Afaka Mampahatanjaka Anao i Jehovah
“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” — ISAIA 40:29.
1, 2. Inona avy ireo porofo sasany ny amin’ny haben’ny herin’i Jehovah?
ANDRIAMANITRA “be hery” i Jehovah. Afaka mahita ny porofon’ny ‘herin’Andriamanitra mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra azy’ isika eo amin’ny hakanton’ny zavatra noforoniny hita maso. Ireo izay tsy mety manaiky izany porofon’ny maha-Mpamorona azy izany dia tsy azo alan-tsiny. — Salamo 147:5; Romana 1:19, 20, NW.
2 Mihamiharihary hatrany ny herin’i Jehovah arakaraka ny irosoan’ireo mpahay siansa lavitra kokoa eo amin’ny fikarohana ao anatin’izao rehetra izao, miaraka amin’ireo vahindahitra tsy tambo isaina eo aminy izay mivelatra mahatratra années-lumière (ventin-kalavana mira amin’ny halaviran-dalana vitan’ny hazavana ao anatin’ny herintaona) an-jato tapitrisany maro. Amin’ny alina maizina iray tsy misy rahona, dia banjino ny lanitra ary jereo raha tsy hahatsapa toy ny tsapan’ilay mpanao salamo toy izao ianao: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no [ikarakaranao, NW ] azy?” (Salamo 8:3, 4). Ary toy inona moa ny nikarakaran’Andriamanitra tsara ny olona, dia isika! Nanome fonenana kanto iray teto an-tany ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany izy. Na dia ny nofon-tanin’izy io aza dia nanana hery — hamokatra zavamaniry, hanome sakafo mahavelona sy tsy voaloto. Manovo hery ara-batana avy amin’io fampisehoana ny herin’Andriamanitra io ny olona sy ny biby. — Genesisy 1:12; 4:12; 1 Samoela 28:22.
3. Ankoatra an’ireo zavatra hita maso eo amin’izao rehetra izao, inona koa no mampiseho ny herin’Andriamanitra?
3 Ankoatra ny hoe mahasondriana ny lanitra sady mahafinaritra aoka izany ny zavamaniry sy ny biby eto an-tany, dia mampiseho amintsika ny herin’Andriamanitra koa izy ireny. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao; fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20). Kanefa misy koa ny porofo hafa ny amin’ny heriny izay mendrika ny fiheverantsika sy ny fankasitrahantsika. Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Inona no mampiseho kokoa ny herin’Andriamanitra noho izao rehetra izao?’ Ny valiny dia hoe i Jesosy Kristy. Raha ny tena izy, teo ambanin’ny tsindrimandry ny apostoly Paoly dia nilaza fa i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana no “herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra”. (1 Korintiana 1:24). ‘Nahoana no izany no izy?’, hoy ny mety ho fanontanianao, ‘Ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fiainako dieny ankehitriny?’
Ny hery naseho tamin’ny alalan’ny Zanany
4. Ahoana no nampisehoana ny herin’Andriamanitra nifandray tamin’ny Zanany?
4 Naseho voalohany ny herin’Andriamanitra fony izy namorona ny Zanany lahitokana, natao araka ny endriny. Io Zanaka ara-panahy io dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny naha-“mpiasa faran’izay mahay”, tamin’ny fampiasana ny haben’ny herin’Andriamanitra tamin’ny famoronana ireo zavatra hafa rehetra. (Ohabolana 8:22, 30, NW ). Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny kristiana tany Kolosia i Paoly: “[Tamin’ny alalany, NW ] no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, (...) Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany”. — Kolosiana 1:15, 16.
5-7. a) Tamin’ny lasa, ahoana no nahatafiditra ny olombelona tamin’ireo fampisehoana ny herin’Andriamanitra? b) Inona no antony inoana fa azo aseho ny herin’Andriamanitra raha ny amin’ireo Kristiana amin’izao andro izao?
