“Aza Mampahatezitra ny Zanakareo”
“HIANAREO ray, aza mampahatezitra ny zanakareo.” Izany no nolazain’ny apostoly Paoly. (Efesiana 6:4). Any amin’ireo tany tandrefana, izay misy ray aman-dreny eo ambanin’ny fihenjanana sy ny fitaoman’ny fiaraha-monina mandroso, dia tsy mora foana ho azy ireny ny mitondra amin-katsaram-panahy ireo zanany. Ary tsy hoe mora akory ny fanabeazan-janaka any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana. Marina fa mety tsy ho hazakaza-dava toy ny any amin’ireo tany tandrefana ny fiainana any. Nefa ireo fanao sy ireo fomban-drazana hatry ny ela dia mety hanosika ireo ray aman-dreny hitondra ireo zanany amin’ny fomba saika azo antoka fa mampandiso fanantenana sy mampahatezitra azy ireny.
Ireo ankizy any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana sasany dia eo amin’ny zanatohatra ambany indrindra raha ny amin’ny ambaratongam-piheverana sy fanajana azy ireo. Any amin’ny fiaraha-monina sasany, ireo ankizy dia baikoina amin’ny feo mandrahona sy jadona, kiakiahina sy ompana. Mety tsy hahazatra ny mandre olon-dehibe iray manao teny mampiseho hatsaram-panahy amina zaza iray, tsy resahina intsony ny amin’ny fahalalam-pomba toy ny “aza fady” sy ny “misaotra”. Mihevitra ireo ray fa tsy maintsy manorina ny fahefany amin’ny fampiasana sandry izy; hamafisina amin’ny kapoka maharary ireo teny maharary.
Any amin’ny fiaraha-monina afrikana sasany, dia heverina ho tsy fahalalam-pomba aza ho an’ny ankizy iray ny miarahaba olon-dehibe iray nefa tsy nahazo lalana. Tsy mahalana no ahitana ankizy miloloha enta-mavesatra, miandry amim-paharetana fahazoan-dalana mba hiarahabana antokon’olon-dehibe iray. Ireo olon-dehibe amin’izay dia hanohy ny resadresaka tsy misy antony ataony, tsy misy firaharahana ireo ankizy miandry mandra-pamelany azy ireo hiarahaba. Rehefa avy nanao ny fiarahabany ireo ankizy vao mahazo mandalo.
Antony hafa iray mety hanimba ny fiadanan’ny ankizy koa ny fahantrana. Mahita fahavoazana eo amin’ny fahasalamany sy ny fianarany ireo ankizy noho izy ireo ampiasaina hanao asa mafy. Mety hovesarana asa maro be tafahoatra ireo ankizy na dia any an-trano aza. Ary rehefa mandefa ireo zanany any an-tanàn-dehibe ireo fianakaviana any ambanivohitra mba hokarakarain’ny havana raha mbola mianatra any an-tsekoly izy ireny, dia saika entina toy ny andevo izy ireny matetika. Azo antoka fa izany fitondrana tsy ara-drariny rehetra izany dia mampahatezitra an’ireo ankizy!
Ny dikan’ny hoe ‘mampahatezitra azy ireny’
Misy ray aman-dreny manaiky hotarihin’ny onjan’ny fomba fitaizana mahazatra ny besinimaro fotsiny, tsy misy fiheverana firy ny amin’izay ho vokany. Kanefa, noho ny antony tsara no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra ireo ray aman-dreny mba tsy hampahatezitra ny zanany. Ny fitenenana grika tany am-boalohany nadika hoe “aza mampahatezitra” dia midika ara-bakiteny hoe “aza manetsika fahatezerana”. (Kingdom Interlinear). Ao amin’ny Romana 10:19, MN, dia adika hoe “mitarika ho amin’ny fahatezerana mafy” io matoanteny io ihany.
Milaza toy izao, araka izany, ny Today’s English Version: “Aza mitondra ny zanakareo amin’ny fomba izay mahatonga azy ho tezitra.” Miteny sahala amin’izany toy izao koa ny La Bible de Jérusalem: “Aza manao izay hampahasosotra ny zanakareo mihitsy.” Ny Baiboly àry dia tsy miresaka momba ny fahatezerana kely mety ho nataon’ny ray tsy nahy tamin’ny zanany noho ny tsy fahatanterahana, ary tsy manome tsiny ny fifehezana ampiharina ara-drariny koa. Araka ny Lange’s Commentary on the Holy Scriptures, io andinin-tenin’ny Baiboly io dia miresaka momba “ny fitondrana amin’ny fomba misafoaka sy mitratrevatreva ary sosotra atao amin’ny ankizy, hany ka (...) voailika izy ireny ary voatosika ho amin’ny fanoherana sy ny tsy fanarahana ary ny fahasosorana.”
