Maneke hatrany ny ‘fanahy mahavelona’
“Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona.” — JAONA 6:63.
1. a) Ahoana no anampian’i Jehovah ireo mpanompony hahatohitra ny ‘rivotr’izao tontolo izao’? b) Nahoana moa ireo vokatry ny fanahy no hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara?
TENA mila ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra isika mba hahatoherana ny ‘rivotr’izao tontolo izao’, izany hoe ny fihetsiny (Efesiana 2:1, 2). Tena ilaina koa ny Baiboly, satria mirakitra ireo hevitr’Andriamanitra izay nosoratana teo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Farany, dia ilaintsika ny manana fihetsika kristiana manetry tena, izay ampitomboina amin’ny fambolena ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia: fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana (finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po.” Nanome izao fananarana izao ny apostoly Paoly: “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.” — Galatiana 5:16, 17, 22, 23.
2. Asehoy ny fifanoheran’izay entin’ny fanahin’Andriamanitra sy ireo vokatry ny fanarahana ny “toe-tsain’izao tontolo izao”.
2 Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’Andriamanitra antsika.” (1 Korintiana 2:12). Mahafaty ny “rivotra” na toe-tsain’izao tontolo izao, fa mitondra fiainana mandrakizay kosa izay omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Hoy Jesosy: “Ny fanahy (esprit) no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.” (Jaona 6:63). Koa satria “ny nofo tsy mahasoa na inona na inona”, dia mila ny fanampian’Andriamanitra isika mba handresena ny fahotana sy hanoherana ny toe-tsain’izao tontolo izao.
3, 4. a) Inona moa no atao hoe faniriana mihoa-pampana, ary ahoana no iasan’ilay ‘filohan’ny rivotra’ eo amin’ny fanirian’ny nofo hanana fananana ara-nofo? b) Nahoana no azo atao ny milaza ny amin’ny olona iray manana faniriana mihoa-pampana fa mpanompo sampy izy?
3 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha isika dia niresaka ny amin’ny lafiny roa mampidi-doza amin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’, dia: ny fironana hilalao amin’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny lamaody tsy mendrika eo amin’ny fomba fitafy sy ny taovolo. Mampiseho lafiny maro hafa anefa ny rivotr’izao tontolo izao. Ohatra, izy io dia vonton’ny faniriana mihoa-pampana, ny faniriana mafy amim-pitiavan-tena hahazo tombontsoa na fananana ara-nofo. Nataon’ilay ‘mpanapaka ny rivotra’ izay hahatonga ny fampielezan-kevitra sy ny dokambarotra hamorona ao aminao fahatsiarovana tsy fahafahampo raha tsy manana fananana ara-nofo maro ianao. Mety hanapoizina anao io endriky ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ io amin’ny fanaovana izay hieritreretanao fa izany no zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Voakasik’izany “rivotra” fatra-pitia ny zavatra ara-nofo izany ve ianao?
4 Izao no ambaran’ny Baiboly: “Fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina [manana faniriana mihoa-pampana, MN ] (mpanompo sampy izany).” (Efesiana 5:5). Voamarikao fa ny olona manana faniriana mihoa-pampana dia mpanompo sampy raha ny marina. Hiteny anakampo angamba ianao hoe: ‘Azo antoka fa tsy ho lasa lavitra toy izany aho; tsy ho tonga mpanompo sampy aho.’ Fa inona moa no atao hoe fanompoan-tsampy? Moa ve izany tsy fametrahan-javatra eo amin’ny toeran’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana aminy, fampitodihana ny saina ho amin’izany fa tsy ho amin’Andriamanitra sy ny asany. Ny faniriana mihoa-pampana, raha ny marina, dia mety hitovy amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ny vola, ny fahefany sy ny heriny. Raha omenao toerana alohan’ny fanitarana ny fanompoanao an’i Jehovah ny fividianana fiarakodia vaovao, “magnétoscope” na zavatra hafa, moa ve tsy mampiseho izany fa misy heriny ratsy eo aminao ny ‘rivotr’izao tontolo izao’? Moa ve tsy tonga toy ny sampy ho anao ny fananana ara-nofo?
