Toko faha-13
Ny fitondram-panjakam-piadanan’Andriamanitra
1. Inona no tsy vitan’ireo fitondram-panjakan’olombelona?
TSY afaka nanome izay tena ilain’ny olona ireo fitondram-panjakan’olombelona. Tsy nisy na dia iray aza afaka nampanjavona ny heloka bevava sy ny fankahalana ara-pirazanana, na niantoka ny fanomezana sakafo mahasalama sy fonenana ho an’ny tsirairay. Vao mainka tsy vitan’izy ireny koa ny nanafaka tanteraka ny vahoakany tamin’ny aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana, indrindra ka hoe hamelona indray ny maty. Tsy nisy na dia iray koa aza afaka nanorina fiadanana maharitra sy filaminana. Tsy nanan-kery fotsiny ireo fitondram-panjakan’olombelona teo anoloan’ireo zava-manahirana lehibe amin’izao androntsika izao.
2. Inona no foto-kevitry ny Baiboly?
2 Fantatry ny Mpamorona antsika fa ilaintsika tokoa ny fitondram-panjakana marina iray, afaka hanome ho an’ny rehetra, fahasambarana sy fifaliana miaina. Izany no antony iresahan’ny Baiboly ny amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly io fitondram-panjakana nampanantenain’Andriamanitra io.
3. Inona moa no lazain’ny Isaia 9:5, 6 momba ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
3 Mety hisy hilaza anefa hoe: “Aiza no iresahana ny amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly?” Ao amin’ny Isaia 9:5, 6 izay amakiantsika toy izao: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.”
4. Iza moa ilay zaza tokony ho tonga filohan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra?
4 Ambaran’ny Baiboly eo ny nahaterahan’ny zaza iray, andriana iray. Amin’ny fotoana voatendry, io ‘zanaka mpanjaka’ io dia tokony ho tonga filoha lehibe, “Andrian’ny fiadanana”. Hitarika fitondram-panjakana hafa dia hafa iray izy, satria izany hanorina fiadanana haneran-tany ho mandrakizay. Jesosy ilay zaza izay ny hahaterahany dia voambara mialoha ao amin’ny Isaia 9:5, 6. Rehefa nanambara ny hahaterahany tamin’i Maria virijina tanora ny anjely Gabriela, dia hoy izy: “Hanjaka (...) Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” — Lioka 1:30-33.
SORITANA NY MAHA-ZAVA-DEHIBE ILAY FANJAKANA
5. a) Ahoana no anasoritan’ny Baiboly ny maha-zava-dehibe ilay Fanjakana? b) Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no hataony?
5 Teto an-tany, ny asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy sy ireo mpianany dia ny fitoriana sy ny fampianarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy (Lioka 4:43; 8:1). In-140 mahery izy no nanisy fitenenana ny amin’io Fanjakana io ao amin’ny Baiboly. Nampianatra ireo mpianany hivavaka tamin’Andriamanitra toy izao aza i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10). Moa ve tena fitondram-panjakana io Fanjakana angatahin’ny kristiana amin’ny vavaka io? Izany tokoa. Kristy Zanak’Andriamanitra no Mpanjaka ao amin’io Fanjakana io ary ho tonga faritaniny ny tany manontolo. Ho toy inona moa ny fahasambarana rehefa tsy ho anisan’ireo firenena mifanohitra intsony ny olona ka ny rehetra dia ho tafaray sy hiadana eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra!
6. Fony teto an-tany i Jesosy, nahoana no nolazaina fa “akaiky” ny Fanjakana ary “eo afovoanareo”?
6 Nanomboka nitory an’io fitondram-panjakana io i Jaona mpanao batisa ka nanao hoe: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:1, 2). Nahoana izy no nilaza toy izany? Satria i Jesosy, ilay ho filoha ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia hataony batisa sy hohosorana amin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha nanambara toy izao tamin’ny Fariseo i Jesosy taty aoriana: “Indro ny fanjakan’Andriamanitra dia eo afovoanareo.” (Lioka 17:21, MN). Tamin’ny naha-mpanjaka voatendrin’Andriamanitra azy, dia teo amin’izy ireo izy. Tamin’ireo telo taona sy tapany nitoriany sy nampianarany, sy tamin’ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana, dia azon’i Jesosy ny zo hanana fiandrianana.
7. Inona no mampiseho fa raharaha lehibe ilay Fanjakana fony teto an-tany Jesosy?
7 Ireo zava-niseho nanamarika ny andro farany niainan’i Kristy teto an-tany dia manamarina fa ny Fanjakan’Andriamanitra no fototry ny fanompoany. Natao izao fiampangana an’i Jesosy izao: “Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.” Koa nanontany azy i Pontio Pilato governora romana hoe: “Hianao va no Mpanjakan’i Jiosy?” — Lioka 23:1-3.
