Fehezo ny sainao!
“AVO dimy heny amin’ny olona tezitra sy be fanakianana no mora maty raha mbola latsaka ny 50 taona, noho ny olona tony sy matoky ny hafa foana, araka ny hitan’ny mpitsabo aretin-tsaina iray.” Izany no notaterin’ny The New York Times tamin’ny 17 janoary 1989. “Nanorina ireo fikarohany tamina fandinihana maro” ny Dr. Redford B. Williams, profesora iray ao amin’ny Foibe momba ny fitsaboana ao amin’ny Oniversiten’i Duke, ao Durham, any Caroline Avaratra.” “Matoa ela velona ny olona mahitsy fo, hoy izy, dia satria voaro amin’ny fahasimban’ny fihetsiky ny rafi-pitatitra (système nerveux) izy”, araka ny nampitain’ny gazety Times.
Afaka mampiakatra tosi-dra ny fahatezerana, miteraka zava-manahirana eo amin’ny fisefo, ary misy voka-dratsiny hafa. Afaka manakorontana ny fiasan’ny saina ny fahavinirana, ary ny voka-dratsiny matetika dia fotoam-pahaketrahana ara-tsaina faran’izay mafy. Ratsy ihany koa ny vokatry ny fahatezerana eo amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny olona iray. Tsy mahagaga raha miteny toy izao ny Baiboly: “Ny fo mionona [tony, MN ] no fiainan’ny nofo.” (Ohabolana 14:30) Eny, mitondra fahasalamana ny fifehezanao ny sainao. Nefa mariho ireo antony hafa sasany hanaovana izany.
Manaraha lalana mampiseho fahendrena
Na iza na iza olona salama saina dia maniry hanao zavatra amim-pahendrena. Fomba iray hanaovana izany ny fanehoana fifehezan-tena. Hoy ny Ohabolana 29:11 momba izany: “Ny fahatezeran’ny adala [Izay rehetra ao an-tsain’ny adala, MN ] dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo [mihazona izany ho tony hatramin’ny farany, MN ].”
Ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “saina” matetika dia manondro ny fihetsika manan-kery indrindra izay manosika ny olona iray hanaraka lalana iray. “Ny adala” dia mamoaka ny ao an-tsainy rehetra satria tsy mahay mifehy izany izy. Mamela ny fahatezerany hipoaka izy fa tsy miraharaha izay ho vokany. Ny saina ao amin’ny olona adala iray dia mety hahatonga azy hampiseho endrika vinitra aloha. Avy eo ny sainy dia mety hamoaka teny mahery sy hanao zavatra amin-kadalana.
Kanefa ny olona hendry dia miambina ny sainy ho “tony hatramin’ny farany”. Mifehy izany izy, ary mandanjalanja tsara izay mety hitranga raha manome lalana ny fahatezerana izy. Na dia manana antony tsara hahatezitra aza izy dia takany fa mety hiteraka fanimbana lehibe ny fanaovan-javatra avy hatrany raha ao anatin’izany toe-tsaina sosotra izany ny tena. Noho izany, dia maneho fifehezan-tena izy, ary mitandrin-tena tsy hamoaka ny fahatezerany amin’ny fomba tsy voatandrina sy tsy voafehy. Miantehitra amin’i Jehovah izy mba hahazoana fanampiana, angamba izany amin’ny fanaovana vavaka mangina haingana. Amin’ny farany, mba ho tombontsoan’izay rehetra voakasika, dia afaka mampitony ny fahatezerany ny olona hendry, ary manjohy hevitra amin’ny fomba mazava mifanaraka amin’ny Soratra masina sy ny sitrapon’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny olona iray hendry koa dia mahatsapa fa tsy tokony hitana fahatezerana izy satria mety hanamafy ny fony ka hahatonga azy ho amin’ny fomba fanaovan-javatra amin-kadalana sy hanota izany.
Mampihatra ity torohevitry ny apostoly Paoly ity koa ny olona hendry: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.” (Efesiana 4:26, 27) Raha sendra tezitra ara-drariny ianao dia aza mihazona fahasosorana ka hamela ny masoandro hilentika nefa ianao mbola ao anatin’izany fihetseham-po izany. Nahoana? Satria amin’izany no anomezanao fitoerana ho an’i Satana Devoly hanararaotra anao, mety ho amin’ny fitarihana anao hanao zavatra ratsy ka hahazo ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra. (Salamo 37:8, 9) Fehezo kosa ny sainao ary manaova zavatra haingana mba handaminana ireo fahasahiranana nety ho nanetsika ny fahatezeranao. — Matio 18:15-17.
Aoka ianao ho tony saina
Hoy ny ohabolana hafa iray: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina [tony saina, MN ].” (Ohabolana 17:27) Ny olona iray manana fahalalana ny Tenin’Andriamanitra dia ‘mahafihim-bava’ ka tsy mamela ny teniny handehandeha foana tsy misy fifehezana, indrindra fa rehefa mikorontan-tsaina izy. Noho ny fahafantarany ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny toerana tanany eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra, dia tsy hamela ny firehetan’ny fahatezerana handresy azy izy. Ny “mahatsindry fo” kosa dia miezaka mba ho tony sy hanana saina voalanjalanja tsara. Amin’ny fananana saina toy izany, ianao koa dia afaka mifehy tanteraka ireo toe-javatra izay hitarika olona adala iray ho amin’ny fahotana.
