“Ampio Aho eo Amin’izay Ilàko Finoana!”
“Niteny toy izao ny rain’ilay zazalahy: ‘Manam-pinoana aho! Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana!’ ” — MARKA 9:24, NW.
1. Inona no nahatonga ny ray iray hihiaka hoe: “Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana”?
NITSANGANA teo anoloan’i Jesosy Kristy ny rain-jazalahy iray azon’ny demonia. Toy inona moa ny faniriana mafy nananan’io lehilahy io ny mba hahasitrana ny zanany! Tsy nanana finoana ampy mba hamoahana ilay demonia ireo mpianatr’i Jesosy, niantsoantso anefa ilay ray hoe: “Manam-pinoana aho! Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana!” Tamin’ny alalan’ny hery nomen’Andriamanitra, dia navoakan’i Jesosy tamin’izay ilay demonia, ka tsy isalasalana fa nanatanjaka ny finoan’ny rain’ilay zazalahy. — Marka 9:14-29, NW.
2. Raha ny amin’ny finoana, fomba roa inona avy no tsy mahamenatra ny kristiana?
2 Sahala amin’io rain-jazalahy feno fanantenana io, ny mpanompo mahatokin’i Jehovah iray dia tsy menatra ny hilaza hoe: “Manam-pinoana aho!” Mety handa ny herin’Andriamanitra sy ny fahamarinan’ny Teniny, ary ny fisiany mihitsy aza ireo mpamingavinga. Ny kristiana marina anefa dia miaiky tsy misy fihambahambana fa mino an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo. Na dia izany aza, rehefa miresaka manokana amin’ny Rainy any an-danitra ao amin’ny vavaka ireo olona ireo ihany, dia mety hiangavy toy izao: “Ampio aho eo amin’izay ilàko finoana!” Izany dia ataon’izy ireo koa tsy amin-kenatra, satria fantany fa na dia ireo apostolin’i Jesosy Kristy aza dia nangataka hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” — Lioka 17:5.
3. Inona no zava-dehibe amin’ny fomba nampiasan’i Jaona ny teny hoe “finoana” ao amin’ny Filazantsarany, ary nahoana izany no amin’ny ilàna azy?
3 Manan-javatra maro holazaina mikasika ny finoana indrindra ny Soratra grika kristiana. Raha ny marina, ny Filazantsaran’i Jaona dia mampiasa teny grika isan-karazany mifandray amin’ny “finoana” maherin’ny 40 isan-jato matetika kokoa noho ireo Filazantsara telo hafa mitambatra. Nanantitrantitra i Jaona fa tsy ampy ny fananana finoana; iankinan’ny aina ny fanehoana azy io. Rehefa nanoratra izy tany amin’ny taona 98 am.fan.ir. tany ho any, dia tazany ny hery mitaona feno poizina avy amin’ny fivadiham-pinoana nanatratra ireo kristiana osa amin’ny finoana mba haningotra azy. (Asan’ny apostoly 20:28-30; 2 Petera 2:1-3; 1 Jaona 2:18, 19). Koa niankinan’ny aina àry ny fanehoana finoana, ny fanomezana porofon’izany tamin’ny asa nampiseho fifikirana tamin’Andriamanitra. Misy fotoan-tsarotra mivelatra eo anoloana.
4. Nahoana no tsy misy na inona na inona tsy ho azo atao ho an’izay manam-pinoana?
4 Ny finoana dia mahatonga ny kristiana ho afaka hisetra izay mety ho fahasahiranana. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy fa raha toa izy ireo ka nanana “finoana hoatra ny voan-tsinapy iray”, dia tsy nisy na inona na inona tsy ho azony natao. (Matio 17:20). Tamin’izany fomba izany izy dia nanantitrantitra ny amin’ny herin’ny finoana, izay vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. Tamin’izay, i Jesosy dia nanamafy, tsy izay azon’ny olombelona atao akory, fa izay azon’ny fanahin’Andriamanitra, na hery miasa atao. Izay tarihin’izy io dia tsy hijery ireo fanakantsakanana sy zava-manahirana mitovy amin’ny loha paingotra ho toy ny tendrombohitra. Ny fampiharana ny fahendrena izay omen’ny fanahin’Andriamanitra dia manampy azy ireo hahay hatrany hijery zavatra araka ny tena halehibeny. Na dia ireo zava-manahirana tena lehibe aza dia mihakely rehefa apetraka eo ambany fahefan’ny herin’ny finoana izay manohana. — Matio 21:21, 22; Marka 11:22-24; Lioka 17:5, 6.
