9. Inona no mety hitranga mora foana raha misy tsininy ny fialam-bolintsika?
9 Moa ve ny fifidianana ireo fialam-bolintsika mampiseho fa tena miahy tokoa an’io torohevitra mampiseho fahendrena io isika? Aoka hotsaroantsika fa arakaraka ny ifampikasohantsika amin’ny zavatra mampietry, no hahatonga kokoa ny fomba fiainan’izao tontolo izao ho toa azo ekena amintsika. Mety hanomboka hidera mangingina na hanahaka ireo mpanan-talenta amin’ny fanatanjahan-tena na ny fampisehoana manao ireny zavatra ireny aza isika. Aoka àry isika ho mailaka ny hahita izay rehetra mety ho fironana karazan’izany ka mety hiseho eo amintsika.
Aoka isika tsy hanaiky ho voafitaky ny fiheveran’izao tontolo izao
10. Ahoana no fiheveran’ny epikoriana tamin’ny taonjato I ny fiainana?’
10 Tamin’ny andron’i Paoly, dia olona maro no nanaraka ny filozofian’ny epikoriana, izay velona ho an’ny fahafinaretana, ho an’ny fanomezana fahafahampo ny vavahadin-tsaina. Rehefa mitranga ny fahafatesana, hoy izy ireo, dia mifarana ny zavatra rehetra. Noho izany, nahoana no tsy hanararaotra araka izay farany azo atao ny fahafinaretana eo amin’ny fiainana dieny mbola misy fotoana? Iza no mahalala raha ho faty isika rahampitso?
11. Ahoana moa no anahafan’ny olona be dia be eo amin’izao tontolo izao amin’ny androntsika ireo fomba fisaina sy fiasan’ny epikoriana?
11 Maro be no mihevitra toy izany amin’izao androntsika izao. Milentika amin’ny fomba mahamenatra ao anatin’izao karazam-pahafinaretana rehetra izao izy ireny, tsy misy fanahiana firy ny amin’ny mety ho vokatry ny fitondrantenany eo amin’ny namany. Ao an-tsain’izy ireny dia, na, tsy misy Andriamanitra, na, raha misy izy, dia tsy mampiseho mihitsy fiheverana izay manjo ny olombelona. Koa satria, araka ny lazain’izy ireny, dia vokatry ny fivoarana miandalana ny olona, dia tsy misy afa-tsy ny tenany ihany sy ny fitambaran’olona no tokony hampamoaka azy. Vitany hatramin’ny fahitana antony hitondrana tena toy ny biby aza. Raha mitondra fahafinaretana tokoa ireo fanao maloto tsy ankasitrahan’ny Baiboly, dia tsy misy mahameloka izany mihitsy aminy. Nahoana, hoy koa izy ireo, no hanana fiainana misy fihafiana sy fatiantoka, kanefa toerana iray ihany no halehantsika rehetra, dia ny fasana?
12, 13. a) Mahatonga ny kristiana hisetra loza inona moa ny herin’ny fiheverana mampiavaka izao tontolo izao? b) Inona moa no fototry ny ratsy nahazo ny Korintiana? d) Inona moa no tokony hataontsika raha tsy tiantsika ny hanaiky hotarihin’ny fiheverana ny fiainana amim-pitiavan-tena?
12 Ny kristiana sasany tany Korinto dia toa nanaiky ho voataonan’izany karazam-piheverana izany. Raha nanoratra ho an’ny kongregasiona tao amin’io tanàna io i Paoly dia niaiky fa “raha tsy hatsangana ny maty”, dia tsy hoe tsy nisy heviny mihitsy akory ny fitenenana fandre tamin’izay fotoana izay hoe: “aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. Nanaraka izany avy hatrany anefa, dia naharihariny fa mamitaka io fiheverana io: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara. Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.” — 1 Korintiana 15:32-34.