5. Inona no mampiseho fa ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ dia feno faniriana harena?
5 Raha mitady fianarana lasa lavitra dia lavitra na asa tsara karama ianao, moa ve mba hahatongavana ho mpanan-karena sy hahazoana zavatra ara-nofo mihoatra noho ny ilaina? Mahaliana anao ve ireo fomba mahatonga ho afaka hahazo vola haingana, ary maniry hampiasa izany ve ianao? Ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ dia feno faniriana amim-pitiavan-tena ny hanan-karena sy hampiasa fitaka mba tsy handoavana ireo hetra takin’ny fanjakana. Ao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia miroborobo ny filokana mbamin’ny fanaovan-javatra hafa karazan’izany. Aza manaiky ho voan’ny fakam-panahy. Ireo izay manohitra ny fitaoman’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ miavaka amin’ny faniriana mihoa-pampana dia mahatsapa fa mba tena hahasambatra tokoa, dia ilaina ny hianinana amin’ireo zavatra ilaina sy hanome ny toerana voalohany ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. — Matio 6:25-34; 1 Jaona 2:15-17.
Ny fampiasana tsara ny lela
6. Inona no mety ho vokatry ny fomba fitenenana eo amin’izao tontolo izao eo amin’ny kristiana?
6 Inona no holazaina ny amin’ny fahazarantsika eo amin’ny fitenenana? Teny maloto, teny feno fahatezerana, lainga — voaloto tanteraka amin’ny fitenenana maharikoriko ny ‘rivotr’izao tontolo izao’. Indraindray anefa, na dia ny sasany amin’ireo izay miaraka amin’ny kongregasiona kristiana aza dia miseho ho masiaka, na tsy mendrika mihitsy aza amin’ny teniny. Miteny amintsika amin’ny fomba hentitra dia hentitra toy izao i Jakoba mpianatra: “Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany?” (Jakoba 3:10, 11). Mampiasa fiteny tsy mihaja na teny maitso sasany mampiavaka izao tontolo izao ve ianao? Mampiasa voambolana roa ve ianao: ny anankiray rehefa miaraka amin’olona kristiana ianao, ny faharoa rehefa any an-toeran-kafa ianao. Izao no nosoratan’i Paoly: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efesiana 4:29). Zava-dehibe tokoa ny hampiasana fomba fiteny mendrika sy madio amin’ny toe-javatra miseho rehetra.
7. Inona indrindra moa no tiana holazaina amin’ny hoe ‘manaisotra ny lainga sy milaza ny marina’?
7 Tokony hitandrina koa isika mba hilaza ny marina foana. Ny fanafenan-kevitra na finiavana manao izay hahadiso hevitra ny hafa mba hialana amin’izay rehetra mety ho andraikitra, raha ny marina dia fandaingana. Ataovy àry izay hanarahana ity torohevitr’i Paoly ity: “Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” — Efesiana 4:25; Ohabolana 3:32.
8. a) Ahoana no fihetsiky ny olona maro rehefa misy mihaika azy? b) Inona no tokony hatao raha misy manao izay hahatezitra antsika?
8 Ny fipoahan’ny fahatezerana dia lafiny hafa iray koa mampiavaka ny toe-tsain’izao tontolo izao. Olona maro be no mora tsy mahafehy tena mihitsy. Misafoaka izy ireny, avy eo dia manala tsiny ny tenany amin’ny filazana fa tiany fotsiny ny ‘hamoaka ny ao am-pony’. Tsy izany anefa no torohevitr’i Paoly; izao tokoa no nosoratany: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra.” (Efesiana 4:31). Inona anefa no hatao raha toa, na dia mamboly fifehezan-tena mbamin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra hafa aza isika, ka miakatra ao amintsika ny fahatezerana? “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.” (Efesiana 4:26, 27). Raha misy zavatra na olona mampisafoaka antsika àry, dia tokony halamina avy hatrany ilay raharaha, alohan’ny hifaranan’ny andro, raha tsy izany dia mety hamaka ao am-pontsika ny fahasosorana sy ny lolompo, ka ho sarotra ny hanesorana izany ao. Aza manaiky ho voatarika hifoka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ miavaka amin’ny fahatezerana sy ny lolompo. — Salamo 37:8.
9. Inona moa no sasantsasany amin’ireo fihetsika fahita eo amin’ny mpiasa, ary nahoana isika no tokony handinika ny fomba fiasantsika?
9 Ahoana ny amin’ny fahazaranao eo amin’ny asa? Fahita ankehitriny ny mpiasa tsy manao ny raharahany na mangalatra fitaovana amin’ny lehibeny. Nifoka kely avy amin’izany “rivotra” izany ve ianao? Nifindra teo aminao ve ny toe-tsaina mahatonga hilaza fa ‘manao izany ny olona rehetra’? Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa misy vokany eo amin’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana marina aminy ny fomba fiasantsika kristiana. Ho tianao ve ny handavan’ny olona iray ny hafatra fahamarinana velabelarin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray eo am-baravarany noho ny fihetsikao any am-piasana? “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony, hoy i Paoly; fa aleo hikely aina (...), mba hisy homeny izay tsy manana.” — Efesiana 4:28.
