Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’
MBOLA somary tanora ihany i Timoty rehefa nifidy azy ho namana hiara-dia taminy i Paoly, apostoly kristianina. Teo no nanombohan’ny fiaraha-niasa iray izay haharitra 15 taona teo ho eo. Nanjary akaiky aoka izany ny fifandraisana nananan’ireo lehilahy roa ireo, hany ka afaka niantso an’i Timoty tamin’ireto teny ireto i Paoly: “Zanako malalako sy mahatoky ao amin’ny Tompo”, “tena zanako amin’ny finoana”. — 1 Korintiana 4:17; 1 Timoty 1:2.
Fa nanao ahoana loatra ny toetran’i Timoty no dia nahatonga an’i Paoly hiraiki-po be taminy? Ahoana no nahatonga an’i Timoty ho mpiara-miasa sarobidy toy izany? Ary lesona andraisan-tsoa inona avy no azontsika ianarana avy amin’ny fitantarana ara-tsindrimandry momba ny asa nataon’i Timoty?
Nofidin’i Paoly
I Paoly dia nahita ilay mpianatra tanora natao hoe Timoty, fony ilay apostoly nitsidika an’i Lystra (any Torkia ankehitriny), tamin’ny dia misionera faharoa nataony, tokony ho tamin’ny 50 am.f.i. Azo inoana fa, teo amin’ny faramparan’ireo taona naha zatovo azy, na teo amin’ny faha-20 taonany mahery kely, dia tsara laza teo amin’ireo Kristianina tany Lystra sy i Ikonioma i Timoty. (Asan’ny Apostoly 16:1-3). Niaina nifanaraka tamin’ny hevitry ny anarany, izay midika hoe “Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra”, izy. Efa hatramin’ny fahazazany i Timoty no nampianarin’i Loisa renibeny sy i Eonika reniny ny Soratra Masina. (2 Timoty 1:5; 3:14, 15). Azo inoana fa nandritra ilay fotoana voalohany nitsidihan’i Paoly ny tanànan’izy ireo, taona maromaro talohan’izay, no naneken’izy ireo ny Kristianisma. Noho ny asan’ny fanahy masina tamin’izay fotoana izay, dia nisy filazana mialoha nanondro izay hoavin’i Timoty. (1 Timoty 1:18). Araka izany fitarihan-dalana izany, dia nametra-tanana tamin’ilay tovolahy i Paoly sy ireo loholon’ny kôngregasiôna, ka nanokana azy tamin’izany fomba izany mba hanao fanompoana manokana iray, ary dia nofidin’ilay apostoly ho namany teo amin’ny asa misionera izy. — 1 Timoty 4:14; 2 Timoty 1:6.
Koa satria Grika tsy mpino ny rain’i Timoty, dia tsy voafora izy. Mazava ho azy fa tsy zavatra notakina tamin’ny Kristianina akory izany. Mba hanesorana ny iray tamin’ny vato nahatafintohina ny Jiosy hotsidihin’izy mirahalahy anefa, dia neken’i Timoty ny hampiharana tamin’ny tenany an’io fanaovan-javatra nampanaintaina io. — Asan’ny Apostoly 16:3.
Noheverina ho Jiosy ve i Timoty talohan’izay? Manizingizina ny manam-pahaizana sasany fa, araka ny voalazan’ireo raby manam-pahefana, dia “ny firazanan’ny reny, fa tsy ny an’ny ray, no amaritana ny firazanan’ny zanany, raha teratany samy hafa izy mivady”. Araka izany, dia “jiosy ny zanaky ny vehivavy jiosy”. Ilay mpanoratra atao hoe Shaye Cohen anefa dia misalasala raha “efa nisy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. [io] lalàn’ny raby mahakasika ny olona [io]”, na tsia, ary koa raha notandreman’ny Jiosy tany Azia Minora izy io, na tsia. Rehefa avy nandinika ny porofo ara-tantara izy, dia nanatsoaka hevitra fa rehefa nanambady vehivavy isiraelita ny lehilahy jentilisa, “dia tsy noheverina ho Isiraelita ny zanaka nateraka tao anatin’ireny fanambadiana ireny, raha tsy hoe nonina teo anivon’ireo Isiraelita angaha ilay fianakaviana. Ny firazanan’ilay reny no nitondra izay ho firazanan-janany rehefa nonina tao an-tanindrazan’ilay reny ilay fianakaviana. Rehefa nifindra tany an-tany hafa mba hiaraka tamin’ny vadiny jentilisa ny vehivavy isiraelita, dia noheverina ho Jentilisa ny zanany”. Na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy ho tombony ho an’i Timoty teo amin’ny asa fitoriana ny nananany ray sy reny samy hafa fiaviana. Tsy nisy olana taminy ny nifandray tamin’ny Jiosy na tamin’ny Jentilisa, ka angamba izany nanampy azy handresy ilay tsy fifankahazoana nisy teo amin’ireo vondron’olona roa ireo.