13 Aoka homarihintsika ny fomba namelezan’i Paoly ny ratsy eo amin’ny fakany araka izany: nambarany fa avy amin’ny fifaneraserany ratsy ny fiheverana miolakolak’ireo kristiana tany Korinto. Fianarana ho antsika izany. Raha tsy mitandrina tokoa isika, dia mety hieritreritra fa ilaintsika ny manandrana fahafinaretana sasany alohan’ny hisakanan’ny fahanterana na ny fahafatesana antsika tsy hanao izany. Raha somary manana fironana hanana fiheverana toy izany isika, dia tokony hitady fanafodiny haingana. Ahoana izany? Amin’ny fitadidiana fa tsy mihevitra ireo fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra izany fisainana izany fa avy amin’ny tsy fahampiam-pinoana ireo fampanantenany azo antoka, tahaka ny momba ny fananganana ny maty. Na dia eo amin’ny lafin’ny fampiharana aza, ny olona manana fiainana feno filibana dia mahita fanaintainana sy fahasahiranana be. Mba hahazoana ny toe-tsaina mety, dia tokony ‘hifoha tsara’ izy ireny. Ambonin’izany, raha tsy misy “fahalalana an’Andriamanitra”, dia tsy afaka misaina araka ny marina izy ireny.
14. Olona manao ahoana moa no tsy handova ireo fitahiana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona moa no nolazain’i Paoly ny amin’ny fiainan’ny kristiana sasany tamin’ny lasa?
14 Eo aloha kokoa, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana, ny apostoly Paoly dia nilaza mazava fa tsy hanana anjara amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpijangajanga, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpanompo sampy, ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy, ny mpangalatra, ny mpierina, ny mpimamo, ny mpanaratsy sy ny mpanao an-keriny izay be dia be tany Korinto. Nanampy teny toy izao anefa izy: “Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo.” Ny nanamasinana azy ireny toy izany dia nampiseho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny sorom-panavotan’i Kristy (1 Korintiana 6:9-11). Ao anatin’izany toe-piainana izany, dia tsy maintsy ho efa very saina mihitsy vao haniry hiverina any amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao voaheloka.
15. Fitenenana an’ohatra ahoana moa no nampiasain’i Petera mba hilazalazana ny toeran’ny olona miverina amin’ny fanao maharikorikon’izao tontolo izao?
15 Izao no nambaran’i Petera: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.’ ” (2 Petera 2:20, 22). Mahery izany raha fomba fiteny! Mila ny mandre teny mahery anefa isika indraindray mba hahatsapana ny maha-zava-dehibe ny torohevitra iray; ary io torohevitra io, nomena ny kristiana tamin’ny taonjato I, dia vao mainka mety amin’izao androntsika izao.
Mijinja izay nafafintsika isika
16. Amin’ny heviny ahoana moa ny olona manana fiainana feno filibana no ‘mijinja izay nafafiny’?
16 Amin’izay mitranga manodidina azy ireo, dia hitan’ny kristiana ny vokatra manimba na mahafaty mihitsy aza, ateraky ny fiainana feno filibana arahin’izao tontolo izao (Romana 1:18-32). Mba tsy hiresahana afa-tsy ny fahavoazana ara-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia aoka hoeritreretintsika ireo fahoriana mitranga rehefa tsy hajaina ny lalàn’Andriamanitra eo amin’io lafiny io: tokantrano rava, fananana anaka tsy ara-dalàna, fanalana zaza, fisavihana, fanaovana an-keriny amin-jaza, areti-mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy zava-dratsy maro hafa koa. Toy izany koa, ny olona izay manimba ny tenany amin’ny fihinanana na fisotroana be loatra, na amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina mba hanaitaitra fotsiny, ireny olona ireny dia tojo fahasahiranana ara-pahasalamana maro. Etsy an-daniny koa, izay resin’ny fitsiriritana dia manjary mampiasa halatra na fitaka. Eny, mahalana tokoa ny olona mandika ireo lalàn’Andriamanitra no tsy iharan’ny fahavoazana sasany avy amin’izany, eo amin’ny lafiny ara-batana na ara-tsaina. Araka ny nilazan’ny apostoly Paoly azy ny fitrangan-javatra: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” — Galatiana 6:7, 8.
