ARKIPO
(Arkìpo) [Mpanjakan’ny Soavaly].
Nampirisika an’i Arkipo mba hanatanteraka tsara ny fanompoana i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina tany Kolosia. Nolazainy koa hoe ‘miaramila toa azy’ i Arkipo, tamin’izy nanoratra ho an’i Filemona. (Kl 4:17; Flm 2) Asehon’ireo taratasy roa ireo fa nipetraka tany Kolosia (Azia Minora), na tany akaiky tany, i Arkipo tamin’izay. Nanoratra azy ireo i Paoly rehefa hifarana ny fotoana nigadrany voalohany tany Roma (t. 60-61).