Ampitandremo Fahaiza-manavaka ny Fonao
“Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny [fahaiza-manavaka, NW ].” — OHABOLANA 2:6.
1. Ahoana no azontsika ampitandremana fahaiza-manavaka ny fontsika?
I JEHOVAH no Mpampianatra Lehibe Indrindra antsika. (Isaia 30:20, 21, NW ). Kanefa inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’ny “fahalalana an’Andriamanitra” aharihary ao amin’ny Teniny? Amin’ny lafiny iray, dia tsy maintsy ‘ampitandremantsika fahaiza-manavaka ny fontsika’ — izany hoe manana faniriana amim-pahatsorana ny hahazo sy haneho io toetra tsara io. Amin’izany, dia tsy maintsy mitodika any amin’Andriamanitra isika, satria hoy ilay lehilahy hendry hoe: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny [fahaiza-manavaka, NW ].” (Ohabolana 2:1-6). Inona no atao hoe fahalalana, fahendrena ary fahaiza-manavaka?
2. a) Inona no atao hoe fahalalana? b) Ahoana no hamaritanao ny fahendrena? d) Inona no atao hoe fahaiza-manavaka?
2 Ny fahalalana dia ny fifankazarana amin’ireo zava-misy izay azo avy amin’ny fanandraman-javatra, ny fandinihan-javatra na ny fianarana. Ny fahendrena dia ny fahaizana mampihatra ny fahalalana. (Matio 11:19). I Solomona Mpanjaka dia naneho fahendrena rehefa nisy vehivavy roa samy nitady hahazo zaza iray ihany, ka nampiasainy ny fahalalany ny fifikiran’ny reny amin’ny zanany, mba handaminana ilay fifandirana. (1 Mpanjaka 3:16-28). Ny fahaiza-manavaka dia “fahaiza-mitsara matsilo”. Izy io dia “ny fahafahana na ny fahaizan’ny saina manavaka zavatra iray amin’ny iray hafa”. (Webster’s Universal Dictionary). Raha ampitandremantsika fahaiza-manavaka ny fontsika, dia homen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Zanany izany. (2 Timoty 2:1, 7, NW ). Amin’ny ahoana anefa ny fahaiza-manavaka no mety hisy fiantraikany eo amin’ireo lafiny maro samihafa amin’ny fiainana?
Ny fahaiza-manavaka sy ny tenintsika
3. Ahoana no hanazavanao ny Ohabolana 11:12, 13, ary inona no dikan’ny hoe “tsy manana fo”?
3 Ny fahaiza-manavaka dia manampy antsika hahatakatra fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. (Mpitoriteny 3:7). Mahatonga antsika hitandrina izay lazaintsika koa io toetra tsara io. Milaza toy izao ny Ohabolana 11:12, 13: “Tsy [manana fo, NW ] izay manamavo ny namany; fa [ny lehilahy manana fahaiza-manavaka malalaka, NW ] dia mangina. Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.” Eny, ny lehilahy na ny vehivavy izay manamavo olon-kafa dia “tsy manana fo”. Araka ny mpivaofy hevi-teny atao hoe Wilhelm Gesenius, ny olona toy izany dia tsy “manana fahazoana ny fihevitry ny hafa”. Tsy manana fahaiza-mitsara zavatra izy, ary ny fampiasana ny teny hoe “fo” dia mampiseho fa tsy manana ireo lafin-toetra anaty manorina, ilay olona. Raha toa ka manohy izany resadresaka tsy voafehy izany ny olona iray mihambo ho Kristiana, ary tonga hatramin’ny fanaratsiana na fanendrikendrehana, dia tsy maintsy manao zavatra ireo loholona voatendry mba hamaranana izany tarehin-javatra tsy mahasoa ao amin’ny kongregasiona izany. — Levitikosy 19:16; Salamo 101:5; 1 Korintiana 5:11.
