“Mandehana Hatrany toy ny Zanaky ny Mazava”
‘Tafio ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy ny fahatokiana marina’. — EFESIANA 4:24, NW.
1. Mandray fitahiana avy amin’inona ny mpivavaka amin’i Jehovah? Nahoana?
“RAIN’NY fanazavana” i Jehovah Andriamanitra, ary “tsy misy haizina velively rehefa tafaray aminy”. (Jakoba 1:17; 1 Jaona 1:5, NW ). Niteny toy izao ny amin’ny tenany i Jesosy Kristy Zanany: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina”. (Jaona 8:12). Ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah, ireo mpanara-dia ny Zanany àry, dia mandray fitahiana avy amin’ny fanazavana — ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy — ary “mamirapiratra amin’ny maha-mpanazava eo amin’izao tontolo izao” izy ireo. — Filipiana 2:15, NW.
2. Fifanoheran-javatra inona eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra sy izao tontolo izao no nambara mialoha?
2 Efa ela izay, dia nahazo tsindrimandry ny mpaminany Isaia mba hilaza mialoha ity fifanoheran-javatra ity: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny”. Raha ny marina, ny olombelona rehetra tafasaraka amin’Andriamanitra dia lazaina fa eo ambanin’ny fanapahana sy ny fitaoman’ireo “mpanjakan’izao fahamaizinana izao”. — Isaia 60:2; Efesiana 6:12.
3. Inona avy no antony mahatonga antsika ho liana indrindra amin’ny torohevitr’i Paoly tonga amin’ny ilana azy?
3 Tena niahy mafy ny hitoeran’ireo Kristiana namany ho afaka amin’izany fahamaizinana izany ny apostoly Paoly. Nampirisihany ny ‘tsy handehanan’izy ireo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa’, fa mba ‘handehanany hatrany tahaka ny zanaky ny mazava’ kosa. (Efesiana 4:17; 5:8, NW ). Nohazavainy koa ny fomba hahafahan’izy ireo hahomby amin’ny fanaovana izany. Mihamikitroka hatrany amin’izao andro izao ny haizina sy ny haizim-pito izay manarona ireo firenena. Milentika lalina kokoa ao anatin’ny fotaka mandrevon’ny fahasimbana tanteraka ara-pitondran-tena sy ara-panahy izao tontolo izao. Manana ady hatao iray mihamampahatahotra hatrany ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Noho izany, dia mahaliana antsika indrindra izay nolazain’i Paoly.
Mianara ny amin’i Kristy
4. Inona no noeritreretin’i Paoly rehefa nilaza izy hoe: “Tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy”?
4 Rehefa avy nilazalaza ny amin’ireo raharaha tsy andraisan-tsoa sy ny amin’ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao ny apostoly Paoly, dia nampitodika ny sainy indray ho amin’ireo Kristiana namany tany Efesosy. (Vakio aza fady ny Efesiana 4:20, 21.) Nandany telo taona teo ho eo nitoriana sy nampianarana tao amin’io tanàn-dehibe io i Paoly, ary tsy maintsy nifankahalala tsara manokana tamin’olona maro tao amin’ilay kongregasiona izy. (Asan’ny Apostoly 20:31-35). Noho izany, rehefa nilaza izy hoe “Tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy”, dia nilaza ny fahafantarany manokana an’ireo Kristiana tany Efesosy izy. Fantany fa izy ireo dia tsy mba nampianarina filazana sasany nilefitra loatra sy nohatsatsoina momba ny fahamarinana izay nanala tsiny ireo karazana fitondran-tena niharihary fa ratsy nolazalazainy eo amin’ny andininy faha-17 ka hatramin’ny faha-19. Fantany fa izy ireo dia nampianarina araka ny tokony ho izy sy tamin’ny fomba marina ny amin’ny tena fomba fiaina kristiana araka ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy. Noho izany antony izany, dia tsy nandeha tao amin’ny haizina intsony toy ny nataon’ny jentilisa izy ireo, fa tonga zanaky ny mazava.