5 Anisan’ny ‘zavatra noharina etỳ ambonin’ny tany’ isika. Koa ho azo itarina amintsika olombelona ve ny herin’Andriamanitra? Nandritra ny fifampiraharahan’Andriamanitra tamin’ny olombelona tsy lavorary, indraindray i Jehovah dia nanome hery fanampiny an’ireo mpanompony mba hanatanterahan’izy ireo ny fikasany. Fantatr’i Mosesy fa, amin’ny ankapobeny, dia velona 70 na 80 taona ny olombelona tsy lavorary. (Salamo 90:10). Ahoana ny amin’ny tenan’i Mosesy mihitsy? Velona 120 taona izy, kanefa “tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny”. (Deoteronomia 34:7). Na dia tsy midika aza izany fa manome fahafahana ny mpanompony tsirairay ho velona ela be toy izany Andriamanitra, na hitana hery toy izany, dia tena manaporofo izany fa afaka manome hery ny olombelona i Jehovah.
6 Ny fampisehoana fanampiny ny fahaizan’Andriamanitra manome hery ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy dia izay nataony tamin’ny vadin’i Abrahama. ‘Na Saraha aza, dia nandray hery hanana anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.’ Na hevero ny fomba nanomezan’i Jehovah hery an’ireo mpitsara sy ny hafa teo amin’ny Isiraely: “Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta (...), Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany, izay (...), raha nalemy dia nampahatanjahina”. — Hebreo 11:11, 32-34.
7 Afaka miasa izany hery izany raha ny amintsika koa. Eny e, mety tsy hanantena hanan-janaka amin’ny alalan’ny fahagagana iray isika ankehitriny, na mety tsy hampiseho fahatanjahana toy ny an’i Samsona. Kanefa ho afaka ny hahery isika, araka ny noresahin’i Paoly tamin’ireo olona toy ny olona rehetra tany Kolosia. Eny, nanoratra tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy, toy izay hitantsika ao amin’ireo kongregasiona amin’izao andro izao, i Paoly, ary nilaza izy fa ‘nampahatanjahina tamin’ny hery rehetra’ izy ireny. — Kolosiana 1:11.
8, 9. Tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no nampiharihariana ny herin’i Jehovah nahakasika ireo olombelona tahaka antsika?
8 Nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, i Jehovah dia nampiseho mazava fa niasa tamin’ny alalan’ny Zanany ny heriny. Ohatra, tamin’ny fotoana iray nampirohotra ireo vahoaka nankany amin’i Jesosy tao Kapernaomy, “ny herin[’i Jehovah, NW ] dia tao aminy mba hahasitranany”. — Lioka 5:17.
9 Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy dia nanome toky an’ireo mpanara-dia azy fa ‘hahazo hery izy ireo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminy’. (Asan’ny Apostoly 1:8). Marina toy inona moa izany! Nitantara toy izao momba ny fizotran-javatra andro vitsy taorian’ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i., ny mpanoratra tantara iray: “Tamin’ny hery be no nanambaran’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo”. (Asan’ny Apostoly 4:33). Ny tenan’i Paoly mihitsy no iray tamin’ireo izay nampahatanjahina ho amin’ilay asa izay nanendren’Andriamanitra azy mba hataony. Taorian’ny niovany finoana sy ny nahitany indray, dia vao ‘mainka nihahery izy, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy’. — Asan’ny Apostoly 9:22.
10. Ahoana no nanampian’ny hery avy amin’Andriamanitra raha ny amin’i Paoly?
10 Azo antoka fa nila hery fanampiny i Paoly, rehefa heverintsika ny hery ara-panahy sy ara-tsaina maharitra izay nilaina mba hanatontosana dia misionera telo nahafaoka an’arivony kilaometatra maro. Niaritra izao karazan-java-tsarotra rehetra izao koa izy, niaritra fanaovana an-tranomaizina sy niatrika famonoana ho maritiora. Ahoana no nahavitany izany? Namaly toy izao izy: “Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny”. — 2 Timoty 4:6-8, 17; 2 Korintiana 11:23-27.