Amin’ny maha-mpanabe azy no nanamarihan’i J. S. Farrant hoe: “Raha ny tena izy, dia olombelona ny ankizy. Tsy miandry izay ataon’ny hafa fotsiny sahala amin’ireo zavamaniry eo amin’ny manodidina azy izy. Mamaly kosa izy.” Ary matetika ny famaliana ny fitondrana tsy ara-drariny dia miafara amin’ny fahasimbana ara-toe-tsaina sy ara-pihetseham-po. Hoy ny Mpitoriteny 7:7, MN hoe: “Fa ny fampahoriana fotsiny dia ampy hahatonga olona hendry iray hanao zavatra mampiseho hadalana.”
Fitaizana ny ankizy amin’ny lalàm-pifehezan’Andriamanitra
Ireo ray aman-dreny maniry ny hizoran’ny zanany hatrany ao amin’ny fahamarinana dia tsy mahazo mamela ireo fitsipika ara-kolontsaina sy fomban-drazana hanjary ho hany fototra mametra izay fomba hitaizan’izy ireo ny zanany. (Ampitahao amin’ny 3 Jaona 4.) Rehefa avy nampitandrina ireo ray aman-dreny ny amin’ny fampahatezerana ny zanany i Paoly, dia nanampy hoe: “Tezao hatrany amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsain’i Jehovah izy.” (Efesiana 6:4, MN). Ireo fari-pitsipik’i Jehovah amin’izay dia maka ny toeran’ireo fanao sy fomba fiheverana eo an-toerana.
Na dia mety hahazatra ny ankizy aza any amin’ny tany sasany ny hoe entina toy ny ambany sy toy ny andevo, dia manambara ny Baiboly ao amin’ny Salamo 127:3 hoe: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” Ho afaka ny hitana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra ve ny ray aman-dreny raha mitondra ny lovany amin’ny fomba tsy ara-drariny? Azo inoana fa tsy izany. Ary tsy misy toerana ho an’ny fiheverana fa tonga amin’ny fisiana ireo ankizy mba hanatanteraka izay ilain’ny ray aman-dreniny fotsiny. Ao amin’ny 2 Korintiana 12:14, dia mampahatsiahy antsika toy izao ny Baiboly: “Fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.”
Izany akory tsy milaza hoe tokony halan-tsiny ireo ankizy tsy hanao ny anjarany amin’ireo asa aman-draharaha ao an-tokantrano. Nefa moa ve tsy tokony hanehoana fiheverana ny tombontsoa manokan’ireo ankizy? Ohatra, rehefa nanontaniana i Yaa, ankizivavy kristiana iray atsy Afrika, ny amin’izay tiany hataon’ireo ray aman-dreniny aminy indrindra, dia namaly toy izao izy: “Iriko ny hampihenana ny raharaha ao an-trano amin’ny andro anaovako fandaharana momba ny fitoriana.” Noho izany, raha mahatsapa ny ankizy iray fa sarotra ny ho tonga ara-potoana any an-tsekoly na amin’ny fanatrehana ireo fivoriana noho ny enta-mavesatry ny raharaha ao an-trano, moa ve tsy tsara indrindra ny hanaovana fanitsiana sasany?
Marina fa mety ho sarotra alahatra ny tanora. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny itondrana azy ireny amin’ny fomba ara-drariny na tsy mahatonga fahatezerana? Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” Eny, ianao aloha no afaka miezaka mahafantatra ny zanakao amin’ny maha-izy azy. Tsy misy mitovy ny ankizy tsirairay, ary samy manana ny mahaliana azy manokana sy ny fahaizany manokana ary izay ilainy manokana. Inona avy izany? Moa ve ianao naka fotoana hanaovana izay hahafantarana ny zanakao sy hahalalana ny valin’io fanontaniana io? Ny fiarahana miasa sy manao fanompoam-pivavahana, ary ny fanaovana fialam-boly iarahan’ny fianakaviana — ireo zavatra ireo dia manome fahafahana ho an’ireo ray aman-dreny mba ho tonga akaiky kokoa an’ireo zanany.