Nanamarika fiovana goavana teo amin’ny fiainan’i Timoty ny fitsidihan’i Paoly an’i Lystra. Ny fahavononan’ilay tovolahy hanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina sy hiara-miasa amim-panetren-tena amin’ny loholona kristianina, dia nitarika ho amin’ny fitahiana sy tombontsoam-panompoana lehibe. Na takatr’i Timoty izany na tsia tamin’izany fotoana izany, dia hampiasaina ho amin’ny fanendrena teôkratika lehibe izy atỳ aoriana, teo ambany fitarihan’i Paoly. Hahatonga an’i Timoty handeha lavitra ny toerana niaviany izany, eny, hatrany Roma, renivohitry ny empira, mihitsy aza.
Nampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana i Timoty
Tsy notantaraina avokoa akory ny asa rehetra nataon’i Timoty, fa ny ampahany ihany, nefa hita avy amin’izany fa nandeha hatraiza hatraiza izy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ny dia voalohany niarahan’i Timoty tamin’i Paoly sy i Silasy, tamin’ny 50 am.f.i., dia nitondra azy namakivaky an’i Azia Minora sy hatrany Eoropa. Tany izy dia nandray anjara tamin’ny ezaka manokana teo amin’ny fitoriana, tany Filipy sy Tesalonika ary Beria. Rehefa voatery nifindra nankany Atena i Paoly noho ny fanoherana, dia navela tany Beria i Timoty sy i Silasy mba hikarakara ilay antoko-mpianatra efa niforona tao. (Asan’ny Apostoly 16:6–17:14). Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Timoty nankany Tesalonika i Paoly mba hanatanjaka ilay kôngregasiôna vaovao tany. Nitondra vaovao tsara momba ny fandrosoan’izy io i Timoty rehefa nihaona tamin’i Paoly tany Korinto. — Asan’ny Apostoly 18:5; 1 Tesaloniana 3:1-7.
Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe hafiriana i Timoty no nitoetra teo amin’ireo Korintianina. (2 Korintiana 1:19). Azo inoana anefa fa tokony ho tamin’ny 55 am.f.i., dia nihevitra ny handefa azy hiverina tany amin’izy ireo i Paoly, satria naharay vaovao nampikorontan-tsaina momba azy ireo izy. (1 Korintiana 4:17; 16:10). Tatỳ aoriana, dia nirahina avy tao Efesosy nankany Makedonia i Timoty, niaraka tamin’i Erasto. Ary rehefa nanoratra avy tao Korinto, ho an’ny Romanina, i Paoly, dia efa niaraka taminy indray i Timoty. — Asan’ny Apostoly 19:22; Romana 16:21.
Niara-nandao an’i Korinto tamin’i Paoly, i Timoty sy ny hafa, rehefa niainga nankany Jerosalema i Paoly, ary niaraka tamin’ilay apostoly izy ireo, fara fahakeliny hatrany Troasy. Tsy fantatra raha nanohy ny dia hatrany Jerosalema i Timoty na tsia. I Timoty anefa dia voatonona ao amin’ireo teny fampidirana ao amin’ny taratasy telo nosoratan’i Paoly tany am-ponja, tany Roma, tokony ho tamin’ny 60-61 am.f.i.a (Asan’ny Apostoly 20:4; Filipiana 1:1; Kolosiana 1:1; Filemona 1). Nikasa ny handefa an’i Timoty avy tao Roma mba ho any Filipy i Paoly. (Filipiana 2:19). Ary taorian’ny nanafahana an’i Paoly avy tany am-ponja, dia nitoetra tany Efesosy i Timoty, araka izay nasain’ilay apostoly nataony. — 1 Timoty 1:3.
Koa satria sady tsy mora no tsy nampiadana ny fanaovana dia lavitra tamin’ny taonjato voalohany, dia tena mendri-piderana ny fahavononan’i Timoty hanao dia maro ho tombontsoan’ireo kôngregasiôna. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1996, pejy faha-29, faritra voafefy.) Diniho ny iray monja amin’ireo dia ho nataony, sy izay lazain’izany amintsika momba an’i Timoty.
Fahatakarana mazava momba ny toetran’i Timoty
Niaraka tamin’i Paoly tany Roma i Timoty, rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina nenjehina, tany Filipy, ilay apostoly voafonja, ka nilaza hoe: “Manantena ao amin’i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo. Fa tsy manana olona mitovy fanahy aminy aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. Fa izy rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesosy Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.” — Filipiana 1:1, 13, 28-30; 2:19-22, fanamarihana ambany pejy.
Nanantitrantitra ny fiahian’i Timoty an’ireo mpiray finoana taminy ireo teny ireo. Raha tsy hoe nandeha sambo angaha izy, io dia io dia nitaky fandehanana an-tongotra 40 andro, avy tao Roma nankany Filipy, izay nisy fiampitana kely ny Ranomasina Adriatika, ary mbola nisy 40 andro hafa indray avy eo mba hiverenana tany Roma. Vonona ny hanao izany rehetra izany i Timoty mba hikarakarana ireo rahalahiny sy anabaviny.