5. Inona ny fahasamihafana eo amin’ny hoe ao amin’ny fahamarinana amin’ny fomba ivelany sy ny hoe manana ny fahamarinana ao anatintsika?
5 Zava-dehibe toy inona àry, ny ‘hianarana an’i Kristy’ araka ny tokony ho izy! Moa ve misy fomba diso hianarana an’i Kristy? Eny, izany tokoa. Teo aloha kokoa, eo amin’ny Efesiana 4:14, dia nampitandrina ireo rahalahy toy izao i Paoly: “Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”. Miharihary fa nisy olona sasany nianatra ny amin’i Kristy saingy mbola nandeha araka ny fomban’izao tontolo izao ihany ary nanandrana nandresy lahatra ny hafa mihitsy aza mba hanao toy izany. Moa ve izany mampiseho amintsika ny loza ny amin’ny hoe ao amin’ny fahamarinana fotsiny, toy ny filazan’ny sasany azy, mifanohitra amin’ny hoe manana ny fahamarinana ao anatintsika? Tamin’ny andron’i Paoly, ireo izay tsy nanana afa-tsy fahatakarana marivo dia mora voataonan’ny hafa haingana dia haingana, ary marina koa izany amin’izao andro izao. Mba hisorohana izany, dia nanohy ny teniny i Paoly fa ireo Efesiana dia nila ny ‘nandre an’i Kristy sy nampianarina tao amin’i Jesosy’. — Efesiana 4:21.
6. Ahoana no ahafahantsika mianatra, mandre sy ampianarin’ny Kristy amin’izao andro izao?
6 Ny fitenenana hoe ‘mianatra’, ‘mandre’, sy ny hoe ‘ampianarina’ izay nampiasain’i Paoly, dia samy milaza tsy mivantana fizotran’ny fianarana sy ny fampianarana toy ny any an-tsekoly avokoa. Mazava ho azy fa tsy afaka mandre na mianatra na ampianarin’ny tenan’i Jesosy mivantana isika amin’izao andro izao. Kanefa dia mitarika ezaka manokana ho fampianarana ny Baiboly maneran-tany izy amin’ny alalan’ny ‘mpanompony mahatoky sy malina’. (Matio 24:45-47, NW; 28:19, 20). Afaka ‘mianatra an’i Kristy’ araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba marina isika raha mandray tsy tapaka ny sakafo ara-panahy ara-potoana omen’ny kilasin’ny mpanompo, ka mianatra izany amim-pitandremana na manokana izany na any amin’ny kongregasiona, misaintsaina izany sy mampihatra izay ianarantsika. Aoka isika hanao izay hahazoana antoka fa mampiasa ireo fandaharana rehetra amin’ny fomba feno isika mba hahafahantsika hilaza amim-pahamarinana hoe ‘Izy tokoa no rentsika ary tao aminy no nampianarana antsika’.
7. Hevi-dehibe inona no mety ho hita ao amin’ny tenin’i Paoly hoe “ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy”?
7 Mahaliana fa, ao amin’ny Efesiana 4:21, rehefa avy nanantitrantitra ny amin’ny fizotran’ny fianarana i Paoly, dia nanampy teny hoe: “Araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy”. Misy mpanazava ny Baiboly sasany manintona ny saina ho amin’ilay zava-misy hoe: Mahalana i Paoly no nampiasa nisingana ilay anarana manokana hoe Jesosy, ao amin’ireo taratasy nosoratany. Marina fa io no hany ohatra ny amin’izany fampiasana izany ao amin’ny taratasy ho an’ny Efesiana. Moa ve izany misy heviny manokana? Angamba i Paoly nitarika ny saina ho amin’ny ohatra navelan’i Jesosy tamin’ny naha-olombelona azy. Tsarovy fa niteny toy izao ny amin’ny tenany i Jesosy indray mandeha: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. (Jaona 14:6; Kolosiana 2:3). Hoy i Jesosy hoe: “Izaho no (...) fahamarinana”, satria tsy noresahiny sy nampianariny fotsiny izany, fa niainany ary fisehoana velon’izany ny tenany. Eny, ny Kristianisma marina dia tsy hevitra fotsiny fa fomba fiaina. Ny hoe ‘mianatra an’i Kristy’ dia mahatafiditra fianarana ny hanahaka azy amin’ny fiainana ny fahamarinana. Moa ve ianao manamboatra ny fiainanao araka ny modely navelan’i Jesosy? Moa ve ianao manara-dia azy akaiky isan’andro? Amin’ny fanaovana toy izany ihany no ahafahantsika mandeha hatrany toy ny zanaky ny mazava.