Izao no vakintsika mifanaraka amin’izany: “Be saina izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra [tsy mahay miandry, MN ] mampiseho ny fahadalany.” (Ohabolana 14:29) Ny tsy fahaizana miandry rehefa tezitra dia mety hitarika ho amin’ny fanaovan-javatra amin-kadalana. Ho tsara lavitra toy inona moa ny mihevitra mialoha izay mety hateraky ny teny na fitondrantena tsy voafehy! Raha tsy izany, ny olona iray dia mety hanao zavatra tsy amim-paharetana ka hanao hadalana, izany hoe “hampiseho ny fahadalany.” Noho izany, aoka ianao ‘tsy halaky tezitra’, toy ny maha-izany an’Andriamanitra, ary dia tsy hanao zavatra amin’ny tsy fahaizana miandry sy amin’ny tsy fampisehoana fahendrena ianao. — Eksodosy 34:6.
Fadio ny avonavona
Noho ny avonavona, ny olona iray dia mety tsy hihevitra ny hafa na hisafoaka mafy aza. Izao àry no vakintsika: “Ny olona mora tezitra manetsika ady; ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.” (Ohabolana 29:22) Raha toa ny olona iray ka tsy mifehy ny sainy fa “mora tezitra” dia mety ‘hanetsika ady’ izy na dia eo amin’ny samy mpinamana aza. Ary ny olona iray “masiaka dia be fahadisoana.” Eny, azo antoka fa hanota izy — zavatra izay ho tian’ny olona iray hendry sady tia an’Andriamanitra hofadina.
Aza hadinoina mihitsy fa tsy ankasitrahan’i Jehovah ny avonavona sy ny fipoahan’ny fahatezerana mafy amim-pireharehana. (Ohabolana 16:18) Tsara lavitra ny mikatsaka ny fanampian’Andriamanitra mba hiaretana fitsapana iray sy hanaovan-javatra amim-panetren-tena, toy izay hanaiky ho resin’ny fahatezerana na fahavinirana feno avonavona. — Ohabolana 29:23.
Manaova zavatra amim-pahalemem-panahy
Ilaina ny fanetren-tena raha sendra mahatsiaro ho voalevilevin’ny olona iray manana fahefana ianao. Amin’ny fotoana toy izany, ahoana no mety ho fihetsikao voalohany? Angamba hamaly amin’ny teny tsy voahevitra na tsy dia amim-pahendrena ianao. Nefa ny Baiboly dia manoro hevitra hoe: “Raha tezeran’ny mpanapaka hianao, aza miala amin’ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.” (Mpitoriteny 10:4) Ho fahendrena lavitra toy inona moa ny hamaly amim-pahalemem-panahy! Marina tokoa fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.” (Ohabolana 15:1) Mila fifehezan-tena ny famaliana amim-pahalemem-panahy, nefa izany fanaovan-javatra amim-pahendrena izany dia mandamina ny zava-manahirana sady hampandroso fifandraisana feno fihavanana.
Raha toa ianao ka iharan’ny teny fanomezan-tsiny noho ny zavatra tsy nataonao, dia antenaina fa hamela anao hanazava ny raharaha ilay olona manana fahefana. Ny fanazavana rehetra tokoa dia tokony hatao amin’ny saina malefaka amin’ny fanantenana fa ho voahitsy amin’izany ny fomba fijery diso. Ilay olona manana fahefana dia hila ny hifehy ny sainy mba hamela ny hanaovana fanazavana toy izany, ary izany dia hampiseho fa manana fahendrena sy hery izy.
Na eo amin’ny fananana fahefana ny kristiana na tsia, dia tokony hotadidiany fa “tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny [sainy, MN ].” (Ohabolana 25:28) Ny olona iray izay tsy malemy fanahy sy tsy mifehy ny sainy dia mora tafihin’ny fiheverana tsy mety maro izay mety hanosika azy hanao zavatra amin’ny fomba diso. I Jesosy Kristy izay nanorina ny ohatra tanteraka dia ‘nalemy fanahy sady tsy niavona am-po.’ (Matio 11:29) Ambonin’izany, ny fahalemem-panahy koa dia vokatry ny fanahin’Andriamanitra, izay tokony hangatahin’ny kristiana amin’ny vavaka. — Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23.
Nahoana no fehezina ny sainao?
Ankasitrahantsika ny teny malefaka, nefa matetika dia tsy fantatsika izay nahatonga ny fipoahan’ny fahatezerana. Ny olona iray tsy manao ny marina tokoa dia mety hahavita hanafina mihitsy ny fahatezerany sy ny fahavononany hamaly faty olona hafa aza noho ny fanafintohinana tena nisy na foronina an-tsaina fotsiny! Amim-pihatsarambelatsihy, dia mety hiandry kendry tohana izy mba hilazany zavatra mandratra momba ny olona iray izay nanjary nankahalainy. Azo antoka fa ny kristiana iray dia tsy hamela izany toe-tsaina izany hamaka ao aminy, satria izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay halehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.” Hoy koa i Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.” — 1 Jaona 2:11; 3:15.
Raha miafina ny avonavona na ny fihatsarambelatsihy na ny toetra tsy araka an’Andriamanitra hafa dia tsy mamitaka an’Andriamanitra ny fanafenana toy izany. Na dia ny fihamboana na ny fisehoana ho marina ivelany ho hitan’ny olona fotsiny koa aza dia tsy afaka hanafina amin’Andriamanitra izay ao am-po. Hoy ny Ohabolana 16:2: “Ataon’ny olona ho madio avokoa ny làlana rehetra alehany; fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy [saina, MN ].” Tsy voafitaka na oviana na oviana Andriamanitra.
Noho ny soa ho anao manokana sy noho ireo antony araka ny Soratra masina vao avy noresahintsika àry dia manahafa an’i Jesosy sy ireo olona hendry hafa nanalavitra ny fiavonavonana sy nanao zavatra tamim-pahalemem-panahy. Fehezo tokoa ny sainao!