Ny Trinite — Ampianarina ao Amin’ny Baiboly ve Izy Io?
“Izao ny Finoana Katolika, dia ny hoe manompo Andriamanitra iray ao amin’ny Trinite ary Trinite ao anatin’ny Fiombonana, isika (...). Koa ny Ray dia Andriamanitra, ny Zanaka dia Andriamanitra ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra. Kanefa tsy Andriamanitra Telo izy ireo, fa Andriamanitra Iray ihany.”
TAMIN’IREO teny ireo no nilazalazan’ny Fanekem-pinoan’i Athanase ny foto-pampianaran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — ny Trinite.a Raha mpiangona ianao, Katolika na Protestanta, dia angamba efa nilazana fa io no fampianarana lehibe indrindra tsy maintsy inoanao. Afaka manazava ilay foto-pampianarana ve anefa ianao? Niaiky ny tsy fahaizan’izy ireo mahatakatra ny hevitry ny Trinite ny sasany tamin’ireo olona tena mahira-tsaina ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
Nahoana àry izy ireo no mino azy io? Satria ve mampianatra ilay foto-pampianarana ny Baiboly? Nanome valim-panontaniana mandrisika hisaina i John Robinson, eveka anglikanina iray efa nody mandry, ao amin’ny bokiny be mpividy hoe Honest to God. Izao no nosoratany:
“Araka ny tena izy, ny fitoriana sy ny fampianarana be mpanaraka dia mampiseho fomba fihevitra mifanohitra amin’ny natiora momba an’i Kristy, izay tsy azo porofoina araka ny Testamenta Vaovao. Izy io dia milaza fotsiny fa i Jesosy dia Andriamanitra, hany ka azo ampifanoloana ny teny hoe ‘Kristy’ sy ‘Andriamanitra’. Kanefa tsy misy ny fampiasana toa an’io na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly. Milaza ny Testamenta Vaovao fa i Jesosy dia ny Tenin’Andriamanitra, milaza izy io fa Andriamanitra dia tao amin’i Kristy, milaza izy io fa i Jesosy dia Zanak’Andriamanitra; kanefa tsy milaza izy fa i Jesosy dia Andriamanitra, tsotra fotsiny tahaka izany.”
I John Robinson dia lehilahy nalaza iray, mpamelona ady hevitra tao amin’ny Fiangonana Anglikanina. Kanefa, marina ve ny filazany fa ny “Testamenta Vaovao” dia tsy milaza na aiza na aiza fa “i Jesosy dia Andriamanitra, tsotra fotsiny tahaka izany”?
Izay lazain’ny Baiboly
Angamba hamaly an’io fanontaniana io ny sasany amin’ny fanononana ilay andininy izay manomboka ny Filazatsaran’i Jaona hoe: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” (Jaona 1:1, King James Version). Tsy manohitra izay nolazain’ilay eveka anglikanina ve izany? Tsy izany loatra. Araka ny azo antoka fa fantatr’i John Robinson, dia misy mpandika teny maoderina sasany tsy manaiky ny fandikan’ny King James Version an’io andinin-teny io. Nahoana? Satria tao amin’ilay fitenenana hoe “ny Teny dia Andriamanitra” ao amin’ny fiteny grika tany am-boalohany dia tsy miaraka amin’ny mpanoritra anarana voafaritra “ny” ilay teny nadika hoe “Andriamanitra”. Ao amin’ilay fitenenana eo aloha hoe “ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra”, ny teny nadika hoe “Andriamanitra” dia voafaritra, izany hoe miaraka amin’ny mpanoritra anarana voafaritra izy io. Izany dia nahatonga ho tsy azo inoana fa mitovy ny hevitr’ireo teny roa ireo.
Noho izany, dia misy fandikan-teny sasany mamoaka ny lafiny mikendry ny hatsarana ao amin’ny fandikana nataony. Ny sasany, ohatra, dia mandika ilay fitenenana amin’ny hoe “ny Teny dia araka an’Andriamanitra”. (An American Translation, Schonfield). I Moffat dia mandika azy amin’ny hoe “ny Logos dia araka an’Andriamanitra”. Kanefa rehefa nasehon’i John Robinson sy i Sir Frederic Kenyon, Britanika mpitsikera andinin-tenin’ny Soratra Masina, fa tsy ilay fandikana hoe araka an’Andriamanitra no mety indrindra eto, dia samy nilaza izy ireo fa raha izany no tian’i Jaona hambara dia ho nampiasa ny teny grika theiʹos ho an’ny hoe “araka an’Andriamanitra” izy. Noho ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao mandray araka ny tokony ho izy ny teny hoe “Andriamanitra” ho tsy voafaritra, no sady mamoaka ny lafiny mikendry ny hatsarana asehon’ilay firafitry ny teny grika, dia mampiasa ny mpanoritra anarana tsy voafaritra anglisy mifanitsy amin’izao izy: “Ny Teny dia andriamanitra iray”.