Ao amin’ny 2 Timoty 2:22 i Paoly dia manao fanamarihana mahaliana hafa iray rehefa niteny toy izao tamin’i Timoty: “Mandosira ny filan’ny tanora fanahy.” Eny, takatr’i Paoly fa vanim-potoana mikorontana ny fahatanorana. Misy fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po manaitra ny saina mitranga eo. Mitombo ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mandritra io fotoana io, dia mila fitarihana matotra sy amim-pitiavana ny tanora mba hialana amin’ny fandrika lehibe. Nefa tsy mila ny hoentina toy ny hoe maloto fitondrantena izy ireo. Nitaraina toy izao sady tezitra ny zanakavavin’ny lehilahy kristiana iray: “Raha tsy nijangajanga akory aho, nefa miampanga ahy ho nanao izany ny raiko, dia mety handeha aho ka hanao izany tokoa.” Toy izay hiampanga ny zanakao ho manana antony ratsy manosika, dia aleo maneho fatokiana azy. (Ampitahao amin’ny 2 Tesaloniana 3:4.) Toy izay ho be fanakianana, dia aleo manana fangorahana sy fahaiza-manavaka amin’ny fomba tsy miovaova sady feno fitiavana.
Zava-manahirana maro be no azo sakanana raha toa ireo ray aman-dreny ka miresaka mialoha ny amin’ireo loza mifandray amin’ny fitondrantena atrehin’ny zanaka iray. Tadidio fa mandidy ireo ray aman-dreny mba hampiofana ny zanany sy hanabe azy ireo amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra. (Deoteronomia 6:6, 7). Mety hitaky fotoana sy fiezahana lehibe izany. Mampalahelo fa tsy mahavita manao ny andraikitra hampianatra nankinina tamin’izy ireo ny ray aman-dreny sasany satria tsy ampy faharetana. Ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra, zava-manahirana goavana iray any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana maro be, no manakana ny ray aman-dreny hafa.
Amin’ny toe-javatra sasany, dia azo antsoina ny kristiana matotra iray mba hanampy. Mety ho fanolorana fanipazan-kevitra ho an’ilay ray tsy dia ampy fanandraman-javatra fotsiny izany. (Ohabolana 27:17). Na mety hahafaoka fanampiana amin’ny fitarihana ny fianaram-pianakaviana mihitsy koa izany. Nefa izany akory tsy mampihena ny andraikitr’ilay ray hampianatra ny zanany ny Tenin’Andriamanitra. (1 Timoty 5:8). Afaka miezaka izy mba hiara-miasa amin’ireo zanany eny amin’ny saha fanompoana ary hiresaka raharaha ara-panahy eo am-pisakafoana na amin’ny fotoana mety hafa.
Mety haniry fahaleovan-tena misimisy kokoa amin’izao fotsiny ny tanora iray manatona ny taona maha-olon-dehibe. Matetika izany no raisina amin’ny fomba diso ho tsy fanekena na tsy fanajana. Tena mahasosotra tokoa raha toa ny ray aman-dreniny ka mamaly amin’ny fitondrana azy toy ny ankizy kely ary mandà tsy hanome azy fahalalahana misimisy kokoa amin’izay ataony! Mampahatezitra sahala amin’izany koa izy ireo raha toa ka manapa-kevitra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ilay zanany — fianarana sy asa ary fanambadiana — tsy misy firesahana miaraka aminy ny amin’ireo raharaha ireo amin’ny fomba tony sy feno fanajana. (Ohabolana 15:22). Nampirisika ny kristiana namany ny apostoly Paoly mba ‘ho lehilahy tokoa amin’ny fahalalana’. (1 Korintiana 14:20). Moa ve ireo ray aman-dreny tsy tokony haniry ny hahatonga ny zanany ho olon-dehibe eo amin’ny ara-pihetseham-po sy ara-tsaina? Kanefa ny “sain” ’ny tanora iray dia azo ampiofanina amin’ny ‘fampiasana tsara’ azy fotsiny. (Hebreo 5:14). Mba hampiasana izany dia tsy maintsy omena fahafahana hisafidy sasany izy.
Tsy mora ny mitaiza zanaka mandritra izao andro sarotra izao. Nefa ny ray aman-dreny manaraka ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mampahatezitra na mampahasosotra ny zanany “fandrao mamoy fo izy”. (Kolosiana 3:21). Miezaka kosa izy ireo mba hitondra ny zanany amin-kafanana sy fahatakarana ny fiheviny ary fahamendrehana. Tarihina ireo zanany fa tsy taritina; beazina fa tsy atao an-kilabao; atosika ho amin’ny fitiavana fa tsy ho amin’ny fahatezerana na fahadisoam-panantenana.
[Sary, pejy 31]
Ny fanaovana “oware”, lalao iray fanao ao an-trano any Ghana, dia manome ho an’ireto ray aman-dreny ireto fahafahana hiaraka amin’ireo zanany