ZAVATRA AZO BABO
Zavatra azo tamin’ny fahavalo resy tany an’ady ka lasan’ny mpandresy, na indraindray zavatra nalain’ny jiolahy na mpandroba. (Lk 11:21, 22) Namabo zavatra ny Israely rehefa nandresy, nefa tsy izany no antony niadiany. Valisoa nomen’i Jehovah kosa ny zavatra azo babo satria nanao ny sitrapony izy ireo rehefa nampihatra ny didim-pitsarany.
Tsy nety naka tamin’ny zavatra azo babo natolotry ny mpanjakan’i Sodoma i Abrahama, rehefa voavonjiny i Lota izay nobaboin’ny tafik’i Kedorlaomera, sao hisy olona hilaza hoe ny tenany fa tsy i Jehovah no nampanan-karena an’i Abrahama.—Ge 14:1-24; He 7:4.
Fizarana zavatra nobaboina. Namabo zavatra be dia be ny Israely rehefa namaly faty an’ireo Midianita izay nahatonga Israelita maro hanota sy ho ripaka. (No 25) Nomena an’ireo lehilahy 12 000 nandeha niady ny antsasany, ary ny antsasany ho an’ireo tsy nandeha. Nakana 1 isaky ny 500 ny anjaran’ireo nandeha niady ka nomena ny mpisorona, ary 1 isaky ny 50 ny an’ireo tsy nandeha ka nomena ny Levita. Nanome an-tsitrapo zavatra vita amin’ny volamena, indrindra fa firavaka, ho an’ny toerana masina ny miaramila, ho fankasitrahana an’i Jehovah izay niaro azy rehetra tsy ho faty.—No 31:3-5, 21-54.
Toa izany no fomba nizarana zavatra azo babo, na dia mety ho nisy fiovana kely aza tatỳ aoriana. (1Sa 30:16-20, 22-25; Sl 68:12) Nisy nakana ho an’ny mpanjaka na ho an’ny toerana masina, tamin’ny andron’ireo mpanjaka.—2Sa 8:7, 8, 11, 12; 2Mp 14:14; 1Ta 18:7, 11.
Rehefa resy i Kanana. Firenena kananita fito no voatokana haringana ka naripaka ny mponina rehetra, fa ny biby fiompy sy ny zavatra hafa ihany no azo nalaina. (De 20:16-18; 7:1, 2; Js 11:14) Naningana i Jeriko, izay tanàna resy voalohany, satria ny metaly ihany no nalaina ho an’ny toerana masina. (Js 6:21, 24) Notsimbinina koa ny ankohonan’i Rahaba noho ny finoan’i Rahaba. (Js 6:25) Tsy novonoina ny vehivavy virjiny sy ny ankizy tao amin’ny tanànan’ny firenena hafa, raha niady tamin’ny Israely ilay firenena. (De 20:10-15) Nodiovina daholo ny zavatra azo babo, ka nosasana ny lamba sy zavatra vita amin’ny hoditra na hazo, ary nampandalovina tao anaty afo ny metaly.—No 31:20-23.
Tanàna israelita nivadi-pinoana. Tsy maintsy naripaka tanteraka ilay tanàna sy ny olona rehetra, nodorana teo an-tany malalaka ny zavatra nobaboina, ary navela ho ‘korontam-bato miavosa mandritra ny fotoana tsy voafetra’ ilay tanàna.—De 13:12-17.
‘Nandroba’ ny tao an-tranon’i Satana i Kristy. Nanao izany i Jesosy Kristy teto an-tany, rehefa namoaka demonia nampahory sy nampaharary olona. (Mt 12:22-29) “Nitondra babo [koa] izy rehefa niakatra tany amin’ny avo, ary nanolotra lehilahy ho fanomezana.” Nafahany ireo ka tsy fehezin’i Satana intsony, ary nomeny hampaherezana ny fiangonana.—Ef 4:8, 11, 12.
Mpitondra fivavahana namitaka sy nandroba. Toy ny mpandroba “feno zavatra norobaina” ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Nalainy an-keriny mantsy ny fananan’ny vehivavy mpitondratena sy olon-kafa tsy nisy mpiaro, ary nalainy ny “lakilen’ny fahalalana” ka tsy fantatry ny olona ny marina. (Mt 23:25; Lk 11:52) Ny mpitondra fivavahana jiosy koa no tena nampirisika ny handrobana ny fananan’ny Kristianina.—He 10:34.