‘Mitondrà tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’
‘Mitondrà tena fotsiny amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara ny amin’i Kristy.” — FILIPIANA 1:27, MN.
1. Tsy ela izay, voatarika hanao fanamarihana tamim-piderana hoe ahoana moa ny ben’ny tanànan’i New York (Romana 13:3)?
“VAVOLOMBELONA 1 000 mahery” no nivory teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, tany Manhattan, ny 29 septambra 1988, hoy ny fitantaran’ny New York Times. Tamin’izany no nitondran’izy ireo ny fanohanany ny volavolan-kevitra momba ny fanorenana natolotra ny Birao miandraikitra ny fanatsarana ny tanàna. Na dia tsy nomena aza ny fahazoan-dalana hanorina trano fonenana vaovao ho an’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny ben’ny tanàna dia “nidera ny Vavolombelona ary nanambara fa ‘hafa tanteraka’ izy ireo ary ‘tena mendri-piderana’ ”.
2. Amin’ny ahoana moa no hafa ny fomban’ny Vavolombelona, ary nahoana?
2 Mandrakariva, rehefa misy olona arivo mahery mivory mba hampiharihary ny fanohanany raharaha tsy tiam-bahoaka iray, inona no tokony hampoizina? Tsy mahalana ny fisehoan-javatra toy izany no miteraka fifanositosehana, kiakiaka na herisetra mihitsy aza. Nahoana moa no hafa ny fitondrantenan’ny Vavolombelona? Satria fantany fa amin’ny toe-javatra miseho rehetra dia mahakasika ny zavatra inoany ny fitondrantenany. Tsy hadinoiny na oviana na oviana ity torohevitra ao amin’ny Baiboly ity: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” — 1 Petera 2:12.
Manome voninahitra an’i Jehovah no fomba tsarantsika
3. Inona moa no anjara raisin’ny fombantsika eo amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
3 Isika izay kristiana, dia tsy azo lavina fa manana andraikitra hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fananana fitondrantena tsara (Matio 5:16). Marina fa ny fitondrantena tsara dia mahafaoka toetra tsara maro, toy ny fanaovana ny marina, ny faharisihana amin’ny asa ary toe-piainana tsara. Kanefa, ny olona mahalala antsika tsara ihany na miaraka amintsika tsy tapaka no mahafantatra fa manana ireo toetra tsara ireo isika — ny namantsika, ny mpianakavintsika, ny mpampiasa antsika, ny mpiara-miasa amintsika sy ny mpampianatra antsika, ohatra. Fa ahoana ny amin’ny ankamaroan’olona izay tsy mifampikasoka firy amintsika? Eo no mandray anjara lehibe ny fombantsika, satria toy ny fonosana fanomezana tsara tarehy mahatonga hahafinaritra kokoa ny fanomezana sarobidy iray, dia toy izany koa fa mahatonga izay hatolotsika hahafinaritra kokoa ny fomba tsarantsika. Na manao ahoana na manao ahoana toetra kristiana ananantsika ary na dia mendrika hoderaina tokoa aza ny fikasantsika, dia tsy hahasoa loatra izany raha tsy manana fomba tsara isika. Ahoana àry no mety hahatonga ny fombantsika hanome voninahitra an’i Jehovah?
4. Amin’ny lafiny inona avy moa isika no tokony hiahy ny amin’ny fombantsika?
4 “Mitondrà tena fotsiny amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara”, hoy i Paoly (Filipiana 1:27, MN ). Miharihary tokoa fa mahakasika ny fanompoantsika ampahibemaso ireo teny ireo. Kanefa ny ataontsika sy ny fombantsika any amin’ny toerana fanaovantsika fanompoam-pivavahana, ao amin’ny faritanàna misy antsika, any am-piasana, any an-tsekoly, eny, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, dia misy heriny mivantana koa eo amin’ny fahitantsika vokatra amin’ny fanompoantsika. “Fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana”, hoy ny nosoratan’i Paoly (2 Korintiana 6:3). Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa tena manao toy izany tokoa isika? Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo namantsika, indrindra fa ny tanora, hanana fomba tsara kristiana amin’ny toe-javatra miseho rehetra?