Fivavahana mba tsy hahafoana ny finoana
5-7. a) Teny fampitandremana inona mikasika ny finoana no nambaran’i Jesosy fony izy nanorina ny Fahatsiarovana? b) Tamin’ny ahoana ny finoan’i Petera no nahatonga azy ho afaka hampahery ireo rahalahiny?
5 Tamin’ny taona 33 am.fan.ir., dia niara-nankalaza farany ny Paska tamin’ireo mpianany i Jesosy. Avy eo, rehefa avy nandefa an’i Jodasy Isikariota izy, dia nanorina ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny filazana hoe: “Koa izaho manao fanekena aminareo tahaka ny nanaovan’ny Raiko fanekena momba ny fanjakana iray tamiko (...) Ry Simona, ry Simona, indro, Satana nitaky ny hahazo anareo mba hokororohiny toy ny vary. Nefa izaho nitalaho ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa tafaverina ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.” — Lioka 22:28-32, MN.
6 Nivavaka i Jesosy mba tsy ho levona ny finoan’i Petera. Na dia nirehareha tamim-patokian-tena tafahoatra aza i Petera fa tsy handa na oviana na oviana an’i Jesosy, dia nanao izany intelo izy, fotoana fohy taorian’izay. (Lioka 22:33, 34, 54-62). Raha ny marina, noho ny famelezana ho faty voalaza mialoha fa hanjo ilay Mpiandry, dia nihahaka ny ondry. (Zakaria 13:7; Marka 14:27). Na dia izany aza, rehefa niarina avy tamin’ny fahalavoany tao amin’ny fandriky ny tahotra i Petera, dia nanatanjaka ireo rahalahiny ara-panahy izy. Nanisy firesahana ny amin’ny fanoloana an’i Jodasy Isikariota nivadika izy. Tamin’ny fiasana ho toy ny mpitondra tenin’ireo apostoly tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., i Petera dia nampiasa ny voalohany tamin’ireo ‘fanalahidy’ izay nomen’i Jesosy azy, ka namoha lalana ho an’ny Jiosy mba hahatongavana ho mpikambana ao amin’ilay Fanjakana. (Matio 16:19; Asan’ny apostoly 1:15–2:41). Nitaky ny hahazo ireo apostoly i Satana mba hokororohiny toy ny vary, kanefa Andriamanitra dia nanao izay tsy hahafoana ny finoan’izy ireo.
7 Alao sary an-tsaina izay tsapan’i Petera rehefa nandre an’i Jesosy nilaza hoe: “Izaho nitalaho ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”. Mba eritrereto fotsiny ange! Ny Tompony sady Mpampianatra azy dia nivavaka mba tsy ho foana ny finoan’i Petera. Ary dia tsy foana, na levona izany. Raha ny marina, tamin’ny andro Pentekosta, dia i Petera sy ny hafa no tonga olona voahosotry ny fanahy masina voalohany mba ho tonga zanak’Andriamanitra ara-panahy, ho mpiray lova amin’i Kristy amin’ny voninahitra any an-danitra. Noho ny fanahy masina niasa teo aminy tamin’ny habetsahana mbola tsy fantatra talohan’izay, izy ireo dia afaka nampiseho mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny vokatra avy aminy, anisan’izany ny finoana. Endrey izany valiny mahatalanjona tamin’ilay fiangavian’izy ireo hoe: “Ampitomboy ny finoanay”! — Lioka 17:5; Galatiana 3:2, 22-26; 5:22, 23.
