Ny fampiononana avy amin’ilay Andriamanitry ny fiadanana
“Koa dia mifampionòna [hatrany, MN ] hianareo amin’izany teny izany.” — I TESALONIANA 4:18.
1. Inona moa no hataka nataon’i Paoly mampiseho ny fiheverany ny fiadanana?
NIRIN’NY apostoly Paoly mafy ny hananan’ny kongregasiona kristiana fiadanana. Noho izany, ny 13 tamin’ireo taratasiny — araka ny nitehirizana izany ho antsika ao amin’ireo Soratra ara-tsindrimandry — dia manomboka amin’ny fangatahana: ny mba hahazoan’ireo nandefasana izany ny fiadanan’Andriamanitra. Izao, ohatra, no nosoratany ho an’ny kongregasiona tanora tany Tesalonika: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.” Teo am-pifaranan’io taratasy io ihany, dia nilaza izao hataka izao izy: “Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — I Tesaloniana 1:1; 5:23.
2. a) Inona no fiheverana nasehon’i Paoly ny amin’ny kongregasiona? b) Amin’izao andro izao, ahoana no azon’ireo mpiandraikitra kristiana anarahana ny ohatra navelan’i Paoly?
2 Nandany hery tsy nisy toy izany i Paoly sy ireo namany, ‘niasa sy nisahirana’ teo anilan’ireny mpino vaovao ireny. Izao no nolazain’i Paoly: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” Moa ve ireo teny ireo tsy mahatonga ho afaka hahatsapa ny halalin’ny fiheverana sy ny tena fitiavana tsapan’ilay apostoly ho an’io kongregasiona io? Izany dia tena ohatra ny amin’ny fitiavana asehon’ireo mpiandraikitra kristiana amin’izao andro izao ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 50 000 maneran-tany. — I Tesaloniana 2:7-9; Jaona 13:34, 35; 15:12-14.
3. a) Inona no soa azon’i Timoty nentina ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika? b) Mifanitsy amin’ny inona izany amin’izao andro izao?
3 Koa satria Satana, Mpaka fanahy, niteraka fahoriana ho an’ireo kristiana tany Tesalonika, dia nirahin’i Paoly ho any amin’izy ireny Timoty mba ‘hampahery sy hamporisika azy ireo amin’ny finoany’. Rehefa tafaverina tany Atena i Timoty dia nitantara tamin-kafanam-po tamin’i Paoly ny amin’ny fahatokian’izy ireo sy ny fitiavany. Nahazo fampiononana lehibe izy rehetra rehefa nandre ny finoana sy ny tsy fivadihany avy, ary nanohy nitalaho tamin’Andriamanitra mba hameno izay nety tsy ho ampy tamin’izy ireny (I Tesaloniana 3:1, 2, 5-7, 10). Hita taratra amin’izany koa ny fandaharana teokratika manjaka amin’izao andro izao, amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany manatanjaka ireo kongregasiona, na dia any amin’ireo tany andrarana na anenjehana amin-kalozana ny Vavolombelon’i Jehovah aza. — Isaia 32:1, 2.
‘Amin’ny fanatrehany’
4, 5. a) Inona moa no hataka ataon’i Paoly eo, ary nahoana izany no tokony hahaliana antsika manokana amin’izao andro izao? b) Nahoana moa ny androntsika no manana heviny manokana?
4 Nofaranan’ny apostoly Paoly tamin’izao hataka manaraka izao io tapany amin’ny taratasiny io: “Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fihavian’i Jesosy Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra.” — I Tesaloniana 3:12, 13.
5 Eo i Paoly dia mitazana any amin’ny ho avy lavitra, any amin’ny fotoan’ny ‘fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’, rehefa ho “tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra”. Tonga ilay Mpanjakantsika any an-danitra tamin’ny 1914. Avy any amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny tsy hita maso, dia mitsara ireo firenena sy ireo vahoaka amin’ny tany izao i Jesosy ka manavaka ireo olona manetry tena azo ampitahaina amin’ny ondry mba hiarovana azy ireny amin’ny “fahoriana lehibe”, sy mba hananan’izy ireny anjara amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany voaova ho paradisa. — Matio 24:3-21; 25:31-34, 41, 46.