10. Ahoana moa, any am-piasana, no mety hampisehoantsika fa tsy manaiky ho voataonan’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ feno fitiavan-tena isika?
10 Marina fa ny fifandraisan’ny tompo sy ny mpanompo nisy tamin’ny taonjato I dia mahalana tokoa vao misy amin’izao androntsika izao. Azon’ireo mpiasa kristiana atao anefa ny maka fianarana avy amin’izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpanompo kristiana ao amin’ny Efesiana 6:5-8. Nilaza tamin’izy ireny izy mba ‘hanaiky ireo mampiasa azy, tsy tahaka ny mpila sitraka amin’olona fotsiny, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy’. Ny kristiana iray àry dia tsy tokony hitady mihitsy izay tsy hahafenoana ny andro fiasana iray na tsy hanome ny varotra na ny asa nampanantenaina. Raha manao ny zavatra rehetra “toy ny ho an’i Jehovah” isika, dia hitana fihetsika tsara ary tsy hanaiky ho voatariky ny fitiavan-tena sy ny hakamoana mampiavaka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’.
Ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fialam-boly
11. Ahoana moa no naneken’ny mpanompon’i Jehovah sasany taloha ho voataonan’ny fihetsik’izao tontolo izao teo amin’ny lafin’ny fihinanana sy ny fisotroana?
11 Moa ve ianao nanaiky ho voataonan’ny fihinanana sy ny fisotroana tafahoatra mampiavaka izao tontolo izao? Ny fitsipi-pitondrantenany dia hoe: ‘Aoka isika hihinana sy hisotro ary hifaly, fa rahampitso dia ho faty angamba.’ (1 Korintiana 15:32). Nifindra teo amin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany izany toe-tsaina izany, ary izany dia hatramin’ny taloha ela be. Tadidio ny andro, tany an’efitra, ‘nipetrahan’ny Isiraelita hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao’. (Eksodosy 32:6.) Voatarika izy ireny hanaram-po tsy nisy fifehezan-tena tamin’ny fijejojejoana sy ny fanompoan-tsampy, hany ka nirehitra tamin’izy ireny ny fahatezeran’Andriamanitra. Aoka isika tsy hanahaka azy ireny mihitsy. — 1 Petera 4:3-6.
12. Inona no tokony hataontsika raha mendrika ny fitandremana sasany ny fahazarantsika eo amin’ny lafin’ny fihinanana sy ny fisotroana?
12 Jehovah dia nanome antsika sakafo sy fisotro maro karazana aoka izany raha ny amin’ny tsiro, ny loko sy ny soa raisina avy aminy, kanefa niriny ny hampiasantsika izany amim-pahalalana onony. Melohin’ny Baiboly ny hatendan-kanina sy ny fimamoana (Ohabolana 23:20, 21). Aoka àry isika hanao ny marina ka hanontany tena hoe: Afaka mamboly fahazarana tsara kokoa ve aho amin’ny lafin’ny fisotroana sy ny fihinanana? Raha mila ny mampihatra fifehezan-tena lehibe kokoa ianao, dia mieke ny amin’izany ary manaova fiezahana mifanaraka amin’ny vavaka izay angatahanao ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra mba handresena an’io fahalemena io. “Ary aza ho mamon-divay hianareo, hoy i Paoly, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy.” (Efesiana 5:18). Eny, aoka ianao ho feno ny fanahin’Andriamanitra ary aza manaiky ho resin’ny toe-tsain’izao tontolo izao tsy voafehy. “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31). Raha manana fahasahiranana foana ianao amin’io lafiny io, dia mitadiava fanampian’ny lehilahy matotra ara-panahy ao anatin’ny kongregasiona. — Galatiana 6:1; Jakoba 5:14, 15.
13. a) Inona no mampiseho miharihary fa nanimba maro be amin’ny fialam-boly atolotra antsika amin’izao fotoana izao ny Devoly? b) Ahoana no azontsika analavirana ny fanarahana ny fihetsik’izao tontolo izao eo anoloan’ny fialam-boly?