Miatrika fisedrana amim-pinoana
8. Fampitandremana ara-potoana inona no omen’ny fandaminana antsika raha ny amin’ny fahatanterahan’ny 1 Tesaloniana 5:3?
8 Ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia ho rentsika tsy ho ela ilay antsoantso hoe “Miadana sy mandry fahizay”! (1 Tesaloniana 5:3). Mety hisedra ny finoantsika ve izany? Eny, satria mety ho voafandrika isika noho ny toa fahombiazana mety ho hitan’ireo firenena eo amin’ny fitondrana fandriampahalemana. Tsy hiray toe-tsaina amin’izany mpanambara fandriampahalemana izany isika raha mitadidy ao an-tsaina fa tsy mampiasa fitaovan’izao tontolo izao na inona na inona ho amin’izany zava-kendrena izany i Jehovah Andriamanitra. Manana ny fombany manokana izy mba hitondrana ny tena fandriampahalemana, ary izany dia amin’ny alalan’ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy ihany. Noho izany, na toy inona na toy inona fahombiazana mety ho hitan’ireo firenena amin’ny fanorenana fandriampahalemana, izany dia hihelina sy ho ankosotra fotsiny ihany. Mba hanampiana antsika hiambina hatrany amin’io lafiny io, dia hanohy hamoaka fampitandremana amin’ny fotoana mety ny “mpanompo mahatoky sy malina” mba tsy ho voafandrika ny mpanompon’i Jehovah noho ilay fanambarana ho avy feno fihamboana hoe “Miadana sy mandry fahizay” hataon’ireo firenena eo amin’ity fandehan-javatra tranainy ity. — Matio 24:45-47, MN.
9. Nahoana ny fandravana an’i Babylona Lehibe no hitaky herim-po sy finoana avy amintsika?
9 Ilay antsoantso hoe “Miadana sy mandry fahizay” dia ho fandefasana baiko ho amin’ny ‘fandringanana tampoka’ ho tonga amin’i Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:1-6; 18:4, 5). Hisedra ny finoan’ny kristiana koa izany. Amin’ny firodanan’ny fivavahan-diso, moa ve hitoetra ho mafy orina amin’ny finoana ireo Vavolombelon’i Jehovah? Mazava ho azy fa hanao izany izy ireo. Io fisehoan-javatra io — tsy ampoizina sy tsy takatry ny saina ho an’ny ankamaroan’ny olona — dia tsy ho avy amin’ny fitarihan’olombelona. Tsy maintsy fantarin’ny olona fa, raha ny marina, dia didim-pitsaran’i Jehovah izy io, ho fanamasinana ilay anarana izay notevatevain’ny fivavahan-diso hatramin’ny ela. Ahoana anefa no ahafantaran’ny olona raha tsy misy milaza aminy? Ary iza, ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah no azo antenaina fa hilaza izany aminy? — Ampitahao amin’ny Ezekiela 35:14, 15; Romana 10:13-15.
10. Amin’ny ahoana ny fanafihan’i Goga ny vahoakan’i Jehovah no ho fisedrana koa ny finoana?
10 Ananan’ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra sy ireo mpiara-miasa aminy manana fanantenana ny ho eto an-tany ny herim-po ilaina mba hilazana amin’ny hafa ny fampiharana efa antomotra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’i Babylona Lehibe sy ny sisa amin’ny fandehan-javatr’i Satana. (2 Korintiana 4:4). Amin’ny maha-Goga avy any Magoga azy, izay mampiseho ny toerany mietry amin’izao fotoana izao, i Satana dia hanangona ny tafiny eto an-tany ho amin’ny fanafihana amin’ny fara heriny rehetra ny vahoakan’Andriamanitra. Ny finoana ny hery fiarovan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah dia hosedraina. Afaka mino anefa isika fa, araka ny nambaran’ny Tenin’Andriamanitra mialoha, dia hamonjy ny vahoakany i Jehovah. — Ezekiela 38:16; 39:18-23.
11, 12. a) Inona no niantoka ny famonjena an’i Noa sy ny fianakaviany nandritra ny safodrano? b) Tsy mila ny manahy ny amin’inona isika mandritra ny fahoriana lehibe?