Fandaharana mba hahasoa antsika
6. Fananaran’i Paoly inona moa no tokony hoheverintsika amin’izao andro izao?
6 Moa ve ianao anisan’ireo izay miezaka mba hanatratra ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay? Raha izany no izy, dia tokony hoheverinao izay nosoratan’i Paoly eo ho an’ny Tesaloniana: “Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra — dia araka ny andehananareo ihany — no hitomboanareo bebe kokoa. Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo.” (I Tesaloniana 4:1, 2). Inona moa no sasantsasany amin’ireo “didy” asian’i Paoly fitenenana eo?
7. a) “Didy” tena lehibe inona no omena eo? b) Koa satria isika nahazo ny fanahin’Andriamanitra, nahoana moa isika no tokony hitandrina foana?
7 Ny “didy” voalohany dia mahakasika ny fitondrantena. Izao no nambaran’i Paoly tamim-pahatsorana tanteraka: “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra.” Soa ihany fa isika dia nianatra ‘hahafantatra’ an’Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy, ary miezaka isika hanatratra ny zava-kendrena, dia ny fiainana mandrakizay. Tena ho fahavoazana raha toa ka manaiky ho voatarika ao amin’ny fotaky ny fahalotoam-pitondrantenan’izao tontolo izao indray isika! Mampalahelo ny mahavoatery hilaza fa ny sasany mbola velona ihany taona maro tany amin’ireo toby fitanana na tany an-tranomaizina, na nandany ny fiainany tamin’ny fanatanterahana asa misionera tamin-jotom-po, nefa tamin’ny farany dia namela ilay Mpaka fanahy hampaniasia azy teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena. Koa satria isika nandray ny fanahy masin’Andriamanitra, enga anie isika tsy ‘hampalahelo’ azy mihitsy amin’ny fanaranam-po amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy! — I Tesaloniana 4:3-8; Jaona 17:3; I Korintiana 10:12, 13; Efesiana 4:30.
8, 9. a) Inona moa no atao hoe “fifankatiavan’ny mpirahalahy”? b) Ahoana no azontsika ambolena fitiavana toy izany, ary inona no soa entiny?
8 Ny “didy” manaraka nolazain’i Paoly dia nahakasika ny “fifankatiavan’ny mpirahalahy”, philadelphia (I Tesaloniana 4:9, 10). Izany dia fisehoana manokan’ny fitiavana agapê, miorina amin’ny fotopoto-pitsipika namporisihan’i Paoly mafy ao amin’io andininy faha-9 io ihany, ary koa ao amin’ny toko faha-3, ny andininy faha-6 sy 12. Ny hoe philadelphia dia milaza firaiketam-po lalina tokoa, toy izay miharihary fa nisy teo amin’i Jesosy sy Petera, na teo amin’i Davida sy Jonatana (Jaona 21:15-17; I Samoela 20:17; II Samoela 1:26). Rehefa anampy ny fitiavana agapê io firaiketam-po io, dia mahatonga mpinamana tafaray, ohatra, araka ny porofoin’ny fifaliana tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah maro rehefa miara-mandray anjara amin’ny asan’ny mpitory maharitra na ny asa teokratika hafa.
9 Izao no nambaran’i Paoly: ‘Mitomboa bebe kokoa.’ Azontsika atao mandrakariva ny manitatra ny fitiavantsika ireo rahalahy. Be dia be indrindra io toetra tsara io rehefa manome ohatra ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa amin’ny fiasana amin-jotom-po ho an’ilay Fanjakana. Rehefa variana ‘mikatsaka ny Fanjakana aloha’ ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona, dia lasa any aoriana ireo tsy fifanarahana vokatry ny tsy fahatanterahan’olombelona, ny tsy fitovian-toetra sy ireo fahasahiranana karazan’izany. Aoka isika hibanjina foana ny zava-kendrena! — Matio 6:20, 21, 33; II Korintiana 4:18.
10. Ahoana moa no azontsika kristiana ‘andehanana amim-pahamendrehana’?
10 Nanampin’i Paoly izany ny ‘didy’ iray hafa koa: ny hiezahantsika hiaina amim-pahatoniana, hikarakara ny raharahantsika manokana sy hiasa amin’ny tanantsika. Raha ‘mandeha amim-pahamendrehana’ toy izany isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka maneho fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika sy firaiketam-po amin’ireo rahalahy, dia hahazo fahafaham-po amin’izay rehetra ilaintsika isika. — I Tesaloniana 4:11, 12; Jaona 13:35; Romana 12:10-12.