‘Esory ilay toetra taloha’
8. Fanoharana inona no nampiasain’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:22, 24, ary nahoana izany no mifanentana?
8 Mba hampisehoana ny fomba ahafahantsika ‘mianatra an’i Kristy’ sy mandeha toy ny zanaky ny mazava amim-pahombiazana, dia nanohy ny teniny i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:22-24 fa misy dingana telo miavaka tsy maintsy arahintsika. Toy izao ny voalohany amin’izany: “Tokony hesorinareo ilay toetra taloha izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo taloha sy izay mihasimba araka ny faniriany mamitaka”. (Efesiana 4:22, NW ). Ny fitenenana hoe ‘esory’ sy ny hoe ‘tafio’ (andininy faha-24) dia mahatonga haka sary an-tsaina fanesorana sy fampidirana akanjo. Izany dia sary izay nampiasain’i Paoly matetika mihitsy, ary sary iray tena nandaitra izy io. (Romana 13:12, 14; Efesiana 6:11-17; Kolosiana 3:8-12; 1 Tesaloniana 5:8). Rehefa maloto na misy tasy ny akanjontsika, toy ny rehefa misakafo, dia manolo izany haingana isika raha vao afaka manao izany. Moa ve isika tsy tokony hanahy toy izany koa ny amin’izay mety ho fahalotoana eo amin’ny toe-piainantsika ara-panahy?
9. Amin’ny fomba ahoana no anesorana ilay toetra taloha?
9 Ahoana àry no ahafahan’ny olona iray manesotra ny toetrany taloha? Ny matoanteny hoe ‘manesotra’ ao amin’ilay fiteny voalohany nakana azy, dia milaza fotoana antsoina hoe aoriste. Izy io dia milaza asa iray izay natao indray mandeha monja na indray mandeha tsy miverina. Izany dia milaza amintsika fa ny “toetra taloha” (“olona taloha”, Kingdom Interlinear), miaraka amin’ny ‘fitondran-tena taloha’, dia tsy maintsy esorina, amin’ny fanaovan-javatra voafaritra tsara sy feno fahatapahan-kevitra, hatramin’ny farany sy tanteraka. Izany dia tsy zavatra azontsika angatahana andro amim-pahombiazana na isalasalana akory aza. Nahoana?
10. Nahoana no tsy maintsy tapa-kevitra sy hentitra ny tena rehefa manesotra ilay toetra taloha?
10 Asehon’ilay fitenenana hoe “izay mihasimba” fa ilay “olona taloha” dia eo an-dalam-pahasimbana ara-pitondran-tena tsikelikely tsy an-kijanona, miharatsiratsy kokoa hatrany ihany. Raha ny marina, noho ny fandavana ny fanazavana ara-panahy, ny taranak’olombelona iray manontolo dia mikororosy haingana dia haingana kokoa hatrany. Vokatry ny “faniriana mamitaka” izany, hoy i Paoly. Mamitaka ny fanirian’ny nofo satria mety ho toa tsy mampaninona izy ireny, kanefa dia manimba amin’ny farany. (Hebreo 3:13, NW ). Raha tsy voafehy izany, dia fahasimbana sy fahafatesana no ho fiafarany. (Romana 6:21; 8:13). Izany no antony tsy maintsy anesorana ny toetra taloha, analana azy tanteraka sy amin’ny fomba hentitra, toy ny fomba anesorana akanjo iray tonta sy maloto.