11 Amin’izao andro izao dia tsy fantatsika marina ny fomba hiarovan’i Jehovah ny vahoakany mandritra ny “fahoriana lehibe”, kanefa izany dia tsy antony tokony hisalasalana ny amin’ny hanaovany izany. (Matio 24:21, 22). Ho sahala amin’ny toe-javatra nisy an’i Noa sy ny fianakaviany nandritra ny safodrano no hisy an’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao. Voahidy tao anatin’ilay sambo fiara ary nohodidinin’ny ranomodin’ny fandringanana, izy ireo dia azo inoana fa talanjona noho io fampisehoana ny herin’Andriamanitra io ka tsy maintsy ho nivavaka tamin-kafanam-po. Tsy misy filazana araka ny Soratra masina hoe nanahy izy ireo ka nanontany tena hoe: ‘Tena ampy fahamafisana tokoa ve ilay sambo fiara mba hahatohitra ireo hery mpandringana? Manana sakafo ampy ve isika mandra-pahatapitry ny safodrano? Moa ve isika ho afaka hiatrika ireo toe-javatra niova eto an-tany aorian’izany?’ Ireo zava-nitranga nanaraka dia nanaporofo fa ny fanahiana toy izany dia tsy marim-pototra.
12 Mba hiantohana ny famonjena azy ireo, dia nilain’i Noa sy ny fianakaviany ny naneho finoana. Izany dia nidika ho fanarahana toromarika sy ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Mandritra ny fahoriana lehibe, dia zavatra tsy maintsy hatao tsotra izao fotsiny ny hanarahantsika ny fitarihan’ny fanahy masina sy hankatoavantsika ny toromarik’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany. Amin’izay dia tsy hanana antony hanahiana isika na hanontaniana hoe: ‘Ahoana no hanomezana fahafahampo izay ilaintsika ara-panahy sy ara-nofo? Fandaharana inona no hatao ho an’ireo zokiolona na ho an’ireo izay mila fikarakarana ara-pahasalamana na fitsaboana mitohy manokana? Ahoana no hanaovan’i Jehovah izay hahatafita velona antsika ho ao amin’ny tontolo vaovao?’ Amim-pinoana mafy, ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah rehetra dia hametraka ny zava-drehetra ho eo am-pelatanany mahay zavatra. — Ampitahao amin’ny Matio 6:25-33.
13. Raha vao manomboka ny fahoriana lehibe, nahoana isika no mila finoana sahala amin’ny an’i Abrahama?
13 Raha vao manomboka ny fahoriana lehibe dia tsy isalasalana fa hohatanjahina be ny finoantsika an’Andriamanitra. Raha ny marina, dia ho hitantsika fa manatanteraka izay nolazainy hatao i Jehovah. Ho hitan’ny masontsika mihitsy ny fanatanterahany ny didim-pitsarany! Kanefa, moa ve ny tenantsika manokana ho ampy finoana mba hanekena fa hiaro ny vahoakany Andriamanitra rehefa handringana ny ratsy fanahy? Moa ve isika ho sahala amin’i Abrahama izay nino fa ‘hitsara marina ny Mpitsara ny tany rehetra’, ka tsy handringana ny marina miaraka amin’ny meloka? — Genesisy 18:23, 25.
14. Fanontaniana inona avy no tokony hahatonga antsika hamakafaka ny finoantsika sy hiasa mafy mba hanatanjahana azy?
14 Zava-dehibe tokoa ny hampitomboantsika dieny izao ny finoantsika! Noho ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity tena antomotra aoka izany, dia aoka isika hamela ny fanahin’Andriamanitra hanosika antsika ho amin’ny “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”. (2 Petera 3:11-14). Amin’izay, mandritra ny fahoriana lehibe isika dia tsy ho voahelingelin’ny eritreritra mampanahy toy izao: ‘Azoko antoka ve ny fiarovan’i Jehovah ahy? Nety ho afaka nanao bebe kokoa tao amin’ny fanompoana azy ve aho? Tena niasa mafy tokoa ve aho mba hitafiana “ny toetra vaovao”? Moa ve aho ny karazan’olona irin’i Jehovah ho ao amin’ilay tontolo vaovao?’ Ny fanontaniana mampisaintsaina toy izany dia tokony hahatonga antsika hamakafaka ny finoantsika ary hiasa mafy mba hanatanjahana azy dieny izao! — Kolosiana 3:8-10.