Ampiononina noho ny fanantenana fananganana ny maty
11. a) Nahoana moa i Paoly no nanisy fitenenana ny amin’ny fananganana ny maty? b) Inona no tokony ho vokatr’io torohevitr’i Paoly io eo amintsika?
11 Hamelabelatra ny amin’ny fanantenana mahatalanjona iray izao ilay apostoly: ny fananganana ny maty. Niresaka ny amin’io raharaha io i Paoly, satria niriny ny hanatanjaka ireo rahalahy mba hiaretan’izy ireo ny fanenjehana ho avy. Notandindomin-doza ny fiainan’izy ireo. Tamin’izay fotoana izay dia toa natory tao amin’ny fahafatesana ny sasany, ka nila ny hampiononina (I Tesaloniana 2:14-20). Noho ny fieritreretana fa akaiky dia akaiky ny ‘fanatrehan’i Kristy’, dia nanontany tena ireo ny amin’izay hitranga amin’ireo izay efa maty. Izay nosoratan’i Paoly ho azy ireo izao dia tsy vitan’ny hoe nitondra fampiononana ho an’ireo namoy olo-malala vita fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, fa fampaherezana koa mba hahafahana miaritra mandra-pahatongan’ny andron’i Jehovah. Ny torohevitr’i Paoly dia tokony hanampy antsika rehetra tsy hihilangilana eo amin’ny lafiny ara-panahy, sady hanohy hanambara ny vaovao tsara eo am-piandrasana ny fahataperan’izao fandehan-javatra izao. — II Tesaloniana 1:6-10.
12. Tena fampiononana inona moa no mety ho azontsika rehefa mamoy olo-malala iray isika, ary avy aiza izany fampiononana izany?
12 Izao no nambaran’i Paoly: “Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modimandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.” (I Tesaloniana 4:13). Toy inona moa ny fampiononana sy ny fiadanan-tsaina entin’ny fanantenana fananganana ny maty ho antsika! Tokony ho dimy taona atỳ aoriana, dia hanomboka ny taratasiny faharoa ho an’ny kristiana tany Korinto tamin’izao teny izao i Paoly: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.” — II Korintiana 1:2-4.
13, 14. a) Nahoana moa no nirin’i Paoly ny hananan’ny kristiana fahalalana ny hevitry ny fahafatesana? b) Inona no asehon’ny Soratra Masina raha ny amin’ny toetry ny maty?
13 Tsy tian’ny apostoly Paoly tsy ho fantatsika ny amin’ny toetry ny maty. Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy maintsy hiseho eo amin’ireo kristiana anarana ny fivadiham-pinoana lehibe, hany ka hiverina any amin’ireo zavatra inoana babyloniana sy ny filozofia grika izy ireo. Ireny mpivadi-pinoana ireny dia hanaiky ny fampianarana platonisiana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy, izay fampianarana tena lehibe izao manerana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ny rivotra mifono zava-miafina manodidina ny fiainana any ankoatra, na lazaina fa any an-danitra izany, na any amin’ny afo fandiovana na any amin’ny toeram-pijaliana mandrakizay, dia tsy mitondra ny tena fampiononana. Afa-tsy izany koa, ny tsangan-kevitra ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia mitsipaka ny fampianarana ny amin’ny fananganana ny maty, satria ahoana no mety hananganana olona mba ho velona indray raha tsy maty ny fanahy?
14 Eo i Paoly dia miresaka ny amin’ireo izay “modimandry [matory ao amin’ny fahafatesana, MN ]”. Eny, izay “matory”. Ny olona iray matory dia tsy mahalala na inona na inona; tsy afaka manatontosa asa iray izy (jereo Mpitoriteny 9:5, 10). Indray andro, tamin’ny fanompoany, dia nilaza i Jesosy fa ‘natory’ i Lazarosy ka “hamoha” azy izy. Koa satria tsy azon’ireo mpianany izany teny izany, “Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy.” Nahazo fampiononana tamin’ny fanantenana fananganana ny maty Marta sy Maria, anabavin’i Lazarosy, ary nitondra fampiononana fanampiny ho azy ireo i Jesosy. Tsy maintsy ho nohatanjahina aoka izany anefa ny finoan’izy ireo rehefa natsangan’i Jesosy avy tamin’ny torimason’ny fahafatesana ilay sakaizany maty hatramin’ny hefarana! — Jaona 11:11-14, 21-25, 43-45.