4. Inona no ataon’ny Kristiana mahay manavaka sy mahatoky raha ny amin’ny raharaha tsiambaratelo?
4 Tsy mba sahala amin’ireo “tsy manana fo” ny olona manana “fahaiza-manavaka malalaka”, fa mangina kosa izy rehefa mety ny hanaovana izany. Tsy mamoaka tsiambaratelo izy. (Ohabolana 20:19). Noho ny fahafantaran’ny olona mahay manavaka fa mety hanimba ny vava tsy voambina, dia “mahatoky” izy ireo. Tsy mivadika amin’ny mpiray finoana aminy izy, ka tsy manaparitaka raharaha tsiambaratelo, izay mety hahatandindomin-doza ireny mpiray finoana ireny. Raha mahazo filazana tsiambaratelo, na karazany inona izany na karazany inona, mahakasika ny kongregasiona, ny Kristiana mahay manavaka, dia hotazoniny ho azy izany mandra-pahatongan’ny fotoana heverin’ny fandaminan’i Jehovah ho mety, mba hampahafantarana izany amin’ny alalan’ireo fitaovana ampiasainy.
Ny fahaiza-manavaka sy ny fitondran-tenantsika
5. Ahoana no iheveran’ny “adala” ny faharatsiana, ary nahoana?
5 Ireo ohabolana ao amin’ny Baiboly dia manampy antsika hampiasa fahaiza-manavaka mba hanalavirana fitondran-tena tsy mety. Ohatra, ny Ohabolana 10:23 dia milaza toy izao: “Toa laolaon’ny adala ny fanaovan-dratsy fa raha ny [lehilahy manana fahaiza-manavaka, NW ], dia fahendrena kosa.” Ho an’ireo izay ‘toa laolao’ ny fanaovan-dratsy, dia tsy mahita ny maha-diso ny lalam-pitondran-tena arahiny izy, ary tsy mino fa Andriamanitra no ilay tsy maintsy hampamoaka ny rehetra. (Romana 14:12). Ny “adala” toy izany dia manjary simba eo amin’ny fisainany ka tonga hatramin’ny fiheverana fa tsy mahita ny ratsy ataony Andriamanitra. Amin’ny asany dia milaza toy izao izy, raha ny marina: “Tsy misy Andriamanitra.” (Salamo 14:1-3; Isaia 29:15, 16). Noho izy tsy tarihin’ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, dia tsy manana ny fahaiza-manavaka izy ary tsy mahay mitsara zavatra araka ny tokony ho izy. — Ohabolana 28:5.
6. Nahoana no fahadalana ny faharatsiana, ary ahoana no hiheverantsika azy io raha manana fahaiza-manavaka isika?
6 “Ny lehilahy mahay manavaka” dia mahatakatra fa tsy ‘laolao’ na hoe kilalao, ny faharatsiana. Fantany fa tsy mampifaly an’Andriamanitra izany, ary afaka mandrava ny fifandraisantsika aminy. Fahadalana ny fitondran-tena toy izany, satria manesotra amin’ny olona ny fanajan-tenany, mandrava ny fanambadiana, manimba ny saina sy ny vatana, ary mitarika ho amin’ny famoizana ny fahasalamana ara-panahy. Koa aoka àry isika hampitandrina fahaiza-manavaka ny fontsika ka hanalavitra ny faharatsiana, na izay mety ho karazana fahalotoam-pitondran-tena. — Ohabolana 5:1-23.
Ny fahaiza-manavaka sy ny toe-tsaintsika
7. Inona no sasany amin’ireo vokatry ny fahatezerana eo amin’ny vatana?
7 Ny fampitandremantsika fahaiza-manavaka ny fontsika dia manampy antsika koa mba hifehy ny toe-tsaintsika. “Be [fahaiza-manavaka, NW ] izay mahatsindry fo”, hoy ny Ohabolana 14:29, “fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” Ny antony iray iezahan’ny olona mahay manavaka hanalavitra ny fahatezerana tsy voafehy, dia noho izy io misy voka-dratsiny eo amin’ny vatantsika. Mety hampisondrotra ny tosi-dra izy io, ary mety hahatonga tsy metimety eo amin’ny taova fisefoana. Ny dokotera dia nanonona ny fahatezerana sy ny fipoahan’ny fahatezerana ho fihetseham-po mampihombo na mahatonga aretina toy ny sohika, ny aretin-koditra, ny fahasahiranana eo amin’ny fandevonan-kanina, ary ny fery.
8. Mety hitarika ho amin’inona ny tsy faharetana, kanefa ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka manampy antsika amin’io lafiny io?