Nanazava an’io fihetsika io toy izao ny Profesora C. H. Dodd, talen’ny soritr’asan’ny The New English Bible: “Fandikana iray azo atao (...) ny hoe: ‘Ny Teny dia andriamanitra iray’. Amin’ny maha-fandikan-teny ara-bakiteny azy io, dia tsy misy maha-diso azy.” Kanefa tsy mandika an’io andininy io amin’izany fomba izany ny The New English Bible. Toy izao kosa ny vakin’ny Jaona 1:1 araka io fandikan-teny io: “Rehefa nanomboka ny zavatra rehetra, dia efa nisy ny Teny. Ny Teny dia niara-nonina tamin’Andriamanitra, ary izay maha-izy an’Andriamanitra dia maha-izy ny Teny.” Nahoana no tsy nifidy ny fandikan-teny tsotra kokoa ilay komitin’ny fandikan-teny? Namaly toy izao ny Profesora Dodd: “Ny antony tsy ahazoana manaiky azy io dia satria manohitra ny fandehan’ny hevitr’i Joany ilay izy, ary tsy azo lavina fa manohitra ny hevitra kristiana manontolo.” — Technical Papers for the Bible Translator, Boky faha-28, Janoary 1977.
Ny hevitry ny andinin-teny tsy misy fangarony
Hilaza ve isika fa ny hevitra hoe i Jesosy dia andriamanitra iray fa tsy izy no ilay Andriamanitra Mpamorona, dia mifanohitra amin’ny hevitr’i Joany (izany hoe, ny apostoly Jaona) sy amin’ny hevitra kristiana manontolo? Aoka isika handinika andinin-tenin’ny Baiboly sasany izay manisy fitenenana ny amin’i Jesosy sy Andriamanitra ary dia ho hitantsika ny hevitr’ireo mpivaofy teny sasany, velona talohan’ny nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny Fanekem-pinoan’i Athanase, ny amin’ireny andinin-teny ireny.
“Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” — JAONA 10:30.
Nanazava toy izao i Novatien (200-258 am.f.i. tany ho any): “Koa satria Izy nilaza hoe zavatra ‘iray’,[b] dia aoka ireo mandà ny finoana hahatakatra fa tsy nilaza Izy hoe persona ‘iray’. Ny hevitry ny hoe iray tsy milaza lahy na vavy dia mampahafantatra ny fifanarahana eo amin’ny fiaraha-monina fa tsy ny firaisana momba ny vatan-tena (...) Ambonin’izany, ny nilazany hoe iray dia manisy fitenenana ny amin’ny fifanarahana, sy ny fitovian’ny fitsarana, ary ilay fiarahana feno fitiavana mihitsy, toy ny ahazoan’ny saina manaiky fa ilay Ray sy ny Zanaka dia iray raha ny amin’ny fifanarahana sy ny fitiavana ary ny firaiketam-po. — Treatise Concerning the Trinity, toko faha-27.
“Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” — JAONA 14:28.
Hoy i Irénée (130-200 am.f.i. tany ho any): “Afaka mianatra amin’ny alalany [Kristy] isika fa ny Ray dia ambonin’ny zavatra rehetra. Satria ‘ny Ray’ hoy Izy, ‘dia lehibe noho Izaho’. Nambaran’ny Tompontsika, araka izany, fa ny Ray dia ambony kokoa raha ny amin’ny fahalalana.” — Against Heresies, Boky faha-II, toko faha-28.8.
“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — JAONA 17:3.
