-
Fitantanan-draharahaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Inona ilay “fitantanan-draharaha” nampiasain’Andriamanitra nanomboka tamin’ny taona 33?
Tena tsara fanahy Andriamanitra ka nikasa ny “hanangana fitantanan-draharaha [gr.: ôikônômian, a.b.t.: fitantanana tokantrano], rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:10; ampit. Lk 12:42, f.a.p.) Nampiasa an’io “fitantanan-draharaha”, na fomba fitantanana, io Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, ka ny hampiray ny zavaboariny manan-tsaina rehetra no tanjony amin’izany. Ny “zavatra any an-danitra” aloha no hangonina indray amin’ny alalan’io fitantanan-draharaha io, ka hangonina ireo mpandova ilay Fanjakana hiaina any an-danitra ary i Jesosy Kristy no ho Lohan’izy ireo. (Ro 8:16, 17; Ef 1:11; 1Pe 1:4) Avy eo vao hangonina indray amin’ny alalan’io “fitantanan-draharaha” io ny “zavatra eto an-tany”, izany hoe ireo hiaina eto amin’ny tany lasa paradisa.—Jn 10:16; Ap 7:9, 10; 21:3, 4.
-
-
LanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Mbola niresaka momba ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” anefa i Petera. Midika izany fa ho tanteraka amin’ny hoavy koa ny faminanian’i Isaia, araka ny fampanantenan’Andriamanitra. (2Pe 3:13) Misy ifandraisany amin’ny fanatrehan’i Kristy Jesosy ilay fampanantenana. (2Pe 3:4) Tsy maintsy ho ny Fanjakan’ny Mesia sy ny olom-peheziny àry ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao.” Nanjary “avo noho ny lanitra” (He 7:26) i Kristy Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty ka nankeo ankavanan’Andriamanitra. Lasa “ambony lavitra noho izay rehetra mety ho fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana” izy, “tsy eto amin’ity tontolo ity ihany, fa any amin’ilay ho avy koa.”—Ef 1:19-21; Mt 28:18.
-