Na dia nanao dia maro aza i Timoty, dia tsy salama izy indraindray. Niharihary fa nanana karazana aretin’ambavafo izy ary ‘osaosa matetika’. (1 Timoty 5:23). Nikelezany aina anefa ny vaovao tsara. Tsy nahagaga raha nanana fifandraisana akaiky dia akaiky taminy i Paoly!
Teo ambany fitarihan’ilay apostoly, sy noho ireo zavatra niarahan’izy mirahalahy niaina, dia niharihary fa nanjary nanome taratry ny toetran’i Paoly i Timoty. Araka izany, dia afaka niteny taminy toy izao i Paoly: “Hianao (...) dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako”. Niara-latsa-dranomaso tamin’i Paoly i Timoty, notononin’i Paoly tao amin’ny vavaka nataony, ary nanompo teo anilany mba hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. — 2 Timoty 1:3, 4; 3:10, 11.
Nampirisihin’i Paoly i Timoty mba tsy hamela ‘olona hanao tsinontsinona azy noho ny hatanorany’. Mety hanondro izany fa somary natahotahotra i Timoty, nisalasala ny hanantitrantitra ny fahefany. (1 Timoty 4:12; 1 Korintiana 16:10, 11). Afaka nandeha irery anefa izy, ary afaka naniraka azy tamin-toky mba hanao asa nitaky fahaiza-nandray andraikitra i Paoly. (1 Tesaloniana 3:1, 2). Rehefa takatr’i Paoly fa nilana fanaraha-maso teôkratika hentitra tao amin’ny kôngregasiôna tany Efesosy, dia nampirisihiny hitoetra tany i Timoty mba ‘handidy ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa’. (1 Timoty 1:3, izahay no manao sora-mandry.) Nihevi-tena araka ny antonony anefa i Timoty na dia nanankinana andraikitra maro aza. Ary na dia teo aza ny tahotra nety ho nananany, dia be herim-po izy. Ohatra, nandeha tany Roma izy mba hanampy an’i Paoly, izay nandalo fitsarana noho ny finoany. Raha ny marina, dia efa nisy koa fotoana nampidirana am-ponja an’i Timoty, azo inoana fa noho izany antony izany ihany. — Hebreo 13:23.
Tsy isalasalana fa niana-javatra betsaka avy tamin’i Paoly i Timoty. Nihevitra an’io mpiara-miasa taminy io ho tena nanana ny naha izy azy ilay apostoly. Manamarina tsara izany ny hoe taratasy roa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, no nosoratany ho azy. Tokony ho tamin’ny 65 am.f.i., rehefa takatr’i Paoly fa antomotra ny fotoana hahafatesany ho maritiora, dia nampiantso an’i Timoty indray izy. (2 Timoty 4:6, 9). Tsy ambaran’ny Soratra Masina raha nahavita nihaona tamin’i Paoly ihany i Timoty na tsia, talohan’ny namonoana ilay apostoly.
Ataovy izay hahafahan’ny tenanao!
Betsaka no azo ianarana avy amin’ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Timoty. Nandray soa be dia be tamin’ny fifaneraserana tamin’i Paoly izy, hany ka tonga mpiandraikitra izy na dia tanora natahotahotra aza ny tenany tany am-boalohany. Ireo tovolahy sy tovovavy kristianina dia afaka mandray soa be dia be avy amin’ny fifaneraserana toy izany ankehitriny. Ary raha ny fanompoana an’i Jehovah no ataon’izy ireo anton’asany, dia hanana asa hatao be dia be misy vidiny izy ireo. (1 Korintiana 15:58). Mety ho tonga mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, ao amin’ny kôngregasiôna niaviany izy ireo, na mety ho afaka hanompo any amin’izay ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Anisan’ireo zavatra maro azo atao ny asa misionera any an-tany hafa, na ny fanompoana ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower, na any amin’ny iray amin’ireo sampany. Ary mazava ho azy fa ny Kristianina rehetra dia afaka mampiseho toe-tsaina mitovy amin’ilay nasehon’i Timoty, amin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fanahiny rehetra.
Irinao ve ny hitomboanao hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, ny hahatongavanao ho olona mahasoa ny fandaminan’i Jehovah amin’izay asa rehetra mety hoheveriny ho mety aminao? Raha izany no izy, dia manaova tahaka an’i Timoty. Araka izay azonao atao, dia ataovy izay hahafahan’ny tenanao. Iza no mahalala izay tombontsoam-panompoana ho avy mety hisokatra ho anao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Voatonona koa ao amin’ireo taratasin’i Paoly efatra hafa i Timoty. — Romana 16:21; 2 Korintiana 1:1; 1 Tesaloniana 1:1; 2 Tesaloniana 1:1.
[Sary, pejy 31]
“Tsy manana olona mitovy fanahy aminy aho”