15. a) Inona no manamafy ny fanantenantsika fananganana ny maty? b) Ahoana no mety hahazoantsika fanampiana mba hanaza-tena amin’ny fahafatesan’ny olo-malala iray?
15 Io fahagagana io, mbamin’ny fananganana maty hafa nataon’i Jesosy, ary voalohany indrindra, ny nananganan’i Jehovah ny tenan’i Jesosy mihitsy, dia zava-niseho voaporofo mafy izay manatanjaka ny fitokisantsika ny fanantenana fananganana ny maty mahatalanjona (Lioka 7:11-17; 8:49-56; I Korintiana 15:3-8). Marina fa miteraka alahelo sy mampirotsa-dranomaso ny fahafatesana, ary sarotra ny manaza-tena amin’ny tsy maha-eo ny olon-tiana iray. Toy inona anefa ny fampiononana sy ny tanjaka entin’ny fahazoana antoka fa Jehovah Mpanjaka Tompo dia ‘hanafoana tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary (...) hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”! (Isaia 25:8; Apokalypsy 21:4.) Ny anankiray amin’ireo fomba tsara indrindra fanasitranana ny alahelon’ny tena dia ny faharisihana foana amin’ny asan’ilay Andriamanitry ny fiadanana, amin’ny fampitana amin’ny hafa ny fanantenana mafana ilay Fanjakana neken’ny tenantsika tamim-pankasitrahana tokoa. — Jereo Asan’ny apostoly 20:35.
Ny filaharan’ny fananganana amin’ny maty
16, 17. a) Ahoana no hanafoanana ny “fahavalo farany”? b) Araka ny fanazavana omen’i Paoly izao, ahoana no filaharan’ny fananganana ny maty?
16 Mino mafy isika fa Kristy, “santatra” amin’ny fananganana ny maty, ary Mpanjaka eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra ankehitriny, dia hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’i Jehovah be voninahitra momba ilay Fanjakana (Hebreo 6:17, 18; 10:12, 13). Araka ny ambaran’i Paoly ao amin’ny taratasy hafa iray, dia “tsy maintsy manjaka Izy [Jesosy Kristy], mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena”. Ahoana izany? Misy avy amin’ny fananganana ny maty sy amin’ny fanafoanana ny vokatry ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama. Toy izao no nanazavan’ilay apostoly azy eo amin’ireo andininy eo aloha: “Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy araka ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany.” (I Korintiana 15:20-26). Ny amin’izany filaharan’ny fananganana ny maty izany izao no asian’i Paoly fitenenana ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesaloniana, rehefa nilaza izy hoe:
17 “Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha.” — I Tesaloniana 4:14-16.
18. Oviana moa ireo mpikambana voahosotra “natory tao amin’ny fahafatesana” no natsangana tamin’ny maty?
18 Taorian’ny 1914, mandritra ny ‘fanatrehany’ ao amin’ny herin’ny Fanjakany, Jesosy, amin’ny maha-arikanjely azy, dia milaza baiko avy any an-danitra mba hiangonan’ireo izay “ao amin’i Kristy”. Raha ny amin’ireny mpikambana voahosotra ireny izay ‘natory tao amin’ny fahafatesana’, io baiko sahala amin’ny feon’ny trompetra io dia nanasa azy ireny ho amin’ny fananganana ara-panahy any an-danitra. Hatramin’ny ela be Ny Tilikambo Fiambenana dia manazava fa ny fananganana ireo kristiana voahosotra dia nanomboka tamin’ny taona 1918.
19. Amin’ny fotoana toy inona ary amin’ny fomba ahoana moa no ‘ampakarana ho eny amin’ny rahona’ ireo mpikambana voahosotra mbola eto an-tany, ary noho ny fikasana inona?