Ao amin’ny Efitrano Fanjakana
5. Inona no tokony ho fantatsika rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana isika?
5 Toerana fanaovantsika fanompoam-pivavahana ny Efitrano Fanjakana. Mankany isika noho ny fanasan’i Jehovah sy ny Zanany, Jesosy Kristy. Asaina ao an-tranon’i Jehovah àry isika (Salamo 15:1; Matio 18:20). Olona nasaina tsara ve ianao rehefa mankany amin’ny Efitrano Fanjakana? Mba hahatonga antsika ho toy izany, dia tokony hanehoantsika ny fiheverana sy ny fanajana tandrifina azy ilay Mpanasa antsika, nefa koa ny nasaina hafa. Inona no tiana holazaina amin’izany?
6. a) Mampiseho inona moa ny fahazarana ho tonga aoriana loatra ao amin’ireo fivoriana? b) Inona no azo atao mba handresena izany fahasahiranana izany?
6 Voalohany indrindra, dia mety ny hahatongavana ara-potoana. Ekena fa tsy mora foana akory izany. Ny sasany monina lavitra; ny hafa manan-janaka hampiomanina. Tena mendrika hoderaina tokoa ny fiezahana ataon’izy ireny mba hanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristiana. Voamarika anefa fa misy manana fahazarana ny ho tratra aoriana vao tonga any amin’ny fivoriana. Inona no azon’izy ireny atao mba hialana amin’izany fahazaran-dratsy izany? Ekena aloha fa tsy hoe tsy maintsy ho noho ny tsy fankamamiana ny hasarobidin’ny fivoriana no mahatonga ny sasany ho diso fidirana mandrakariva. Toa mankasitraka ireo fivoriana sahala amin’ny mpanatrika hafa rehetra izy ireny — rehefa tonga. Ny mahatonga ny fahasahiranana kosa dia ny tsy fahaiza-mandamin-javatra sy ny tsy fahampian’ny fiheverana ny kristiana hafa. Matoa isika anarina ‘tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona’, ankoatra ny zavatra hafa, dia mba hahafahana “hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10:24, 25.) Sarotra amintsika anefa ny hanao izany raha tratra aoriana mandrakariva isika vao tonga, ka amin’izany dia mampiriorio ny sain’ny mpanatrika hafa na manelingelina azy ireny. Araka ny filazan’ny manam-pahaizana sasany, mba hahatongavana ara-potoana, dia ilaina ny mametra ho zava-kendrena ny hahatongavana aloha be, fa tsy amin’ny fotoana anombohana indrindra. Ho afaka hampihatra izany fanipazan-kevitra izany ve ianao?
7. Hazavao ny fifandraisana misy eo amin’ny fihainoantsika tsara amin’ireo fivoriana sy ny fomba tsara.
7 Ny fahalalam-pomba dia mitaky ny hihainoantsika ny olona rehefa miteny amintsika izy ireny (Ohabolana 4:1, 20). Io fotopoto-pitsipika io dia mihatra koa amin’ireo fivoriana kristiana misy minisitr’Andriamanitra mandray ny fitenenana mba hampandrosoana antsika amin’ny alalan’ny fanomezana ara-panahy. Tena ho fomba ratsy dia ratsy ny hatoriana, ny hibitsibitsihana amin’ny eo akaikin’ny tena, ny hitsakoana siligaoma na hitsentsefana vatomamy, ny hamakiana zavatra hafa na hikarakarana raharaha hafa mandritra ny fivoriana. Tsy vitan’ny hoe nipetraka naharitra i Eliho tanora nandritra ny lahateny lava nataon’i Joba sy ireo namany telo, fa “nandinika [nanongilan-tsofina, MN ]” izay nolazain’izy ireo ary “nihaino dia nihaino” azy (Joba 32:11, 12). Ireo fomba tsara kristiana dia hanosika antsika hampiseho ny fanajana tandrifina ny mpandahateny sy ny hafatra entiny miorina amin’ny Baiboly amin’ny fihainoana azy maharitra sy tsy miovaova.