8 Tsy hoe mba hisorohana ny fahasimban’ny fahasalamantsika fotsiny no tokony hampiasantsika fahaiza-manavaka sy ‘hanindriantsika fo’. Raha malaky tezitra isika dia mety ho tonga amin’ny fanaovan-javatra mampiseho hadalana izay hanenenantsika. Ny fahaiza-manavaka dia mahatonga antsika hihevitra izay mety ho vokatry ny lela tsy voafehy na ny fitondran-tena tsy voahevitra, ary amin’izany no hiarovany antsika tsy ‘hampiseho hadalana’ amin’ny fanaovan-javatra tsy amim-pahendrena. Manampy antsika indrindra ny fahaiza-manavaka mba hahatakatra fa ny fipoahan’ny fahatezerana dia mety hanakorontana ny fomba fisainantsika, hany ka tsy ho afaka hampiasa fahaiza-mitsara zavatra isika. Izany dia hanimba ny fahaizantsika manao ny sitrapon’Andriamanitra sy miaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiny marina. Eny, ny fanekena ho resin’ny fahatezerana tsy voafehy, dia manimba amin’ny lafiny ara-panahy. Raha ny marina, ny “fipoahan’ny fahatezerana” dia alahatra ho anisan’ny “asan’ny nofo” maharikoriko izay hisakana antsika tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Galatiana 5:19-21, NW ). Amin’ny maha-Kristiana mahay manavaka antsika àry, dia aoka isika “halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. — Jakoba 1:19.
9. Ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka sy ny fitiavan-drahalahy manampy antsika mba handamina ireo tsy fifanarahana?
9 Raha tena tezitra isika, ny fahaiza-manavaka dia mety hanambara amintsika fa tokony hangina isika mba hanalavirana ny ady. Milaza toy izao ny Ohabolana 17:27: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary [ny lehilahy manana fahaiza-manavaka, NW ] no manan-tsaina.” Ny fahaiza-manavaka sy ny fitiavan-drahalahy dia hanampy antsika hahita ny ilana hifehy ny fihetseham-po hiteny zavatra mandratra. Raha efa nitranga ny fipoahan’ny fahatezerana, ny fitiavana sy ny fanetren-tena dia hanosika antsika hiala tsiny sy hanarina ny tsy nety vita. Kanefa, aoka hatao hoe nisy olona nanafintohina antsika. Amin’izay dia aoka isika hiresaka aminy mitokana amim-pahalemem-panahy sy amim-panetren-tena, amin’ny fikendrena ny hampandroso ny fihavanana, voalohany indrindra. — Matio 5:23, 24; 18:15-17.
Ny fahaiza-manavaka sy ny fianakaviantsika
10. Inona no anjara asan’ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka eo amin’ny fiainam-pianakaviana?
10 Mila mampiseho fahendrena sy fahaiza-manavaka ny mpianakavy, satria ireo toetra tsara ireo no hampiorina ny ankohonana. Hoy ny Ohabolana 24:3, 4 hoe: “Fahendrena no [ampiorenana ankohonana, NW ]; ary [fahaiza-manavaka, NW ] no mampaharitra azy; sady fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” Ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka dia toy ny vato fanorenana tsara dia tsara mba hahombiazan’ny fiainam-pianakaviana. Ny fahaiza-manavaka dia manampy ny ray aman-dreny kristiana hanao izay hamoahan’ny zanany tsy amim-pihambahambana, ny fihetseham-pony sy ny fanahiany. Ny olona iray mahay manavaka dia afaka mifampiresaka amin’ny vadiny, mihaino azy, ary mahazo fahaiza-mahatakatra ny fihetseham-pony sy ny fiheviny. — Ohabolana 20:5, NW.
11. Ahoana no ahafahan’ny vehivavy manambady mahay manavaka ‘mampiorina ny tranony’?
11 Ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka dia tsy isalasalana fa tena zava-dehibe ho an’ny fiainam-pianakaviana sambatra. Ohatra, ny Ohabolana 14:1 (NW ) dia milaza toy izao: “Ny vehivavy tena hendry dia nampiorina ny tranony; fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin’ny tanany.” Ny vehivavy manambady izay hendry sy mahay manavaka, ary manaiky ny vadiny araka ny mety, dia hiezaka mafy mba hanasoa ny ankohonany, ka amin’izany fomba izany dia hanampy mba hampiorina ny fianakaviany. Ny zavatra iray izay ‘hampiorina ny tranony’, dia ny filazany zavatra tsara foana momba ny vadiny, ka amin’izany no hampitomboany ny fanajan’ny hafa azy io. Ary ny vehivavy tsara sy mahay manavaka, izay manana tahotra miharo fanajana ara-pivavahana an’i Jehovah, dia mahazo dera ho an’ny tenany. — Ohabolana 12:4; 31:28, 30.
Ny fahaiza-manavaka sy ny lalam-pitondran-tena arahintsika eo amin’ny fiainana
12. Ahoana no iheveran’ireo “tsy manana fo” ny fahadalana, ary nahoana?
12 Ny fahaiza-manavaka dia manampy antsika hihazona lalam-pitondran-tena mety eo amin’ny raharahantsika rehetra. Izany no voambara ao amin’ny Ohabolana 15:21 izay milaza toy izao: “Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy [manana fo, NW ]; fa [ny lehilahy manana fahaiza-manavaka, NW ] kosa mizotra mahitsy.” Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitr’io ohabolana io? Ny fahadalana dia loharanom-pifaliana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora kely saina. “Tsy manana fo” izy ireo, tsy manana antony manosika tsara, ary tena tsy manam-pahendrena mihitsy, hany ka mifaly amin’ny fahadalana.
13. Inona no tsapan’i Solomona mazava momba ny fihomehezana sy ny fanamaivanan-javatra?
13 I Solomona Mpanjakan’ny Isiraely, izay nahay nanavaka, dia nianatra fa tsy lasa lavitra ny fanamaivanan-javatra. Niaiky toy izao izy: “Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin’ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany. Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?” (Mpitoriteny 2:1, 2). Noho izy lehilahy nanana fahaiza-manavaka, i Solomona dia nahita fa tsy mitondra fahafaham-po raha ny fifaliana sy ny fihomehezana fotsiny, satria tsy miteraka ny tena fahasambarana maharitra. Ny fihomehezana dia mety hanampy antsika hanadino vetivety ny zava-manahirana antsika, kanefa avy eo, dia mety hipoitra indray amin’ny endriny lehibe kokoa aza izany. Afaka niresaka marimarina ny amin’ny fihomehezana ho toy ny “fahadalana”, i Solomona. Nahoana? Satria ny fihomehezana tsy amin’ny antony dia manamaizina ny fahaiza-mitsara zavatra. Izany dia mety hahatonga antsika hanamaivana ireo zavatra tena lehibe. Ny karazana fifaliana mifandray amin’ny teny sy ny zavatra ataon’ny mpanao hatsikana iray, dia tsy azo lazaina hoe miteraka vokany misy vidiny. Ny fahaizantsika manavaka ny maha-zava-dehibe ny fanandraman-javatra nananan’i Solomona momba ny fihomehezana sy ny tokelaka, dia manampy mba tsy ho ‘tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra’. — 2 Timoty 3:1, 4.
14. Amin’ny ahoana no ‘mizotra mahitsy ny olona mahay manavaka’?
14 Nahoana no ‘mizotra mahitsy’ ny lehilahy manana fahaiza-manavaka? Ny fahaiza-manavaka ara-panahy sy ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra dia mitarika ny olona ho amin’ny lalam-pitondran-tena mahitsy sy tsy miolakolaka. Milaza mivantana toy izao ny fandikan-tenin’i Byington: “Ny fahadalana dia fahafinaretana amin’ny olona tsy misy atidoha, fa ny lehilahy manan-tsaina kosa hizotra mahitsy.” “Ny lehilahy manana fahaiza-manavaka” dia manao lala-mahitsy ho an’ny tongony, ary mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy noho ny fampiharany ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana. — Hebreo 5:14; 12:12, 13.
Mitodiha foana any amin’i Jehovah mba hahazoana fahaiza-manavaka
15. Inona no ianarantsika avy amin’ny Ohabolana 2:6-9?
15 Mba hanarahana lalam-pitondran-tena mahitsy eo amin’ny fiainana, dia mila miaiky ny tsy fahatanterahantsika isika rehetra, ary mitodika any amin’i Jehovah mba hahazoana fahaiza-manavaka ara-panahy. Hoy ny Ohabolana 2:6-9 hoe: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny [fahaiza-manavaka, NW ]. Izy mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy sady ampingan’izay mandeha tsy misy tsiny; ka dia mitandrina ny làlan’ny fahamarinana Izy ary miambina ny làlan’ny olony masina. Ary amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.” — Ampitahao amin’ny Jakoba 4:6.
16. Nahoana no tsy misy fahendrena na fahaiza-manavaka na torohevitra mahaleo ny an’i Jehovah?
16 Amin’ny fanekena fa miankina amin’i Jehovah ny tenantsika, dia aoka isika hiezaka amim-panetren-tena hahay hanavaka ny sitrapony, amin’ny fanaovana fikarohana lalina ao amin’ny Teniny. Izy no manana ny fahendrena amin’ny heviny feno, ary ny toroheviny dia mahasoa foana. (Isaia 40:13; Romana 11:34). Raha ny marina, dia tsy misy vidiny izay mety ho torohevitra mifanipaka amin’ny azy. Milaza toy izao ny Ohabolana 21:30: “Tsy misy fahendrena, na [fahaiza-manavaka, NW ], na fisainana mahaleo an’i Jehovah.” (Ampitahao amin’ny Ohabolana 19:21.) Tsy misy afa-tsy ny fahaiza-manavaka ara-panahy, ampitomboin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, no hanampy antsika hanaraka lalam-pitondran-tena mety eo amin’ny fiainana. (Matio 24:45-47, NW ). Koa aoka àry isika hampifanaraka ny fomba fiainantsika amin’ny torohevitr’i Jehovah, amin’ny fahafantarana fa na dia toa mendrika hinoana aza ny torohevitra iray mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy afaka ny hifampitaha aminy izany.
17. Inona no mety ho vokany raha diso ny torohevitra omena?
17 Ny Kristiana mahay manavaka, izay manome torohevitra, dia mahatakatra fa tokony hiorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra izany, ary koa fa ny fianarana ny Baiboly sy ny fisaintsainana dia takina alohan’ny hamaliana fanontaniana iray. (Ohabolana 15:28). Raha diso ny valim-panontaniana omena momba ireo raharaha lehibe, dia fahavoazana lehibe no haterany. Noho izany, ny loholona kristiana dia mila fahaiza-manavaka ara-panahy, ary tokony hivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah rehefa miezaka manampy ireo mpiray finoana aminy amin’ny lafiny ara-panahy.
Mitomboa amin’ny fahaiza-manavaka ara-panahy
18. Raha toa ka misy zava-manahirana mipoitra ao amin’ny kongregasiona, ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka manampy antsika hihazona ny fahaizantsika mandanjalanja ara-panahy?
18 Mba hampifaliana an’i Jehovah, dia mila “fahaiza-manavaka ny amin’ny zavatra rehetra” isika. (2 Timoty 2:7, NW ). Ny fianarana amim-pahazotoana ny Baiboly sy ny fanekena hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra sy ny fandaminany, dia hanampy antsika hahay hanavaka izay tokony hatao, rehefa miatrika tarehin-javatra mety hitarika antsika ho amin’ny lalam-pitondran-tena ratsy isika. Ohatra, aoka hatao hoe tsy nalamina araka izay heverintsika fa tokony handaminana azy ny raharaha iray ao amin’ny kongregasiona. Ny fahaiza-manavaka ara-panahy dia hanampy antsika hahita fa izany dia tsy antony tokony tsy hiarahantsika intsony amin’ny vahoakan’i Jehovah, ka hialantsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Eritrereto ny tombontsoantsika manompo an’i Jehovah, ny fahafahana ara-panahy ananantsika, ary ny fifaliana azontsika avy amin’ny fanompoantsika amin’ny maha-mpitory ilay Fanjakana antsika. Ny fahaiza-manavaka ara-panahy dia mahatonga antsika hahazo ny fomba fijery zavatra araka ny tokony ho izy, ary hahatakatra fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra isika ka tokony hankamamintsika ny fifandraisantsika aminy, na inona na inona ataon’ny hafa. Raha tsy misy zavatra azontsika atao amin’ny fomba teokratika mba handaminana zava-manahirana iray, dia mila miandry amim-paharetana ny hitondran’i Jehovah vahaolana amin’ilay tarehin-javatra isika. Tsy hiala isika na hanaiky ho resin’ny famoizam-po, fa aoka kosa ‘hanantena an’Andriamanitra’. — Salamo 42:5, 11.
19. a) Inona no votoatin’ny vavaka nataon’i Paoly ho an’ny Filipiana? b) Ahoana no ahafahan’ny fahaiza-manavaka manampy antsika, raha misy zavatra tsy azontsika tsara?
19 Ny fahaiza-manavaka ara-panahy dia manampy antsika hitoetra tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Nilaza toy izao tamin’ireo Kristiana tany Filipy i Paoly: “Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ny [fahalalana araka ny marina sy fahaiza-manavaka feno, NW ], mba hamantaranareo [ireo zavatra lehibe kokoa, NW ], mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ny andron’i Kristy hianareo”. (Filipiana 1:9, 10). Mba hisainana araka ny tokony ho izy, dia mila “fahalalana araka ny marina sy fahaiza-manavaka feno” isika. Ny teny grika nadika eto hoe “fahaiza-manavaka” dia milaza “fahatakarana mora tohina ny amin’ny tsara sy ny ratsy”. Rehefa mianatra zavatra iray isika, dia tiantsika ho takatra izay ifandraisan’izany amin’Andriamanitra sy i Kristy, ary tiantsika hosaintsainina ny fomba anandratan’izany ny maha-izy an’i Jehovah sy ireo fandaharana nataony. Izany dia manatsara ny fahaizantsika manavaka sy ny fankasitrahantsika izay nataon’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ho antsika. Raha tsy azontsika tsara ny zavatra iray, dia ny fahaiza-manavaka no hanampy antsika hahatakatra fa tsy tokony hanary ny finoantsika isika, dia ny finoana ireo zava-dehibe rehetra nianarantsika momba an’Andriamanitra sy i Kristy ary ny fikasan’Andriamanitra.
20. Ahoana no ahafahantsika mitombo amin’ny fahaiza-manavaka ara-panahy?
20 Hitombo amin’ny fahaiza-manavaka ara-panahy isika raha mampifanaraka foana ny hevitsika sy ny asantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra. (2 Korintiana 13:5). Ny fanaovana toy izany amin’ny fomba mampiorina dia hanampy antsika hanetry tena, tsy ho kirina, ary tsy ho be fanakianana ny hafa. Ny fahaiza-manavaka dia hanampy antsika handray soa avy amin’ny fanitsiana ary hanao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa. (Ohabolana 3:7). Noho ny faniriana hampifaly an’i Jehovah àry, dia aoka isika hiezaka ho feno fahalalana araka ny marina ny Teniny. Izany dia hahatonga antsika hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy, hamaritra izay tena zava-dehibe, ary hifikitra amim-panehoana tsy fivadihana amin’ny fifandraisantsika sarobidy amin’i Jehovah. Azo atao izany rehetra izany raha ampitandremantsika fahaiza-manavaka ny fontsika. Kanefa, mbola misy zavatra hafa ilaina. Tsy maintsy mamela ny fahaiza-manavaka hiaro antsika isika.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana isika no tokony hampitandrina fahaiza-manavaka ny fontsika?
◻ Inona no mety ho fiantraikan’ny fahaiza-manavaka eo amin’ny tenintsika sy ny fitondran-tenantsika?
◻ Inona no mety ho vokatry ny fahaiza-manavaka eo amin’ny toe-tsaintsika?
◻ Nahoana isika no tokony hitodika foana any amin’i Jehovah mba hahazoana fahaiza-manavaka?
[Sary, pejy 13]
Manampy antsika hifehy ny saintsika ny fahaiza-manavaka
[Sary, pejy 15]
Takatr’i Solomona Mpanjaka nahay nanavaka fa tsy tena mitondra fahafaham-po ny fanamaivanan-javatra