-
Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’AndriamanitraFahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
-
-
“MITAFIA FITIAVANA”
9. Ahoana no namelan’i Jehovah ohatra raha ny amin’ny fanehoana fitiavana?
9 Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mitafia fitiavana, fa fehy fampiraisana tonga lafatra izy io.” (Kolosiana 3:14, NW ). Nanome antsika io fitafiana io tamin-katsaram-panahy i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Afaka maneho fitiavana ny Kristiana satria izy io dia iray amin’ireo vokatry ny fanahy masin’i Jehovah izay nomen’Andriamanitra. (Galatiana 5:22, 23). I Jehovah mihitsy no naneho ny fitiavana lehibe indrindra tamin’ny fanirahana ny Zanany lahitokana mba hahafahantsika hanana fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16). Io fanehoam-pitiavana fara tampony io dia nanome antsika modely mba hanehoana io toetra tsara io. “Raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona, “dia mba tokony hifankatia koa isika.” — 1 Jaona 4:11.
10. Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny “fitambaran-drahalahy manontolo”?
10 Ny fanatrehanao ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana dia hanome anao fahafahana faran’izay tsara hampiseho fitiavana. Any ianao dia hahita karazan’olona be dia be. Tsy isalasalana fa hahatsiaro ho voasinton’ny maro aminy avy hatrany ianao. Mazava ho azy fa samy hafa ny toetran’ny olona na dia eo anivon’ireo izay manompo an’i Jehovah aza. Angamba tamin’ny lasa ianao dia nanalavitra fotsiny an’ireo olona izay tsy nitovy zava-nahaliana na lafin-toetra taminao. Ny Kristiana anefa dia tokony ‘hanana fitiavana ny fitambaran-drahalahy manontolo’. (1 Petera 2:17, NW ). Noho izany, dia ataovy ho tanjonao ny hahafantatra an’ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana — na dia ireo olona mety tsy hitovy taona, toetra, firazanana na fari-pahaizana aminao aza. Azo inoana fa ho hitanao fa faran’izay miavaka raha ny amin’ny toetra iray maha-te ho tia ny tsirairay aminy.
11. Nahoana ianao no tsy tokony ho voahelingelin’ny toetran’olona maro samihafa eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah?
11 Ny maha-samy hafa ny toetran’ireo olona ao amin’ny kongregasiona dia tsy voatery hanelingelina anao. Mba hampisehoana izany, dia alao sary an-tsaina hoe misy fiara maro be miara-manao dia aminao eo amin’ny lalana iray. Tsy mamindra amin’ny hafainganam-pandeha mitovy izy rehetra, no sady tsy mitovy ny hatsaran’izy rehetra. Ny sasany efa nanao kilaometatra maro teo amin’ilay dia, fa ny hafa kosa, toa anao, dia vao nanomboka ilay dia. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ireo fahasamihafana ireo, dia samy manohy ilay dia eo amin’ilay lalana izy rehetra. Mitovy amin’izany koa ny amin’ireo olona mahaforona ny kongregasiona iray. Tsy mamboly ireo toetra kristiana amin’ny hafainganam-pandeha mitovy izy rehetra. Ankoatra izany, dia tsy mitovy ny toetrany ara-batana na ara-pihetseham-po. Ny sasany efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro; ny hafa kosa vao nanomboka. Kanefa, samy manohy ilay dia eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy rehetra, ‘tafakambana tsara, miray saina sy hevitra’. (1 Korintiana 1:10). Noho izany, dia tadiavo ireo toetra tsara, fa tsy ireo fahalemen’ireo ao amin’ny kongregasiona kosa. Ny fanaovanao izany dia hanafana ny fonao, satria ho takatrao fa Andriamanitra dia eo amin’ireo olona ireo marina tokoa. Ary azo antoka fa ao no tianao hisy anao. — 1 Korintiana 14:25.
12, 13. a) Raha misy olona ao amin’ny kongregasiona manafintohina anao, inona moa no azonao atao? b) Nahoana no zava-dehibe ny tsy hitanana fahatezerana?
12 Koa satria tsy tanteraka ny olona rehetra, indraindray dia mety hilaza na hanao zavatra izay hahasosotra anao ny olona iray ao amin’ny kongregasiona. (Romana 3:23). Hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra araka ny zavatra tena misy: “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka”. (Jakoba 3:2). Hanao ahoana ny fihetsikao raha misy olona manafintohina anao? Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny [fahaiza-mahataka-javatry, NW ] ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11). Ny hoe manana fahaiza-mahataka-javatra dia midika hoe mahita ny ao ambadiky ny miseho ivelany amin’ny tarehin-javatra iray, mahatakatra ireo lafin-javatra fototra mahatonga ny olona iray hiteny na hanao zavatra amin’ny fomba iray. Ny ankamaroantsika dia mampiasa fahaiza-mahataka-javatra lehibe mba hanalana tsiny ny fahadisoan’ny tenantsika manokana. Nahoana raha mampiasa azy io koa mba hahatakarana sy hanaronana ireo tsy fahatanterahan’ny hafa? — Matio 7:1-5; Kolosiana 3:13.
13 Aza hadinoina na oviana na oviana fa tsy maintsy mamela ny heloky ny hafa isika raha tiantsika ny hahazo famelan-keloka avy amin’i Jehovah. (Matio 6:9, 12, 14, 15). Raha manaraka ny fahamarinana isika, dia hitondra ny hafa amim-pitiavana. (1 Jaona 1:6, 7; 3:14-16; 4:20, 21). Noho izany, raha mahita zava-manahirana noho ny olona iray ao amin’ny kongregasiona ianao, dia miezaha mba tsy hitana fahatezerana. Raha mitafy fitiavana ianao, dia hiezaka mafy mba handamina ilay zava-manahirana, ary tsy hisalasala hiala tsiny raha nahatonga fahatafintohinana. — Matio 5:23, 24; 18:15-17.
14. Toetra tsara inona avy no tokony hotafintsika?
14 Misy toetra tsara hafa mifandray akaiky amin’ny fitiavana tokony ho tafiditra ao amin’ny fitafiantsika ara-panahy. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. Ireo lafin-toetra ireo, izay voafaoka ao amin’ny fitiavana, dia anisan’ilay “toetra vaovao” araka an’Andriamanitra. (Kolosiana 3:10, 12). Hanao ny ezaka hitafy amin’io fomba io ve ianao? Raha mitafy ny fitiavan-drahalahy indrindra ianao no hanana ny marika iray famantarana ny mpianatr’i Jesosy, satria hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.
-