8. Ahoana moa no ampisehoantsika fa mpianatr’i Jesosy Kristy daholo isika rehetra?
8 Aloha sy aorian’ireo fivoriana, raha manana fomba kristiana isika, dia hihevitra ireo olon-kafa tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nasain’i Paoly nomarihina fa ny kristiana voahosotra anisan’ny kongregasiona kristiana ‘dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony, fa ankohonan’Andriamanitra’. (Efesiana 2:19.) Toy ny ataonao amin’ny vahiny ve no ataonao amin’ny Vavolombelona hafa sa toy ny atao amin’ny mpianakavy? Ny fifampiarahabana amim-pisakaizana, ny fifandraisan-tanana mafana, ny tsiky amim-pahalemem-panahy dia marina fa zavatra madinika, nefa manaporofo fa mpianatr’i Jesosy Kristy daholo isika. Raha arahabaintsika toy izany ny vahiny, moa ve tsy tokony hanao toy izany isika “indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”? — Galatiana 6:10.
9. Ahoana no azo ampianarana ny ankizy mba hihevitra ny olona be taona noho izy?
9 Afaka mampianatra an’ireo zanatsika ve isika hampiseho karazam-piheverana toy izany an’ireo olona be taona noho izy? Toa mihevitra ny olon-dehibe sasany fa mila ny miala voly ireo zanany ka milalao amin’ireo namany kely rehefa avy nipetraka nandritra ny ora iray na roa nihainoana tao amin’ireo fivoriana. Tsy mety anefa ny hilalaovana ao amin’ny Efitrano Fanjakana (Mpitoriteny 3:1, 17). Rehefa nanontanian’ny mpampianatra ny zazalahy iray efa-taona sy tapany hoe firy ny rahalahiny sy anabaviny, dia hoy ny navalin’ilay ankizy: “Be dia be loatra no ananako ka tsy voaisako.” Tatỳ aoriana, rehefa nanontany azy ny amin’izany ireo ray aman-dreniny, dia hoy ny fanazavany: “Tsy fantatro ny isany. Be dia be loatra izy ireo rehefa mankany amin’ny Efitrano Fanjakana aho!” Aminy, dia rahalahy sy anabavy daholo ny mpanatrika rehetra.
Eo amin’ny fanompoana ataonstika ampahibemaso
10. Toromarika inona nomen’i Jesosy moa no mety hanampy antsika ‘hitondra tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’ eo amin’ny fanompoantsika?
10 Hita avy hatrany fa tokony ‘hitondra tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’ isika ao anatin’ny faritry ny fanompoantsika ampahibemaso. Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa mitondra hafatra momba ny fiadanana isika, ary tokony ho hita taratra eo amin’ny fombantsika izany (Efesiana 6:15). Nanome izao toromarika izao i Jesosy: “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo.” Rehefa mafana fo sy miseho ho sakaiza ary manaja isika dia mampiseho amin’ny olona iresahantsika fa tena mihevitra ny tombontsoany tokoa. Indraindray anefa dia tojo olona tsy mampiseho fitiavana na mankahala mihitsy aza isika. Tokony hisafoaka ve isika ka hanomboka hitondra tena tahaka azy? Jereo ny teny nanampin’i Jesosy: “Fa raha tsy miendrika izy [ny trano], dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.” (Matio 10:12, 13). Rehefa mandeha isan-trano isika dia tokony hifanaraka mandrakariva amin’ny “fanompoana fampihavanana” ny fombantsika. — 2 Korintiana 5:18.