‘Fanahin’ny saina’ vaovao
11. Aiza no tsy maintsy atomboka ny fanavaozana ara-panahy?
11 Ny olona iray izay miarina avy ao anatin’ny ranom-potaka dia tsy vitan’ny hoe mila manala ny akanjony maloto fotsiny, fa mila misasa tanteraka koa izy alohan’ny hanaovana fitafiana vaovao sy madio. Tena izany indrindra no nosoritan’i Paoly ho dingana faharoa eo amin’ny fanazavana ara-panahy: “Tokony hohavaozina kosa ianareo amin’ny hery izay manetsika ny sainareo”. (Efesiana 4:23, NW ). Araka ny nohazavainy teo aloha, eo amin’ny andininy faha-17 sy faha-18, ireo firenena dia mandeha “amin’ny fahafoanan’ny sainy” ary “tonga maizin-tsaina”. Araka ny fandrindran-kevitra, dia ny saina, ilay foiben’ny fahatsapana sy ny fahatakaran-javatra, no toerana tsy maintsy anombohana ny fanavaozana. Ahoana no ahafahana manao izany? Nohazavain’i Paoly fa amin’ny fanavaozana ilay hery izay manetsika ny saintsika no anaovana izany. Inona io hery io?
12. Inona ilay hery manetsika ny saina?
12 Moa ve ny fanahy masina ilay hery manetsika ny saintsika notononin’i Paoly? Tsia. Ilay fitenenana hoe “ny hery izay manetsika ny sainareo” dia vakina ara-bakiteny hoe “ny fanahin’ny sainareo”. Na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly dia tsy misy firesahana ny amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ho toy ny fananan’olombelona na tapany amin’ny olombelona. Amin’ny fotony, ny teny hoe “fanahy” (esprit) dia midika hoe “fofon’aina”, kanefa ampiasain’ny Baiboly koa izy io “mba hanondroana ilay hery izay mahatonga olona iray hampiseho fihetsika na toe-tsaina, na fihetseham-po sasany, na mahatonga azy hanao zavatra na hanaraka lalana sasany”. (Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, Boky faha-3 Dr-Ha, pejy faha-491). Koa ny ‘fanahin’ny saina’ àry, dia ilay hery izay mandrisika na manetsika ny saintsika, ilay firehana sy fironana ara-tsaina ananantsika manokana.
13. Nahoana ny fironantsika ara-tsaina no tsy maintsy havaozina?
13 Ny firehana sy fironana voajanahary eo amin’ny saina tsy tanteraka iray dia mankamin’ny zavatra ara-batana, ara-nofo, sy tia fatratra ny zavatra ara-nofo. (Mpitoriteny 7:20; 1 Korintiana 2:14; Kolosiana 1:21; 2:18). Na dia manesotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao ratsiny aza ny olona iray, na ho ela na ho haingana dia hanosika azy hiverina amin’izay efa nialany indray ny firehany ara-tsaina mpanota, raha tsy niova. Moa ve tsy izany, ohatra, no nitranga tamin’ny olona maro izay nanandrana niala tamin’ny fifohana sigara, na tamin’ny fisotroana tafahoatra, na tamin’ny fanao ratsy hafa? Raha tsy nanao ezaka mba hihavao teo amin’ny hery manetsika ny sainy izy ireo, dia saiky tsy azo ialana ny fahalavoana indray. Izay tena fiovana rehetra dia tsy maintsy mahatafiditra fanovana tanteraka ny saina. — Romana 12:2.