11. Momba ny herin’Andriamanitra, fanantenana inona no nasian’i Paoly firesahana ho an’ireo mpiara-nanompo namany tany Kolosia?
11 Tsy mahagaga àry raha toa i Paoly, fony nanoratra tamin’ireo ‘rahalahiny mahatoky ao amin’i Kristy’ tany Kolosia, ka nanome toky azy ireo fa ho afaka ny ‘hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahitr’i Jehovah izy ireo ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana’. (Kolosiana 1:2, 11). Na dia niantefa voalohany indrindra tamin’ireo Kristiana voahosotra aza ireo teny ireo, dia afaka mandray soa be dia be avy amin’izay nosoratan’i Paoly izay rehetra manaraka ny dian’i Kristy.
Nomena hery ny tany Kolosia
12, 13. Inona no toe-javatra ara-tantara nanodidina ny fanoratana ny taratasy ho an’ireo Kolosiana, ary azo inoana fa nanao ahoana ny nandraisana izany?
12 Azo inoana fa ny kongregasiona tany Kolosia, izay tao amin’ny provansy romana tany Azia, dia niforona tamin’ny alalan’ny fitorian’ilay Kristiana nahatoky natao hoe Epafra. Toa rehefa reny ny nanaovana an’i Paoly an-tranomaizina tany Roma tokony ho tamin’ny 58 am.f.i., dia tapa-kevitra i Epafra ny hitsidika ilay apostoly sy ny hampahery azy tamin’ny tatitra tsara dia tsara momba ny fitiavana sy ny tsy fihozongozonan’ireo rahalahiny tany Kolosia. Azo inoana fa i Epafra dia nanao tatitra araka ny zava-nisy koa momba ireo zava-nanahirana sasany tao amin’ny kongregasionan’i Kolosia izay nila fanitsiana. Ho setrin’izany, i Paoly dia nahatsiaro ho voatery hanoratra taratasy iray nirakitra fampaherezana sy fananarana ho an’ilay kongregasiona. Mety hanovo fampaherezana lehibe avy amin’ny toko voalohany ao amin’io taratasy io koa ianao, satria mampiharihary ny fomba ahafahan’i Jehovah mampahatanjaka ireo mpanompony izy io.
13 Azonao alaina sary an-tsaina ny tsy maintsy ho tsapan’ireo rahalahy sy anabavy tao Kolosia rehefa nilazalaza azy ireo ho “rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy” i Paoly. Mendri-piderana izy ireo noho ny ‘fitiavany ny olona masina rehetra’ sy noho ny ‘namokarany ny filazantsara’ hatramin’ny fotoana nahatongavany ho Kristiana! Azo ilazana ny kongregasionantsika, ny amintsika tsirairay avy, ve ireo fitenenana ireo? — Kolosiana 1:2-8.
14. Inona no fanirian’i Paoly momba ireo Kolosiana?
14 Nihetsi-po aoka izany i Paoly tamin’ilay tatitra voarainy, hany ka nilaza tamin’ireo Kolosiana izy fa tsy nitsahatra nivavaka ho azy ireo sy nangataka ny mba ‘hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehanany mendrika [an’i Jehovah, NW ]’. Nivavaka izy mba ‘hahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady hitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra, ary hampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana’ izy ireo. — Kolosiana 1:9-11.
Omena hery koa amin’izao andro izao
15. Ahoana no ahafahantsika maneho toe-tsaina mitovy amin’izay hita taratra ao amin’izay nosoratan’i Paoly ho an’ireo Kolosiana?