11. Inona moa no herin’ny fisehoantsika ivelany eo amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra antsika?
11 Mampiharihary ny maha-isika antsika amin’ny lafiny hafa koa ny fombantsika. Ohatra, moa ve ny fisehoantsika ivelany mifanentana amin’ny maha-minisitry ny Tenin’Andriamanitra antsika? Inona no holazaina ny amin’ny fitaovantsika — kitapo, Baiboly sy boky fianarana Baiboly? Nanome izao torohevitra izao ho an’ny mpanao raharaham-barotra ny mpandahatra tantara iray: “Manaova fitafiana fitondra rehefa hanao raharaha, fa tsy toy ny rehefa ho any amin’ny fety na ny takariva fialam-boly na fisehoan-javatra amin’ny fanatanjahan-tena.” Inona no antony? Satria ny fomba fitafinao dia “mampiseho haingana amin’ny manodidina anao ny maha-ianao anao, ny toetranao sy ny toerana tananao ao anatin’ny fandaharan-javatra”. Noho izany, rehefa mikarakara “raharaha” momba ny fanompoana isika, dia tsy tokony hampiseho tsy fahavarana ny fisehoantsika ivelany na ho hafahafa, fa ho “mendrika ny vaovao tsara” mandrakariva. — Jereo 1 Timoty 2:9, 10.
12. Raha manana fomba tsara isika, ahoana moa no hampisehoantsika fiheverana ny zo sy ny fananan’ny olona tsidihintsika?
12 Tokony “ho vonona mandrakariva” isika hiaro ny vaovao tsara; ny fomba kristiana tsara anefa dia mitaky ny hanaovantsika izany “amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:15.) Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia mahafaoka ny tokony hanajantsika ny zo sy ny fananan’ny hafa. Mandamina ny fotoanantsika ve isika mba hankanesana any an-tranon’ny olona amin’ny ora mety? Mailaka ny hamantatra ve isika raha manapaka azy isika raha mbola sahirana manao raharaha na asa lehibe izy? Ampiasaintsika be dia be ve ny fitenenana toy ny hoe “Mahazo (manao toy izao na izao) ve ahy?”, “Aza fady”, sy “Misaotra”? Moa ve isika miezaka hampiresaka ilay olona, sa kosa isika foana no miteny satria matahotra sao tsy ho afaka hilaza izay rehetra nomanintsika?
13. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra fa matetika ny fomba tsara no miteraka vokatra tsara eo amin’ny fanompoana.
13 Ny fomba tsara, ampiarahina amin’ny fiheverana ny hafa amim-pahatsorana, dia matetika no mahatonga ho afaka hanao fanambarana tsara dia tsara. Noho izany antony izany, dia misy ankizy tsara taiza matetika no mitana ny saina sy ny fahalianan’ny olona izay tsy miraika amin’ny lazain’ny olon-dehibe angamba. Araka izany, tany Meksika, ny Vavolombelona iray 13 taona dia tafahaona tamin’ny zazavavy iray naniry hianatra ny Baiboly, nefa nieritreritra fa tsy tokony holazaina amin-drainy izany. Tsapan’ilay mpitory tanora anefa fa tamin’io toe-javatra io, ho fanajana an-drainy, dia nilaina ny hangatahany lalana taminy. Nanipy hevitra ny hiresaka amin’ilay ray àry izy ary nilaza taminy fa zava-dehibe tokoa no hianaran’izy ireo. Noho ny fahitana fa tsy nanao vazivazy izy sy noho ny fankasitrahana ny nitenenana nivantana taminy, dia hoy io lehilahy io: “Raha zava-dehibe no hianaranareo, dia tokony hianatra izany ny fianakaviako manontolo.” Inona no vokatr’izany? Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny fianakaviana manontolo io zazavavy mpitory 13 taona io, ka nianatra koa ny zanakalahy iray efa manambady sy ny vadiny ary zanaka efa lehibe hafa.