Finoana mba hahasitrana antsika
15. Inona indraindray no nolazain’i Jesosy tamin’ireo nositraniny, kanefa nahoana izany no tsy manohana ny fanasitranana noho ny finoana amin’izao andro izao?
15 Tsy noferan’i Jesosy ho an’ny olona nanam-pinoana ihany ny asa fanasitranana ara-batana nataony. (Jaona 5:5-9, 13). Koa tsy manohana ilay fampianarana tsy araka ny Soratra masina momba ny fanasitranana noho ny finoana àry ny asany. Marina fa indraindray i Jesosy dia nilaza tamin’ireo nositraniny hoe: “Ny finoanao no efa nahasitrana anao”. (Matio 9:22; Marka 5:34; 10:52; Lioka 8:48; 17:19; 18:42). Kanefa tamin’ny filazana izany izy dia nanondro fotsiny ny fahamarinana mazava iray: Raha tsy nanam-pinoana ny amin’ny fahaizan’i Jesosy hanasitrana ireo olona nijaly, dia tsy ho nankany aminy izy ireo mba hositranina voalohany indrindra.
16. Fandaharam-panasitranana inona no tarihin’i Jesosy amin’izao andro izao?
16 Amin’izao andro izao i Jesosy Kristy dia mitarika fandaharana iray momba ny fanasitranana ara-panahy, ary misy olona maherin’ny 4 000 000 nanao izay hahatonga ny tenany ho afaka handray soa avy amin’izany. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy ireo, dia mifaly amin’ny fahasalamana ara-panahy izy na dia eo aza ny kilema ara-batana mety hananany. Manana fanantenana ny ho any an-danitra ka “mijery izay tsy hita” ny kristiana voahosotra eo amin’izy ireo. (2 Korintiana 4:16-18; 5:6, 7). Ary ireo kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany dia miandrandra ireo asa fanasitranana ara-batana mahatalanjona izay hitranga ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.
17, 18. Fandaharana nataon’i Jehovah inona no voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2, ary amin’ny ahoana ny finoana no takina amintsika mba handraisan-tsoa avy amin’izany?
17 Nanisy fitenenana ny amin’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny fiainana mandrakizay tamin’izao teny izao ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy 22:1, 2: “Ary izy naneho ahy onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry teo afovoan’ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” Ilay “onin’ny ranon’aina” dia mahafaoka ny Teny fahamarinan’Andriamanitra sy ireo fandaharana hafa rehetra nataon’i Jehovah mba hanafahana ny olombelona mankatò amin’ny ota sy ny fahafatesana ary hanomezana azy fiainana mandrakizay mifototra amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Efesiana 5:26; 1 Jaona 2:1, 2). Raha mbola eto an-tany ireo mpanara-dia an’i Jesosy 144 000 voahosotra, dia misotro amin’ireo fandaharana nataon’Andriamanitra ho amin’ny fiainana amin’ny alalan’i Kristy, ary izy ireo dia antsoina hoe “Hazon’ny fahamarinana”. (Isaia 61:1-3; Apokalypsy 14:1-5). Nitondra vokatra ara-panahy betsaka teto an-tany izy ireo. Rehefa ho tafatsangana amin’ny maty any an-danitra izy ireo mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, dia handray anjara amin’ny fizarana ireo fandaharana amin’ny fanavotana izay hampiasaina mba “ho fanasitranana ny firenena maro” amin’ny ota sy ny fahafatesana.
18 Arakaraka ny mampahatanjaka kokoa ny finoantsika ireo fandaharana nataon’Andriamanitra ireo, no mahalehibe kokoa ny fahavononantsika hanaraka ny fitarihan’ny fanahiny mba hahazo anjara amin’izany. Miharihary fa ho tonga ny fahatanterahana ara-batana arakaraka ny hanehoan’ny olona iray finoana an’i Kristy sy hanaovany fandrosoana ara-panahy. Na dia ho sitrana amin’ny fomba mahagaga amin’ireo kilema lehibe aza ny olona iray, dia hampanakekezina ny fahatanterahana izy arakaraka ny hanaovany izay marina. Hahazo anjara tsy tapaka amin’ny fandaharam-panasitranana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy izy. Koa hisy heriny eo amin’ny fanasitranana antsika sy ny fanaovana izay hahatanteraka antsika ara-batana àry ny finoana.