15 Ohatra tsara dia tsara re izany navelan’i Paoly ho antsika izany! Mila ny vavaka ataontsika ireo rahalahintsika manerana ny tany mba hiaretan’izy ireo sy hihazonany ny fifaliany na dia eo aza ny fahoriany. Tahaka an’i Paoly, isika dia tokony ho hentitra ao amin’ny vavaka ataontsika rehefa mandre vaovao hoe miatrika fotoan-tsarotra ireo rahalahy any amin’ny kongregasiona hafa, na any amin’ny tany hafa. Angamba iharan’ny loza iray araka ny natiora, na zava-manahirana ara-panahy sasany ny kongregasiona iray eo akaiky. Na angamba miaritra ao amin’ny tany iray rotidrotiky ny ady an-trano na ny fifamonoan’ireo foko samy hafa ireo Kristiana. Ao amin’ny vavaka, dia tokony hangataka amin’Andriamanitra isika mba hanampy ireo rahalahintsika ‘handeha mendrika an’i Jehovah’ sy hanohy hamokatra ny vokatr’ilay Fanjakana raha mbola miaritra izy ireo, ary hitombo amin’ny fahalalana. Amin’izany fomba izany, ireo mpanompon’Andriamanitra dia mahazo ny herin’ny fanahiny, “ampahatanjahina amin’ny hery rehetra”. Afaka mahazo antoka ianao fa hihaino sy hamaly ilay Rainao. — 1 Jaona 5:14, 15.
16, 17. a) Araka ny nosoratan’i Paoly, tokony ho velom-pisaorana noho ny inona moa isika? b) Amin’ny heviny ahoana moa ny vahoakan’Andriamanitra no afahana sy avela heloka?
16 Nanoratra i Paoly fa ireo Kolosiana dia tokony ‘hisaotra ny Ray, Izay nampahamendrika azy ireo hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava’. Aoka koa isika hisaotra ilay Raintsika any an-danitra noho ny anjara toerantsika ao amin’ny fandaharany, na any amin’ny faritr’ilay Fanjakany any an-danitra izany na eto amin’ny faritr’izy io eto an-tany. Ahoana no nanaovan’Andriamanitra olombelona tsy lavorary ho mendrika teo imasony? Nanoratra ho an’ireo rahalahiny voahosotra toy izao i Paoly: “Nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina [izy] ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.” — Kolosiana 1:12-14.
17 Na inona na inona mety ho fanantenantsika, na ho any an-danitra na ho eto an-tany, dia misaotra an’Andriamanitra isan’andro isika noho ny fanafahana antsika avy amin’itỳ fandehan-javatra ratsin’ny haizina itỳ, fanafahana izay tanteraka noho ny finoantsika ilay fandaharana sarobidy momba ny sorom-panavotan’ny Zanaka malalan’i Jehovah. (Matio 20:28). Mandray soa avy amin’ilay avotra izay ampiharina amin’izy ireo amin’ny fomba manokana ireo Kristiana voahosotry ny fanahy, hany ka azo ‘afindra ho amin’ny fanjakan’ny Zanaka malalan’Andriamanitra’ izy ireo. (Lioka 22:20, 29, 30). Kanefa mandray soa avy amin’ilay avotra koa ny “ondry hafa” na dia ankehitriny aza. (Jaona 10:16). Afaka mahazo ny famelan’Andriamanitra heloka izy ireo mba hananana ny toeran’olo-marina eo anatrehany amin’ny maha-sakaizany. Mandray anjara lehibe amin’ny fanambarana “itỳ vaovao tsaran’ny fanjakana itỳ” izy ireo amin’izao fotoan’ny farany izao. (Matio 24:14, NW ). Fanampin’izany, dia manana ilay fanantenana mahatalanjona ny ho tonga olo-marina tanteraka sady lavorary ara-batana izy ireo, amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Rehefa mamaky ny filazalazana ao amin’ny Apokalypsy 7:13-17 ianao, dia jereo raha tsy hekenao fa ho porofon’ny fanafahana sy ny fitahiana izany.