13 Izao tontolo izao dia faran’izay tia fanatanjahan-tena sy mozika ary izao karazam-pialam-boly rehetra izao. Tsy hoe tsy maintsy ratsy akory ny fitiavana izany karazan-javatra izany, raha tsy mifanohitra amin’ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina angaha izany. Ny zava-manahirana anefa dia ny hoe Satana “izay manjaka amin’ny maha-tompo eo amin’ny rivotra ara-panahy”, dia nanimba ny fialam-boly atolotra antsika amin’izao andro izao (Efesiana 2:2, Kuen). Matetika tokoa no misy famporisihana haloto fitondrantena ao ary alàn-tsiny ny herisetra; lazalazaina amin’ny alalan’ny fitaka, ny fanambakana na ny famonoana olona mihitsy aza ny fahombiazan’ny olona sasany. Raha mijery fampisehoana toy izany isika, dia mifoka izany karazan-kevitra izany ary vontony lalina, hany ka tsy maintsy hanimba antsika ireo vokany misy poizina. Afa-tsy izany koa, na dia rehefa tsy melohin’ny Soratra masina aza ny fialam-boly sasany, dia mety ho variana loatra amin’izany ny tena ka tsy hanana afa-tsy fotoana kely dia kely intsony hatokana amin’ireo asa ara-panahy. Ilaina àry ny hahay mifidy ireo fialam-bolintsika. Makà fotoana hanandramana amim-pahalalana onony ny karazam-pialam-boly tsara sy mahasoa toy izao na izao, kanefa mitandrema mba tsy hanahaka ny tsy fahalalana onony eo amin’izao tontolo izao. Na manitra na maimbo ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ dia maloto sy mahafaty izy. — Ohabolana 11:19.
Ny fireharehana noho ny firenen’ny tena: rivotra ratsy
14. Amin’ny ahoana ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ no mety hisy heriny eo amin’ny fomba fiheverantsika ireo zava-manahirana ara-tsosialy?
14 Ny fireharehana noho ny firazanana na ny firenen’ny tena dia lafiny iray mamitaka aoka izany amin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’. Misy manohana amin’ny fomba diso fa ny firazanana toy izao dia ambony noho ny hafa. Ny fanindrahindrana ny firenen’ny tena dia mamporisika ny olona hihevitra ny fireneny ho ambony noho ny hafa rehetra. Raha ny marina, dia olona maro no miaritra fahoriana tsy ara-drariny sy tsy manana izay ilaina eo amin’ny fiainana mbamin’ny zon’ny olombelona lehibe indrindra, noho ny fitiavan-tena sy ny fitompoan-teny fantatry ny mpiara-belona aminy. Miteraka fankahalana sy herisetra koa aza izany. Olona maro be no mikomy sy mitady hanova ireo lalàna, noho ny finoana mafy fa azony atao ny handamina ireo zava-manahirana ara-tsosialy araka ny fombany. Mety ho voatariky ny hevitra toy izany koa isika. Raha mahita na iharan’ny tsy rariny toy izany isika ka mihaino ireo izay mitaky mafy fiovana ara-tsosialy, dia mety ho voataona isika raha tsy mitandrina. Mety hanomboka hiala amin’ny fialanalanantsika isika ka hiandany amin’ny antokony iray (Jaona 15:19). Ny mbola ratsy kokoa ihany, dia mety ho voan’ny fakam-panahy isika hiaraka amin’ny antokon’olona manao fitokonana na fihetsiketsehana, na hampiasa herisetra koa mba hampanaovana fanovana.
15. Inona no fihetsika anoroan’ny Baiboly hevitra antsika mba harahina rehefa mahatsiaro ho voatosika ‘hamaly ratsy’ isika?
15 Ny toe-tsain’ny kongregasiona iray dia mety ho simban’ny fanavakavaham-pirazanana na ny fanindrahindram-pirenena (jereo Asan’ny apostoly 6:1-7). Hanaraka fihetsika tsara anefa isika amin’ny fanarahana izao torohevitra izao: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’ ” (Romana 12:18, 19). Koa satria ny firazanana rehetra avy amin’ny mpivady olombelona voalohany ary tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, dia tsy misy toerana ho an’ny fireharehana noho ny firazanana na ny firenen’ny tena eo anivon’ny kongregasiona kristiana. — Asan’ny apostoly 10:34, 35; 17:26; Romana 10:12; Efesiana 4:1-3.
Manohiza mifoka ny “rivotra” izay manome ny fiainana
16. Inona no hanampy antsika hanohitra ny fitaoman’ny toe-tsain’izao tontolo izao?
16 Noresahintsika ny amin’ireo lafiny mahafaty lehibe indrindra amin’ny “rivotra” na toe-tsain’izao tontolo izao. Izany “rivotra” maloto izany dia manodidina antsika sy miasa eo amintsika, hany ka raha avelantsika hisy banga hiforona ao amin’ny fiainantsika ara-panahy, dia hitsofoka ao izany. Hahatohitra izany amim-pahombiazana isika raha tia izay madio sy mahitsy, ka mankahala izay maloto sy ratsy. Hanohy hifoka “rivotra” tsara isika raha tsy mitsahatra mamboly toe-tsaina tsara amin’ny fanekena hotarihin’ny fanahy masin’i Jehovah. — Romana 12:9; 2 Timoty 1:7; Galatiana 6:7, 8.