‘Voavonjy amin’ny finoana’
19. Nahoana no iankinan’ny aina ny hiorenana mafy hatrany amin’ny finoana?
19 Mandra-piposaky ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hampisava mandrakizay ny haizin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny, dia iankinan’ny aina tokoa ny iorenan’ny mpanompon’Andriamanitra mafy amin’ny finoana! Ny olona “tsy mino” dia hatsipy ao amin’ny “farihy mirehitra afo sy solifara”, dia ny fahafatesana faharoa. Hitranga izany, raha ela indrindra, aorian’ilay fitsapana farany eo amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy. (Apokalypsy 20:6-10; 21:8). Ho voatahy tokoa re ny fiafaran’ireo izay manohy maneho finoana ka ho tafita velona mba hifaly amin’ny hoavy tsy hanam-pahataperana!
20. Ahoana no handraisan’ny 1 Korintiana 13:13 heviny manokana amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy?
20 Amin’izay ireto tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:13 ireto dia hanomboka handray heviny manokana: “Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” Tsy hilaintsika intsony ny haneho finoana ny amin’ny hahatongavan’ilay fampanantenana ara-paminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 ho tena izy na ny hanantena ny hahatanteraka azy io. Ho efa nitranga izany. Amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana antsika, dia hanohy hanantena an’i Jehovah isika sady hanam-pinoana azy sy ny Zanany, ary ho tia azy ireo noho izy ireo nahatonga an’io faminaniana io ho tanteraka. Ambonin’izany, ny fitiavana lalina sy ny fankasitrahana aseho amim-pahatsorana noho ny famonjena antsika dia hamatotra antsika amin’Andriamanitra ao anatin’ny fifikirana tsy azo ravana haharitra mandrakizay. — 1 Petera 1:8, 9, MN.
21. Inona no tokony hataontsika ankehitriny mba ho ‘voavonjy amin’ny finoana’?
21 Tamin’ny alalan’ny fandaminany hita maso, i Jehovah dia nanao fandaharana mahatalanjona mba hanatanjahana ny finoana. Mandraisa soa feno avy amin’izy rehetra ireny. Manatreha sady mandraisa anjara tsy tapaka amin’ny fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra. (Hebreo 10:24, 25). Mianara ny Teniny sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana amim-paharisihana. Angataho amin’i Jehovah ny fanahiny masina. (Lioka 11:13). Tahafo ny finoan’ireo izay mitarika amim-panetren-tena ao amin’ny kongregasiona. (Hebreo 13:7). Tohero ireo fakam-panahy eo amin’izao tontolo izao. (Matio 6:9, 13). Eny, halalino ny fifandraisanao manokana amin’i Jehovah amin’izay fomba rehetra azo atao. Ambonin’ny zava-drehetra, manohiza maneho finoana. Amin’izany ianao dia afaka ny ho anisan’ireo izay mampifaly an’i Jehovah ary hahazo ny famonjena satria hoy i Paoly hoe: “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra”. — Efesiana 2:8.
Ahoana no havalinao?
◻ Fisedrana ny finoana inona avy no mivelatra mivantana eo anoloantsika?
◻ Amin’ny fomba roa inona avy no ahafahan’ny finoantsika mahasitrana antsika?
◻ Araka ny 1 Petera 1:9 (MN), hafiriana no tsy maintsy hitanantsika ny finoana?
◻ Fandaharana inona avy no ananantsika mba hanatanjahana ny finoantsika?
[Sary, pejy 15]
Sahala amin’ny rain’ilay zazalahy nositranin’i Jesosy, moa ve ianao mahatsapa fa mila finoana bebe kokoa manokana?
[Sary, pejy 17]
Hilaina mba hahatafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ny finoana sahala amin’ny an’i Noa sy ny fianakaviany