Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nofoanana ve ny faneken’ny Lalàna rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy, ary oviana izany no nosoloana ny fanekena vaovao?
Maro ny olona manontany tena toy izany ary misalasala ny amin’izay tena marina amin’ireto zava-niseho telo ireto: ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ny tolakandron’ny 14 Nisana taona 33, ny fotoana nampisehoany ny vidin’ny rany tany an-danitra, ary ny fotoana nandatsahany ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta taona 33. Araka ny Soratra Masina, ny faneken’ny Lalàna dia nofoanana sy nosoloana ny fanekena vaovao tamin’ny andro Pentekosta. Aoka hojerentsika hoe nahoana no toy izany.
Nanambara Jehovah fa amin’ny fotoana tiany dia hosoloany amin’ny “fanekena vaovao” ny faneken’ny Lalàna, izay hanome lalana ho an’ny famelana tanteraka ireo fahotana, zavatra izay tsy nety teo ambanin’ny Lalàna (Jeremia 31:31-34). Oviana no nitranga izany fanoloana izany?
Nilaina voalohany indrindra ny nanesorana ny fanekena taloha, dia ny faneken’ny Lalàna, rehefa naharita ny anjarany izy io (Galatiana 3:19, 24, 25). Izao no nosoratan’i Paoly ny amin’izany: “Navelany [Andriamanitra] ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana.” (Kolosiana 2:13, 14). Azo atao ve ny manatsoaka hevitra avy amin’izany fa nisolo ny faneken’ny Lalàna ny fanekena vaovao tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy Kristy?
Tsia, satria ny fanekena vaovao dia tokony hanan-kery amin’ny alalan’ny ran’ny sorona mifanaraka ary hasiana tombo-kase miaraka amin’ny firenena vaovao iray, dia ny Isiraely ara-panahy (Hebreo 8:5, 6; 9:15-22). Natsangana tamin’ny maty Jesosy ny 16 Nisana, ary niakatra tany an-danitra izy afaka 40 andro tatỳ aoriana (Asan’ny Apostoly 1:3-9). Folo andro taorian’ny niakarany tany an-danitra, tamin’ny andro Pentekosta, dia nandatsaka tamin’ireo mpianany ny “fanahy masina nampanantenaina”, izay azony tamin’ny Rainy izy. Teraka tamin’izany fomba izany ny Isiraely ara-panahy (Asan’ny Apostoly 2:33, MN ). Nanao fanekena vaovao tamin’ny Isiraely ara-panahy Andriamanitra, tamin’ny alalan’ilay Mpanalalana, dia Jesosy Kristy.
Satria ireo zavatra ireo mifandray akaiky tokoa, oviana ny faneken’ny Lalàna no nosoloana ny fanekena vaovao?
Tsy azo atao ny manamafy fa nofoanana ny Lalàna tamin’ny nahafatesan’i Jesosy. Nandritra ireo 40 andro nijanonan’i Jesosy, izay natsangana ho amin’ny fiainana ara-panahy, teto an-tany, dia mbola nitandrina foana ny Lalàna ireo mpianany. Ankoatr’izany, ny Lalàna dia nanomana fisehoan-javatra lehibe iray: ny fidiran’ny mpisoronabe ao amin’ny Masina Indrindra indray mandeha isan-taona. Ary anefa, izany fidirana izany dia tandindon’ny fitsanganan’i Jesosy Kristy ho any an-danitra. Tany, dia afaka nampiseho tamin’Andriamanitra ny vidin’ny sorom-panavotany izy, amin’ny maha-Mpanalalana amin’ilay fanekena vaovao azy (Hebreo 9:23, 24). Izany dia nahatanteraka ny fananan’ny fanekena vaovao hery, ho fahatanterahan’ny Jeremia 31:31-34.
Nanan-kery ilay fanekena vaovao rehefa nasehon’i Jehovah fa nekeny ny sorom-panavotan’i Jesosy, rehefa nandatsaka ny fanahiny masina tamin’ireo mpianatr’i Jesosy nahatoky izy mba hahateraka firenena vaovao iray, dia ny Isiraely ara-panahy voaforon’ireo olombelona izay tafiditra ao anatin’ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana (Lioka 22:29; Asan’ny Apostoly 2:1-4). Nasehony tamin’izany fa nofoanany ny faneken’ny Lalàna, tamin’ny fanomboana azy, amin’ny heviny ara-panoharana, teo amin’ny hazo izay nahafatesan’i Jesosy. Nofoanana àry io fanekena io rehefa nanan-kery ilay fanekena vaovao, izany hoe tamin’ny fahaterahan’ilay firenena vaovao dia ny Isiraely ara-panahy, tamin’ny Pentekosta taona 33. — Hebreo 7:12; 8:1, 2.
Ankoatr’ireo valiny voalohany ireo, dia azontsika atao koa ny manamarika fa tsy nahafoy tanteraka ny Isiraely araka ny nofo Andriamanitra rehefa nofoanana ny faneken’ny Lalàna ka niharihary fa nanan-kery ilay fanekena vaovao, tamin’ny Pentekosta taona 33. Noho izany, mifanaraka tamin’ilay fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama, Jehovah dia nampiseho fiheverana manokana an’ireo Jiosy, ireo proselita ary ireo Samaritana nandritra ny “herinandro” faha-70, izay nifarana tamin’ny taona 36 (Genesisy 12:1-3; 15:18; 22:18; Daniela 9:27; Asan’ny Apostoly 10:9-28, 44-48). Nila fotoana elaela aza ireo kristiana voahosotra nanana fiaviana jiosy vao nahatakatra fa tsy nilaina intsony ny nitandrina ny Lalàna taorian’ny taona 33; izany no nasehon’ilay fanontaniana nentina tany amin’ny kolejy foibe tamin’ny taona 49 (Asan’ny Apostoly 15:1, 2). Ny nandravan’ireo Romana ny tempoly sy ireo rejistra misy tetiarana izay nifamatotra tamin’ny Lalàna, tamin’ny taona 70, dia nanaporofo tamin’ny fomba tsy azo lavina fa nafoy tokoa izy io. — Matio 23:38.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)