14. Ahoana no ahafahana manavao ilay hery manetsika ny saina?
14 Ahoana àry, no anavaozana io hery io mba hampironany ny sain’ny tena ho amin’ny lalana mety? Ilay matoanteny hoe “hohavaozina” ao amin’ny soratra grika dia milaza fotoana ankehitriny, milaza fanaovan-javatra mitohy. Koa amin’ny fanohizana mianatra ny Teny fahamarinan’Andriamanitra sy amin’ny fisaintsainana izay dikany no ahafahan’ilay hery manetsika ny saina hihavao. Milaza amintsika ireo mpahay siansa fa, ao anatin’ny atidohantsika, ny filazana izay miendrika famantarana fampitana hafatra elektrika sy simika, dia mitety ireo neurones (selan-kozatra), ka mamakivaky elanelam-pifandraisana maro antsoina hoe synapses. “Misy fitadidiana miforona eo amin’ny hozatra synapse rehefa mandalo eo ilay famantarana fampitana hafatra, ka mamela soritra izay azy manokana any aorianany”, hoy ilay boky hoe The Brain (Ny Atidoha). Rehefa mandalo indray amin’ny manaraka iny famantarana iny ihany, dia mahafantatra azy ny selan-kozatra ary manao zavatra haingana kokoa izy ireo. Rehefa afaka kelikely, izany dia mamorona modelim-pisainana vaovao ao amin’ilay olona. Arakaraka ny ikirizantsika mandray fanazavana ara-panahy mahasoa, dia miforona ny modelim-pisainana vaovao iray, ary mihavao ilay hery manetsika ny saintsika. — Filipiana 4:8.
‘Tafio ilay toetra vaovao’
15. Amin’ny heviny ahoana no maha-vaovao ilay toetra vaovao?
15 Farany dia hoy i Paoly: “Ary tokony hitafy ilay toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy fahatokiana marina [ianareo].” (Efesiana 4:24, NW ). Eny mitafy toetra vaovao ny Kristiana. Ny hoe “vaovao” eto dia tsy manisy fitenenana ny amin’ny fotoana, fa momba ny hatsaran-javatra. Izany dia milaza fa izy io dia tsy hoe vaovao amin’ny heviny hoe io no modely farany. Izy io dia toetra vaovao tanteraka sy mbola tsy simba mihitsy “izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra”. Nampiasa fitenenana mitovy amin’izany i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:10, ary nilaza fa “havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy” io toetra vaovao io. Ahoana no isehoan’izy io?
16. Nahoana no azo atao ny milaza fa ilay toetra vaovao dia “noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra”?
16 Noforonin’i Jehovah Andriamanitra tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny ny olombelona mpivady voalohany, dia i Adama sy i Eva. Izy ireo dia nomena toetra ara-pitondran-tena sy ara-panahy izay nampisaraka azy tamin’ny biby noforonina sy nametraka azy ho ambony lavitra noho ireo. (Genesisy 1:26, 27). Na dia nandentika ny olombelona rehetra tao anatin’ny ota sy ny tsy fahatanterahana aza ny fikomian’izy ireo, amin’ny maha-taranak’i Adama antsika, dia mbola ananantsika ihany ny fahafahana hampiseho toetra tsara ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hoe: Izay maneho finoana ny sorom-panavotana dia tokony hanafoana ilay toetra taloha ary hahazo “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. — Romana 6:6; 8:19-21; Galatiana 5:1, 24.