Manomboka ao an-tokantrano ny fahalalam-pomba
14. Aiza moa voalohany indrindra no tokony hananana fomba tsara, ary amin’izany lafiny izany, anton-javatra inona no mandray anjara lehibe?
14 Matetika ny fahalalam-pomba asehon’ny Vavolombelona tanora no manaporofo ny fanabeazana tsara dia tsara tsy maintsy ho noraisiny tany an-tranony. Taratry ny fomba fiainantsika, raha ny marina, ny fombantsika. Noho izany antony izany, mifanohitra amin’izay mety hoheverin’ny sasany, dia zava-dehibe ny hahalalana fomba ao an-tokantrano. Amin’izany, toy ny amin’ny lafiny hafa amin’ny fiainam-pianakaviana, dia zava-dehibe indrindra ny ohatra omen’ny ray aman-dreny (2 Timoty 1:5). Azo antoka fa tsy amin’ny filazana amin’ny zanaka hoe “Ataovy izay lazaiko, fa tsy izay ataoko” no ampianarana azy ireny ny fomba tsara. Mianatra ny andinindininy tsy tambo isaina anisan’ny fomba tsara ny ankizy, tsy amin’ny alalan’ny toromarika am-bava ihany, fa amin’ny fandinihana sy ny fanahafana koa. “Tsy mpampianatra voalohany ny zanaka fotsiny ny ray aman-dreny; ohatra tokony halainy tahaka koa izy ireny, satria amin’ny fanahafana azy ireny no ianaran’ny zanaka”, hoy ny fanamarihana nataon’i Beverley Feldman, mpanao ilay boky hoe Zanaka mahomby (anglisy). Fomba manao ahoana no hitan’ireo zanakao rehefa mandinika anao izy ireo?
15. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany hamboly fomba tsara ho amin’ny fiainany rehetra?
15 “Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo”, hoy ny torohevitry ny Baiboly. Mahasosotra sy mandiso fanantenana ny zanaka ny mandre filazana fa tokony ho tsara fanahy sy halemy fanahy izy; kanefa hitany ireo ray aman-dreniny mifanditra, mifosa olona, tsy mahalala fomba na mora misafoaka. Azo tsinina ve izy ireo raha manao toy izany koa? Manohy amin’izao teny izao ny Soratra masina: “Fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy.” Izany fitaizana izany dia mahafaoka ireo fitsipika lehibe indrindra amin’ny fahalalam-pomba, ohatra ny ilàna hiarahaba, hanao “Aza fady”, “Misaotra”, “Miala tsiny”, ka hanaja ny olona be taona ary hizara amin’ny hafa (Levitikosy 19:32; Romana 16:3-7). Raha ampianarina ny zanaka ao an-tokantrano ireo toetra ireo, dia ho sarobidy aminy amin’ny fiainany rehetra. — Ohabolana 22:6.
16. Inona moa no fiezahana tokony hataon’ny ray aman-dreny, ary inona no ho vokatr’izany?
16 Tokony hanana fomba tsara isan’andro isan’andro àry ny ray aman-dreny sy ny zanaka, fa tsy amin’ny fotoana manokana sasany ihany. Ry ray aman-dreny, manàna faharetana sy fahari-po amin’ireo zanakareo izay tsy maintsy hanao fahadisoana. Lazao aminy fa heverinareo ho zava-dehibe tokoa ny fitondrantenany tsara, ary aoka ianareo ho mailaka ny hidera azy ireny noho ny fandrosoany. Marina fa mitaky fiezahana be dia be avy aminareo izany. Nefa moa ve ny Soratra masina tsy manoro hevitra anareo mba hampianatra ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ny zanakareo ‘rehefa mipetraka ao an-trano hianareo, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha’? (Deoteronomia 6:7.) Ny ray aman-dreny manaraka io torohevitra io dia mamorona rivo-piainana mahafinaritra sy mahasoa ao an-tokantranon’izy ireo, ary izany dia manampy be dia be amin’ny fahatongavan’ny zanaka ho olon-dehibe tia manampy sy mamalifaly olona ary tsara taiza. Hiteraka fiderana sy voninahitra ho an’ny ray aman-dreniny sy ho an’ny Mpamorona azy ireo, Jehovah Andriamanitra, izy ireny.
