Ireo Fitahian’ilay Fanjakana—Afaka ny Hahazo Izany Ianao
NAHAY tsara fiteny lehibe sasany tamin’ny androny, i Paoly, apostoly kristianina. Mitovy amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite amin’izao andro izao ny fianarana vitany. Nananany daholo ireo tombontsoa sy zo rehetra ho an’ny olom-pirenena romanina. (Asan’ny Apostoly 21:37-40; 22:3, 28). Ireo rehetra ireo dia nety ho nahatonga azy ho mpanan-karena sy nalaza. Nilaza anefa izy hoe: “Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. (...) Ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy”. (Filipiana 3:7, 8). Nahoana i Paoly no nilaza izany?
I Saoly avy any Tarsosy, mpanenjika an’ireo izay ‘momba ny lalana’, no nahafantarana an’i Paoly teo aloha. Tonga mpino anefa izy, taorian’ny nahazoany fahitana an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty sy nomem-boninahitra. (Asan’ny Apostoly 9:1-19, fanamarihana ambany pejy). Tamin’i Paoly, iny fahitana teo amin’ny lalana nankany Damaskosy iny dia nanome porofo tsy azo nolavina fa i Jesosy no ilay Mesia, na Kristy, nampanantenaina, ilay ho mpanapaka ao amin’ilay Fanjakana nampanantenaina. Nampiova be ny fiainan’i Paoly koa iny fisehoan-javatra iny, araka ny nasehon’ilay teny mafonja nataony tetsy aloha, satria nibebaka izy, noho izy tso-po.—Galatiana 1:13-16.
Ao amin’ny Baiboly, dia matetika no adika avy amin’ny teny grika iray midika ara-bakiteny hoe “fahalalana atỳ aoriana”, mifanohitra amin’ny hoe “fahalalana mialoha”, ny matoanteny hoe “mibebaka”. Ny fibebahana àry dia fanovan’ny olona iray ny sainy, ny fihetsiny, na ny zava-kendreny, izany hoe fialana amin’ny fanaony teo aloha, satria tsy mahafa-po izany. (Asan’ny Apostoly 3:19; Apokalypsy 2:5). I Paoly dia tsy namela an’iny zava-dehibe nitranga teo amin’ny lalana nankany Damaskosy iny ho zavatra nampientam-po fotsiny, eny, ho zavatra lazaina fa fisehoan-javatra ara-panahy fotsiny. Taminy, dia nampiseho mazava tsara izy iny fa zava-poana ny fomba fiainany teo aloha, fony izy tsy nahalala an’i Kristy. Takany koa fa tsy maintsy manao zavatra izy hanitsiana ny fiainany, mba handraisany soa avy amin’ny fahalalana vao azony momba an’i Kristy.—Romana 2:4; Efesiana 4:24.
Fiovana nitondra fitahiana
Teo aloha, dia avy tamin’ny sektan’ny Fariseo ny ankabetsahan’ny fahalalan’i Paoly an’Andriamanitra, satria mpikambana tao izy. Betsaka ny filozofia sy lovantsofin’olombelona tao amin’ny zavatra ninoan’izy ireo. Diso fiantefa ny zotom-po sy ny ezak’i Paoly, noho ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana nananany. Nihevitra izy fa nanompo an’Andriamanitra, nefa niady taminy izy, raha ny marina.—Filipiana 3:5, 6.
Rehefa avy nandray fahalalana marina an’i Kristy sy ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra i Paoly, dia nahatakatra fa tsy maintsy nisafidy ny tenany: Tokony hijanona ho Fariseo ve izy, ka mbola hanana ny toerana notanany sy ny fanajan’ny hafa azy, sa tokony hanova ny fomba fiainany izy, ka hanomboka hanao izay rehetra nilaina mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra? Mahafaly ny mahafantatra fa nanao safidy tsara i Paoly, satria hoy izy: “Tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa.” (Romana 1:16). Nanjary nazoto nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy sy ilay Fanjakana i Paoly.
Taona maro tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ireo Kristianina namany i Paoly hoe: “Tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:13, 14). Nandraisan’i Paoly soa ny vaovao tsara, satria niala an-tsitrapo tamin’izay nampanalavitra azy tamin’Andriamanitra izy, ka niezaka tamin’ny fony rehetra ny hanatratra tanjona nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra.