19 Inona anefa no mitranga amin’ireo kristiana voahosotra izay mbola eto an-tany ka ny isany, latsaka ny iray alina, dia mihena? Ireo koa dia tokony hamita ny fiainany eto an-tany ao anatin’ny fahatokiana. Toy ny hoe niaraka tamin’izy ireo mandritra ny fanatrehan’i Kristy i Paoly ka izao no nosoratany: “Ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.” (I Tesaloniana 4:17; jereo Apokalypsy 1:10). Amin’izany fomba izany, amin’ny fotoana mety, ireo 144 000 dia hatsangana daholo mba ho mpisorona sy mpanjaka eo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra miaraka amin’ny Zanak’ondry, Jesosy Kristy. “Izany no fitsanganana voalohany.” (Apokalypsy 14:1, 4; 20:4, 5). Fa inona no hiafaran’ireo olona an-davitrisany maro any am-pasana ankehitriny?
20, 21. a) Inona no anjara miandry an’ireo olona an-davitrisany maro ao am-pasana? b) Antokon’olona iza no tsy ho faty mihitsy, ary nahoana? d) Inona no fahatsinjovan-javatra mahafaly misy ho an’ireo anisan’io antokon’olona io izay mety ho faty?
20 Na dia tsy nanisy fitenenana mivantana ny amin’ireny olona ireny aza i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesaloniana, ny Apokalypsy 20:12 dia manome toky antsika fa ‘ny maty, na ny lehibe na ny kely’, dia hatsangana mba hijoro eo anoloan’ny seza fiandrianan’ny fitsaran’Andriamanitra (jereo koa Jaona 5:28, 29). Amin’izao andro izao anefa, ny “olona betsaka” miisa ho an-tapitrisany maro dia efa nangonina eo anoloan’io seza fiandrianana io. Amin’ny maha-antokon’olona, ireo anisan’izany vahoaka izany dia tsy haninon-tsy haninona amin’ny “fahoriana lehibe” efa akaiky. Miandry azy ny Zanak’ondry ary mitondra azy ireny ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina”, hany ka hitoetra eto an-tany tsy ho faty mihitsy izy ireny. Noho ny taona na ny fisehoan-javatra tsy ampoizina anefa, dia mety ho faty ny sasany mandritra ny ‘fanatrehan’ny’ Tompo (Apokalypsy 7:9, 14, 17; Mpitoriteny 9:11). Inona no hitranga amin’izy ireny?
21 Miandry an’ireny “ondry hafa” rehetra ireny ny fanantenana mahafaly ho anisan’ireo voalohany hatsangana. (Jaona 10:16.) Ny finoan’izy ireny sy ny asany, toy ny an’i Abrahama taloha, dia efa nampiditra azy ireny tamin’ny fisakaizana tamin’Andriamanitra. Sahala amin’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana voalazalaza ao amin’ny Hebreo toko faha-11, ireny “ondry hafa” amin’ny andro ankehitriny ireny dia niaritra fitsapana. Araka ny fandrindran-kevitra ny hahitany koa “fitsanganana tsara lavitra”, tsy isalasalana fa aoriana kelin’ny Hara-Magedona (Hebreo 11:35; Jakoba 2:23). Marina tokoa fa ny tsirairay avy amin’ireo izay, tao amin’ny finoana, dia ‘ho nihinana ny nofon’i Jesosy sy ho nisotro ny rany’, dia hanana anjara amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenany hoe: “Manana fiainana mandrakizay [izy]; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” — Jaona 6:54; Romana 5:18, 21; 6:23.
22. Ahoana no azontsika ifampiononana?
22 Rehefa avy niresaka ny amin’ny fanantenana malaza ny fananganana ny maty i Paoly dia manao izao fampahatsiahivana manaraka izao: “Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany.” (I Tesaloniana 4:18.) Avy eo, dia asiany fitenenana ny raharaha hafa lehibe dia lehibe momba “ny fanatrehan’i Jesosy Tompontsika”. (I Tesaloniana 5:23.) Inona avy moa izany raharaha izany? Mampiseho izany antsika ny lahatsoratra hoe “Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?”.
Ho famintinana
◻ Inona moa no fangatahana nataon’i Paoly ho an’ny kristiana?
◻ “Didy” inona no omen’ilay apostoly antsika mba hahasoa antsika?
◻ Inona moa no fampiononana entin’ny Tenin’Andriamanitra ho antsika raha ny amin’izay mahakasika ny maty?
◻ Ahoana no filaharana ilazalazan’i Paoly ny amin’ny fananganana ny maty?