18. Fampihavanana inona, resahina ao amin’ny Kolosiana, no mbola tanterahin’Andriamanitra?
18 Manampy antsika hahatsapa ny adidintsika amin’ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany ny taratasin’i Paoly. Inona no notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy? “[Izany dia mba] hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana — eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ny tany, na ny any an-danitra.” Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hamerina ny zavatra noforonina rehetra ho amin’ny fifanarahana tanteraka aminy, toy izay nisy talohan’ny fikomiana tao Edena. Ilay nampiasaina mba hamoronana ny zava-drehetra ihany no Ilay ampiasaina ankehitriny mba hanatanterahana izany fampihavanana izany. — Kolosiana 1:20.
Omena hery ho amin’ny zava-kendrena inona?
19, 20. Miankina amin’inona no maha-masina sady tsy manan-tsiny antsika?
19 Mahazo andraikitra isika izay ampihavanina amin’Andriamanitra. Efa mpanota sy tafasaraka tamin’Andriamanitra isika fahiny. Kanefa ankehitriny, noho isika manam-pinoana ny soron’i Jesosy sy tsy manana ny saina amin’ny fanaovan-dratsy intsony, dia mijoro ho ‘masina sady tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’Andriamanitra’ isika amin’ny fotony. (Kolosiana 1:21, 22). Eritrereto ange e, toy ny tsy nahamenatra an’Andriamanitra ny amin’ireo vavolombelony nahatoky fahiny ireo no tsy mahamenatra azy ny amintsika, ny hatao hoe Andriamanitsika. (Hebreo 11:16). Amin’izao andro izao, dia tsy misy afaka miampanga antsika ho mitondra amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny anarany miavaka noho ny fahamboniany, na ho matahotra ny hanambara io anarana io hatrany amin’ny faran’ny tany!
20 Mariho anefa ny fampitandremana nanampin’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 1:23: “Raha maharitra amin’ny finoana hianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. Koa zavatra be dia be no miankina amin’ny fitoerantsika ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny fanarahana ny dian’ilay Zanany malala. Nanao zavatra be dia be aoka izany ho antsika i Jehovah sy i Jesosy! Enga anie isika hampiseho ny fitiavantsika azy ireo amin’ny fanarahana ny torohevitra nomen’i Paoly.
21. Nahoana isika no manana antony lehibe tokony hampientan-kafaliana antsika amin’izao andro izao?
21 Tsy maintsy ho nientan-kafaliana ireo Kristiana tany Kolosia nandre fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ‘ilay ‘filazantsara izay efa reny’. Amin’izao andro izao dia mbola mampientana kokoa aza ny mandre hoe hatraiza ny vaovao tsaran’ny Fanjakana no torin’ny Vavolombelona mahery lavitra ny efatra tapitrisa sy sasany any amin’ny tany 230 mahery. Isan-taona dia misy olona efa ho 300 000 avy amin’ny firenena rehetra no tonga mihavana amin’Andriamanitra! — Matio 24:14, NW; 28:19, 20.
22. Na dia tojo fahoriana aza isika, inona no azon’Andriamanitra atao ho antsika?
22 Na dia hita porofo aza fa voatana tao an-tranomaizina i Paoly tamin’ny fotoana nanoratany ilay taratasy ho an’ireo Kolosiana, dia tsy nitaraina tamin’ny toe-piainana nisy azy velively izy. Nilaza kosa izy hoe: “Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho”. Fantatr’i Paoly fa izany dia mba “ho amin’ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana”. (Kolosiana 1:11, 24). Kanefa fantany fa tsy nanao izany tamin’ny heriny manokana izy. Nampahatanjaka azy i Jehovah! Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao. Vavolombelona an’arivony maro izay natao an-tranomaizina sy nenjehina no tsy namoy ny fifaliany teo am-panompoana an’i Jehovah. Nanjary nahatakatra kosa ny fahamarinan’ireo tenin’Andriamanitra hita ao amin’ny Isaia 40:29-31 izy ireo: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, (...) izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa”.