Inona no hataonao?
Angamba vao haingana ianao no nandre ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Manintona anao ve ny fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa tonga lafatra? Ara-dalàna izany, satria voajanahary ao amintsika rehetra ny faniriana hiaina sy hankafy ny fiainana ao anatin’ny fiadanana sy ny filaminana. Lazain’ny Baiboly fa nataon’Andriamanitra tao am-pontsika “ny mandrakizay”. (Mpitoriteny 3:11). Koa ara-dalàna àry raha manantena ilay fotoana hiainan’ny olona mandrakizay, ao anatin’ny fiadanana sy ny fahasambarana, isika. Ary izany indrindra no raketin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.
Mba hampiaiky anao anefa fa tena ho tanteraka io fanantenana io, dia mila mamotopototra sy miezaka hahafantatra ny votoatin’ny vaovao tsara ianao. Nampirisika antsika toy izao ny apostoly Paoly: ‘Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.’ (Romana 12:2). Tahaka an’i Paoly àry, dia tsy maintsy manao safidy ianao, rehefa avy nandray fahalalana sy nahazo hevi-javatra.
Etsy an-danin’izany, dia angamba efa manana ny fihevitrao manokana momba ny hoavinao ianao. Tadidio fa efa nanana ny fiheviny manokana momba ny sitrapon’Andriamanitra i Saoly, talohan’ny naha apostoly Paoly azy. Tsy aleo anefa ve mandinika ilay raharaha amin’ny saina tsy miangatra, toy izay hanantena fanambarana mahagaga avy amin’Andriamanitra? Manontania tena hoe: ‘Tena fantatro ve ny sitrapon’Andriamanitra mahakasika ny olombelona sy ny tany? Inona no porofo azoko aroso hanamarinana ireo zavatra inoako? Mbola hitombina ve ireo porofo arosoko raha dinihina amin’ny alalan’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra?’ Tsy ho maty antoka ianao raha mandinika ny zavatra inoanao ara-pivavahana, amin’izany fomba izany. Tokony haniry hanao izany ianao, raha ny marina, satria mampirisika mafy antsika ny Baiboly hoe: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” (1 Tesaloniana 5:21). Rehefa heverina tokoa, moa ve tsy ny fankasitrahan’Andriamanitra no tena zava-dehibe?—Jaona 17:3; 1 Timoty 2:3, 4.
Mety hampanantena antsika hoavy mandrakizay ireo mpitondra fivavahana. Raha tsy miorina amin’ny fampianaran’ny Baiboly anefa izany fampanantenana izany, dia tsy hanampy antsika hahazo ireo fitahian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tao amin’ny Toriteniny malaza teo An-tendrombohitra, dia nampitandrina mafy toy izao i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.”—Matio 7:21.
Mariho fa nantitranterin’i Jesosy fa ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy no fepetra tokony hofenoina mba hahazoana ireo fitahian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy voatery hankasitrahan’Andriamanitra izay mety ho toa fitiavam-pivavahana. Nanohy ny teniny toy izao mihitsy aza i Jesosy: “Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:22, 23). Mazava fa ny zava-dehibe dia ny hahazoantsika antoka fa azontsika marina ny atao hoe vaovao tsaran’ilay Fanjakana, sy ny hanaovantsika zavatra mifanaraka amin’izy io avy eo.—Matio 7:24, 25.
Misy fanampiana azo raisina
Efa 100 taona mahery izao no nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty sy am-bava, dia manampy olona maneran-tany izy ireo mba hahafantatra marina hoe inona ilay Fanjakana, inona moa ireo fitahiana hoentiny, ary inona no tsy maintsy atao mba hahazoana ireo fitahiana ireo.
Mampirisika anao izahay mba handray tsara ny hafatra torin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Raha manaiky ny vaovao tsara ianao, ka manao zavatra mifanaraka amin’izy io, dia afaka ny hahazo fitahiana lehibe, tsy ankehitriny fotsiny, fa amin’ny hoavy koa, rehefa hanapaka ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra.—1 Timoty 4:8.
Manaova zavatra dieny izao, satria efa antomotra ireo fitahian’ny Fanjakan’Andriamanitra!
[Sary, pejy 7]
Amin’ny alalan’ny zavatra vita pirinty sy am-bava no itorian’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra