SKYTIANINA
(Skytiànina).
Firenena lozabe mpifindrafindra monina, ary heverina fa nonina tany amin’ny faritra avaratra sy avaratratsinanan’ny Ranomasina Mainty. Toa voaporofo fa tonga hatrany Siberia Andrefana any akaikin’ny sisin-tanin’i Mongolia izy ireo. Nilazana olona faran’izay ratsy toetra ny hoe “Skytianina”, tamin’ny taonjato voalohany. Afaka niova ho Kristianina anefa ny olona toy izany, ka lasa tafaray amin’ny vatan’i Kristy toy ny mpino hafa rehetra ihany. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Tsy misy na Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na tsy andevo. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin’ny rehetra.”—Kl 3:11; jereo MANDIDIDIDY VATANA.