Vahoaka manana fomba tsara
17. Inona moa no voamarika ao amin’ireo Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
17 Ireo “Vavolombelona 1 000 mahery” tafangona teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’i New York indray tolakandron’ny septambra dia nampiseho tamin’ny ambaratonga kely monja ny fomba fitondran’ny Vavolombelon’i Jehovah tena isan’andro isan’andro. Tao amin’ny toerana hafa iray, dia izao no nolazain’ny lehilahy iray taorian’ny nahatongavany voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana: “Teo amin’ireo olona tsy fantatro ireo no nahitako olona netsehin’ny fitiavana tamim-pahatsorana maro kokoa noho izay rehetra hitako teo anivon’ny Fiangonana nitaizana ahy.” Inona no vokany? “Tsy nisy tokony hisalasalana mihitsy: hitako ny fahamarinana”, hoy izy. Nanova fomba fiaina io lehilahy io, ary rehefa afaka fito volana, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ka natao batisa. — Jereo 1 Korintiana 14:25.
18. Inona moa no nolazain’ny mpandinika momba ny fomba tsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah?
18 Ny fomba tsara asehon’ny Vavolombelona amin’ireo fivoriambeny ao amin’ny firenena na iraisam-pirenena dia mahatonga resaka fiderana. Tsy ela izay, tamin’ny anankiray tamin’ireny fihaonambe ireny, nalamina tany Japon, dia nanao izao fanamarihana izao ny mpitari-dalana iray: “Rehefa niala tamin’ny fiarabe ianareo rehetra, anisan’izany ny ankizy, dia nilaza tamiko hoe: ‘Misaotra indrindra.’ Mahafinaritra loatra izany!” Tamin’ny fivoriambe hafa iray, ny mpiasa tao amin’ny garan-dalamby teo akaiky teo dia nilaza tamin’ny Vavolombelona iray hoe: “Tsy ela izay, rehefa nisy olona 12 000 nivory tao amin’ny Castle Hall teto Osaka, dia tsy hay lazalazaina ny tabataba.” Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Ianareo kosa milamina ka manamora ny asanay izany. Tsy fantatro ny mpandamina ny fivoriambenareo, nefa mba ampitao aminy indrindra ny fampamangianay.”
19. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa ny tsirairay avy amintsika raha ny amin’ny fomba tsara?
19 Mampiseho inona izany teny izany? Mampiseho fa amin’ny fitambarany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia ‘mitondra tena amin’ny fomba mendrika ny vaovao tsara’. Ahoana ny amin’ny tsirairay avy amintsika isam-batan’olona? Sahala amin’ny zanaka mitodika any amin’ny rainy feno fitiavana, enga anie isika rehetra, na tanora na efa be taona kokoa, hitodika any amin’ny Raintsika any an-danitra, Jehovah, mba hampianarany antsika hanana fomba tsara, na dia eo amin’izao tontolo izao tsy manaja manodidina antsika aza. — Deoteronomia 8:5; Ohabolana 3:11, 12.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa ny fomba tsara no lafiny tena ilaina amin’ny fitondrantena tsara?
◻ Fomba tsara inona no tokony hananana any amin’ny toerana fanaovantsika fanompoam-pivavahana?
◻ Rehefa mitory isika, ahoana no azontsika ampisehoana fa manana fomba tsara isika?
◻ Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany hamboly fomba tsara?
◻ Fari-piainana ambony inona moa no tokony hiezahantsika hotratrarina raha ny amin’ny fomba tsara?