8. a) Ahoana no navalin’i Jesosy rehefa nanontaniana izy raha mpanjaka? b) Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy fa “tsy avy amin’izany” ny fanjakany?
8 Tsy namaly nivantana ny fanontanian’i Pilato i Jesosy; hoy izy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” Tsy tokony ho eto an-tany ny Fanjakany. Hanjaka avy any an-danitra i Jesosy fa tsy avy eto an-tany toy ny olombelona. Koa satria nahakasika ny zon’i Kristy hanana fiandrianana ilay raharaha, dia nanontany toy izao indray i Pilato: “Mpanjaka va ary Hianao?”
9. a) Inona no fahamarinana mahatalanjona nampahafantarin’i Jesosy? b) Inona no fanontaniana lehibe mipetraka amin’izao andro izao?
9 Raha ny marina, dia niharan’ny fanasaziana ho faty i Jesosy noho ny nitoriana sy nampianarana ny amin’ny fitondram-panjakana vaovao iray. Izao àry no navaliny an’i Pilato: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:36, 37). Eny, natokan’i Jesosy ny fiainany teto an-tany mba hampahafantarana ny fahamarinana momba ny fitondram-panjakana na Fanjakan’Andriamanitra. Izany no foto-kevitry ny fitoriany. Amin’izao andro izao koa, dia zava-dehibe indrindra ilay Fanjakana. Mipetraka anefa izao fanontaniana izao: Fitondram-panjakana inona no mandray anjara lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray: ny an’ny olona sa ny Fanjakan’Andriamanitra entin’i Kristy?
NILAZA MIALOHA NY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA VAOVAO IRAY ANDRIAMANITRA
10. a) Oviana moa no hitan’Andriamanitra fa nilaina ny hamoronana fitondram-panjakana vaovao? b) Aiza ao amin’ny Baiboly no misy firesahana voalohany ny amin’io fitondram-panjakana io? d) Mampiseho an’iza ny menarana?
10 Rehefa nahatarika an’i Adama sy Eva tao amin’ny fikomiany i Satana, dia voatery Jehovah nanomana fitondram-panjakana vaovao iray ho an’ny olombelona. Avy hatrany dia naharihariny ny fikasany hametraka fitondram-panjakana toy izany eo amin’ny toerany. Nanisy fitenenana ny amin’izany izy tamin’ny didim-pitsarana navoakany ho an’ny menarana; raha ny marina dia Satana no nitenenany hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Genesisy 3:14, 15.
11. Eo amin’iza no tokony hisy fifankahalana?
11 “Aiza koa izay firesahana ny amin’ny fitondram-panjakana eo?”, hoy angamba ny sasany. Aoka hofakafakaintsika tsara io fanambarana io. Araka ny filazan’ny Soratra masina, dia tsy maintsy hisy fifandrafiana na fifankahalana eo amin’i Satana sy “ny vehivavy”. Nefa tsy maintsy hisy koa ny fifankahalana toy izany eo amin’ny ‘taranaka’ na terak’i Satana sy ny ‘taranaka’ na teraky ny vehivavy. Iza aloha io “vehivavy” io?
12. Inona moa no lazaina ny amin’ny “vehivavy” ao amin’ny Apokalypsy (na Fanambarana) toko faha-12?
12 Tsy vehivavy ara-bakiteny akory izany. Tsy namelona karazam-pankahalana mihitsy vehivavy iray araka ny nofo i Satana. Vehivavy ara-panoharana kosa no resahina. Manamarina izany ny Apokalypsy izay manome fanazavana misimisy kokoa ny aminy. Lazaina fa io “vehivavy” io dia “mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo amin’ny lohany”. Mba hahazoana an-tsaina ny amin’izay asehon’io “vehivavy” io, dia mety ny hamakiana ny Apokalypsy izay milaza toy izao ny amin’ny zanany: “Ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’Andriamanitra, dia ho any amin’ny seza fiandrianany.” — Apokalypsy 12:1-5.
13. Mampiseho inona ny “zazalahy” sy “ny vehivavy”?
13 Aoka hofantarintsika io “zazalahy” io, dia ho fantatsika izay asehon’ilay “vehivavy”. Tsy ara-bakiteny akory ilay zaza resahina, toy izany koa ilay vehivavy. Araka ny filazan’ny Soratra Masina, io “zazalahy” io dia tokony “hanapaka ny firenena rehetra”. Mampiseho ny fitondram-panjakan’Andriamanitra manana an’i Jesosy Kristy ho mpanjaka àry izy io. Noho izany, ilay “vehivavy” dia mampiseho ny fandaminan’Andriamanitra voaforon’ireo zavaboary mahatoky any an-danitra. Toy ny maha-avy amin’ny “vehivavy” an’ilay “zazalahy”, dia toy izany koa fa Jesosy Kristy Mpanjaka dia avy amin’io fandaminana any an-danitra io izay miasa ho fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Antsoina hoe “Jerosalema any ambony” izy io ao amin’ny Galatiana 4:26. Koa rehefa nikomy tamin’ny fanapahan’Andriamanitra Adama sy Eva, dia nanao fandaharana Jehovah ho amin’ny fanorenana Fanjakana na fitondram-panjakana iray izay hanjary ho fanantenan’ireo tia ny rariny.