17. Inona no tokony hataontsika raha vantany vao tsapantsika fa misy “rivotra” miserana avy amin’izao tontolo izao mankany amintsika?
17 Mitandrema mafy mba tsy hahatonga ny “rivotra” maloton’izao tontolo izao ho toa hanitra aminao. Fantatr’ilay filohan’io “rivotra” io tsara tokoa izay tokony hatao mba hampahafinaritra ny vavahadin-tsain’ny olona iray sy hampipoirana ao aminy faniriana izay matetika tokoa no mitarika ho amin’ny fahotana (Jakoba 1:14, 15). Mijanòna ao anatin’ny faritra voatokana ho an’ny “tsy mpifoka”, izany hoe ny paradisa ara-panahin’i Jehovah. Raha voamarikao fa misy ‘rivotr’izao tontolo izao’ miserana mankany aminao, dia roahy izany. Halaviro toy ny hataonao amin’ny poizina mahafaty izany. “Koa tandremo tsara ny fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN ].” — Efesiana 5:15-17.
18. Toe-tsaina manao ahoana no hanjaka eo amin’ny olombelona hanana fahasambarana hiaina eo amin’ny tany voadio?
18 Tian’Andriamanitra ny hanompoantsika azy amim-pahatokiana. Izany dia hitondra ho antsika ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenainy ka antomotra izao. Rehefa handray rivotra indray miserana avy amin’izany isika, dia hamelombelona tokoa izany. Ho rivotra mahavelona sy madio izany, tsy misy izay rehetra mety ho mpandoto mahafaty. Ho toy izany no izy ny amin’ny rivotra ara-batana, nefa koa, ary ity no mbola zava-dehibe kokoa ihany, ny amin’ny toe-tsain’izay rehetra hanana fahasambarana hiaina eo amin’ny tany voadio. Hiseho hankatò, hanetry tena sy hanaiky izy ireny. Ny ‘rivotr’izao tontolo izao’, vonton’ny fikomiana sy ny faharatsiana ary ny tsy fitiavam-pivavahana, dia ho efa nanjavona. — Apokalypsy 21:5-8.
19. Sokajin’olona manao ahoana no ho tafita velona sy hiditra ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah?
19 Azo antoka fa tsy tiantsika ny ho anisan’ireo olona ho hita eo am-pifohana ny ‘rivotry’ ny fandehan-javatra ankehitriny rehefa hofoanan’i Jehovah ao Haramagedona ny fandotoana sy ireo mpandoto. Ho toy inona moa ny fanamaivanana rehefa tsy hisy intsony izao tontolo izao ka ho efa natsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ‘ilay filohan’ny rivotra’! Ny ho hany hitoetra dia izay rehetra tia an’i Jehovah sy izay madio, mendrika ary marina. Irin’i Jehovah ny haharetan’izy ireny ary hanampy azy ireny amin’ny alalan’ny fanahiny izy. Homeny azy ireny ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao tsara sy madio iray. Aoka tsy havelantsika ho very izany tombontsoa izany amin’ny fifohana ny ‘rivotra’ mahafatin’ny fandehan-javatra ankehitriny.
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa manjary mpanompo sampy ny olona iray manana faniriana mihoa-pampana?
◻ Amin’ny ahoana ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ no mety hisy heriny eo amin’ny fomba fiteninao?
◻ Toe-tsaina manao ahoana no tokony ho hita taratra eo amin’ireo mpiasa kristiana any amin’ny toerana iasany?
◻ Ahoana no azo analavirana ny ho voatariky ny fihetsik’izao tontolo izao eo amin’ny lafiny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fialam-boly?
◻ Raha ny amin’ny firazanana sy ny fanindrahindram-pirenena, toe-tsaina manao ahoana no tsy tokony ho tafiditra ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
[Sary, pejy 16]
Ampy fahatanjahana eo amin’ny lafiny ara-panahy ve ny fianakavianao mba hahatoherana ny ‘rivotr’izao tontolo izao’?
[Sary, pejy 17]
Raha manao ny zavatra rehetra “toy ny ho an’i Jehovah” isika, dia tsy hanaiky ho voataonan’ny fitiavan-tena sy ny hakamoana mampiavaka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’.