23, 24. Inona moa ilay zava-miafina masina resahina ao amin’ny Kolosiana 1:26?
23 Ny fanompoana momba ilay vaovao tsara mifantoka amin’i Kristy dia tena zava-dehibe tamin’i Paoly. Tiany ny hafa mba hahatakatra ny hasarobidin’ny anjara asan’i Kristy ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, hany ka nilazalaza azy io ho “ny zava-miafina [masina, NW ], ilay voàfina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro” izy. Tsy tokony ho zava-miafina foana anefa izy io. Nanampy teny toy izao i Paoly: “Voaseho ankehitriny amin’ny olona masina” izy io. (Kolosiana 1:26). Rehefa nipoaka ny fikomiana tao Edena, i Jehovah dia nanome fampanantenana ny amin’ny zavatra tsara kokoa ho avy, ka nanambara mialoha fa ‘hanorotoro ny lohan’ny menarana ny taranaky ny vehivavy’. (Genesisy 3:15). Inona no hevitr’izany? Nandritra ny taranaka maro, nandritra ny taonjato maro, dia nitoetra ho zava-miafina izany. Avy eo dia tonga i Jesosy, ary “ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay”. — 2 Timoty 1:10.
24 Eny, ilay “zava-miafina masina” dia mifantoka manodidina an’i Kristy sy ilay Fanjakana Mesianika. Niresaka ny amin’ny “any an-danitra” i Paoly, nanisy firesahana tamin’izany ny amin’ireo izay hiara-mandray anjara amin’ny Kristy amin’ny fanapahana ilay Fanjakana. Izy ireo dia ho fitaovana hitondrana fitahiana tsy tambo isaina ho an’ny “etỳ ambonin’ny tany” rehetra, dia ireo izay hifaly amin’ny paradisa mandrakizay eto. Afaka mahita ianao hoe mifanentana toy inona àry moa ny nanisian’i Paoly firesahana ny amin’ny “haren’ny voninahitr’ity zava-niafina [masina, NW ] ity”. — Kolosiana 1:20, 27.
25. Araka ny aseho ao amin’ny Kolosiana 1:29, ahoana no tokony ho toe-tsaintsika ankehitriny?
25 Niandrandra ny toerany ao amin’ilay Fanjakana i Paoly. Kanefa tsapany fa tsy zavatra izay nahafahany nipetra-potsiny izany sady nantenaina. “Izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny herin’Ilay miasa mahery ato anatiko.” (Kolosiana 1:29). Mariho fa i Jehovah, tamin’ny alalan’i Kristy, dia nampahatanjaka an’i Paoly mba hanatanteraka fanompoana mamonjy aina. Afaka manao toy izany ho antsika koa i Jehovah amin’izao andro izao. Kanefa tokony hanontany tena isika hoe: ‘Moa ve aho manana ny toe-tsain’ny evanjelisitra izay nananako fony aho nianatra voalohany ny fahamarinana?’ Inona no valin-teninao? Inona no afaka manampy ny tsirairay avy amintsika hanohy ‘hikely aina sy hiezaka fatratra araka ny fiasan’ny herin’i Jehovah’? Mamelabelatra io foto-kevitra io indrindra ny lahatsoratra manaraka.
Nomarihinao Ve?
◻ Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa afaka mampiseho ny heriny ho tombontsoan’ny olombelona i Jehovah?
◻ Inona no toe-javatra ara-tantara nanodidina ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Kolosiana toko voalohany?
◻ Ahoana no anatanterahan’Andriamanitra ny fampihavanana resahina ao amin’ny Kolosiana 1:20?
◻ Amin’ny alalan’ny heriny, inona no azon’i Jehovah tanterahina amin’ny alalantsika?
[Sarintany/Sary, pejy 8]
KOLOSIA