TSAROAN’I JEHOVAH NY FAMPANANTENANY
14. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsaroany ny fampanantenany ny amin’ny “taranaka” iray izay hanorotoro an’i Satana? b) Iza moa ilay “taranaka” nampanantenaina?
14 Tsy hadinon’i Jehovah fa nampanantena izy ny handefa ‘taranaka’ ho tonga filoha ao amin’ny fitondram-panjakany sy handringana an’i Satana amin’ny fanorotoroana ny lohany (Romana 16:20; Hebreo 2:14). Taty aoriana, dia nanambara i Jehovah fa ho avy amin’i Abrahama nahatoky io taranaka io. Hoy izy taminy: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Genesisy 22:18). Iza moa io ‘taranaka’ io? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ary tamin’i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ny taranaka, toy ny milaza maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ‘ary ho an’ny taranakao’, dia Kristy izany. (Galatiana 3:16). Jehovah dia nampanantena koa an’Isaka sy Jakoba, zanaka sy zafin’i Abrahama, fa ho avy amin’ny taranak’izy ireo ny ‘taranaky’ ny “vehivavy”. — Genesisy 26:1-5; 28:10-14.
15, 16. Inona no manaporofo fa tokony ho mpanjaka manana fiandrianana ilay “taranaka”?
15 Nanaporofo mazava i Jakoba fa ho mpanjaka io ‘taranaka’ io, ka nanao izao fanambarana manaraka izao tamin’i Joda zanakalahiny izy: “Ny tehim-panjakana [na fahefam-piandrianana] tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:10). Avy amin’ny fokon’i Joda i Jesosy Kristy. Izy ilay “Silo” ‘hankatoavin’ireo firenena’. — Hebreo 7:14.
16 Tokony ho 700 taona taorian’ny fanambarana natao tamin’i Joda, Jehovah dia nilaza izao manaraka izao tamin’i Davida izay anisan’io foko io koa: “Efa nahita an’i Davida mpanompoko Aho (...). Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ny lanitra.” (Salamo 89:20, 29). Rehefa nanantitrantitra Andriamanitra fa “ho mandrakizay” ny ‘taranak’i Davida’ ka haharitra toy “ny faharetan’ny lanitra” ny “seza fiandrianany”, inona no tiany holazaina? Ny hoe haharitra mandrakizay ny Fanjakan’i Kristy, ilay filoha voatendriny. Ahoana no ahafantarantsika izany?
17. Ahoana no ahafantarantsika fa Jesosy Kristy ilay filoha nampanantenaina?
17 Aoka hotsarovantsika ny tenin’i Gabriela tamin’i Maria momba ilay zanakalahy haterany. Hoy izy: “Ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.” Nefa tsy ho zaza foana na ho olona foana koa aza io zanakalahy io. Izao no teny nanampin’i Gabriela: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:31-33). Toy inona moa ny fitahiana amin’ny hoe nomanin’i Jehovah ny hanangana fitondram-panjakana marina iray mba hahasambatra an’ireo izay tia sy matoky azy!
18. a) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny ho fiafaran’ireo fitondram-panjakana eto an-tany? b) Inona no hataon’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ho an’ny olona?
18 Antomotra izao ny andro hanafoanan’Andriamanitra ny fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Hiasa amin’ny maha-Mpanjaka mandresy amin’izay i Jesosy Kristy. Toy izao no ilazalazan’ny Baiboly ny amin’io ady io: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay (...), fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44; Apokalypsy 19:11-16). Rehefa ho foana daholo ireny fitondram-panjakana rehetra ireny, dia hanome fahafahampo amin’izay tena ilain’ny olona ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Jesosy Kristy Filoha dia hanafaka ny vahoakany mahatoky rehetra amin’ny aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana. Tsy hisy intsony ny heloka bevava, ny fonenana tsy mahasalama sy ny mosary! Hahita ny tena fiadanana sy filaminana ny tany manontolo! (II Petera 3:13; Apokalypsy 21:3-5). Fa iza no ho anisan’izany fitondram-panjakana izany?
[Sary, pejy 112, 113]
Nirahin’i Jesosy ny mpianany hanatontosa ny asa lehibe fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra.
[Sary, pejy 114]
Rehefa nampiharana fanamelohana ho faty Jesosy dia mbola nanohy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ihany.
[Sary, pejy 119]
Ahoana no fahitanao an’i Jesosy: toy ny mpanjaka mandresy ve sa toy ny zaza tsy manam-piarovana?