Hoy i Clément avy tany Aleksandria (150-215 am.f.i. tany ho any): “Mba hahafantarana an’ilay Andriamanitra mandrakizay, ilay mpanome ny mandrakizay ary mba hanana an’Andriamanitra izay voalohany sy avo indrindra sy iray ary tsara amin’ny alalan’ny fahalalana sy ny fahatakarana. (...) Ny olona izay hiaina ny tena fiainana àry dia didiana voalohany indrindra mba hahafantatra Azy, ilay ‘tsy misy mahalala tsara, raha tsy ny Zanaka no mampahafantatra [Azy]’. (Matio 11:27). Avy eo dia tsy maintsy ianarana ny fahalehibiazan’ilay Mpamonjy, manarakaraka Azy.” — Who Is the Rich Man That Shall Be Saved? VII, VIII.
“Iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra”. — EFESIANA 4:6.
Hoy i Irénée: “Ary araka izany, dia ambara ny Andriamanitra iray, ilay Ray izay ambonin’ny rehetra sy manerana ny rehetra ary ao amin’ny rehetra. Ny Ray dia ambonin’ny rehetra tokoa, ary Izy no Lohan’i Kristy.” — Against Heresies, Boky faha-V, toko faha-18.2.
Ireny mpanoratra taloha ireny dia nahatakatra mazava ny hevitr’ireny andininy ireny ka nilaza fa ny Ray dia avo indrindra, ambonin’ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, anisan’izany i Jesosy Kristy. Tsy milaza an-kolaka ny fanazavan’izy ireo fa nino ny Trinite iray izy ireo.
Manambara ny fahamarinana rehetra ny fanahy masina
Nampanantena an’ireo mpianany i Jesosy fa homena azy ireo ho toy ny mpanampy ny fanahy masina aorian’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty. Nampanantena toy izao izy: “Raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra; (...) ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.” — Jaona 14:16, 17; 15:26; 16:13.
Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy dia tanteraka io fampanantenana io. Ny Baiboly dia nitana an-tsoratra ny fomba nanambarana na nanazavana ireo foto-pampianarana vaovao tamin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny alalan’ny fanampian’ny fanahy masina. Ireny fampianarana vaovao ireny dia nosoratana tao anatin’ny boky izay nanjary ny tapany faharoa amin’ny Baiboly, dia ny Soratra Grika Kristiana na “Testamenta Vaovao”, tatỳ aoriana. Tao anatin’io fahatondrahan’ny fanazavana vaovao io, moa ve efa mba nisy fampiharihariana ny amin’ny fisian’ny Trinite iray? Tsia. Nampiharihary zavatra hafa tanteraka noho izany momba an’Andriamanitra sy i Jesosy ny fanahy masina.
Tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., ohatra, rehefa avy nilatsaka tamin’ireo mpianatra tafavory tao Jerosalema ny fanahy masina, dia nitory teny tamin’ny vahoaka tao ivelany momba an’i Jesosy ny apostoly Petera. Niresaka ny amin’ny Trinite iray ve izy? Diniho ny sasany tamin’ireo fanambarany ka ny tenanao no aoka hitsara: “Jesosy (...), lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo”. “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” “Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.” (Asan’ny Apostoly 2:22, 32, 36). Tsy nampianatra velively ny Trinite ireny fanambarana nataon’i Petera izay feno ny fanahy ireny fa nanasongadina kosa ny maha-eo ambany fahefan’ny Rainy an’i Jesosy sy ny hoe izy dia fitaovana iray ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Tsy ela taorian’izay dia niresaka momba an’i Jesosy ny Kristiana nahatoky hafa iray. I Stefana dia nentina teo anoloan’ny Synedriona mba hamaly ny fiampangana. Nampitsimbadika ny toe-javatra anefa i Stefana ary nilaza ireo mpiampanga azy ho tahaka ireo razany mpikomy. Ho famaranana dia hoy ny fitantarana: “Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan’Andriamanitra, dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 7:55, 56). Nahoana ny fanahy masina no nanambara an’i Jesosy ho ny “Zanak’olona” mitsangana eo an-kavanan’Andriamanitra fotsiny, fa tsy anisan’ny fisiana araka an’Andriamanitra iray mitovy amin’ny Rainy? Mazava fa tsy nanana hevitra momba ny Trinite i Stefana.