17. Inona moa no tokony hanosika kristiana iray hitandrina ireo lalàna marin’Andriamanitra?
17 Etsy an-kilany, ny Soratra Masina dia manome antsika antony mafy orina tokony hitandremana ireo lalàn’Andriamanitra. Marina tokoa ity hevitra notsoahina avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ity: “Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana”! (Ohabolana 28:20.) Ireo olona mankahala ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao dia misoroka ny vokatra mahatsiravin’ny fiainana feno filibana. Manana fifandraisana madio amin’ireo rahalahiny sy anabaviny izy, ary koa amin’ny Andriamaniny, Jehovah. Ambonin’izany, dia mamelona fanantenana mahatalanjona izy, dia ny hahazo ny loka: ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Koa satria isika efa lasa lavitra tokoa ao anatin’ny vanim-potoana farany amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, ny “ondry hafa” aza dia manana fanantenana manokana ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, ka amin’izany dia tsy ho faty mihitsy. Na dia mety hahazo azy ihany aza ny fahafatesana, dia inoan’izy ireny mafy ny fampanantenana nomen’Andriamanitra ny amin’ny hananganana izay rehetra ao amin’ny fasana fahatsiarovana (Jaona 5:28, 29, MN; 10:16; Apokalypsy 7:14). Noho izany, nahoana no hieritreritra, na dia amin’ny fomba mihelina fotsiny aza, ny hanana anjara amin’ireo fanao maharikorikon’izao tontolo izao? — Romana 6:19-23; 1 Petera 4:1-3.
18. a) Ahoana moa, amin’ny fahoriana lehibe, no hampiharan’i Jehovah ny fanamelohany ny “ratsy fanahy”? b) Ahoana moa, tamin’ireo teny farany nampanoratiny ao amin’ny Baiboly, no iresahan’i Jehovah ny amin’ny fomba hampiharany ny didim-pitsarany?
18 Asehon’ny Baiboly mazava fa isika izao dia miaina amin’ny tapany amin’izay antsoina hoe “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, MN.) Izao no nambaran’i Petera: “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia (...) tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” (2 Petera 3:7). Rehefa ho tonga io andro fitsarana nandrasana hatramin’ny ela io, dia hanjavon-ko setroka ireo fihamboan’olombelona; ho noporofoina fa tsy afaka manao zavatra tsy miankina amin’Andriamanitra ny olombelona ary tsy avy amin’ny “evaolisiona” akory ny fitondrantenany maloto sy feno herisetra. (Kolosiana 3:5, 6.) Ao amin’ny teny farany nampanoratiny ao amin’ny Baiboly, dia Andriamanitra mihitsy no manambara ny hitranga, etsy an-daniny amin’ireo izay manompo azy, ary etsy an-kilany amin’ireo izay tsy manompo azy: “Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany (...). Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna. Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.” — Apokalypsy 22:12-15.
19. Eo anoloan’ny ho avy sarotra, tokony ho tapa-kevira ny hanao inona moa isika?
19 Raha mbola miharatsy hatrany ny toe-pitondrantenan’izao tontolo izao, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hitady sitraka amin’i Jehovah amin’ny fanaovana izay madio, mendri-kaja sy marina. Aoka isika tsy hampihena ny fiezahantsika ho amin’ny loka, dia: ny fiainana. Aoka isika tsy hanaiky hilentika ao anatin’ny ‘honahonam-piliban’izao tontolo izao’ izay toeram-pahafatesana. Afaka mahatohitra ireo hevitra maloto isika raha mankahala ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana moa isika no mety ho voatarika hanaraka ireo fanao mahamenatr’izao tontolo izao?
◻ Nahoana moa isika no tokony ho malina aoka izany eo amin’ny fifidianana ireo fialam-bolintsika?
◻ Fiheverana manimba inona moa no mety hisy heriny mora foana eo amintsika raha mifanerasera amin’ireo epikoriana amin’ny andro ankehitriny isika?
◻ Ahoana moa no itsaran’i Jehovah ireo olona manahaka ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao ka tsy mibebaka noho izany?
◻ Fitahiana inona avy no miandry ireo olona tsy manahaka ny fitondrantena maharikorikon’izao tontolo izao?
[Sary, pejy 16, 17]
Raha mankahala ny lalana mahamenatr’izao tontolo izao ankehitriny ny mpanompon’Andriamanitra, dia ho mora aminy kokoa ny hiditra ao amin’izao tontolo izao ho feno rariny amin’ny ho avy.
[Sary, pejy 18]
Ny kristiana tsy nandray fampitandremana tsara dia mety hanaiky ho voafitaky ny fialam-boly mahamenatr’izao tontolo izao.