17. Nahoana ny rariny sy ny fahatokiana no toetra misongadina mampiavaka ny toetra vaovao?
17 Ny tena rariny sy fahatokiana marina no toetra tsara roa nosinganin’i Paoly ho toy ilay toetra mampiavaka ny toetra vaovao. Izany dia manamafy bebe kokoa fa ilay toetra vaovao dia nohavaozina araka ny endrik’Izay nahary azy. Milaza amintsika toy izao ny Salamo 145:17 (NW ): “Manao ny rariny eo amin’ny lalany rehetra i Jehovah, ary mahatoky eo amin’ny asany rehetra.” Ary hoy ny Apokalypsy 16:5 (NW ) momba an’i Jehovah: “Manao ny rariny Ianao, ry Ilay ankehitriny sy taloha, dia Ilay mahatoky”. Marina tokoa fa ny rariny sy ny fahatokiana dia toetra tena ilaina raha ta hanao zavatra mifanaraka amin’ny namoronana antsika araka ny endrik’Andriamanitra sy mifanaraka amin’ny fanomezana taratry ny voninahiny isika. Enga anie isika ho sahala amin’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa, izay natosiky ny fanahy masina mba hidera an’Andriamanitra noho ny nanomezany ny olony “tombontsoa hanao fanompoana masina tsy amin-tahotra ho azy, amim-pahatokiana sy amin’ny rariny”. — Lioka 1:74, 75, NW.
“Mandehana hatrany toy ny zanaky ny mazava”
18. Ahoana no nanampian’i Paoly antsika hahita ireo fomban’izao tontolo izao araka ny tena maha-izy azy marina?
18 Rehefa nandinika tamin’ny an-tsipiriany ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 4:17-24 isika, dia manan-javatra betsaka hoeritreretina. Eo amin’ny andininy faha-17 ka hatramin’ny faha-19 i Paoly dia manampy antsika hahita ireo fomban’izao tontolo izao araka ny tena maha-izy azy marina. Noho ny fandavany ny fahalalana an’Andriamanitra sy noho ny fanamafisany ny fony aminy, ireo izay mbola ao amin’izao tontolo izao dia nampisaraka ny tenany tamin’ilay tena loharanon’ny fiainana. Ho vokatr’izany, rehefa tsy misy tena zava-kendrena sy fitarihana ireo zavatra ataony dia miafara amin’ny hadalana sy ny zava-poana. Milentika mbola lalindalina kokoa hatrany ao anatin’ny fahasimbana tanteraka ara-pitondran-tena sy ara-panahy izy ireo. Tarehin-javatra mampalahelo re izany! Ary antony mahery toy inona moa izany ho antsika mba hahatapa-kevitra antsika handeha hatrany toy ny zanaky ny mazava!
19. Fampaherezana farany avy amin’i Paoly inona no azontsika mba handehanana hatrany toy ny zanaky ny mazava?
19 Avy eo, eo amin’ny andininy faha-20 sy faha-21 i Paoly dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny fahamarinana amim-pahatapahan-kevitra mba tsy hikambanantsika amin’ny fahamarinana fotsiny, fa mba hiainantsika izany toy ny nataon’i Jesosy. Farany, eo amin’ny andininy faha-22 ka hatramin’ny 24, dia mampirisika antsika izy mba hanesotra ny toetra taloha ary hitafy ilay vaovao — amin’ny fomba hentitra sy amim-pahatapahan-kevitra. Mandritra izany fotoana izany, dia tsy maintsy tanantsika hizotra amin’ny lalana mahasoa sy ara-panahy hatrany ny fironan’ny saintsika. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsy maintsy mitady fanampiana any amin’i Jehovah isika eo am-pandehanantsika hatrany toy ny zanaky ny mazava. “Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy.” — 2 Korintiana 4:6.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no ahafahantsika ‘mianatra an’i Kristy’ amin’izao andro izao?
◻ Nahoana no tsy maintsy esorina amin’ny fomba hentitra ilay toetra taloha?
◻ Inona ilay hery manetsika ny saina, ary ahoana no anavaozana azy io?
◻ Toetra tsara inona avy no manamarika ilay toetra vaovao?
[Sary, pejy 15]
Hoy i Jesosy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”
[Sary, pejy 16]
‘Ario ny toetra taloha mbamin’ny asany’ — fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo. — Kolosiana 3:8, 9
[Sary, pejy 17]
‘Tafio ilay toetra vaovao (...) noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny rariny sy ny fahatokiana marina’. — Efesiana 4:24, NW