Rehefa nitondra ny vaovao tsara momba an’i Jesosy tany amin’i Kornelio i Petera, dia nisy fahafahana fanampiny hanambarana ny amin’ny foto-pampianarana momba ny Trinite. Inona no nitranga? Nanazava i Petera fa i Jesosy no “Tompon’izao rehetra izao”. Nanohy nanazava anefa izy fa io maha-Tompo an’i Jesosy io dia avy tamin’ny loharano ambony kokoa. I Jesosy no “voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty”. Taorian’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ny Rainy dia “namela azy [nanome lalana azy] hiseho miharihary” tamin’ireo mpanara-dia azy. Ary ny fanahy masina? Miseho izy io ao amin’io resaka io kanefa tsy amin’ny maha-persona fahatelo amin’ny Trinite. ‘Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery kosa [i Jesosy]’. Araka izany, ny fanahy masina dia tsy persona velively, fa aseho ho toy ny zavatra tsy manana ny maha-izy azy, ho toy ilay “hery” voalaza koa ao amin’io andininy io. (Asan’ny Apostoly 10:36, 38 [NW ], 40, 42). Diniho amim-pitandremana ny Baiboly dia hahita porofo fanampiny ianao fa tsy persona akory ny fanahy masina fa hery miasa iray izay afaka mameno olona, mandrisika azy, mahatonga azy ho feno hafanam-po ary azo arotsaka eo amin’izy ireo.
Farany, ny apostoly Paoly dia nanana fahafahana tsara dia tsara hanazava ny Trinite — raha toa ka foto-pampianarana marina izy io — rehefa nitory tamin’ireo Ateniana izy. Tao amin’ny lahateniny, dia nanisy fitenenana ny amin’ny alitara nataon’izy ireo “Ho an’Izay Andriamanitra Tsy Fantatra” izy ary nilaza hoe: “Izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo”. Nitory ny Trinite iray ve izy? Tsia. Nilazalaza ny amin’ilay “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany” izy. Ary ahoana ny amin’i Jesosy? “[Andriamanitra] efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny”. (Asan’ny Apostoly 17:23, 24, 31). Tsy misy filazana an-kolaka ny amin’ny Trinite eo!
Raha ny marina, i Paoly dia nanazava zavatra momba ny fikasan’Andriamanitra izay mahatonga ny tsy fetezan’ny hoe i Jesosy sy ny Rainy dia tapany mitovy ao amin’ny Trinite iray. Izao no nosoratany: “ ‘Ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony [ny an’i Jesosy]’. Fa na dia nataony hoe aza: ‘Ny zavatra rehetra no nampanekena’, dia fantatra marina fa tsy anisan’izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.” (1 Korintiana 15:27, 28). Noho izany, dia Andriamanitra no mbola ho ambonin’ny rehetra, anisan’izany i Jesosy.
Koa ampianarina ao amin’ny Baiboly àry ve ny Trinite? Tsia. Marina ny an’i John Robinson. Tsy ao amin’ny Baiboly izy io ary tsy anisan’ny “hevitra kristiana”. Heverinao ho zava-dehibe ve izany ho an’ny fanompoam-pivavahanao? Tokony ho toy izany no izy. Hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Raha raisintsika ho zava-dehibe ny fanompoam-pivavahantsika amin’Andriamanitra, dia iankinan’ny aina ny hahafantarantsika azy araka ny maha-izy azy marina, araka ny nanambarany ny tenany tamintsika. Amin’izay ihany vao ho afaka hilaza marimarina isika fa anisan’ny “tena mpivavaka” izay ‘mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. — Jaona 4:23.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny The Catholic Encyclopedia, fanontana 1907, boky faha-2, pejy faha-33.
b Nanisy fitenenana ny amin’ny teny nadika hoe “iray” eo amin’io andininy io ho tsy milaza lahy na vavy i Novatien. Noho izany, dia “zavatra iray” no heviny ara-dalàna. Ampitahao amin’ny Jaona 17:21 izay ampiasana ny teny grika ho an’ny “iray” amin’ny fomba mifanitsy tanteraka amin’izany. Mahaliana fa mankasitraka ny De Trinitate-n’i Novatien ny New Catholic Encyclopedia (fanontana 1967) amin’ny ankapobeny, na dia manamarika aza izy io fa “tsy heverina ho Persona araka an’Andriamanitra ny Fanahy Masina” ao amin’ilay boky.
[Teny notsongaina, pejy 28]
Ny hevitry ny andinin-teny tsy misy fangarony dia mampiseho mazava fa i Jesosy sy ny Rainy dia tsy Andriamanitra iray ihany
[Teny notsongaina, pejy 29]
Nahoana ny fanahy masina no tsy nanambara fa i Jesosy dia Andriamanitra taorian’ny Pentekosta taona 33 am.f.i.?